lundi 7 juillet 2014

Alatsinainy 07 Jolay 2014 - Mar 3 : 7 - 12

7Dia lasa i Jesoa nihataka teny amoron'ny farihin'i Galilea niaraka tamin'ny mpianany*. Vahoaka maro no nanaraka Azy avy ao Galilea; toy izany koa ny avy any Jodea 8sy avy any Jerosalema, avy any Idomea sy andafin'ny ony Jôrdàna, ary avy amin'ny faritra manodidina an'i Tiro sy i Sidôna. Samy nandre izay nataon'i Jesoa izy rehetra ka nanatona Azy.

9Ary dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Anomany sambokely eto akaikiko Aho fandrao hifanosehan'ny vahoaka.

10Fa maro tokoa ny olona nositraniny, ka nifanesika mba hikasika Azy izay rehetra nanana aretina.
11Ary ireo fanahy maloto*, isaky ny mahita an'i Jesoa, dia niankohoka teo anatrehany sady niantsoantso hoe:
–Ianao no ilay Zanak'Andriamanitra*!

12Fa i Jesoa niteny mafy azy ireo hoe:
–Aza manao izay hahafantarana Ahy!

dimanche 6 juillet 2014

Alahady 06 Jolay 2014 - Gen 12 : 1 - 5

1Hoy ny TOMPO tamin'i Abrama:
–Mialà amin'ny taninao sy ny fianakavianao ary ny tranon-drainao ka mankanesa any amin'ny tany izay hasehoko anao. 2Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana* ho an'ny hafa ianao. 3Hotahîko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin'ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.

4Dia nandeha araka izay nolazain'ny TOMPO taminy i Abrama, ary niaraka taminy koa i Lôta. Tokony ho 75 taona i Abrama fony izy niala tany Haràna. 5Nalain'i Abrama i Saray vadiny sy i Lôta zana-drahalahiny, ary nentiny ny harena rehetra voaangony mbamin'ireo mpanompo rehetra novidîny tao Haràna. Dia niainga izy ka nankany amin'ny tany Kanahàna.

samedi 5 juillet 2014

Sabotsy 05 Jolay 2014 - Deo 20 : 1 - 5

1Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo. 2Iny vonon-kanafika iny ianareo, dia hohatonin'ny mpisorona ka hilazany hoe: 3«Mihainoa, ry miaramila israelita! Efa hanafika fahavalo ianareo izao, koa aza rera-po na matahotra na mikoropaka foana na mangorohoro eo anatrehany. 4Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hampandresy anareo.» 5Avy eo dia hiteny amin'ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: «Iza aminareo no nahavita trano vaovao nefa mbola tsy nitokanany? Aoka hiverina any an-tranony izy fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.

vendredi 4 juillet 2014

Zoma 04 Jolay 2014 - Lio 6 : 6 - 11

6Indray sabata* hafa koa, dia niditra tao amin'ny sinagôga* i Jesoa ka nampianatra. Nisy lehilahy maty tanana ankavanana tao; 7ary nizaha taratra an'i Jesoa ireo mpahay lalàna* sy Farisianina* raha hanasitrana amin'ny andro sabata Izy mba hahitany antony hiampangana Azy.
8Fantatr'i Jesoa anefa ny eritreriny, ka hoy Izy tamin-dralehilahy maty tanana:
–Mitsangàna ka ndeha mijoro etsy afovoan'ny olona.

Dia nitsangana ilay marary ka nijoro. 9Ary niteny tamin'ny mpahay lalàna sy ny Farisianina i Jesoa hoe:
–Manontany anareo Aho: inona moa no azo atao amin'ny andro sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy? ny mamonjy ain'olona sa ny manala ain'olona?

10Dia nanopy maso manodidina nijery azy rehetra i Jesoa ka niteny tamin-dralehilahy hoe:
–Atsory ny tananao.

Dia natsotran'ilay marary ny tanany ka sitrana. 11Fa romotry ny hatezerana kosa ireo mpahay lalàna sy Farisianina ka niara-nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesoa.

jeudi 3 juillet 2014

Alakamisy 03 Jolay 2014 - II Tan 6 : 32 - 33

32«Mety hisy ny vahiny izay tsy anisan'ny Israelita vahoakanao; kanefa niainga avy any an-tany lavitra hankatỳ noho ny lazanao lehibe sy ny fiarovanao mahery ary ny fahefana ampiharinao. Rehefa tonga hivavaka mitodika amin'ity tempoly ity izy, 33dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, Tompo ô, ka manaova araka izay rehetra angatahiny aminao. Izany no hahalalan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany Anao sy hanajany ny Anao tahaka ny ataon'ny Israelita vahoakanao ary hiekeny fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity tempoly naoriko ity.

mercredi 2 juillet 2014

Alarobia 02 Jolay 2014 - Sal 124 : 1 - 8

1 Hira fiakarana. Nataon'i Davida.
Raha tsy ny TOMPO no nomba antsika...

–Aoka ny vahoaka Israely hilaza hoe:

2«Raha tsy ny TOMPO no momba antsika
tamin'ny namelezan'ny olona antsika,
3dia ho nateliny velona tokoa isika
satria nirehitra loatra ny havinirany;
4eny, ho toy ny rano nandifotra antsika ireo,
ho toy ny riaka nanafotra antsika,
5ho toy ny rano misamboaravoara
nanafotra antsika.»


6Hisaorana anie ny TOMPO tsy nahafoy antsika
horotidrotehin'ny vangin'ireo!
7Toy ny fody afa-pandrika harato isika:
rovitra ny harato, ka afaka isika!
8Ny famonjena antsika dia ny anaran'ny TOMPO,
Mpanao ny lanitra sy ny tany.

mardi 1 juillet 2014

Talata 01 Jolay 2014 - II Kor 2 : 12 - 17

12Nony tonga tany Trôasy hitory ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Kristy* aho, dia hitako fa efa novohàn'ny Tompo varavarana sahady aho hiasa tao. 13Kanefa tsy nilamin-tsaina aho satria tsy nahita an'i Tito rahalahiko. Koa nanao veloma ny olona tao Trôasy aho, dia niainga nankany Masedônia.

14Kanefa hisaorana anie Andriamanitra Izay mampiombona anay mandrakariva amin'ny fandresen'i Kristy. Ampiasain'Andriamanitra izahay hampiely amin'ny toerana rehetra ny fahalalana an'i Kristy, ho toy ny hanitra mamerovero hatraiza hatraiza. 15Fa tahaka ny zava-manitra ataon'i Kristy fanatitra ho an'Andriamanitra izahay, na amin'ny voavonjy na amin'ny very: 16fofona mahafaty tokoa izany ho an'ny very, fa fofona mahavelona tokoa ho an'ny voavonjy. Koa iza moa no antonona ho amin'izany asa izany? 17Izahay dia tsy toy ny sasany manao ny tenin'Andriamanitra ho filàm-bola, fa miteny toy ny olona irahin'Andriamanitra sady mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra, araka ny maha mpanompon'i Kristy anay.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12