Affichage des articles dont le libellé est Sahia mitory ny fahamarinana. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Sahia mitory ny fahamarinana. Afficher tous les articles

mardi 31 juillet 2018

Talata 31 Jolay 2018 - Mar 11 : 15 - 18

15Dia tonga tao Jerosalema ry zareo. Ary namantana tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo noroahiny, ny latabatr'ireo mpanakalo vola (Ireo mpanakalo vola dia ahafahan'ireo Jiosy avy any am-pielezana manakalo vola vahiny mba hividianana fanatitra na handoavana ny hetran'ny tempoly.) sy ny sezan'ireo mpivaro-boromahailala nazerany, 16ary tsy nisy olona navelany hitondra fitaovana hamakivaky ny kianjan'ny tempoly. 17Dia nampianatra ny olona i Jesoa ary nanao taminy hoe:
–Tsy izao ve no voalazan'ny Soratra Masina: «Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra»? Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren'ny mpangalatra11.17 Ampit Is 56.7; Jer 7.11.!

18Ary nahare izany ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna, ka nitady izay fomba hamonoana an'i Jesoa; fa natahotra Azy manko ry zareo satria nahatalanjona ny vahoaka rehetra ny fampianarany.

« Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an 'ny firenena rehetra ? (Isa. 56, 7); fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy ? (Jer. 7, 11) » (and. 17).

Manamafy amintsika ny fahamasinan'ny tranon'Andriamanitra ny Tompo

1- Mitaona antsika hanao ny marina
Ny Soratra Masina ihany no mamerina ny olona rehetra amin'ny fahamarinana ary i Jesoa Kristy mihitsy no fahamarinantsika. Izy no nanaiky hanome ny fanahin'ny fahamarinana mba hitari-dàlana antsika amin'ny marina rehetra. Ny finoantsika no handraisantsika ny fahamarinan'ny tenin' Andriamanitra. Mamaky sy mandinika Soratra Masina isika mba hanana ny teny hitarihan'ny Tompo antsika amin'ny fahamarinana.

2- Mijoro vavolombelon'ny fahamarinana isika
Mahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra isika rehefa zatra mamaky Soratra Masina. Ny Tompo dia miteny sy manambara ny sitrapony ao anatin'ny Baiboly. Mampahery antsika ho vavolombelon'ny fahamarinana ny Tompo amin'ny alalan'ny Soratra Masina. Aoka ho sahy mijoro vavolombelona ny kristiana tsirairay izay velomin'ny tenin'Andriamanitra. Handrava ny tsy fahamarinana eo amin'ny fíaraha-monina tahaka ny nataon'ny Tompo.

Fanontaniana :
Inona no nataontsika ho fijoroana vavolombelon'ny fahamarinana ?

lundi 30 juillet 2018

Alatsinainy 30 Jolay 2018 - I Pet 3 : 14 - 17

14Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan'ny olona, ary aza mangorohoro amin'izany; 15fa i Kristy no hajao ho Tompo ao am-ponareo(Raha tàhiny... sambatra: ampit Mt 5.10. –and 14-15: ampit Is 8.12-13.). Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin'ny fanantenana ao anatinareo, 16saingy ataovy amin-kalemem-panahy sy amim-panajana izany. Manàna fieritreretana mahitsy; ka rehefa misy zavatra anendrikendrehana anareo, dia ho menatra izay mpanaratsy ny fitondrantena tsara anentanan'i Kristy anareo. 17Eny, raha izany no sitrapon'Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa toy izay amin'ny fanaovan-dratsy.

Sambatra isika !
Nahoana tokoa moa no ambara sy lazaina fa sambatra isika ?

1 - Satria miaraka amin'i Jesoa Tompontsika
«Fa manamasina an 'i Kristv ho Tompo ao am- ponareo » (and.15), izay efa nananaran'ny mpaminany ny Isiraely fahizay (Isa.8, 13), dia hamafisin'ny Apostoly Petera eto mba tsy ho hadinoina ny Tompo. Izy tokoa no mandray ny fon'izay mino Azy ary manaiky hiditra ka hanome fiadanam-po, fitoniana amin'ny tebiteby sady hamonjy. Raha Izy tokoa no noraisintsika ary nekentsika hanapaka ny fíainantsika dia ahatsapa ny fomban'ny sandriny mahery isika. Koa avelao ny Fanahiny Masina hitarika antsika amin'ny marina rehetra.

2 - Satria manaraka ny sitrapon'ny Tompo
Efa tenin'i Jesoa ny fanomezan-toky antsika mpino kristiana momba ny fahoriana ka nilazany hoe «matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao» (Jao.16, 33). Nandresy Izy ka entiny handresy miaraka Aminy isika mino sady hampianariny handeha amin'ny fahamarinany tokoa. Teny fahamarinana no ilazana ny sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina koa aoka hifikitra hankatoa ny teniny isika isan'andro. lzany no manao ny sitrapony.

Fanontaniana :
Tsapanao ve ny fahasambarana omen'ny Tompo eo amin'ny fiainantsika ?

dimanche 29 juillet 2018

Alahady 29 Jolay 2018 - Sal 71 : 14 - 24

14Izaho kosa hanantena Anao lalandava,
ary hampitombo ny fiderana Anao;
15isan'andro no hitanisan'ny vavako
ny fahamarinanao sy ny famonjenao,
na tsy voaisako avokoa aza ireny.
16Tompo ANDRIANANAHARY ô, hiditra ao an-tranonao aho,
satria Ianao nirotsaka an-tsehatra nomba ahy;
ary dia ny fahamarinanao irery no hotsahiviko.

17Hatry ny fony aho mbola tanora
no efa nampianarinao, Andriamanitra ô;
ary mandraka izao dia tsy mitsahatra
manambara ireo asanao mahagaga.
18Antitra sy fotsy volo aho ankehitriny,
nefa aza afoy, Andriamanitra ô;
enga anie aho ho afaka hanambara
ny asanao mahery vaika sy mahomby
amin'ireo tanora sy ny taranaka manaraka!
19Ambony dia ambony tokoa
ny fahamarinanao, Andriamanitra ô;
ary nahavita zava-baventy Ianao!
Tsy misy toa Anao, Andriamanitra ô.
20Fahoriana be sady mafy
no navelanao hihatra tamiko;
kanefa hovelombelominao indray aho,
ary hampiakarinao indray ho afaka
amin'ny fasana mampihitsoka.
21Dia mbola hampionona indray Ianao
ary hamerina amiko ny voninahitro.
22Izaho kosa hidera Anao amim-baliha
noho ny toetranao mahatoky, ry Andriamanitro ô,
sy hiredona salamo arahin-dokanga
ho Anao, ry ilay Masin'i Israely.
23Eny, hihorakoraka hihoby ho Anao aho
sady hankalaza Anao amin-java-maneno,
satria efa notsimbininao ny aiko.
24Isan'andro no hitanisako ny fahamarinanao,
satria efa menatra sy mangaihay
ireo olona nitady hanisy ratsy ahy.

Ny fizarana ho fitoriana ny fahamarinana

1- Ilazana ny asa lehibe nataon'ny Tompo
Nahatsapa ny famindrampon'Andriamanitra teo amin'ny fiainany ny mpanao salamo. Zava-dehibe loatra taminy ny famonjeny azy ka miloatra avy ao ampony ny filazana ny sandrin' Andriamanitra (and.18) ho an'ny taranaka mbola ho avy. Ny mpino kristiana raha midera ny Tompo dia sahy milaza ny asa lehibe nataony tahaka izany koa ao amin'ny tononkirany. Mampirisika antsika hanohy ny fitoriana ny filazantsaran'ny famonjena, dia filazana izay nataon'i Jesoa Kristy ho antsika hatramin'ny taranaka fara- mandimby.

