mardi 7 avril 2015

Talata 07 Aprily 2015 - Jao 12 : 20 - 26

20Nisy Grika vitsivitsy anisan'izay niakatra tao Jerosalema hivavaka mandritra ny fankalazana.

21Nohatonin'ireo i Filipo, izay avy any Betsaidà tanànan'i Galilea, ka nanaovany fangatahana hoe:
–Mba te hahita an'i Jesoa izahay, tompoko!

22Dia lasa i Filipo nilaza tamin'i Andrea; ary i Andrea sy i Filipo no lasa nilaza tamin'i Jesoa.

23Dia hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy:
–Tonga ny fotoanandro hanomezam-boninahitra ny Zanak'olona*. 24Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary latsaka ao amin'ny tany, dia mitoetra irery; raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. 25Izay mandala ny ainy no hahavery azy; fa izay tsy mandala ny ainy eto amin'izao tontolo izao no hitahiry azy ho aina maharitra mandrakizay. 26Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy; ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko. Raha misy olona manompo Ahy, dia homen'ny Raiko voninahitra izy.

lundi 6 avril 2015

Alatsinainy 06 Aprily 2015 - Dan 12 : 1 - 3

1«Hoy koa ilay anjely* tamiko: ‹Amin'izany fotoana izany dia hitsangana i Mikaela, ilay filoha lehibe, izay mijoro homba ny firenenao; ary hisy fotoana mampahory tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisiam-pirenena ka hatramin'io fotoana io. Ary amin'izany fotoana izany dia ho voavonjy ny olona rehetra anisan'ny firenenao, ka hita voasoratra ao amin'ny boky. 2Ary olona marobe izay matory ao amin'ny vovoka ao am-pasana no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny zava-mahatsiravina mandrakizay. 3Ary ireo hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay nampianatra ny maro ho marina dia hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay mandrakizay.

dimanche 5 avril 2015

Alahady 05 Aprily 2015 - Jao 20 : 1 - 10

1Ny andro alahady, dia nandeha maraina be mbola maizimaizina i Maria Magdalena hankany amin'ny fasana, ka nahita ny vato efa voaesotra lavitry ny fasana.

2Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Simôna Petera sy ilay mpianatra* tian'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe:
–Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.

3Dia niainga i Petera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin'ny fasana. 4Niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nihazakazaka faingana kokoa noho i Petera ilay mpianatra anankiray, ka tonga taloha teo amin'ny fasana. 5Dia niondrika nitsirika izy, ka nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra. 6Tonga koa i Simôna Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana, ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo 7sy ny lambakely nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin'ny lambam-paty fa voavalona mitokana terỳ. 8Tamin'izay dia niditra koa ilay mpianatra tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. 9Tsy mbola fantatr'ireo mpianatra manko ny Soratra Masina* manambara fa i Jesoa dia tsy maintsy hitsangana velona avy any amin'ny maty. 10Dia lasa izy roa lahy nody tany aminy.

samedi 4 avril 2015

Sabotsy 04 Aprily 2015 - Sal 22 : 1 - 11

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hohiraina araka ny feon'ny hoe «Ny dieravavy, fony mazavatsinanana». Salamo nataon'i Davida.

2Andriamanitro ô, Andriamanitro ô
nahoana no dia nilaozanao aho?
Nahoana no mijanona eny lavitra eny Ianao
ka tsy mamonjy ahy na mihaino ny tarainako?
3Mandritra ny andro aho miantso Anao
saingy tsy valianao, Andriamanitro ô;
ary miantso koa aho amin'ny alina,
saingy tsy mahazo fiononana.

4Kanefa mipetraka an-tsezafiandrianana
Ianao, ry ilay Andriamanitra masina
Izay fidèran'i Israely vahoakanao.
5Nitoky taminao ireo razanay;
natoky Anao izy ka tsy diso fanantenana,
6niantso vonjy taminao ka nafahanao,
natoky Anao ka tsy diso fanantenana.

7Efa toy ny kankana aho fa tsy olona intsony,
ka sady voaompa no lavin'ny vahoaka;
8izay mahita ahy dia maneso avokoa,
manondro molotra, mihifikifi-doha.
9Ka hoy izy ireo ny amiko hoe:
«Ny TOMPO no itokiany ka aoka hanavotra;
eny tia azy Izy, ka aoka hanafaka!»
10Ianao, Tompo ô, no namoaka ahy
mba hiala avy tao an-kibon-dreniko
ka nampandry ahy teo an-trotroany.
11Vao teraka aho, dia nankinina taminao;
mbola tany am-bohoka aho, efa Andriamanitro Ianao.

vendredi 3 avril 2015

Zoma 03 Aprily 2015 - Jao 19 : 25 - 37

25Nijoro teo akaikin'ny hazofijalian'i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin'i Klôpà, ary i Maria Magdalena.

26Nony hitan'i Jesoa ny reniny ary teo anilan'io reniny io ilay mpianatra* tiany, dia hoy Izy tamin-dreniny:
–Ravehivavy, indro ny zanakao!

27Avy eo dia hoy Izy tamin'ilay mpianatra:
–Indro ny reninao!

