jeudi 10 janvier 2013
Alakamisy 10 Janoary 2013 - Mik 7 : 18 - 20
18 Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay. 19 Hamindranao fo indray izahay, hohitsakitsahinao ny helokay; ary any ambany ranomasina lalina any no hanarianao ny fahotanay rehetra. 20 Hasehonao aminay taranak'i Abrahama sy i Jakoba ny toetranao mahatoky sy ny fitiavanao, araka izay efa nianiananao tamin'ny razambenay hatramin'ny andro fahagola.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...