2- Ilazana ny Tompo amin'ny fahamarinany
«Ary mihatra amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ó... iza no tahaka Anao?» (and.19) Indro manao fanekem-pinoana ny mpanao salamo ary milaza an'Ilay Andriamanitra miasa ao amin'ny fiainany ka na misy zava-tsarotra nolalovany aza dia natoky Azy izy fa « hampiakatra » (and.20) azy indray. Miankina tanteraka amin'ny fahamarinan'Andriamanitra ny fiainany ka mijoro vavolombelon'izany izy. Isika koa aoka hanao tahaka ny mpanao salamo amin'ny fitoriana ny filazantsara fa Marina sy fahamarinana ny Tompontsika, Izay ekentsika harahina mandrakizay.

Fanontaniana :
Vonona hijoro vavolombelon'ny fahamarinana ve isika ?

samedi 28 juillet 2018

Sabotsy 28 Jolay 2018 - Isa 11 : 1 - 5

1Misy rantsana misandrahaka avy amin'ny fototr'i Jisay (Jisay: rain'i Davida (1 Sam 16.18-19); jereo Apôk 5.5; 22.16.;)
misy solofo mipoitra avy amin'ny fakany.
2Ny Fanahin'ny TOMPO no mitoetra eo aminy,
dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka
Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,
Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.
Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy
na hanapaka araka izay ren'ny sofiny,
4fa hitsara ny malahelo ara-drariny
ary hamoaka didy araka ny hitsiny
ho an'ny mahantra eo amin'ny tany.
Ny teniny no toy ny tsorakazo
hikapohany ny tany
ary ny fofonain'ny vavany
no hamonoany ny olon-dratsy (Jereo 2Tes 2.8.).
5Ny rariny no ho fisikinany
ary ny toetra hentitra no ho fehikibony (Jereo Ef 6.4.).

Ny fítsarana marina

1- Mampiavaka llay Andriamanitra marina
« Ka tsy hitsara araka ny hilan 'ny masony Izy na hampiaiky araka izay ren'ny sofiny» (and 3). Ny fitsarana ataon'ny olona no mitsara ivelany fa ny mpitsara marina, dia Jesoa Kristy rehefa hiseho eny amin'ny rahona amin'ny heriny sy ny voninahiny Izy (Apo. 19, II). Hitsara ny olona araka ny asany, Izy mandinika ny fo sy ny voa ary mahafantatra ny alehan'ny olona tsirairay. Tsarainy amin'ny nataontsika isika. Marina Izy ary ny teny faharnarinana avy amin'ny vavany no hanehoany ny fitsarana marina hataony. Aoka ho entintsika eo amin'ny Tompo ny ady atrehantsika.

2- Maneho Ilay Andriamanitra fahamarinana
« Fahamarinana no ho fisikinany ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibonv » (and.5). Ny hery sy ny fahefana rehetra any andanitra sy ety antany dia nomen' Andriamanitra Ray an'i Jesoa Kristy Zanany Tompontsika. Izy dia nanambara ny Tenany hoe « Fahamarinana» (Jao.14, 6) satria tonga tamin'ny alalany ny fahamarinana (Jao.l, 17). Manota ny olona rehetra kanefa izay tonga miaiky ny fahotany eo anatrehan'ny Tompo Mpitsara marina dia mahazo famelan- keloka (lJao. 1, 9). Aoka hanetry tena sy handefitra isika.

Fanontaniana :
Efa nentinao hotsarain'ny Tompo Jesoa ve ny adinao sa nitady mpitsara hafa ianao?

vendredi 27 juillet 2018

Zoma 27 Jolay 2018 - Mat 5 : 31 - 37

31–Efa voalaza koa hoe: «Izay lehilahy manary ny vadiny dia aoka hanome taratasy fisarahana ( Deot 24.1.)!» 32Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay lehilahy manary ny vadiny, afa-tsy noho ny fifandraisana mamoafady (fifandraisana mamoafady: izany no nandikana ny voambolana grika hoe porneia. Maro ny fomba azo ivoaboasana sy anazavana izany araka ny fiangonana isan-tokony, kanefa anisan'ny tafiditra ho fifandraisana mamoafady ny fanambadiana mifotitra sy ny fanambadian'olom-pady toy ny voatanisa ao amin'ny Lev 18.6-18. Jereo koa Mt 19.9; Asa 15.20,29; 1Kôr 5.1; ampit Mk 10.9.), dia mandrisika azy hanitsakitsa-bady; ary izay lehilahy hampakatra vehivavy nariana dia maka vadin'olona.

Hazavain'i Jesoa ny hoe: «Aza mianiana tsy to»
33–Efa renareo koa fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: «Aza mivadika amin'ny teny napetrakao tamin'ny Tompo fa tanteraho ny teny napetrakao (Jereo Lev 19.12; Nom 20.3; Deot 23.22-24.)!» 34Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mianiana mihitsy! Aza mianiana: na amin'ny lanitra, satria sezafiandrianan'Andriamanitra izany; 35na amin'ny tany, satria fitoeran-tongotr'Andriamanitra izany; na amin'i Jerosalema, satria tanànan'ny mpanjaka lehibe izany; 36na amin'ny lohanao, satria tsy hainao ny mahafotsy na mahamainty singam-bolo iray akory. 37Fa aoka ny teninareo, rehefa eny, dia ho eny; rehefa tsia, dia ho tsia; ny ankoatra izany kosa dia avy amin'ilay Ratsy.

Ny fahamarinana asaina hiainana manomboka ao antokantrano.

1- Marin-toerana ny tokantrano
Tsy ankasitrahan'ny Tompo mihitsy ny fisaraham- panambadiana na inona na inona no antony, saingy nekeny ihany raha noho ny fijangajangana satria efa nisy lalàna (Deo. 24, 1). Izany anefa dia vokatry ny tsy fahamarinan-toeran'ny tokantrano. Tso-drano nomena ny hoe : « marena tokantrano » fa firy no mametraka tokoa ny tokantrano ho marin-toerana ka tsy mizotra amin'ny fisaraham-panambadiana ? Irina fatratra ho maro izany. Ny tsy fífampitokisan'ny mpivady no olana voalohany mampiditra izany ka manimba ny tokantrano. Aoka ary hiverina hifampatoky ny mpivady, tsy hifamitaka fa hifananipy sy hifankatia manaraka ny Tenin'Andriamanitra.

2- Mandeha amin'nv fahamarinana
Ny fianianana dia nataon'ny olona hampidirana an'Andriamanitra ho vavolombelon'ny zavatra lazainy ka na tsy marina aza dia aleony miandry ny vokany eo. Manome didy tsy hanaovana intsony fianianana ny Tompo satria ny fahamarinana tsy mba azo havadibadika. Tsotra ny fanapahan-kevitra nampianarin'ny Tompo : « Fa aoka ny teninareo ho Eny, ény; Tsia, tsia ; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy » (and.37).

Fanontaniana :
Manao ahoana ny tokantrano misy antsika ?

jeudi 26 juillet 2018

Alakamisy 26 Jolay 2018 - Jak 5 : 1 - 6

1Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo. 2Ny harenareo efa lo ary ny fitafianareo efa lanin'ny kadradraka. 3Ny volamena sy volafotsinareo efa harafesina (and 2-3: ampit Mt 6.19.), ary ny harafesiny dia vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo toy ny afo. Izao efa andro farany izao no nanangonanareo harena. 4Tsy voaloanareo akory ny karaman'ireo mpiasa nijinja ny taninareo (Ampit Lev 19.13; Deot 24.14-15.), ka mitaraina ireo; ary ny fitarainan'ireo mpijinja dia efa mby ao an-tsofin'ny Tompon'izao rehetra izao. 5Niampoka ny soa sady niliba ianareo fahavelonareo tetỳ an-tany, ka dia efa nanatavy tena mba hajedaka amin'ny andro voatendry. 6Nohelohinareo ny olo-marina sady novonoinareo, nefa tsy manohitra anareo (ny olo-marina, nefa tsy manohitra anareo: dkt hafa ny olo-marina, ka tsy toherin'Andriamanitra ve ianareo?) .

