Affichage des articles dont le libellé est Mampandresy ny mpino ny asan'ny Tompo. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Mampandresy ny mpino ny asan'ny Tompo. Afficher tous les articles

samedi 30 avril 2016

Sabotsy 30 Aprily 2016 - Deo 8 : 7 - 18

7Tany soa no efa hampidiran'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo: dia tany misy renirano sy loharano ary rano mitoby anaty tany ka miboiboika eny amin'ny lemaka na eny an-tendrombohitra; 8tany vokatra varimbazaha sy vary ôrza ary koa voaloboka sy aviavy aman'ampongabendanitra; tany itobahan'ny menaka ôliva sy tantely; 9tany hahitanareo vy sy vato eo aminy ary hihadianareo varahina ny tendrombohiny. Hanaram-po hihinan-kanina ianareo sady tsy hanan-java-mahory akory eo amin'izany tany izany. 10Ary rehefa hihinana ka ho voky ianareo, dia hisaotra ny TOMPO Andriamanitrareo noho ny tany soa nomeny anareo.

11Kanefa tandremo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy tandremanareo ny didy sy ny fitsipika aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio. 12Eny, hihinana sy ho voky ianareo, hanao trano tsara hitoeranareo, 13hihamaro omby sy ondry aman'osy, hitombo volafotsy sy volamena, ary hiavosa fananana isan-karazany; 14saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo. 15Izy no nitondra anareo hitety taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay ahitana menarana misy poizina sy maingoka; kanefa izany tany mangentana tsy misy rano izany no nampiboiboihany rano ho anareo, avy tamin'ny vatolampy mafy indrindra. 16Izy koa, tatỳ an-taniefitra, no namahana anareo tamin'ny mana*, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay. 17Aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: «Ny tanjakay sy ny herinay no nahavorianay izao harena izao!»; 18tsarovy kosa fa ny TOMPO Andriamanitrareo no manome anareo ny hery hamoriana harena, ka mahatò tahaka ny amin'izao anio izao ny fanekempihavanana* izay nataony sady nianianany tamin'ny razambenareo.

vendredi 29 avril 2016

Zoma 29 Aprily 2016 - I Tan 14 : 8 - 17

8Nony ren'ny Filistinina fa efa voahosotra ho mpanjaka amin'i Israely manontolo i Davida, dia niakatra ny Filistinina rehetra mba hambabo an'i Davida. Nahare izany i Davida, ka nivoaka hifanehatra amin'ireo. 9Dia tonga ny Filistinina ka nandroba tao amin'ny lohasahan'ny Refaîtadia ao atsimo andrefan'i Jerosalema.'>. 10I Davida kosa nanontany an'Andriamanitra hoe:
–Handeha hamely ny Filistinina ve aho? Ary hatolotrao ho eo an-tanako ve ireo?

Ka hoy ny TOMPO taminy:
–Mandehana fa hatolotro ho eo an-tananao ireo.

11Dia niakatra nankao Bahala-Peratsima i Davida ka namely ny Filistinina tao. Ary hoy i Davida hoe:
–Ny tanako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky.
Izany no nanaovana ny anaran'io toerana io hoe Bahala-Peratsima. 12Dia nilaozan'ny Filistinina teo ireo andriamaniny ka nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo.

13Avy indray ny Filistinina ka nandroba tao amin'ny lohasahan'ny Refaîta. 14Dia mbola nanontany an'Andriamanitra indray i Davida ka novaliany hoe:
–Aza miakatra hanenjika azy; fa mivilia lavidavitra azy, dia manatòna azy avy eo amin'ny tandrifin'ny foto-boaroihazo. 15Ary rehefa mahare hoatra ny figodongodon'olona eny an-tendron-kazo ianao, dia miaingà amin'izay hiady, satria efa miainga mialoha anao Andriamanitra mba handresy ny tafiky ny Filistinina.