Ary nanomboka hatramin'io fotoana io i Maria dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy.
Miala aina i Jesoa

28Taorian'izany, dia fantatr'i Jesoa fa efa vita ny zavatra rehetra; ka mba hahatanteraka ny Soratra Masina*, dia hoy Izy:
–Mangetaheta Aho.

29Ary nisy bakoly feno vinaingitra teo; ka spaonjy novontosana vinaingitra sy notohizana tamina zaran-defona no natohoky ny miaramila teo am-bavan'i Jesoa. 30Rehefa nanandrana ny vinaingitra

Izy dia nanao hoe:
–Vita ny zavatra rehetra!

Dia nanondri-doha Izy ka nanolotra ny fanahiny.

31Ary satria fiomanana* tamin'izay, dia nangatahin'ny manampahefana jiosy tamin'i Pilato* ny hanapahana ny ranjon'ireo voahombo sy hanesorana ny fatiny mba tsy hisy tavela eo amin'ny hazofijaliana ny andro sabata*, satria andro lehibe izany sabata izany. 32Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray hafa izay nohomboana tamin'ny hazofijaliana niaraka tamin'i Jesoa. 33Nony nankeo amin'i Jesoa ny miaramila, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony; 34fa nisy miaramila anankiray nandefona ny fon'i Jesoa, ary niaraka tamin'izay dia nisy ra sy rano nivoaka. 35Ilay nahita no vavolombelona manambara ary azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona, sady fantany fa milaza ny marina izy mba hinoanareo koa. 36Eny, tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina* hoe: «Tsy hisy hotapahina ny taolany.» 37Ary hoy indray koa ny Soratra Masina hoe: «Hijery ilay nolefonina izy ireo.»

jeudi 2 avril 2015

Alakamisy 02 Aprily 2015 - Jao 13 : 1 - 20

1Andro mialoha ny fankalazana ny Paska* tamin'izay. Fantatr'i Jesoa fa tonga ny fotoanandro hialany amin'izao tontolo izao* ho any amin'ny Ray. Efa notiavin'i Jesoa ireo Azy teo amin'izao tontolo izao ary dia notiaviny hatramin'ny farany. 2Teo am-pisakafoana hariva tamin'izay i Jesoa mbamin'ny mpianany*; ary efa nomen'ny devoly* hevitra i Jodasy, zanakalahin'i Simôna Iskariôta*, mba hanolotra an'i Jesoa. 3Fantatr'i Jesoa rahateo fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra, sady fantany fa Andriamanitra no niaviany ary Andriamanitra no hiverenany. 4Koa nitsangana niala teo am-pihinanana Izy, dia nametraka ny lambany, ary naka lamba famaohana ka nisikinany. 5Avy eo Izy dia nampidina rano tamina koveta, ary nanomboka nanasa ny tongotr'ireo mpianany sy namaoka izany tamin'ny lamba nisikinany.

6Dia tonga teo amin'i Simôna Petera Izy; fa hoy i Petera taminy:
–Ianao ve, ry Tompo, hanasa ny tongotro?

7Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Izay ataoko dia tsy azonao ankehitriny, fa ho azonao any aoriana.

8Fa hoy i Petera taminy:
–Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao!

I Jesoa kosa namaly azy hoe:
–Raha tsy hosasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko.

9Dia hoy i Simôna Petera taminy:
–Raha izany, ry Tompo, dia tsy ny tongotro fotsiny fa ny tanako sy ny lohako ihany koa.

10Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izay efa nandro tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo. Ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.

11(Fantatr'i Jesoa manko ilay efa hanolotra Azy; ka izany no nilazany hoe: «Tsy ianareo rehetra no madio.»)

12Rehefa voasasan'i Jesoa ny tongotr'ireo mpianany, dia nandray ny lambany Izy ary nipetraka indray; ka hoy Izy tamin'ny mpianany:
–Azonareo ve izay nataoko taminareo? 13Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo fa izany tokoa Aho. 14Koa raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza no manasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra. 15Eny, nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo. 16Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony ary ny iraka tsy lehibe noho ilay naniraka azy. 17Raha azonareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.

18Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin'ny Soratra Masina* hoe: «Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.» 19Dieny izao Aho no milaza aminareo alohan'ny hahatongavan'izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany fa «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay.» 20Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mandray ny hirahiko dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.

mercredi 1 avril 2015

Alarobia 01 Aprily 2015 - Sal 65 : 9 - 13

9Noho ireo famantarana ataonao,
dia mitolagaga ny vahoaka
hatrany am-paran'ny tany;
na tatsinanana na tandrefana
dia entaninao hihorakoraka hihoby.
10Tompo ô, miahy ny tany Ianao,
manondraka azy amin'ora-mikija
ka mahatonga azy ho vokatra tokoa.
Ilay reniranonao, Andriamanitra ô,
dia tondraka midibadiba hatrany.
Vary ho an'ny olona no omaninao
ka toy izao no fikolokoloanao ny tany:
11ny soritr'asa ataonao ampo-drano
ny bainga motahinao sy aravonao;
oram-batravatra no amontosanao azy
ka ombànao fitahiana ny tsirim-bary.
12Dia zava-tsoa no toa fehiloha
izay asatrokao ny taona;
ka fahavokarana mitafotafo
no amin'izay andalovanao.
13Maitso mavana ny ahitra an-tanety,
ka feno fifaliana ny havoana;

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12