« Efa nanameloka namono ny marina ianareo ; fa tsy manohitra anareo izy » (and.6)
Ny fijoroantsika manahaka ny Tompo

1- Anekena na fanamelohana sy famonoana aza
Tonga mpandresy tahaka an'i Jesoa Kristy isika raha mihazona mafy ny teny fahamarinana ao Aminy. Izy no hanamarina na iza na iza hiampanga ny olomboafidiny. Efa notanterahin'i Jesoa avokoa ny ady mampitondra fahoriana eto amin'izao tontolo izao ka nametrahany fampanantenana hoe «matokia» ! Manaiky ho maritiora na vavolombelona ny mpitory ny filazantsaran'ny famonjena satria hiatrehana zava- tsarotra izany. Aoka ialàna ireo toetra mifanohitra amin'izany fa tsy ahatanterahantsika ny sitrapon'ny Tompo. Toetra feno tsy fahamarinana hita amin'ny and. 1 -6

2- landrasana ny baikon'ny Tompo Jesoa
Manazatra ny zanany amin'ny fomba amam-panaony ny ray amandreny rehetra. Ny Tompontsika koa maneho fanazarana antsika hanao ny marina ao amin'ny Soratra Masina. Tsy nanohitra ireo mpampahory sy mpampijaly tokoa i Jesoa mba hahavitan'ny famonjena tamin'ny nanolorany ny tenany ho sorona. Ampianariny hiandry sy hatoky Azy isika ary manome baiko Izy toy ny hoe : « aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo» (Lio. 12,11). Finoana sy fahatokiana tanteraka Azy no tadiaviny koa aoka hanam-paharetana isika amin'ny fijoroana marina.

Fanontaniana :
Efa misy toetran'ny Tompo tahafinao ve ?

mercredi 25 juillet 2018

Alarobia 25 Jolay 2018 - Isa 56 : 1 - 2

1Izao no lazain'ny TOMPO:
«Tandremo ny rariny ka manaova ny marina,
satria akaiky ho tonga ny famonjeko
ary efa hiharihary ny fanafahako.
2Sambatra ny olona manatanteraka izay lazaiko
sy mifikitra mafy amin'izany,
ka mitandrina ny sabata fa tsy manimbazimba azy,
ary mitandrina ny tanany tsy hanao ratsy.»

Ny famonjena izao tontolo izao no entin'ny mpaminany Isaia ka hanehoany fiainam-baovao ho an'ny olona mitandrina ny rariny sy manao ny marina. Ny fahasambarán'izay manao izany no lazainy eto.

1- Mitàna ny marina mahavonjy
Manomana ireo avy any am-pahababoana ho amin'ny fanomezan-toky, dia ny fisehoan'ny famonjena ny Tompo nefa tsy tena famonjena ny olona rehetra no hambarany eto. Izay mitàna ny marina no handray ny famonjena notanterahin'i Jesoa Kristy tety antany. Ny fahamarinan' Andriamanitra dia mitondra fahasambarana ao amin'izay mankatoa ny didiny ary manao ny marina mandrakariva. Tsy ny andro natokana hivavahana no zava-dehibe fa ny toe-po hoetina manompo an'Andriamanitra. Ny finoana hanatanterahana ny asa fanompoana nomeny ho vitaina.

2- Miaro ny tànany tsy hanao ratsy
Tsy afaka manao fítan-droa isika, « tsy olona mahay manompo tompo roa » (Mat.6, 24); « aza mirehareha na mandainga hanohitra ny marina » (Jak.3, I4b). Koa aoka isika hiaro ny tenantsika manontolo tsy hanao ratsy fa hanao ny tsara sy ny marina ankasitrahan'ny Tompo. Fanolorantena hanompo ny Tompo amin'ny fo madio sy marina no hahazoana ny famonjena mampiditra ao amin'ny fiainam-baovao, dia fahasambarana izany. Fiainana hisantarana sahady ny fiainan-danitra na mbola eto antany ihany aza isíka.

Fanontaniana :
Notananao ve ny famonjena mitondra fiainambaovao sy fahasambarana? Hifampizarao.


mardi 24 juillet 2018

Talata 24 Jolay 2018 - Mat 19 : 30 - 20 : 16

30Maro amin'ireo voalohany no ho farany, ary maro amin'ireo farany no ho voalohany.

1Fa ny Fanjakàn'ny lanitra dia tahaka ny amin'ity lehilahy anankiray tompona tanimboaloboka. Niainga vao maraina be ralehilahy hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony. 2Ka rehefa nifanekeny denàry anankiray avy isan'andro ireo mpiasa, dia nirahiny hiasa any an-tanimboalobony. 3Niainga indray izy tamin'ny sivy maraina ka nahita mpiasa hafa nidonana-poana teo an-kianja 4ary niteny taminy hoe: «Ndeha koa ianareo miasa any an-tanimboaloboko fa homeko izay karama ara-drariny.» Dia nankany ireo. 5Niainga koa izy tamin'ny 12 antoandro sy tamin'ny telo tolakandro, ary dia nanao toy izany. 6Niainga farany izy tamin'ny dimy hariva ka mbola nahita mpiasa hafa nidonana-poana ary nanontany azy hoe: «Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro tontolo?» 7Fa hoy ireo taminy: «Satria tsy nisy nanakarama anay!» Dia hoy ralehilahy taminy: «Ndeha koa ianareo miasa any amin'ny tanimboaloboko.»

8–Nony hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ilay tanimboaloboka tamin'ny mpitandrim-pananany hoe: «Antsoy ny mpiasa ary aloavy ny karamany, ka aseseo avy amin'ireo nilatsaka farany ka hatramin'ireo nilatsaka voalohany.» 9Dia tonga ireo nilatsaka tamin'ny dimy hariva ka nandray denàry anankiray avy. 10Tonga kosa ireo nilatsaka voalohany ary nanampo handray bebe kokoa, kanjo denàry anankiray avy ihany koa no voarainy. 11Teo am-pandraisana izany, dia nimonomonona tamin'ny tompon'ilay tanimboaloboka ireto mpiasa ireto 12nanao hoe: «Ireo nilatsaka farany ireo dia ora iray monja no niasany, kanefa nampitovînao karama aminay nisasatra nandritra ny andro sady niaritra ny hafanana.» 13Dia novalian'ilay tompon'ny tanimboaloboka ny anankiray tamin'ireo ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy an-drariny aminao aho. Moa tsy denàry anankiray ve no nifanekenao tamiko? 14Raiso ny anao, dia mandehana; fa ilay nilatsaka farany dia tiako homena toraka ny anao koa. 15Tsy azoko anaovana izay tiako ve ny fananako? Sa mialona ianao satria mazava fo aho?»

16Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Dia toy izany, ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany!

Marina Andriamanitra amin'ny fìtondrany

1- Mampanao fifanekena amintsika Izy (and.2)
Ny mpanompon'Andriamanitra maharitra sy mitoetra eo amin'ny fanompoana dia olona vita fifanekena tamin' Andriamanitra Tompo. Maliita fifaliana amin'ny fiarahana miasa amin'ny Tompo isika. Mahatoky sy marina ny Tompontsika ka mitandrina ny fanekena nataony sy mitahiry antsika hahita fahombiazana amin'ny fanompoana Azy. Tsy tokony hiala na hanatsoaka ny fanekentsika Azy isika fa tokony hanavao izany isan'andro. Mijery sy manampy antsika ny Tompo noho ny fitiavany antsika.