16Dia nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy i Davida, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina hatreo Gibehôna ka hatrany Gezera. 17Dia niely eran'ny tany rehetra ny lazan'i Davida, ary nataon'ny TOMPO matahotra an'i Davida ny firenena rehetra

jeudi 28 avril 2016

Alakamisy 28 Aprily 2016 - Asa 27 : 42 - 44

42Saika hamono ny mpifatotra ireto miaramila fandrao hisy handositra hilomano. 43Kanefa te hamonjy an'i Paoly ilay kapiteny rômanina ka nisakana ny miaramila mba tsy hanao izany. Nomeny baiko izay miaramila mahery milomano hirotsaka anaty rano voalohany hankeny an-tanety; 44dia nanaraka ny sisa, samy nanao izay hahafaka azy na amina hazo fisaka na amin-javatra hafa teo amin'ny sambo. Ka dia toy izany no nahatafita ny olona rehetra soa aman-tsara teny an-tanety.

mercredi 27 avril 2016

Alarobia 27 Aprily 2016 - Lio 8 : 22 - 25

22Indray andro, niondrana an-tsambokely i Jesoa mbamin'ny mpianany*, ka hoy Izy tamin'ireo:
–Andeha isika hankeny ampitan'ny farihyeny ampita atsinanan'ny farihy. '>!

Dia niainga Izy mianakavy. 23Teny am-pandehanana, dia azon'ny torimaso i Jesoa. Ary nisy tafio-drivotra niantonta teo amin'ny farihy ka nila ho feno rano ny sambokely ary efa am-bava loza izy ireo. 24Dia nohatonin'ny mpianany i Jesoa ary nofohaziny sady nataony hoe:
–Mpampianatra ô, Mpampianatra ô, ho faty isika!

25Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano; dia nitsahatra ireo ary nanjary tony tsara ny andro.

Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Fa aiza ny finoanareo?

Izy ireo koa raiki-tahotra sy gaga sady nifampilaza hoe:
–Iza moa ity? Fa baikoiny hatramin'ny rivotra sy ny rano, dia manaiky Azy!

mardi 26 avril 2016

Talata 26 Aprily 2016 - Sal 109 : 10 - 13

10Ho mpirenireny mangataka anie ny zanany
ary ho voaroaka lavitra ny fonenany rava!
11Halain'ny tompon-trosa anie ny fananany rehetra
ary ho olon-kafa no hifaoka ny vokatry ny asany!
12Aoka tsy hisy hamindrafo aminy
na koa hiantra ny zanany kamboty!
13Ho lany tamingana anie izy
ary amin'ny taranaka faharoa
no aoka hanjavonan'ny lazany!

lundi 25 avril 2016

Alatsinainy 25 Aprily 2016 - I Sam 17 : 42 - 51

42Dia nandinika an'i Davida ilay Filistinina ka naneso azy, satria hitany fa mbola tanora izy no mazava endrika ary tsara tarehy. 43Ary hoy i Gôliata tamin'i Davida:

–Alika angaha aho no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin'ny alalan'ireo andriamanitray! 44Avia atỳ, fa homeko ny voro-manidina sy ny bibidia ny nofon'ialahy.

45Dia hoy ny navalin'i Davida azy:

–Manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy ianao, izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'ny TOMPOn'izao rehetra izao, Andriamanitry ny tafik'i Israely, Izay efa nohantsinao. 46Anio ihany no hanoloran'ny TOMPO anao ho eo am-pelatanako, hahafaty anao aho ka hanapaka ny lohanao. Anio koa dia homeko hohanin'ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin'ny miaramila filistinina. Ary ho fantatry ny tany tontolo fa manana Andriamanitra tokoa i Israely. 47Dia ho fantatry ny Fiangonan'i Israely tsivakivolo koa fa tsy mba mila sabatra na lefona ny TOMPO hanomezam-pandresena. An'ny TOMPO ny ady, koa dia hatolony ho eo an-tananay ianareo.

48Raha vao nanomboka nihetsika hanatona an'i Davida ilay Filistinina, dia nihazakazaka mafy i Davida hitsena azy. 49Nandray vato tao anaty kitapony i Davida ary nandefa izany tamin'ny antsamotady ka nahavoa ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Tafalentika teo ilay vato ka nidaraboka niankohoka tamin'ny tany izy.

50Toy izany no nandresen'i Davida an'i Gôliata ka namonoany azy tamin'ny antsamotady sy ny vato, fa tsy mba tamin'ny sabatra.

