jeudi 7 avril 2016

Alakamisy 07 Aprily 2016 - Mpi 7 : 1 - 8

1Vao maraina be i Gidehôna, izay nantsoina koa hoe Jerobahala, no niainga niaraka tamin'ny tafiny manontolo ka nandeha nitoby teo akaikin'i Haîna-Harôda. Ny tobin'ny Midianita kosa dia terỳ avaratra, teo amin'ny lemaka anilan'ny havoana Môrehavoana Môre dia eo atsimon'ny tendrombohitra Tabôra.'>.

2Dia hoy ny TOMPO tamin'i Gidehôna:
–Maro loatra ny tafika miaraka aminao ka tsy hatolotro eo an-tanany ny Midianita, fandrao hirehareha amiko ny Israelita ka hanao hoe: «Ny herinay ihany no namonjy anay». 3Koa izao ankehitriny izao dia ambarao eo anatrehan'ny io tafika io hoe: «Aoka izay rehetra mangovitra noho ny tahotra mba hody any an-tranony!»

Dia nanaovan'i Gidehôna fifantenana ny tafiny; ka andiany roapolo tamin'ireo no niverina nody fa andiany folo sisa nijanona. 4Nefa hoy indray ny TOMPO tamin'i Gidehôna:
–Mbola marobe ihany io tafika io, koa ampidino ho eo amoron-drano izy fa eo no hifantenako ho anao. Holazaiko aminao tsirairay izay tokony handeha hiaraka aminao sy izay tsy tokony handeha.

5Dia nampidinin'i Gidehôna hankeo amoron-drano ny tafiny; ary hoy ny TOMPO taminy:
–Izay rehetra milelaka ny rano amin'ny lelany toy ny fanaon'ny alika, dia avaho amin'ireo rehetra mandohalika hisotro kosa.

6Dia nisy telonjato ny lehilahy nandraoka rano tamin'ny tanany ho amin'ny vavany ka nilelaka azy, fa ny sisa rehetra kosa nandohalika hisotro. 7Ary hoy ny TOMPO tamin'i Gidehôna:
–Ireo telonjato lahy izay nilelaka rano ireo no hamonjeko ny Israelita ka hanolorako ny Midianita eo an-tananao. Ary ny amin'ireo sisa kosa dia aoka samy hody any amin'ny fonenany avy izy!

8Koa telonjato lahy ihany no notazonin'i Gidehôna hiaraka aminy fa ny Israelita hafa rehetra nalefany hody any amin'ny fonenany avy; saingy notazonina kosa ny vatsy sy ny trompetran'ireo nandeha.
Ny tobin'ny Midianita dia terỳ ambany kokoa tao amin'ny lemaka.

mercredi 6 avril 2016

Alarobia 06 Aprily 2016 - Mar 16 : 9 - 18

[ 9Rehefa nitsangana velona i Jesoa ny alahady vao maraina be, dia tamin'i Maria avy any Magdalà, ilay nandroahany demony fito, no nisehoany voalohany'>. 10Io indray lasa nitantara tamin'ireo mpomba an'i Jesoa, izay mbola nisaona sy nitomany. 11Ireo anefa, nony nandre ny voalazan-dravehivavy fa hoe velona i Jesoa ary hitany, dia tsy nino.

12Taorian'izany, dia roa lahy tamin'ireo mpianatra* no nisehoan'i Jesoa tamin'ny fomba hafa indray, raha ilay nandeha nankany ambanivohitra iny izy roa lahy. 13Ireo koa niverin-dalana nitantara tamin'ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa.

14Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan'i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona. 15Dia hoy koa i Jesoa taminy:

–Mandehana eran'izao tontolo izao, torio amin'ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly*. 16Izay hino ka hatao batisa*, dia ho voavonjy; fa izay tsy hino, dia hohelohina. 17Ary ireto no famantarana homba izay mino: handroaka demony* amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny vaovao; 18handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin'ny marary, dia ho sitrana ireny.

mardi 5 avril 2016

Talata 05 Aprily 2016 - Gen 7 : 21 - 24

21Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, izany hoe ny voro-manidina sy ny biby fiompy mbamin'ny bibidia, ny bibikely mihahohaho tambonin'ny tany, ary ny olombelona rehetra. 22Maty avokoa izay rehetra nanam-pofonaina tamin'ny vavorona teny an-tanety. 23Dia nofoanan'Andriamanitra ny zava-mananaina rehetra teny ambonin'ny tany, nanomboka tamin'ny olona ka hatramin'ny biby lehibe sy kely mbamin'ny voro-manidina; dia nofoanan'Andriamanitra tsy ho amin'ny tany ireny, fa i Noà irery ihany mbamin'izay niaraka taminy tao anatin'ny sambofiara no sisa tavela.

