1Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry 2teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. 3Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy 4ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny. 5Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.
mardi 31 janvier 2023
lundi 30 janvier 2023
Alatsinainy 30 Janoary 2023 - Isa 65 : 17 - 21
17Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. 19Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina. 20Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozoninaNa: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona. 21Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.
dimanche 29 janvier 2023
Alahady 29 Janoary 2023 - Lio 17 : 11 - 19
11Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'iNa: Teny anelanelan'i Samaria sy Galilia. 12Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny. 13Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay. 14Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana. 15Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery 16sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny. 17Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? 18Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? 19Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
samedi 28 janvier 2023
Sabotsy 28 Janoary 2023 - Isa 46 : 3 - 7
3Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: 4Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. 5Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko? 6Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany. 7Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.
vendredi 27 janvier 2023
Zoma 27 Janoary 2023 - Asa 17 : 22 - 31
22Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo. 23Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, 24dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana, 25sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra; 26ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany, 27mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; 28fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika. 29Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona. 30Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, 31satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.
jeudi 26 janvier 2023
Alakamisy 26 Janoary 2023 - Sal 89 : 5 - 18
5Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina. 6Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah, 7Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy? 8Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao. 9Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao. 10Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao. 11Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy. 12Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona. 13Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana. 14Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
15Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany. 16Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany. 17Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay. 18Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay.
mercredi 25 janvier 2023
Alarobia 25 Janoary 2023 - Jao 10 : 20 - 26
20Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo? 21Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason'ny jamba? 22Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro. 23Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona. 24Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. 25Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy. 26Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko.
mardi 24 janvier 2023
Talata 24 Janoary 2023 - Mpit 12 : 1 - 7
1Aza hadino Ilay nahary anao amin’ny androm-pahatanoranao12.1 Ilay nahary anao: ny teny hebreo ampiasaina eto dia azo adika koa hoe ny fasanao –Amin’ny dkt sasany ny 11.9-10 dia marihina 12.1-2, noho izany ny 12.1-14 dia lasa 12.3-16.. Tsarovy Izy dieny tsy mbola tonga ny androm-pahosanao ary tsy mbola mihatra ny taona izay hitenenanao hoe: «Mankaleo ahy ny miaina.» 2Amin’ny androm-pahosanao manko dia hihamatroka ny fahazavan’ny masoandro, hanjavozavo ny volana aman-kintana, ary hivangongo ny rahona mitondra orana. 3Amin’izay ny sandry aman-tanana fiarovanao tena dia hipararetra; ny ranjonao nijaridina dia hikolepaka; ny nifinao efa nihavitsy loatra dia tsy hahahota sakafo intsony; ary hihapahina ny masonao ka tsy hahita tsara intsony. 4Amin’ny androm-pahosanao koa dia hikombona ny molotrao satria hihareraka ny vodivazanao mihomokomoka ao anaty vavanao; ary ho donto ny sofinao, ka tsy ho tandrinao ny fikalom-boron-kely ary halefaka aminao avokoa ny feon’ny mpihira. 5Amin’izay koa dia hatahotra ny hiani-piakarana ianao ary ho be fanahiana rehefa mamindra; ny volon-dohanao hihafotsy toy ny voninkazo mamony fotsy; tsy ho mailaka fihetsika toy ny valala intsony ianao; ary tsy hahitanao tsirony intsony ny voan-tsiperifery12.5 Ny and 2-5 eto dia ilazana ny fahanterana miaraka amin’ny fahosana sy ny fahaketrahana rehetra momba azy. Ny fahazavan’ny masoandro sy volana aman-kintana dia enti-milaza ny saina sy fitadidiana amam-piniavana mavitrika. Ao amin’ny RM dia soritana fa an’ohatra no ilazana ny sandry aman-tanana (=mpiambina), ny tena (=trano), ny ranjo mijaridina (=lehilahy matanjaka), ny nify mihota (=mpanompovavy mpitoto), ny maso (=vehivavy mpitsiritsirika), ny molotra (=varavarana kopa-droa), ny vava (=lalambe), ny vazana (=vato fikosoham-bary); niniana nialana ny sarintsary aman’ohatra mba hampazava kokoa ny tian-kambara. –ho be fanahiana: izany hoe matahotra ny hianjera sy ho lavo ny beantitra eny am-pandehanana.. Isika olombelona tsy maintsy mankany amin’ny fonenana mandrakizay, ary ny mpisaona antsika kosa efa mihaodihaody eny an-dalambe. 6Dia ho tapaka ny kofehim-bolafotsin’ny fiainana; ho montsamontsana ny tavoara volamena; eny am-pantsakana no ho vaky ny siny; ho latsaka an-davaka famorian-drano ny fanovozana bolaky12.6 Teny an’ohatra enti-milaza ny vatan’olombelona ialan’ny aina avokoa izany.. 7Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.
