lundi 14 janvier 2013
Alatsinainy 14 Janoary 2013 - Sal 146 : 5 - 10
5. Sambatra izay manana an'Andriamanitra ho Mpitahy, dia ilay Andriamanitr'i Jakoba; sambatra izay mametraka ny fitokiany ao amin'ny TOMPO Andriamaniny: 6. dia Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao amin'ireny , mitandro fahamarinana hatrany 7. ka manome rariny ny ampahorina ary manome sakafo ny noana. Ny TOMPO mamaha ny mpifatotra; 8. ny TOMPO mampahiratra ny jamba; ny TOMPO mampitraka ny mitanondrika;
9. ny TOMPO miaro ny vahiny sy manohana ny kamboty amam-pitondratena; ny TOMPO mitia ny olo-marina fa mampibirioka kosa ny olon-dratsy. 10. Hanjaka mandrakizay ny TOMPO, dia ny Andriamanitrao, ry Tsiona o, amin'ny taona mifandimby. Haleloia!
dimanche 13 janvier 2013
Alahady 13 Desambra 2013 - Mat 7 : 7 - 12
7 Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondony dia hovohana ianareo. 8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana.
9 Araka ny hevitrareo, iza no olona hangatahan-janany mofo ka hanome vato azy? 10 Na hangatahany trondro ka hanome bibilava azy? 11 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy! 12 Noho izany ary, ataovy amin'ny olona izay rehetra tianareo hataon'ny olona aminareo; fa izany no vontoatin'ny lalanan'i Mosesy mbamin'ny fampianaran'ny mpaminany.
samedi 12 janvier 2013
Sabotsy 12 Janoary 2012 - Jer 31 : 15 - 20
15. Izao no lazain'ny TOMPO: "Nisy fitarainana heno tao Rama, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I RaHely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany". 16. Kanefa izao no lazain'ny TOMPO azy: ''Atsaharo ny fitarainanao ary fafao ny ranomasonao fa hovaliako soa ny fisasaranao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Satria ireny zanakao ireny dia hiverina avy any an-tanin'ny fahavalony. 17. Koa misy fanantenana ho an'ny taranakao, hoy ny teny hentitra ambarako, hiverina ao an-tanindrazany ny zanakao. 18. Reko tsara mihitsy ny olon'i Efraima nitaraina hoe: "TOMPO o, nofaizinao izahay ary dia manaiky ho faizinao tahaka ny ombilahy tanora tsy tena folaka. Nefa ampodio aminao izahay mba hiverenanay tokoa aminao, satria Ianao, TOMPO o, no Andriamanitray. 19. Eny, niodina taminao izahay nefa anenenanay kosa izany. Nampahafantarinao anay ny fahadisoanay, ka mandondon-tratra izahay ankehitriny. Menatra sady mangaihay ny tenanay; manala baraka anay ny fahatanoranay ka hozakainay ny vokany." 20. I Efraima no zanaka lahy mamiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, zanaka malalako indrindra izy. Isaky ny manameloka azy Aho, dia mahatsiaro azy hatrany ka manjary mangoraka azy ary dia mamindrafo aminy tokoa.''
vendredi 11 janvier 2013
Zom 11 Janoary 2013 - Rom 15 : 7 - 13
7 Koa mifandraisa tsara ianareo, tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra. 8 Fa izao no ambarako aminareo: Tonga mpanompon'ny Jiosy i Kristy mba hahatanteraka ny fampanantenana natao tamin'ny razan'izy ireo ka anehoana fa azo antoka Andriamanitra. 9 Ary izany koa dia mba hahazoan'ny hafa firenena manome voninahitra an'Andriamanitra noho ny famindrampony, araka izay voalazan'ny Soratra Masina hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny hafa firenena sy hihirako ho voninahitry ny anaranao. 10 Ary hoy indray ny Soratra Masina hoe: Miaraha miravo amin'ny vahoakan'ny Tompo, ry hafa firenena!
11 Ary koa hoe: Derao ny Tompo, ry firenena rehetra; ankalazao Izy, ry vahoaka rehetra! 12 Ary hoy indray i Isaia hoe: Ho avy ilay solofon'i Jisay, dia ilay hitsangana hifehy ny firenena: Izy no hitokian'ireo firenena! 13 Ilay Andriamanitra loharanon'ny fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana tanteraka anareo noho ny finoanareo, mba hampitomboina be dia be ao aminareo ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina!
jeudi 10 janvier 2013
Alakamisy 10 Janoary 2013 - Mik 7 : 18 - 20
18 Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay. 19 Hamindranao fo indray izahay, hohitsakitsahinao ny helokay; ary any ambany ranomasina lalina any no hanarianao ny fahotanay rehetra. 20 Hasehonao aminay taranak'i Abrahama sy i Jakoba ny toetranao mahatoky sy ny fitiavanao, araka izay efa nianiananao tamin'ny razambenay hatramin'ny andro fahagola.
mercredi 9 janvier 2013
Alarobia 09 Janoary 2013 - Mat 3 : 13 - 17
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda mafy i Johany ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray ve no mankaty amiko? 15 Fa novalian'i Jesoa hoe: Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr'Andriamanitra. Izay vao nanaiky i Johany. 16 Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin'i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny. 17 Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!
mardi 8 janvier 2013
Talata 08 Janoary 2013 - Jao 1 : 47 - 51
47 Nahita an'i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an'i Natanaela: Izany ka tena Israelita tsy misy fitaka! 48 Dia hoy i Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Ka novalian'i Jesoa hoe: Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako teo ambany aviavy ianao! 49 Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: Mpampianatra o, Ianao no Zanak'Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan'i Israely! 50 Ary novalian'i Jesoa hoe: Mino ve ianao satria nilazako fa hitako teo ambany aviavy? Zavatra lehibe noho izany no mbola ho hitanao! 51 Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela: Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin'ny anjelin'Andriamanitra miaka-midina eo ambonin'ny Zanak'olona!
Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...