mercredi 7 mars 2012
Alarobia 07 Martsa - Dan 5 : 10 - 17
10 Ary ny renin'ny mpanjaka niditra tao amin'ny trano fanasana noho ny tenin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy; dia niteny ny renin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao, na hivaloarika ny tarehinao. 11 Misy lehilahy ato amin'ny fanjakanao izay manana fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren' ireo andriamanitra; ka nataon'i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben' ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy; 12 fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin'izany Daniela izany, izay nomen'ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny. 13 Dia nampidirina teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, izay nentin'ny mpanjaka raiko avy tany Joda. 14 Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin'ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao. 15 Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy; 16 ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana ianao. 17 Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin'ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.
mardi 6 mars 2012
Talata 06 Martsa 2012 - Lio 4 : 31 - 37
31 Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata. 32 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny. 33 Ary nisy olona tao amin'ny synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery izy 34 ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. 35 Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy. 36 Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo. 37 Ary niely teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.
lundi 5 mars 2012
Alatsinainy 05 Martsa 2011 - Efe 1 : 7 - 14
7 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany, 8 izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra, 9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany, 10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany* ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny et? an-tany, dia ho ao aminy; [* Na: hanangonany indray] 11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany*, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [* Na: no nandraisantsika ny lova] 12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo. 13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
dimanche 4 mars 2012
Alahady 04 martsa 2012 - Eks 6 : 2 - 8
2 Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3 ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy, 4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany. 5 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko. 6 Koa lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. 7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo. 8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanàna homena an'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.
samedi 3 mars 2012
Sabotsy 03 Martsa 2011 - Mat 9 : 27 - 31
27 Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i Davida ô! 28 Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko. 29 Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo. 30 Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao. 31 Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.
vendredi 2 mars 2012
Zoma 02 Martsa 2012 - Asa 4 : 1 - 12
1 Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo; 2 fa sosotra izy noho ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy ny fitsanganana amin'ny maty. 3 Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay. 4 Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy. 5 Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna 6 sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe. 7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany? 8 Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona, 9 raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy, 10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo. 11 Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22).
12 Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.
jeudi 1 mars 2012
Alakamisy 01 Martsa 2012 - Dan 2 : 14 - 24
14 Dia novalian'i Daniela tamin'ny fanahy sy ny fahen-drena Arioka lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin'i Babylona; 15 eny, namaly izy ka nanao tamin'i Arioka, lehibe voaten-drin'ny mpanjaka, hoe: Na-hoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin'ny mpan-jaka? Dia nambaran'i Arioka tamin'i Daniela ilay teny. 16 Dia niditra Daniela ka nangataka tamin'ny mpan-jaka hanome andro azy, dia holazainy amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy. 17 Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin'i Hanania sy Misaela ary Azaria namany, 18 mba hangatahan'ireo famindram-po amin' Andriamanitry ny lanitra ny amin'izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin'ny olon-kendrin'i Babylona rehetra. 19 Dia naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana amin'ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an' Andriamanitry ny lanitra Daniela. 20 Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran' Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery. 21 Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay mazava saina. 22 Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy. 23 Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampaha-fantarinao ahy izay nangata-hinay taminao; fa nampaha-fantarinao anay ilay nofin'3 ny mpanjaka. 24 Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin'i Arioka, izay notendren'ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin'i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin'i Babylona; fa ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny
hevitry ny nofiny.
Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...