1 Hira fiakarana. Nataon'i Davida.
Raha tsy ny TOMPO no nomba antsika...
–Aoka ny vahoaka Israely hilaza hoe:
2«Raha tsy ny TOMPO no momba antsika
tamin'ny namelezan'ny olona antsika,
3dia ho nateliny velona tokoa isika
satria nirehitra loatra ny havinirany;
4eny, ho toy ny rano nandifotra antsika ireo,
ho toy ny riaka nanafotra antsika,
5ho toy ny rano misamboaravoara
nanafotra antsika.»
6Hisaorana anie ny TOMPO tsy nahafoy antsika
horotidrotehin'ny vangin'ireo!
7Toy ny fody afa-pandrika harato isika:
rovitra ny harato, ka afaka isika!
8Ny famonjena antsika dia ny anaran'ny TOMPO,
Mpanao ny lanitra sy ny tany.
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao h...