lundi 23 janvier 2023
Alatsinainy 23 Janoary 2023 - Isa 64 : 7 - 11
7Na dia izany aza anefa, TOMPO ô, Ianao no Rainay;
tanimanga izahay, fa Ianao no mpanefy
ary asan’ny tananao izahay rehetra.
8TOMPO ô, aza vinitra loatra aminay
ary aza tsarovana hatrany ny helokay;
mba tsinjovy re izahay vahoakanao rehetra.
9Tonga aolo ireo tanànanao masina,
tonga taniefitra i Tsiôna
ary tonga lao i Jerosalema.
10Ny tempoly masina sady mamirapiratra
izay nanaovan’ny razanay hira fiderana Anao
dia kilan’ny afo,
ary ny zava-drehetra maminay indrindra
dia rava avokoa.
11Eo anoloan’ireo fahavoazana rehetra ireo,
dia tsy hiraika aminay ve Ianao, TOMPO ô?
Mbola hangina ihany ve Ianao
ka hampahory anay mafy loatra?
dimanche 22 janvier 2023
Alahady 22 Janoary 2022 - Jer 10 : 6 - 13
6Tsy misy tahaka Anao, ry TOMPO,
fa lehibe Ianao ary lehibe ny lazanao
amin’ny asa mahery nataonao.
7Iza no tsy hatahotra Anao,
ry Mpanjakan’ireo firenena,
fa mendrika anao izany.
Ny hendry rehetra amin’ireo firenena
sy ao amin’ireo fanjakana rehetra
dia tsy misy mitovy aminao10.7 Ampit Apôk 15.4..
8Fa adala sy very saina izy rehetra:
zava-poana ny fampianarany
fa tapa-kazo ihany izany.
9Ireo sampy ireo dia ravahana
takela-bolafotsy avy any Tarsisy
na volamena avy any Ôfira10.9 Tarsisy: seranan-tsambo na faritany iray any Mediteranea andrefana, heverina ho tany Espaina. –Ôfira: faritany malaza noho ny volamenany (1 Mp 22.49), nefa ny TM manao hoe Ofaza izay faritany tsy fantatra kanefa voalaza koa ao amin’ny Dan 10.5.,
izay namboarin’ny mpanao asan-tanana
sy ny mpanefy firavaka;
ary lamba jaky sy volomparasy
no nampitafiana azy.
Asan’ny mpahay taozavatra avokoa
ireny sampy rehetra ireny.
10Fa ny TOMPO kosa
no tena Andriamanitra,
Andriamanitra velona
sy Mpanjaka mandrakizay.
Rehefa tezitra Izy,
dia mihorohoro ny tany;
ary ny firenena dia tsy mahatanty
ny fahavinirany.
11Izao àry no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho etỳ an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana atỳ ambanin’ny lanitra.
12Tamin-kery no nanaovan’ny Tompo ny tany,
tamim-pahendrena no nanorenany
izao tontolo izao,
ary tamim-pahaizana no namelarany
ny habakabaka.
13Baikony no mampitoby
ny ranobe any an-danitra any
sy mampiakatra ny rahona matevina
avy any am-paravodilanitra,
ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana
sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.
samedi 21 janvier 2023
Sabotsy 21 Janoary 2023 - Sal 95 : 1 - 11
1Avia! Aoka isika hihoby ny TOMPO,
hankalaza ilay Vatolampy Mpamonjy antsika!
2Aoka hankeo anatrehany amim-piderana,
hankalaza Azy amin’ny feon-java-maneno!