51Dia nihazakazaka nankeny amin'i Gôliata i Davida ka nanatsoaka ny sabatr'i ilay rapeto tamin'ny tranony ary nanapaka ny lohany. Koa rehefa hitan'ny Filistinina fa maty ilay maherifony, dia nitsoaka nandositra izy ireo.

dimanche 24 avril 2016

Alahaady 24 Aprily 2016 - Apo 12 : 7 - 12

7Dia nisy ady nitranga tany an-danitra: i Mikaela sy ny anjeliny* no niady tamin'ilay dràgona; ary niady ilay dràgona mbamin'ny anjeliny. 8Kanefa resy ilay dràgona, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony. 9Ary nazera ilay dràgona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly* na hoe Satàna*, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin'ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny. 10Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakàn'ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefàn'ilay Mesiany*; satria nazera ilay mpiampanga an'ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman'alina teo anatrehan'Andriamanitsika'>. 11Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin'ny Zanakondry sy ny tenin'Andriamanitra nijoroan'izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza. 12Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!»

samedi 23 avril 2016

Sabotsy 23 Aprily 2016 - Sal 66 : 8 - 12

8Rey vahoaka, isaory ilay Andriamanitray,
ataovy maredona ny fiderana Azy,
9satria Izy no mahavelona aina anay;
tsy navelany ho solafa-mamindra izahay.

10Nozahanao toetra izahay, Andriamanitra ô,
nosedrainao toa volafotsy anaty memy,
11nampidirinao am-pandrika
sy novesaranao fitsapana.
12Olon-dratsy no navelanao hanosihosy anay;
izahay dia voatery namaky afo sy rano,
kanjo nafahanao ihany
sy nampahazoinao aina.

vendredi 22 avril 2016

Zoma 22 Aprily 2016 - Deo 3 : 1 - 7

1Dia nihodina niakatra tamin'ny lalana mankany Basàna* isika; ary niainga hiady amintsika tao Edrehỳ i Hôga mpanjakan'i Basàna, mbamin'ny tafiny manontolo. 2Tamin'izay, dia hoy ny TOMPO tamiko: «Aza matahotra an'i Hôga ianareo, fa efa natolotro eo an-tananareo izy sy ny tafiny manontolo mbamin'ny taniny; ary ny hataonareo amin'i Hôga dia araka izay nataonareo tamin'i Sihôna mpanjaka amôrita, izay nonina tao Hesbôna.» 3Dia natolotry ny TOMPO Andriamanitsika eo an-tanantsika koa i Hôga, mpanjakan'i Basàna, mbamin'ny tafiny manontolo; noresentsika ireo ka tsy nisy niangana na iray akory aza. 4Afatsika tamin'izay ny tanànany enimpolo izay nanjakàn'i Hôga manerana ny faritany Argôba manontolo tao Basàna. 5Tanànamimanda avokoa ireo tanàna ireo ka samy nisy manda avo sy vavahady voahidy mafy; ankoatra ireo, dia nisy tanàna kely maro dia maro. 6Noravantsika tanteraka ireny tanàna ireny ary naringantsika ny lehilahy mbamin'ny zaza amam-behivavy isan-tanàna, toy ny nataontsika tamin'ny tanànan'i Sihôna mpanjaka tao Hesbôna. 7Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin'ireo tanàna ireo no nobabointsika.

jeudi 21 avril 2016

Alakamisy 21 Aprily 2016 - Jao 8 : 1 - 11


1Fa i Jesoa kosa lasa nankeny amin'ny tendrombohitra Analanôliva. 2Ny ampitso maraina be, dia niverina tao an-kianjan'ny tempoly* Izy; ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra, ka nipetraka Izy nampianatra azy ireo. 3Nisy kosa vehivavy anankiray, azo nanitsakitsa-bady. Nentin'ny mpahay lalàna* sy ny Farisianina* ravehivavy, ka narosony teo anoloan'ny olona; 4dia hoy ry zareo tamin'i Jesoa;
–Mpampianatra ô, azo nanitsakitsa-bady ity vehivavy ity. 5Ary i Mosesy, ao amin'ny lalàna*, dia nandidy anay hitora-bato ny vehivavy toy izany; fa Ianao kosa mba ahoana?

6Nolazain'ireo izany hamandrihana Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratsoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tanany. 7Ry zareo amin'izany mbola manontany Azy ihany; ka nitraka Izy ary niteny tamin'ireo hoe:
–Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany!

