lundi 7 octobre 2013

Alatsinainy 07 Oktobra 2013 - Hag 2 : 1 - 9

1Tamin'ny volana fahafito, andro faha-21 dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany*. 2Hafatra ho an'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela sy ho an'i Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jôtsadaky ary ho an'izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany no nasain'ny Tompo nambarany hoe: 3Iza aminareo sisa ireo no mahatsiaro ny tempoly* tamin'ny famirapirany taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitànareo azy ankehitriny? Moa tsy zava-poana sisa hitanareo? 4Koa izao no teny hentitra avy amiko TOMPO: Mahereza, ry Zerobabela! Mahereza, ry Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jôtsadaky. Mahereza, ianareo rehetra sarambabem-bahoakan'ity tany ity; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Miasà fa Izaho no miaraka aminareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn'izao rehetra izao, 5araka ny fanekempihavanana nataoko taminareo fony ianareo niala tany Ejipta. Ary hitoetra eo anivonareo ny Fanahiko; koa aza matahotra ianareo. 6Eny, Izaho TOMPOn'izao rehetra izao dia manambara fa raha afaka kelikely dia hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tanety. 7Hakorontako ambony ambany ny firenen-drehetra. Hoentina eto, ny hareny rehetra ary dia hofenoiko famirapiratana indray ity trano ity, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao. 8Ahy avokoa manko ny volamena sy volafotsy eran'izao tontolo izao; izany no teny hentitra avy amiko TOMPOn'izao rehetra izao. 9Ny famirapiratan'ity trano ity dia ho lehibe mihoatra noho ny tany aloha; ary eto amin'ity toerana ity, hoy AHO, no hanomezako anareo fiadanana. Izany no fampanantenana avy amiko TOMPOn'izao rehetra izao.

dimanche 6 octobre 2013

Alahady 06 Oktobra 2013 - Oha 16 : 1 - 9

1Fikasana no an'ny olombelona
fa an'ny TOMPO kosa ny teny farany.
2Ny olona mihevitra ny ataony ho mety avokoa;
fa ny TOMPO no mitsara ny toe-panahy manesika azy.
3Ankino amin'ny TOMPO ny asanao,
dia ho tanteraka izay kasainao.
4Samy misy antony avokoa
ny zava-drehetra nataon'ny TOMPO;
ka na dia ny ratsy fanahy aza
dia nataony ho amin'ny androm-pamaizana.
5Halan'ny TOMPO ny olona miavona;
azo antoka fa hofaiziny ireny.
6Manafa-keloka ny fitiavana sy ny toetra mahatoky;
ary ny fanajana ny TOMPO no ialana amin'ny ratsy.
7Rehefa sitraky ny TOMPO ny fitondrantenan'ny olona,
na dia ny fahavalony aza ampihavaniny aminy.
8Aleo manan-kely ombàm-pahamarinana
toy izay ny karama be azo amin'ny tsy rariny.
9Ny fon'ny olona no maminavina ny hizorany;
fa ny TOMPO kosa no mandavorary ny diany.

samedi 5 octobre 2013

Sabotsy 05 Oktobra 2013 - Dan 11 : 25 - 28

25«Ary hasesiky ny heriny sy ny hambompony izy ka hombàn-tafika lehibe no hiroso hamely ny mpanjaka ao atsimo; ary io mpanjaka ao atsimo io dia hioman-kiady miaraka amina tafika goavana sy matanjaka tokoa, kanjo tsy hahatohitra satria hanaovana teti-dratsy hahavoa azy. 26Fa izay olona akaiky azy ihany no hanapotika azy; ka ho resim-pahavalo ny tafiny, ary ho marobe ny faty hiampatrampatra. 27Ary ireo mpanjaka roa ireo dia samy haniry hanao ratsy ao am-pony avy ka hifampiresaka lainga eo amin'ny latabatra iray; nefa tsy hahomby izany satria amin'ny fotoanandro voatendry ihany no hiafaran'ny raharaha. 28Ary hiverina any amin'ny taniny mitondra harembe ilay mpanjaka ao avaratra; ka hanatanteraka izay nokasainy hanoherana ny fanekempihavanana masina izy, vao hody any amin'ny taniny.

vendredi 4 octobre 2013

Zoma 04 Oktobra 2013 - Dan 6 : 17 - 24

17Tamin'izay dia nanome baiko ny mpanjaka mba halaina i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona. Dia niteny kosa ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: «Andriamanitrao, Izay tompoinao fatratra, no hany hamonjy anao!»
18Dia nisy vato natampina ny vavan-davaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny tombokaseny* sy tamin'ny an'ireo olo-manan-kajany mba tsy hisy hovana ny amin'i Daniela. 19Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza.