3Fa Andriamanitra lehibe ny TOMPO,
Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra.
4Eo ambany fifehezany ny atin’ny tany,
ary Azy koa ny tampon’ny tendrombohitra;
5Azy ny ranomasina fa nataony,
Azy koa ny tanety fa novolavolainy.
6Midira, aoka isika hiankohoka sy hitsaoka,
handohalika eo anatrehan’ny TOMPO Mpanao antsika!
7Satria Izy no Andriamanitsika, fa isika kosa
vahoaka fiandriny, andian’ondry tarihiny.
Koa enga anie ianareo anio
mba hahahaino ny feony manao hoe:
8«Aza manamafy ny fonareo
tahaka ny nataon’ny razanareo tao Meribà
tamin’ny zava-nitranga tao Masà95.8a Meribà sy Masà: Eks 17.1-7; Nom 20.1-13., tany an-taniefitra95.8b Ny and 7-8 dia tsiahivin’ny Heb 3.15; 4.7 araka ny dkt tranainy grika..
9Fa nihantsy sy nitsapa Ahy ny razanareo,
na dia efa nahita ny asa nataoko aza.
10Efapolo taona95.10 efapolo taona: jereo Nom 14.33-34. no nahatofoka ahy izany taranaka izany,
ka hoy Aho hoe: Vahoaka very saina tokoa ireo,
ka tsy mahatakatra izay lalana itarihako azy.
11Koa nianiana tamin-katezerana Aho nanao hoe:
Tsy hidiran’ireo ny toeram-pitsaharana nomaniko95.11 Ny and 7-11 dia tsiahivin’ny Heb 3.7-11 araka ny dkt tranainy grika. –Ny fianianan’ny Tompo: jereo Nom 14.21-23; Deot 1.34-35; Heb 4.3..»
vendredi 20 janvier 2023
Zoma 20 Janoary 2022 - Mat 11 : 25 - 27
25Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe:
–Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina11.25 Ampit Dan 2; 1Kôr 1.17-29. –Ny zavatra nafeninao dia manondro ny Fanjakàn’ny lanitra sy ny harena miafina raketiny. dia nasehonao tamin’ny madinika. 26Eny, Ray ô, izany tokoa no sitrakao!
27Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala tsara ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin’izay tian’ny Zanaka hanehoana azy!
jeudi 19 janvier 2023
Alakamisy 19 Janoary 2022 - Apo 15 : 1 - 4
1Ary hitako nisy famantarana anankiray hafa tany an-danitra, famantarana sady lehibe no mahagaga: dia anjely fito izay nanana ny loza fito farany, satria amin’ireo loza ireo no hiseho faran’izay mafy indrindra ny haviniran’Andriamanitra.
2Ary hitako nisy toa ranomasina fitaratra miharo afo; ka izay olona naharesy an’ilay biby sy ny sariny ary ny isa mifandraika amin’ny anarany dia nijoro teo amoron’io ranomasina fitaratra io sady nitana ny lokanga nomen’Andriamanitra azy. 3Ary miventy ny hiran’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanakondry izy ireo manao hoe:
«Lehibe sy mahagaga ny asanao,
ry Tompo Andriamanitra Tsitoha!
Ara-drariny sy mahitsy ny fandaharanao
ry Mpanjakan’ny firenena!
4Iza no tsy hanaja Anao, ry Tompo?
Iza no tsy hanome voninahitra Anao?
Satria Ianao irery no masina,
ka ho avy ny firenena rehetra
hiankohoka eo anatrehanao,
fa efa naharihary ny fitsaranao ara-drariny15.4 And 3: jereo Eks 15.1. –Mpanjakan’ny firenena: misy stf sasany ahitana hoe Mpanjakan’ny taona rehetra. –And 4: jereo Jer 10.7; Sal 86.91..»
mercredi 18 janvier 2023
Alarobia 18 Janoary 2022 - Sal 33 : 4 - 11
4Fa mahitsy ny tenin’ny TOMPO
ka azo antoka avokoa izay ataony.
5Ny rariny sy ny hitsiny lalainy;
ny fitiavany manenika ny tany.