2- Mampandeha amin'ny marina Izy (and. 14)
Na ny mpanompo nalefa mialoha tany antanimboaloboka na ny mpanompo tsy niasa afatsy ora iray monja dia samy nampandehanin'ny Tompo hiasa avokoa, asa mitovy no nampanaoviny, asan'ny fahamarinany izany. Fitsipika hidirana ao amin'ny f'anjakan'ny lanitra no mivoitra eto. Mandeha amin'ny fahamarinana izay sitraky ny Tompo isika rehefa manompo Azy amin'ny fo. Ka ny fahasoavany no ampiharihariany ny fitiavany ny olona rehetra hovonjena. Manana fandaminana araka ny fombany ny Tompo, marihiny amin'ny hoe : « ny voalohany ho farany, ary ny farany ho voalohany » izany.

Fanonlaniana :
Mahatsapa fifaliana ve ianao rehefa tonga aloha ao ampiangonana ?

lundi 23 juillet 2018

Alatsinainy 23 Jolay 2018 - Rom 4 : 1 - 12

1Inona àry no holazaintsika ho efa notsapan'i Abrahama razambenay Jiosy? 2Raha ny asa vitan'i Abrahama no naneken'Andriamanitra azy ho marina, dia ho nahazo nirehareha i Abrahama. Tsy izany anefa no toe-javatra eo anatrehan'Andriamanitra. 3Fa inona tokoa moa no voalazan'ny Soratra Masina? «Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany (Gen 15.6.)!» 4Tsy azo heverina ho fanomezana ny karaman'izay manao ny asa, fa heverina ho toy ny trosa. 5Izay tsy manao asa nefa mino an'ilay Andriamanitra mahatonga ireo ratsy fanahy ho marina, dia izany finoany izany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina4.5 Andriamanitra... fanahy ho marina: dkt hafa Andriamanitra mandray tsara ireo ratsy fanahy. . 6Toy izany no ilazan'i Davida hoe sambatra ny olona, raha tsy ny asa vitany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina:

7«Sambatra ireo navelan'Andriamanitra fahotana
sy nofoanany heloka.
8Sambatra ny olona tsy itanan'ny Tompo heloka (and 7-8: Sal 32.1-2.)!»

9Ho an'iza moa izany fahasambarana izany? Ho an'ny voafora ve sa ho an'ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin'ny Soratra Masina hoe: «Ny finoana no nankatoavan'Andriamanitra an'i Abrahama ho marina.» 10Ary ahoana izany? Tamin'i Abrahama efa voafora sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora; 11fa ny famorana dia famantarana noraisin'i Abrahama tatỳ aoriana (Jereo Gen 17.9-14.), ho toy ny tombokase manamarika fa neken'Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain'izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken'Andriamanitra ho marina; 12sady tonga rainay voafora ihany koa: dia izahay sady voafora no manara-dia an'i Abrahama razanay izay efa nino fony tsy mbola voafora.

Misy fahasoavan'Andriamanitra asehony amin'ny fahamarinana nomena an'i Abrahama. Nisain' Andriamanitra ho zava-manan-danja teo anatrehany ny finoana tao aminy ka nohamarinina izy satria natoky Azy. Misy ny fanamarinan'Andriamanitra antsika.

1- Amn'ny finoana irery ihany (and. 1-8)
Tena isain'Andriamanitra ho fahamarinana ny finoantsika ka manana fahasambarana araka ny tenin'i Davida isika (Sal. 32, 1-2). Ary tsy valin'ny soa nataontsika velively izany fa fahasoavan' Andriamanitra, dia ny famelana ny heloka sy ny fahotantsika. Ny finoantsika irery ihany no hanamarinana antsika ao amin'i Jesoa Kristy. Mety raha manaiky Azy amin'ny finoana isika ary mamela Azy hiasa ao anatintsika sy amin'ny alalantsika. Ny famonjena notanterahan'i Jesoa Kristy teto antany dia inoana fa hampanakaiky antsika Aminy hatrany andanitra.

2- Amin'ny finoana tsy fomba ivelany (and.9-12)
Nohamarinina tamin'ny finoany i Abrahama fa tsy tamin'ny famorana, izay tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany. Ampy ny finoantska hanatonana an'i Jesoa Kristy ka hanolorana eo antànany ny momba antsika rehetra. Ao amin'ny Soratra Masina no anomezany ny teny fampanantenana anjarantsika tahaka ny nanomezany teny fikasana an'i Abrahama. Miorena mafy amin'ny finoana velona, miasa ary mijoroa.

Fanontaniana
lnona no efa noraisinao tamin'ny finoanao ?

dimanche 22 juillet 2018

Alahady 22 Jolay 2018 - Deo 24 : 10 - 22

10Rehefa ny namanareo no ampindraminareo zavatra na inona na inona, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy. 11Mijanòna ao alatrano, ary ny lehilahy izay nampindraminareo zavatra no hamoaka ny antoka ho aminareo ao alatrano. 12-13Raha ohatra lehilahy mahantra no manome ny lambany ho antoka, dia aza tananareo miloaka alina io antoka io fa tsy maintsy haverinareo aminy mihitsy rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ka hisaorany anareo. Dia ho asa soa vitanareo izany eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo (and 10-13: jereo Eks 22.25-26.).

14Aza ampahorînareo ny mpikarama izay mahantra sy ory, na anisan'ny mpiray firenena aminareo izy na anisan'ny vahiny eo amin'ny taninareo sy ao an-tanànanareo. 15Fa ny andro anaovany ihany no hanomezanareo ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany satria mahantra izy sady io karama io no andrandrain'ny fony. Aoka tsy hitaraina amin'ny TOMPO noho ny nafitsokareo izy, fa dia ho fahotana aminareo izany (and 14-15: jereo Lev 19.13.).

16Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny ray aman-dreniny; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny isam-batan'olona24.16 Jereo
Fepetra itsimbinana ny mahantra
17Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho antoka. 18Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ary ny TOMPO Andriamanitrareo no efa nanavotra anareo ho afaka tany (and 17-18: jereo 27.19; Eks 23.9; Lev 19.33-34).; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.

19Rehefa jinjainareo ny varinareo any an-tsaha, ka misy amboara iray hadinonareo any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. Dia hotahîn'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin'ny asa rehetra ataonareo. 20Rehefa ahintsanareo sy angoninareo ny ôlivanareo, dia aza miverina hioty izay ôliva sisa tavela; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. 21Rehefa otazanareo ny voalobokareo, dia aza miverina hitsimpona izay sampaho sisa tavela; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena (and 19-21: jereo Lev 19.9-10; 23.22) izany. 22Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.

Ny Testamenta Taloha dia manazava fitsipika sy fanao maro mba hisian'ny fifampitsimbinanana sy ho fitondrana fíainana ho an'ny hafa. Isain'Andriamanitra ho fahamarinana ny fanajana ny zon'ny hafa sy ny fanampiana ireo mila vonjy ao amin'ny fiaraha- monina.

1- Mamonjy ny mahantra sy sahirana
Anjara andraikitra miandry ny tsirairay ny manampy ny mahantra sy ny sahirana ao anaty fiaraha-monina. Manao asa soa no fílazantsika izany ankehitriny. Nametraka fítsipika ho enti-manatanteraka izany anefa ny Tompo mba tsy hanaovana zavatra tsy ara-drariny amin'izy ireny. Na ady eny amin'ny fítsarana aza dia tokony hisy fítsinjovana azy ireo fa izany no fahamarinana napetraky ny Tompontsika. Mijery manokana ny mahantra sy ny sahirana Izy Tompo.

2- Mitsinjo ny vahiny sy ny kamboty
Ny nanajan'ny Isiraelita ny fítsipika (and. 19-21) no nahazoan'i Rota, vehivavy mpivahiny avy any Moaba, lasa razamben' I Jesoa, anjara sakafo nivelomany teo amin'ny tanàna nihavian'ny vadiny efa maty (Rota 2, 2). Fahamarinana mendrika hanomezana anjara ny valiny ny fanarahana ny fítsipika avy amin'ny Tompo eto. Mampianatra fàhamarinana hitsinjovana ny vahiny ny Soratra Masina. Aoka hampisakafo ny vahiny tonga ao antrano isika, tahaka izany koa no tokony hanampiana ny kamboty tsy manam-piahy.

