vendredi 3 avril 2015

Zoma 03 Aprily 2015 - Jao 19 : 25 - 37

25Nijoro teo akaikin'ny hazofijalian'i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin'i Klôpà, ary i Maria Magdalena.

26Nony hitan'i Jesoa ny reniny ary teo anilan'io reniny io ilay mpianatra* tiany, dia hoy Izy tamin-dreniny:
–Ravehivavy, indro ny zanakao!

27Avy eo dia hoy Izy tamin'ilay mpianatra:
–Indro ny reninao!

Ary nanomboka hatramin'io fotoana io i Maria dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy.
Miala aina i Jesoa

28Taorian'izany, dia fantatr'i Jesoa fa efa vita ny zavatra rehetra; ka mba hahatanteraka ny Soratra Masina*, dia hoy Izy:
–Mangetaheta Aho.

29Ary nisy bakoly feno vinaingitra teo; ka spaonjy novontosana vinaingitra sy notohizana tamina zaran-defona no natohoky ny miaramila teo am-bavan'i Jesoa. 30Rehefa nanandrana ny vinaingitra

Izy dia nanao hoe:
–Vita ny zavatra rehetra!

Dia nanondri-doha Izy ka nanolotra ny fanahiny.

31Ary satria fiomanana* tamin'izay, dia nangatahin'ny manampahefana jiosy tamin'i Pilato* ny hanapahana ny ranjon'ireo voahombo sy hanesorana ny fatiny mba tsy hisy tavela eo amin'ny hazofijaliana ny andro sabata*, satria andro lehibe izany sabata izany. 32Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray hafa izay nohomboana tamin'ny hazofijaliana niaraka tamin'i Jesoa. 33Nony nankeo amin'i Jesoa ny miaramila, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony; 34fa nisy miaramila anankiray nandefona ny fon'i Jesoa, ary niaraka tamin'izay dia nisy ra sy rano nivoaka. 35Ilay nahita no vavolombelona manambara ary azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona, sady fantany fa milaza ny marina izy mba hinoanareo koa. 36Eny, tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina* hoe: «Tsy hisy hotapahina ny taolany.» 37Ary hoy indray koa ny Soratra Masina hoe: «Hijery ilay nolefonina izy ireo.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12