24Naharitra 150 andro ny fahatondrahan'ny rano teny ambonin'ny tany.

lundi 4 avril 2016

Alatsinainy 04 Aprily 2016 - Jao 21 : 5 - 9

. 5Dia hoy i Jesoa taminy:
–Manan-javatra hohanina ve ianareo, rey anaka?

Ka novalian'ireo hoe:
–Tsia!

6Ary hoy Izy taminy:
–Alatsaho ao ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, fa hahazo ianareo.

Dia nalatsak'izy fito lahy ny harato, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny trondro. 7Ary hoy ilay mpianatra tian'i Jesoa tamin'i Petera:
–Ny Tompo io!

Vao ren'i Simôna Petera fa hoy ny Tompo io, dia niakanjoany ny akanjo ivelany fa efa nesoriny, ka lasa izy nirotsaka tao anaty rano. 8Fa ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno trondro; tsy lavitra ny tany manko izy ireo, fa tokony ho zato metatra eo ho eo. 9Rehefa tafakatra teo an-tanety izy fito lahy, dia nahita afon'arina teo sy trondro teo amboniny ary mofo.

dimanche 3 avril 2016

Alahady 03 Aprily 2016 - I Kor 15 : 54 - 58

54Fa rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ilay tenin'ny Soratra Masina hoe:
                           «Noresena ny fahafatesana ka levona!»
                        55«Aiza ny fandresenao, ry fahafatesana?
                              Aiza ny lefonao maranitra, ry fahafatesana'>?»

56Fa ny fahotana no lefona maranitra anindronan'ny fahafatesana, ary ny lalàna* no hery ahombiazan'ny fahotana. 57Kanefa hisaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika!

58Koa amin'izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo amin'ny fanompoana ny Tompo.

samedi 2 avril 2016

Sabotsy 02 Aprily 2016 - Mat 9 : 1 - 7

1Dia niondrana an-tsambokely i Jesoa ary niampita indray ka tonga tao an-tanànany'>. 2Ary indro nisy lehilahy malemy nilamaka am-pandriana, nentin'olona teo aminy. Hitan'i Jesoa ny finoan'ireto olona, ka hoy Izy tamin'ilay malemy:
–Mahereza, anaka; voavela ny helokao!

3Tamin'izay ny sasany tamin'ny mpahay lalàna dia nanao anakampo hoe: «Manevateva an'Andriamanitra ilay io!» 4Fantatr'i Jesoa ny eritreritry ny mpahay lalàna* ka hoy Izy:
–Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? 5Fa inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza hoe: «Mitsangàna ka mandehana»? 6Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak'olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka!

Tamin'izay dia hoy i Jesoa tamin'ilay malemy:
–Mitsangàna, batao ny fandrianao ka ndeha mody!

7Dia nitsangana ralehilahy ka lasa nody. 8Natahotra ny vahoaka nony nahita izany ary nanome voninahitra an'Andriamanitra Izay nanolotra fahefana hamela heloka toy izany tamin'ny olona.

vendredi 1 avril 2016

Zoma 01 Aprily 2016 - II Mpa 19 : 32 - 37

 32Izao kosa no lazain'ny TOMPO ny amin'ny mpanjakan'i Asiria: Tsy hiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipîka hamelezana azy na hiady aminy ombàn'ny ampinga na hanangana tovon-tany hanafihana azy. 33Ny lalana izay niaviany ihany no hiverenany, fa tsy hiditra amin'ity tanàna ity izy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 34Harovako i Jerosalema ary hovonjeko noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko.› »

35Ny alin'io ihany dia niainga hankao an-tobin'ny Asirianina ilay anjeli*n'ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin'ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo. 36Dia noravan'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria ny toby, ka lasa izy nankany Ninive ary nijanona tany. 37Indray andro raha sendra nivavaka tamin'i Nisrôka andriamaniny izy, dia matin'i Adramelèka sy i Saretsera zanany lahy tamin'ny sabatra; avy teo dia nandositra nankany amin'ny tany Ararata'> izy roa lahy. Ary i Hesara-Hadôna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12