Fanontaniana :
Efa nataontsika ve izany ?

samedi 21 juillet 2018

Sabotsy 21 Jolay 2018 - Jao 7 : 14 - 19

14Teo antenatenan'ny fankalazana, dia niakatra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa ka nampianatra.

15Dia gaga ny manampahefana jiosy ka vaky vava hoe:
–Ahoana no ahaizan'ilay io Soratra Masina, nefa tsy mba nianatra Izy (Ampit Mt 13.54; Lk 2.47.?)

16Fa novalian'i Jesoa hoe:

–Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'Ilay naniraka Ahy. 17Raha misy olona te hanao ny sitrapon'Andriamanitra, dia hahalala ny amin'ny fampianarako izy, na zavatra avy amin'Andriamanitra izany na zavatra teneniko avy amiko fotsiny. 18Izay miteny zavatra avy amin'ny tenany fotsiny dia mitady ny voninahitra ho an'ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'ilay naniraka azy no azo antoka sady tsy misy fitaka ao aminy. 19Moa tsy nomen'i Mosesy anareo ve ny lalàna? Kanefa tsy misy aminareo manatanteraka ny lalàna! Nahoana Aho no tadiavinareo hovonoina?

« ... fa izay mitady ny voninahitr 'lzay naniraka Azy no marina... » (and. 18b). Ny fampianarana feno fahamarinana dia :

1- Mampianatra avy amin'ny Soratra Masina
Ny Soratra Masina manontolo dia nomena antsika mba handraisantsika ny fampianarana sy ny fananaran'ny Tompo, dia ny famonjena antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra. Ny fampianarana nentin'i Jesoa no manafaka sy mampandresy ny olony satria fampianarana feno izany. Voalaza ao na ny ara-batana na ara-tsaina na ny ara-panahy. Mendrika hampamirapiratra ny voninahitr'Andriamanitra ny fanarahantsika ny Teniny, ny fanaovantsika ny sitrapony sady mamindra hery sy aina vaovao ao anaty izany.

2- Mampijoro ho mpanompon'ny fahamarinana
Manao ezaka manokana ny fariseo tamin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra mba hanavaka azy ho masina. Jesoa Kristy kosa nampiharihary ny fahamasinan' Andriamanitra tamin'ny fampianarana ny Teniny. Ny fampiharana izay lazain'nv Soratra Masina sy ny hafatry ny Tompo no manova antsika hanam-pahamasinana. Manompo an'Andriamanitra sy ny Teny fahamarinany izay manaiky hiara-miasa Aminy hizara sy hampiely ny Filazantsaran'ny famonjena. Aoka handroso hatrany ny fampianarana Soratra Masina ao ampiangonana.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fitiavanao mianatra sy mampianatra Soratra Masina ?

vendredi 20 juillet 2018

Zoma 20 Jolay 2018 - Zef 2 : 1 - 3

1Mandiniha ka mieritrereta,
ry vahoaka lany henatra,
2dieny ianareo tsy mbola tonga toy ny akofa2.2 dieny tsy mbola tonga: araka ny dkt tranainy grika; ny rijan-teny hebreo kosa manao hoe dieny tsy mbola mihatra ny fanamelohana.
izay miely indray andro monja,
dieny tsy mbola mahazo anareo
ny afom-pahatezeran'ny TOMPO,
ary dieny tsy mbola tonga aminareo
ny andro hirehetan'izany.
3Mitadiava ny TOMPO ianareo rehetra,
ry mpanetry tena eto amin'ny tany
sady mpanatanteraka ny fitsipiny.
Manaova ny marina,
manetre tena eo anatrehan'ny TOMPO.
Angamba ho voatsimbina ihany ianareo
amin'ny androm-pahatezerany.

Fiantsoana hibebaka sy hikatsaka ny famonjen' Andriamanitra no hita manomboka eto amin'ny toko 2 hatramin'ny toko 3, 20.
1 - Marina nv Tompo ka manangona antsika
Ao anivon'ny fiangonana no ahitàna ny Tompo mamonjy ny olony. Hoy i Jesoa : « Na aiza na aiza no iangonan 'ny roa na telo amin 'ny Anarako, dia ao afovoany Aho » (Mat.18, 20). Ny antso nampitondraina an'i Zefania dia famerenana ny fivorian'ny fiangonana mba hanatona ny Tompo amin'ny fibebahana, hiverina hanompo Azy ka hiala amin'ny fanompoan-tsampy. Fivoriana masina no hatao mba hankasitrahan'ny Tompo ny mpanompony ary tsy hihatra ny fahatezeran'Andriamanitra ao amin'izay nanaiky handray ny famonjena ao amin'i Jesoa Kristy.

2 -  Marina ny Tompo ka maniraka mpaminanv
Ireo nampitondrain'Andriamanitra ny teniny sy ny hafany no antsoina hoe : « mpaminany ». Zefania dia nirahina hilaza ny fahamarinan'Andriamanitra ka tokony hanaraka Azy Tompo ny olony. Marina sy mandefitra i Jesoa ary mitady olo-marina sady tia fandeferana toa Azy ho vavolombelony eto amin'izao tontolo izao, tahaka ny fiangonana izay tenany izany, « izay efa nanaraka ny fìtsipiny». Aoka ho tia ny marina isika mpanompon'Andriamanitra rehetra mba hamirapiratra ny voninahiny eo amin'ny hataontsika.

Fanontaniana :
Inona no marina ijoroantsika fiangonana ?

jeudi 19 juillet 2018

Alakamisy 19 Jolay 2018 - Lio 6 : 41 - 42

41–Nahoana moa ianao no mahita tapak'ahitra eo amin'ny mason-kavana, nefa ny vatan-kazo eo amin'ny masonao tsy tandrinao akory? 42Ahoana no hahafahanao milaza amin-kavana hoe: «Etsy, rahavako, hoesoriko ny tapak'ahitra amin'ny masonao», nefa ny vatan-kazo amin'ny masonao tsy hitanao akory? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo amin'ny masonao, izay ianao vao hahiratra tsara ka hanaisotra ny tapak'ahitra amin'ny mason-kavana.

Maika hitsara sy hanome tsiny ny hafa, na ny namany ny olona. Tsy fahamarinana eo anatrehan'ny Tompo izany. Ny fahamarinana eo Aminy dia :

1- Manaisotra ny faharatsiana ao anaty
Avy ao anaty no mampisy ny maso ratsy fijery sy ny lìtiavana te-hitsaratsara namana. Mijery ivelany ny hafa mandrakariva ny olona, mijery ny miseho izany ka maika hilaza ny ao amponv momba izay hitany. Hadino miaraka amin'i/a\ ny mamantatra ny tena na dia mitov> amin'i/.ay nojerena aza ny atao. Aoka hanaiky rantsanan'ny Tompo amin'izao teny izao isika « esory aloha ny andry eo amin 'ny masonao»: mitarika antsika amin'ny niarina rehetra Izy ary manoro ny làlana tokony haleha. Aoka Izy no hanapaka.

2- Mitarika namana amin'ny làlana tsara
Tsy ankasitrahan'ny Tompo velively ny fanaratsiana namana. Tsy ny olona efa nanaiky hanaraka Azy no mbola hivilivily saina sy fanahy indray. Koa mitarika antsika Izy hanetry tena sy ho tia namana mba hitaomantsika azy ho tia an'Andriamanitra ao amin'i Jesoa Kristy. Izy no làlana mankany amin'ny Ray. Isika mino Azy no ekeny hitantana namana amin'izany làlana tsara izany. Alavirintsika ny fihatsarambelatsihy fa atonintsika ny fitiavana namana tahaka ny tena.