6Nandidy ny TOMPO, dia vita ny lanitra;
niteny Izy, dia ary ny planeta sy ny kintana.
7Angoniny sy fefeny ny rano an-dranomasina
ataony am-pitahirizana azy ny rano lalimbe.
8Hatahotra ny TOMPO anie ny tany tontolo;
hangovitra eo anatrehany anie
ny mponina rehetra ao aminy!
9Fa niteny Izy, dia tonga izay voalazany;
nandidy Izy, dia nisy avy hatrany ireny.
10Ny TOMPO maharava ny fikasan’ny firenena
ary mahasakana ny hevitry ny vahoaka;
11fa ny fikasan’ny TOMPO no maharitra mandrakizay,
ny hevitry ny fony manerana ny taranaka mifandimby.
mardi 17 janvier 2023
Talata 17 Janoary 2022 - II Kor 5 : 11 - 21
11Fantatray ny atao hoe fahatahorana ny Tompo, ka miezaka hampanaiky ny olona izahay. Tena mahalala anay Andriamanitra, ary antenaiko fa mahalala ahy ao amin’ny fieritreretanareo koa ianareo. 12Tsy hoe midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay; ka dia mba hisy havalinareo ny olona mirehareha amin’ny zavatra eto ivelany fa tsy amin’ny zavatra ao am-po. 13Raha marina fa very saina izahay, dia ho an’Andriamanitra izany; raha mitombin-tsaina izahay, dia ho anareo izany. 14Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray; noho izany, nandalo fahafatesana koa izy rehetra. 15Maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony ireo velona, fa ho an’Ilay efa maty sy nitsangana velona hamonjy azy.
16Ka hatramin’ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan’olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an’i Kristy araka ny fisainan’olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny. 17Raha misy olona tafaray amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra tranainy, ary efa mby eo ny zavatra vaovao. 18Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana hitaona ny hafa hihavana aminy. 19Eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan’ny olona fa nampihavana ny olona rehetra aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy5.19 Eny... tamin’ny alalan’i Kristy: dkt hafa Andriamanitra dia tao amin’i Kristy, ka nampihavana ny olona rehetra aminy indray ary tsy nitana ny fahotany.; ary efa napetrak’Andriamanitra taminay izany teny mitory fampihavanana izany.
20Koa dia iraka solotenan’i Kristy izahay, ka tahaka ny hoe Andriamanitra mihitsy no mananatra anareo amin’ny alalanay. Solotenan’i Kristy izahay no miangavy anareo hoe: meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo. 21Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.
lundi 16 janvier 2023
Alatsinainy 16 Janoary 2022 - Eze 36 : 33 - 38
3«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Rehefa voadioko ho afaka amin’ny helokareo rehetra ianareo, dia hamponeniko indray ao amin’ireo tanàna; ka haorina indray izay efa rava. 34Hasaina indray ny tany lavavolo ka tsy hahita tany nilaozana intsony ny mpandalo. 35Dia holazainy hoe: ‹Nanjary toy ny zaridainan’i Hedèna36.35 Hedèna: jereo ny naoty momba ny 31.8. ity ilay tany efa lavavolo. Ireo tanàna efa tonga korontam-bato sady foana sy rava dia voamboatra sy misy mponina indray. 36Amin’izay dia hoeken’ireo firenena sisa tavela manodidina anareo, fa Izaho TOMPO no manorina indray ny tanàna rava sy mamboly indray ny tany lavavolo. Izaho TOMPO no miteny sady hahatanteraka izany.›
37«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Havelako hiantso vonjy amiko indray ny Israelita mba hanasoavako azy; ka hohamaroiko tahaka ny andianondry ny olony. 38Feno biby natokana hatao sorona i Jerosalema taloha rehefa tonga ny fety manetriketrika, fa biby amin’andiany no nentina tao; ary ho maro toy izany koa ny olona honina indray ao an-tanànanareo izay rava ankehitriny. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.
dimanche 15 janvier 2023
Alahady 15 Janoary 2023 - Apo 4 : 9 - 11
9Omen’ireo zava-miaina voninahitra sy haja ary saotra Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana afovoany, dia ilay Velona mandrakizay mandrakizay. Ary isaky ny manao izany izy efatra, 10dia miankohoka eo anoloan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana afovoany koa ireo loholona 24, mitsaoka ilay Velona mandrakizay mandrakizay sady manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ilay sezafiandrianana ka manao hoe:
11«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray,
no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery.
Fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra,
sady noho ny sitraponao no nisiany sy naha ary azy.»
samedi 14 janvier 2023
Sabotsy 14 Janoary 2022 - Isa 44 : 21 - 23
21Ry firenen’i Jakôba, ry vahoaka Israely,
aoka hotsarovanao izao: «Mpanompoko ianao!
Izaho no namolavola anao hanompo Ahy.
Tsy hohadinoiko ianao, ry vahoaka Israely!
22Nofafako toy ny rahona ny fahadisoanao
ary nolevoniko toy ny zavona ny fahotanao.
Koa miverena amiko ianao fa efa navotako.»
23Miasa ny TOMPO ka mihobia, ry lanitra,
ary miravoravoa, ry fanambanin’ny tany.
Ataovy manako ny hoby, ry tendrombohitra
mbamin’ny ala sy ny hazo rehetra ao,
fa ny TOMPO efa nanavotra ny firenen’i Jakôba
ary efa naneho voninahitra tamin’ny vahoaka Israely.
vendredi 13 janvier 2023
Zoma 13 Janoary 2023 - Rom 9 : 19 - 26
19Hisy angamba hilaza amiko hoe: Raha izany no izy, inona no mbola anomezan’Andriamanitra tsiny ny olona? Iza moa no mahatohitra ny sitrapony? 20Fa mba iza anefa ianao, ry olombelona, no mifamaly amin’Andriamanitra? Moa ve ny zavatra vita tamin’ny tanimanga hanao amin’ny mpanefy azy hoe: «Nahoana no toy izao no nanefenao ahy9.20 Ampit Is 19.16; 45.9.?» 21Sa tsy manam-pahefana amin’ny tanimanga ve ny mpanefy? Moa tsy azony anaovana zavatra samihafa ve ny vongan-tanimanga anankiray: ka ny zavatra iray, fanaka mihaja; ny zavatra iray kosa, fanaka tsotsotra9.21 Ampit Jer 18.6.?
22Na dia te haneho ny fahatezerany sy te hampahafantatra ny heriny aza Andriamanitra, dia be fahari-po ka nandefitra tamintsika izay fanaka mendrika hirehetan’ny fahatezerany sy tokony hosimbana. 23Izany no ampahafantaran’Andriamanitra fa be voninahitra Izy ka manan-karena ho antsika izay fanaka amindrany fo sady efa voaomany rahateo hahazo voninahitra. 24Isika manko dia nantsoin’Andriamanitra, tsy avy tamin’ny Jiosy ihany fa avy tamin’ny hafa firenena koa, 25araka ny lazainy ao amin’ny bokin’i Hôsea mpaminany hoe:
«Ilay tsy vahoakako dia hantsoiko hoe vahoakako;
ary ilay tsy malalako dia hantsoiko hoe malalako.
26Ary eo amin’ny toerana nilazana taminy hoe:
‹tsy vahoakako ianareo›,
dia eo indrindra no hiantsoana azy hoe:
‹zanak’Andriamanitra velona9.26 And 25: Hôs 2.25. And 26: Hôs 2.1.›. »
jeudi 12 janvier 2023
Alakamisy 12 Janoary 2023 - Gen 5 : 1 - 5
1Ity no lisitry ny taranak’i Adama:
Tamin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona, dia nataon’Andriamanitra manahaka Azy ny olombelona. 2Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy, dia nitsodrano azy Izy ka niantso azy hoe olombelona tamin’ny andro nahariany azy5.2 Ampit Gen 1.27-28; Mt 19.4; Mk 10.6..
3Rehefa feno 130 taona i Adama, dia niteraka zazalahy manahaka azy sy mitovy endrika aminy ary nantsoiny hoe Seta. 4Taorian’ny nahaterahan’i Seta, dia mbola velona nandritra ny 800 taona i Adama, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro. 5Nisy 930 taona ny andro rehetra niainan’i Adama, dia maty izy.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...