20Fa raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nifoha ny mpanjaka ka nandeha faingana nankany amin'ny lavaky ny liona. 21Ary raha nanatona ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo hoe:
–Ry Daniela mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao fatratra va afaka namonjy anao tamin'ny liona?
22Dia niteny tamin'ny mpanjaka i Daniela hoe:
–Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka! 23Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny* hanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka.
24Tamin'izay dia faly tokoa ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka i Daniela; rehefa tafakatra izy, dia tsy nahitana ratra akory satria natoky an'ilay Andriamaniny.

jeudi 3 octobre 2013

Alakamisy 03 Oktobra 2013 - Asa 12 : 1 - 10

1Tamin'izany fotoana izany, dia nasain'i Herôda* mpanjaka nosamborina ny olona sasantsasany anisan'ny Fiangonana mba hampahorîna. 2Novonoiny tamin'ny sabatra i Jakôba rahalahin'i Jôhany; 3ka nony hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nosamboriny koa i Petera. (Andro fankalazana ny Azima* indrindra tamin'izay.) 4Rehefa voasambotr'i Herôda i Petera, dia nataony am-ponja; andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy, no nasain'ity mpanjaka niandraikitra ny fiambenana azy. Nokasain'i Herôda hotsaraina imasom-bahoaka manko izy aorian'ny Paska*. 5Voatana tao am-ponja àry i Petera, fa ny Fiangonana kosa nivavaka mafy tamin'Andriamanitra ho azy.
Afaka i Petera
6Ny alina mialoha ny hitsaran'i Herôda* azy ampahibemaso, dia natory teo anelanelana miaramila roa lahy i Petera. Voafatotra gadra vy anankiroa izy, ary teo am-baravaran'ny fonja dia efa nasiana mpiambina. 7Dia indro nisy anjelin*'ny Tompo tonga teo, ary namirapiratry ny hazavana tao amin'ilay efitry ny fonja. Notohinin'ilay anjely teo amin'ny tehezany i Petera, dia nofohaziny ka nataony hoe:
–Mitsangàna faingana!
Nilatsaka ho azy ny gadra tamin'ny tanan'i Petera. 8Dia hoy ilay anjely taminy:
–Misikîna ary anaovy ny kapa.
Dia nataon'i Petera izany. Ary hoy koa ilay anjely taminy:
–Tafio ny lambanao ary manaraha ahy.
9Dia niala tao am-ponja nanaraka an'ilay anjely i Petera. Saingy tsy fantany ho zavatra tena marina izay nataon'ny anjely fa noheveriny ho fahitana fotsiny. 10Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy ireo, dia tonga teo amin'ny vavahady vy mahazo ny lalana ho any an-tanàna. Nivoha nidanadana ho azy ilay vavahady ka dia tafavoaka soa aman-tsara izy ireo. Nizotra tamin'izay lalana anankiray izay izy ireo, ary dia nilaozan'ny anjely tampoka i Petera.

mercredi 2 octobre 2013

Alarobia 02 Oktobra 2013 - Jao 15 : 1 - 8

1–Izaho no tena voaloboka; ary ny Raiko no mpamboly. 2Ny sampana rehetra izay tafaray amiko nefa tsy mamokatra dia esorin'ny Raiko; ary ny sampana rehetra izay mamokatra kosa, dioviny mba hamokatra bebe kokoa. 3Madio izao ianareo noho ny teny izay nolazaiko taminareo. 4Aoka hiray amiko hatrany ianareo toy ny iraisako aminareo. Ny sampana tsy afa-mamokatra ho azy raha tsy miray amin'ny voaloboka hatrany; dia toy izany koa ianareo: tsy afa-mamokatra, raha tsy miray amiko hatrany. 5Izaho no voaloboka; ianareo no sampana. Izay miray amiko hatrany, toy ny iraisako aminy, no mamokatra be; satria raha misaraka amiko ianareo, dia tsy afa-manao na inona na inona. 6Raha misy olona tsy miray amiko hatrany, dia ariana any ivelany tahaka ny sampana izy, ka mihamaina; ary angonina ireo sampana maina ka atsipy ao anaty afo, dia may. 7Raha miray amiko hatrany ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay zavatra tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. 8Ny ahazoan'ny Raiko voninahitra, dia ianareo mamokatra be sady tonga mpianatro*.

mardi 1 octobre 2013

Talata 01 Oktobra 2013 - Sal 66 : 8 - 12

8Rey vahoaka, isaory ilay Andriamanitray,
ataovy maredona ny fiderana Azy,
9satria Izy no mahavelona aina anay;
tsy navelany ho solafa-mamindra izahay.
10Nozahanao toetra izahay, Andriamanitra ô,
nosedrainao toa volafotsy anaty memy,
11nampidirinao am-pandrika
sy novesaranao fitsapana.
12Olon-dratsy no navelanao hanosihosy anay;
izahay dia voatery namaky afo sy rano,
kanjo nafahanao ihany
sy nampahazoinao aina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12