Fanoníaniana :
Inona no manakana antsika tsy hanaraka izany fahamarinana izany ?

mercredi 18 juillet 2018

Alarobia 18 Jolay 2018 - Mat 20 : 8 - 16

8–Nony hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ilay tanimboaloboka tamin'ny mpitandrim-pananany hoe: «Antsoy ny mpiasa ary aloavy ny karamany, ka aseseo avy amin'ireo nilatsaka farany ka hatramin'ireo nilatsaka voalohany.» 9Dia tonga ireo nilatsaka tamin'ny dimy hariva ka nandray denàry anankiray avy. 10Tonga kosa ireo nilatsaka voalohany ary nanampo handray bebe kokoa, kanjo denàry anankiray avy ihany koa no voarainy. 11Teo am-pandraisana izany, dia nimonomonona tamin'ny tompon'ilay tanimboaloboka ireto mpiasa ireto 12nanao hoe: «Ireo nilatsaka farany ireo dia ora iray monja no niasany, kanefa nampitovînao karama aminay nisasatra nandritra ny andro sady niaritra ny hafanana.» 13Dia novalian'ilay tompon'ny tanimboaloboka ny anankiray tamin'ireo ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy an-drariny aminao aho. Moa tsy denàry anankiray ve no nifanekenao tamiko? 14Raiso ny anao, dia mandehana; fa ilay nilatsaka farany dia tiako homena toraka ny anao koa. 15Tsy azoko anaovana izay tiako ve ny fananako? Sa mialona ianao satria mazava fo aho?»

16Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Dia toy izany, ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany!

Ampahany amin'ilay fanoharana mikasika ny fanjakan'ny lanitra nomen'i Jesoa no hita eto. Ny fizarana karama natomhoka tamin'ny farany mankany amin'ny voalohany no nanaovana hoe "ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany" (and. 16).

1- Ny fahamarinan'ny Tompon'ny fiantsoana
Hita eo amin'ny and.l fa nivoaka maraina hanakarama mpiasa ilay tompon'nv tanimboaloboka. Mbola nivoaka tamin'nv ora fahatelo. fahaenina. fahasivy ary faha iraika amin'ny folo ka nampandeha ireo mpiasa hitany hankany amin'ny tanimboaloboka. Midika izany fa miantso olona hanao ny asany amin'ny fotoana rehetra ny Tompo. Tsy nifidy fotoana hanirahana ny mpiasa hanao ny asanv Izy. Noraisiny ny olona vonona amin'ny asa tsara rehetra. Tsy nanavakavaka ireo nantsoiny ny Tompo.

2- Ny fahamarinan'ny fitondran'nv Tompo
Ny mpanompon'Andriamanitra dia misy efa vita fanekena taminy arv efa manao ny fanompoana nifanekeny tamin'ny Tompo. Misy kosa ireo vao nantsoiny tato aoriana ary nirahina avy hatrany sady nomeny toky ny amin'izay homeny azy. Mazava tsara ny tenin'ny tompon'ny tanim-boaloboka eto fa manao ny sitrapony Izy amin'ny hitondrany ny mpiasany. Aoka tsy hisy fialonana ny fahasoavana raisin'ny hafa ny mpanompon'Andriamanitra. Tokony hanaiky ny fitondran'ny Tompo ny mpiasa rehetra.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fahatsapanao ny fahamarinan' Andriamanitra isan'andro ?

mardi 17 juillet 2018

Talata 17 Jolay 2018 - Eze 34 : 1 - 10

1Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe: 2«Ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako ireo lehibe mpiandry ny vahoaka Israely, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ampitao aminy fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Lozanareo mpiandry (Araka ny fomba fiteny amin'iny Atsinanana Akaiky iny taloha, ny mpanjaka dia nantsoina hoe mpiandry ny vahoakany (jereo 34.23). Io voambolana io koa anefa dia azo nampiharina tamin'ireo mpiandraikitra sy lehibe isan'ambaratongany avy (jereo Is 56.11; Zak 11.4-17)). ny vahoaka Israely! Fa ny tenanareo ihany no karakarainareo! Moa tsy ny andian'ondry va no tokony hokarakarainareo? 3Nefa tsy mpiandry nikarakara ny andian'ondry ianareo, fa naka ny ronono34.3 ronono: araka ny dkt tranainy grika sy latinina, fa ny RM kosa manao hoe jabora.  ho sakafonareo sy ny volon'ondry hotafinareo sady namono ireo biby matavy. 4Tsy nohatanjahinareo ny ondry osa, tsy nositraninareo ny narary na notsaboinareo ny naratra, tsy naverinareo ny niala tamin'ny andiany ary tsy notadiavinareo ny very, fa nanampatra ny fahefànareo tamin'ny herisetra sy ny fahasiahana ianareo. 5Koa niparitaka ireny ondry ireny satria tsy misy mpiandry, ka tonga rembin'ny bibidia. 6Ireo ondriko andiany dia nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny havoana; ary niparitaka teny amin'ny velaran-tany manontolo (nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny havoana: toa misy filazana an-kolaka ny amin'ireo fanompoan-tsampy nataon'ny vahoaka Israely ombieniombieny izany (jereo 6.2-3; sy nta 6.2; 20.20 sns)). –ary niparitaka: filazana an-kolaka ny fahababoana. izy satria tsy nisy niahy na nandeha nitady azy. 7Koa ianareo mpiandry ny vahoaka Israely, mihainoa ny teniko: 8Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian'ondriko ka lasan'ny mpangalatra sy zary rembin'ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy. 9Noho izany, dia henoinareo ny teniko ry mpiandry ny vahoaka Israely. 10Izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin'ny ondriko ianareo ary hoesoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.

Mandray antanana ny ondry natao tsirambina ny Tompo. Toy ny ondry tsy nisy mpiandry no filazany azy.

1- Hatao hampamoaka ny mpiandry ondry
 "Indro avy hamely mpiandry ondry Aho dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy..." (and. 10a). Sarin'ny mpitondra ny vahoaka Isiraely ny mpiandry ondry eto. Tsy mba nikarakara ny vahoaka ka hanadina azy ireo Andriamanitra noho izany. Naharihariny ny fahadisoany (and.l-6). Tsy niandry, tsy nikarakara ny ondry izy ireo. Mbola misy ankehitriny izany. Ny vahoaka no tokony harovana amin'ny fahavalo fa tsy ny mpitondra no manao ny vahoaka ho mpiaro azy. (vakio Jaona 10. 27-28)

2- Hesorina tsy hiandry ny ondry intsony
« ...ka hesoriko tsy hiandry ny ondriko intsony ;... fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko... » (and. 10b). Mitsara ny mpiandry ondry ny Tompo (and.7-10). Manapa-kevitra tsy hametraka mpiandry ondry mamahan-tena toy izany intsony ny Tompo ka hesoriny ireny. Mamonjy ny ondriny tokoa Izy ka nanolotra ny ainy. Notanterahin'i Jesoa Kristy ho antsika ny famonjena ka voavonjy isika. Izy no Mpiandry Tsara nanolotra ny ainy ka saro-piaro amin'ny olona novonjeny. Tsy homeny anjara fiandrasana intsony ny mpiandry ondry manao antsirambina ny asany. Izay tia Azy dia manatanteraka ny teniny. (vakio Jaona 21. 15-19)

Fanontaniana :
Manana ondry andrasana ve ianao ?


lundi 16 juillet 2018

Alatsinainy 16 Jolay 2018 - II Kor 5 : 16 - 21

16Ka hatramin'ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan'olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an'i Kristy araka ny fisainan'olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny. 17Raha misy olona tafaray amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra tranainy, ary efa mby eo ny zavatra vaovao. 18Izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana hitaona ny hafa hihavana aminy. 19Eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan'ny olona fa nampihavana ny olona rehetra aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy (Eny... tamin'ny alalan'i Kristy: dkt hafa Andriamanitra dia tao amin'i Kristy, ka nampihavana ny olona rehetra aminy indray ary tsy nitana ny fahotany.); ary efa napetrak'Andriamanitra taminay izany teny mitory fampihavanana izany.

20Koa dia iraka solotenan'i Kristy izahay, ka tahaka ny hoe Andriamanitra mihitsy no mananatra anareo amin'ny alalanay. Solotenan'i Kristy izahay no miangavy anareo hoe: meteza hampihavanina amin'Andriamanitra ianareo. 21Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain'Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen'Andriamanitra noho ny firaisana amin'i Kristy.

Ny kristiana dia mpanaradia an'i Jesoa Kristy. Izay làlana nosoritan'ny Tompo no alehany. Manaraka ny teniny sy ny atorony ireo. Manana anaram-baovao ireo eto.

1- Olombaovao noho ny fahamarinan'i Kristy
Jesoa Kristy no nampihavana antsika tamin' Andriamanitra sady nahatanteraka fampihavanana antsika samy olombelona tamin'ny nanolorany ny tenany teo amin'ny hazo fìjaliana. Miantso sy maniraka antsika Izy mba hitondrantsika ny teny fampihavanana ka hanaovantsika ny fanompoana fampihavanana. « Raha misy oìona ao amin'i Kristy dia olombaovao izy » (17). Tsy maintsy mitory ny fahamarinana isika, dia ny tenin' Andriamanitra izay mitondra fanovàna ny fiainantsika. Manavao sy miteraka antsika ho olombaovao ny teny fampihavanana.

2- Fahamarinan'Andriamanitra ao Aminy
Ny fitiavan'Andriamanitra no fototra namonjena antsika tamin'ny fangejan'ny fahotana sy ny faharatsiana. Ny tenan'i Jesoa Kristy tsy nanota no natolony hisolo ny tenantsika vesaran'ota. Nesoriny sy nentiny ny otantsika mba hovonoina teo amin'ny hazo fijaliana. Izy no maty mba ho velona isika. Afaka sy nohamarininy isika rehefa nanaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy ary miverina ao Aminy indray mba hankato ny teniny sy hitandrina ny didiny.

Fanontaniana :
Manaiky ho kristiana iraka hanohy ny fanompoana fampihavanana ve ianao ?

dimanche 15 juillet 2018

Alahady 15 jolay 2018 - Asa 5 : 1 - 11

1Nisy kosa lehilahy atao hoe Hananià nivarotra tany rehefa nifanaraka tamin'i Safira vadiny. 2Niray tsikombakomba tamin'ny vadiny ralehilahy ary nitazona ampahany ho azy roa tamin'ny vola vidin'ny tany; fa ny sisa no nentiny hatolotra teo anatrehan'ireo apôstôly. 3Dia hoy i Petera taminy:
–Ry Hananià, nahoana no dia nameno ny fonao i Satàna5.3 Ampit Jôh 13.2. ka nampandainga anao tamin'ny Fanahy Masina ary nampitazona ampahany ho anao tamin'ny vola vidin'ny tany? 4Anao ange ny tany fony mbola tsy namidy, sady rehefa namidy dia eo am-pelatananao ny vola vidiny! Ka ahoana no dia nampisy tao am-ponao izao zavatra vitanao izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.

5Nony nandre izany teny izany i Hananià, dia nidaboka ho azy ka niala aina. Ary raiki-tahotra mafy izay rehetra nandre izany. 6Tonga ny tovolahy, dia nofonosiny ny faty ary nentiny nalevina.

7Sahabo ho adiny telo taorian'izany, dia tamy koa ny vavy, saingy tsy fantany izay vao nitranga teo. 8Ka hoy i Petera taminy:
–Lazao ahy kely hoe: izany ihany ve no nivarotanareo ny taninareo?

Dia novalian'i Safira hoe:
–Eny, izany ihany no nivarotanay azy!

9Ary hoy i Petera taminy:
–Nahoana no dia niray tetika nizaha toetra ny Fanahin'ny Tompo ianareo? Mby eo an-tokonam-baravarana izao ireo zatovo avy nandevina ny vadinao, ka hoentiny halevina koa ianao.
10Niaraka tamin'izay i Safira dia nidaboka ho azy teo anoloan'ny tongotr'i Petera ka niala aina. Vao tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty ravehivavy, ka nentiny nalevina teo anilan'i Hananià vadiny. 11Raiki-tahotra mafy ny Fiangonana manontolo mbamin'izay rehetra nandre izany.

Andriamanitra marina

Mìseho eto fa tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny lainga. Iharan'ny famaizana avy amin' Andriamanitra izay rehetra mampiray ny fony hitoetra amin'ny lainga.

1- Mitaky fanolorantena marina
Na dia efa anisann'ireo resy lahatra niombona tamin'ireo mpianatra aza izy mivady ireto dia tena mbola nanana fo feno faharatsiana, feno fitiavan-tena. Mba te hiaina amin ny sitrapon'Andriamanitra saingy tamin'ny ampahanv ihany.Tsy nanana fanolorantena marina teo anatrehan'ny Tompo izy ireo ka niray saina nandainga. Fahotana ny mandainga, fikomiana amin'Andriamanitra ny firaisan-tsaina handainga. Ny Tompo dia efa niteny fa ny « devoly mpandainga sady rain 'ny lainga » (Jao 8, 44). Raha marina ny fanoloranao ho an'Andriamanitra dia tsy mahay mandainga ìntsony ianao.

2- Mitsara ny olona araka ny asany
« Fahafatesana no tambin 'ny ota » ( Rom 6, 23 ) tanteraka ara-bakitenv izany eto amin'ity tantara ity. Notsarain' Andriamanitra tamin'ny asa nataony izy mivady ireto. Rehefa nivarotra ny fananany dia ninia nandainga, nanafina ny ampahany tamin'ny vola vidin'ny taniny. Niseho ho nanao asa tsara teo anatrehan'ny rehetra izy mivady satria nahafoy fananana, niroso tamin'ny fiombonana kanefa tao ambadika nisy asa tsy marina. Fantatr'Andriamanitra ny toetry ny fo entina miasa. Miharihary amin'Andriamanitra nv toe-panahin'ny olona manao ny asanv. Manaova asa marina.

Fanontaniana :
Nahoana no tsy nankasitrahan'Andriamanitra ny fihetsika nataon'i Ananiasy sy safira ? Inona no hafatra


samedi 14 juillet 2018

Sabotsy 14 Jolay 2018 - Oha 6 : 12 - 19

12Misy toetra heverin'ny olona ho mahitsy,
kanjo mankany amin'ny fahafatesana no iafarany.
13Na mihomehy aza ny olona, dia mety ory fo;
ary ny iafaran'ny fifaliana dia alahelo.
14Ny mpaniasia ho tsiravin'ny vokatry ny toetrany;
fa ny tsara fanahy kosa ho ambony noho izy.
15Ny kely saina dia mino ny teny rehetra ambara aminy;
fa ny malina kosa mandinika, vao mandroso.
16Matahotra ny ratsy ny hendry ka mivily miala aminy,
fa misafoaka kosa ny adala satria matoky tena loatra.
17Izay mora tezitra manao hadalana,
ary ny olona miteti-dratsy dia ankahalaina.
18Ny anjaran'ny kely saina dia fahadalana,
fa ny voninahitry ny misaina kosa dia fahalalana.
19Miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy ny ratsy fanahy;
ary mitsatoka eo am-bavahadin'ny olo-marina ny olon-dratsy.

Ny olona manana ny Tenin'Andriamanitra

1- Nandray fampianarana manokana
Nampianatra no olon-drehetra nifanerasera taminy Jesoa Kristy. Nahazo fampianarana manokana mihoatra noho ny rehetra anefa ny mpianatra nantsoiny sy nofìdianv manokana. Tiany mba hiavaka amin'ny maro ny mpianatra ka nanatombo ny fampianara ho azy ireo. Tsarovy fa isika koa tian'nv Tompo ahalala marina ny lalam-pamonjeny ka mampianatra antsika mandrakariva Izy.

2- Arovan'Andriamanitra
Manda ny fanao ratsy rehetra ny mpanaradia an'i Jesoa Tompo miaina sy mivelona amin'ny Teniny. Mitazona ny fampianarany. Vokatr'izanv dia misy ny mpankahala sy mpanenjika. Mangataka amin'Andriamanitra Rainy anefa i Jesoa Kristy mba ho raisiny an-tanana ny fiarovana manoloana izany. Tsara antoka nv fiainan'ny olona miaina sy mivelona marina amin'ny tenin'Andriamanitra.

3- Manaikv hanao ny asan'Andriamanitra
Nampianatra sy namolavola ny mpianatra ho amin'ny fanohizana ny asa nanirahan'Andriamanitra Azy i Jesoa Kristy. Anjara fanompoana miandry izay rehetra manana ny Tenin'Andriamanitra. nampianarina ka nandray ny Teniny ny manaiky ho iraka mitory ny famonjena amin'ny mpiara-belona aminy. Meteza ary ianao ho iraky ny Tompo ho vavolombelony eo anivon'izao tontolo izao.

Fanontaniana :
Mianatra ny Tenin'Andriamanitra ianao. Inona no andrasan'Andriamanitra aminao amin'izany?

vendredi 13 juillet 2018

Zoma 13 Jolay 2018 - Sal 85 : 8 - 13

8TOMPO ô, asehoy anay ny fitiavanao
ka omeo anay ny famonjenao.

9Te hihaino izay lazain'Andriamanitra TOMPO aho.
Fiadanana tokoa no ampanantenainy
ho an'ny vahoakany, dia ireo mpivavaka aminy,
raha tsy miverina amin'ny hadalàny intsony ireo.
10Eny, akaiky an'izay manaja Azy ny famonjeny;
hitoetra eto amin'ity tanintsika ity ny voninahiny.

11Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana.
12Mitrebona avy amin'ny tany ny fahamarinana
ary midina avy any an-danitra ny rariny.
13Ny TOMPO mihitsy no hanome ny zava-tsoa
ka hahavokatra tokoa ny tanintsika;
14ary handeha eo alohany ny rariny
ka hanoritra ny lalan-kodiaviny.

Mpino miaina amin'ny famindrampon'Andriamanitra

Nahatsapa ny famindrampon'Andriamanilra ny mpanao Salamo koa indro feno fiderana an'Andriamanitra noho nv nanafahana ny taranak'i Joda tanv am-pahababoana.

1- Feno fahavonona amin'ny fankatoavana ny Tompo
Lazainy eto am-piandohana ny fahavononany ihaino ny Tompo (and.8). Mariky ny fankaloavana ny Tompo izanv ary koa fanehoana ny fioana ao anatiny fa hiteny aminy Andrìamanitra ka hanolotra fiainam-piadanana ho an'izay mankatoa Azy. Mitaona nv mpiara-belona aminy araka izany ity mpanompon'Andriamanitra ity fa mba aharetan'ny teny fampanantenana ataon'Andriamanitra eo amin'ny fìainany dia fa tsy tokony hiverina amin'ny fahadalana na tsy fankatoavana intsonv izy ireo. Mila manaovao ny fanolorantena ho an'Andriamanitra.

2- Vokatry ny fankatoavana nyTompo
Rehefa mirindra tsara ny fifandraisana eo amin' Andriamanitra sy ny olony. Miaina amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra ny olona dia hizotra tsara ny fiainany. Tafapaka eo amin'ny fiainan'ny olona ny famindrapon' Andriamanitra, miseho ny fahamarinana ny Tompo. Miaina amin'ny fiainam-pitahiana ny olona satria manome ny tsara ny tany. Tsarovy fa rehefa miaina amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra isika, miala amin'ny fanao ratsy rehetra dia tanterahiny amintsika ny fìainam- pitahiana. Miavaka tokoa ny fiainan'olona manana an'Andriamanitra sy ny tsy manana an'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Milaza ny olona fa sarotra ny fiaina ankehitriny, maro ny zava-manahirana atrehina. Inona no fanalahidy atolotra azy ireny ? Nahoana ?

jeudi 12 juillet 2018

Alakamisy 12 Jolay 2018 - II Tim 2 : 14 - 21

14Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'Andriamanitra izy mba tsy hiady teny; satria tsy mahasoa izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza. 15Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason'Andriamanitra, ka ho mpiasa tsy mahazo henatra amin'ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana marim-pototra. 16Halaviro ny taria poaka àty sady manazimba fivavahana; fa ny mpanao ireny dia vao mainka handroso amin'ny haratsiam-panahy. 17Ary ny fampianaran-dry zareo dia toy ny vay homamiadana mandany ny nofo. Isan'ireny ry i Himeneo sy i Fileto (Himeneo: jereo 1Tim 1.20.): 18efa nivaona niala tamin'ny fampianarana marim-pototra izy roa lahy sady manimba ny finoan'ny sasany, raha milaza fa zavatra efa tanteraka sahady ny fitsanganantsika ho velona. 19Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady voasokitra eo ny teny hoe: «Fantatry ny Tompo ireo Azy (Ampit Nom 16.).» sy ny hoe «Aoka hiala amin'ny ratsy avokoa ny olona rehetra mitonona ho mpanaja ny Tompo!»

20Tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao anaty lapa soa anankiray fa misy fanaka hazo sy tanimanga koa; iretsy voalohany dia fanaka mihaja fa ireto faharoa kosa dia fanaka tsotsotra. 21Izay olona miezaka hadio fo ka miala amin'ireo haratsiana ireo dia ho tahaka ny fanaka mihaja, satria voatokana ho an'ny Tompo izy sady misy ampiasany azy ary voavoatra hanao asa soa isan-karazany.

Mpino vavolombelona ny fahamarinana

1- Mahay mitondra tena tsara
Noho ny fisian'ny fampianaran-diso mitady hanakorontana ny fiainan'ny fiangonana dia nananatra an'i Timoty i Paoly Apostoly. Tarihina mba itondra tena tsara, miaina amin'ny fiainana kristiana, mizotra amin'ny làlana marina sy mahitsy. Manoloana ireo karazan'olona samihafa dia ilaozana ny ady hevitra tsy mampandroso. Mila mijoro tsara amin'ny asa fanompoana niantsoa azy i Timoty ka manao ho zava-dehibe ny fampianarana marina miorina amin'ny Tenin'Andriamanitra. Rehefa zaraina ny fampianarana marina araka ny tenin'ny fahamarinana. Miaina mifanaraka amin'izany ny mpino dia ho resy tosika ny fampianaran-diso

2- Ho toy ny fanaka volamena
Ireo karazana fanaka ao an-trano no nentin'i Paoly naneho ny anjara toerana misy ny sokajin'olona tsirairay. Ny mpino dia ny toy ny fanaka volamena. Izay mitondra fampianaran-diso dia toy ny fanaka vita tamin'nv tanimanga. Miavaka tsara ireo fanaka ireo araka ny anjara manandrify azy. Fanaka omem-boninahitra ireo vita tamin'ny volamena, miavaka satria efa voadion'ny ràn'i Jesoa Kristy, manana fitondrantena mihaja, manalavitra ny ota. Fiasàna tsara eo am-pelatanan'ny Tompo ka na ny fitenin'izy ireo aza dia fampiononana, fankaherezana. Halam-baraka kosa ireo vita tamin'ny tanimanga satria feno avonavom-panahy, tsy manana teny fahamarinana, manao fanontaniana adaladala mahatonga ady.

Fanontaniana :
Ahoana no fomba entinao miala na manohitra ny fampianaran-diso ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12