8Dia niondrika indray i Jesoa, ka nanoratsoratra teo amin'ny tany. 9Fa ry zareo kosa, nony nandre izany, dia niala teo tsirairay nanomboka hatramin'ny zokinjokiny; ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo anoloan'ny olona. 10Dia nitraka i Jesoa, ka nilaza tamin-dravehivavy hoe:
–Aiza ry zareo teo, ramatoa? Tsy nisy nanameloka anao angaha?

11Dia novaliany hoe:
–Tsy nisy, Tompoko!

mercredi 20 avril 2016

Alarobia 20 Aprily 2016 - Lio 18 : 35 - 43

35Rehefa mby teo akaikin'i Jerikao i Jesoa, dia nisy jamba anankiray efa nitalapetraka teo an-tsisin-dalana nangataka. 36Henony nihaohao ny vahoaka mitanjozotra ka nanontaniany hoe: «Inona izany?» 37Nampahalalain'ny olona izy fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo. 38Koa velona antso amin'izay izy nanao hoe:
–Ry Jesoa, Zanak'i Davida* ô, mamindrà fo amiko!

39Norahonan'ireo olona lohalalana ralehilahy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe:
–Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!

40Niato i Jesoa ary nasainy hoentina eo aminy izy, ka nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:

41–Inona no tianao hataoko aminao?
Ka novalian'ilay jamba hoe:
–Tompo ô, ny hampahiratra ahy!

42Dia hoy i Jesoa taminy:
–Mahirata, ny finoanao no nahasitrana anao!

43Dia nahiratra teo no ho eo ihany izy, ary lasa nanaraka an'i Jesoa sady nanome voninahitra an'Andriamanitra. Ny vahoaka rehetra koa, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.

mardi 19 avril 2016

Talata 19 Aprily 2016 - Jos 8 : 1 - 29

1Dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa:
–Aza matahotra na mivadi-po ianao. Ento miaraka aminao ny tafikao manontolo ka miaingà hamely an'i Hay. Indro fa hatolotro ho eo an-tananao ny mpanjakan'i Hay sy ny vahoaka ary ny tanànany sy ny taniny. 2Tahaka izay nataonao tamin'i Jerikao sy ny mpanjakany no hataonao amin'i Hay sy ny mpanjakany, saingy azonareo baboina avokoa ny fananany sy ny biby fiompiny. Ametraho miaramila mamitsaka hamely ny tanàna avy ao ivoho eto dia ilazana ny lafiny mifanohitra amin'ny vavahady; mazava ho azy fa ny vavahady no ifantohan'ny mason'ireo mpiaro ny tanàna.'>.

3Dia niainga hamely an'i Hay i Josoa sy ny tafiny. Ary i Josoa nifidy lehilahy mahery fo miisa telo alina, dia naniraka azy nony alina 4sady nanome baiko azy hoe:
–Mandehana mamitsaka ao ivohon'ny tanàna ianareo ka aza manalavitra azy loatra fa samia vonombonona. 5Izaho sy ny olona rehetra miaraka amiko kosa hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hifanehatra aminay toy ny tamin'ny voalohany ny mponin'i Hay, dia handositra eo anoloany izahay. 6Hivoaka hanenjika anay ireo ka hotarihinay ho lavitra ny tanàna. Hoheveriny manko fa mandositra eo anoloany toy ny tamin'ny voalohany izahay. 7Amin'izay ianareo no hipoitra avy ao amin'ny famitsahana ka haka ny tanàna, satria hatolotry ny TOMPO ho eo an-tananareo i Hay. 8Ary raha vao azonareo ny tanàna, dia dory amin'ny afo araka ny tenin'ny TOMPO. Izany no baiko omeko anareo.

9Dia nalefan'i Josoa ireo lehilahy mahery fo ireo ho any amin'ny faritra hamitsahany ka lasa naka toerana teo andrefan'i Hay, teo anelanelan'i Betela sy i Hay; fa i Josoa nijanona teo anivon'ny tafika sisa ihany tamin'io alina io.

10Nony ampitso dia nifoha vao maraina be i Josoa ka nisafo ny tafika; avy eo dia nitarika azy hiakatra hamely an'i Hay izy sy ny loholon*'i Israely. 11Ny miaramila rehetra izay niaraka tamin'i Josoa dia niakatra ka tonga teo amin'ny tandrifin'ny tanàna; ary nitoby teo avaratr'i Hay ireo ka lohasaha no nanelanelana azy amin'ny tanàna. 12Efa nifantina tokony ho dimy arivo lahytelo alina voalaza etsy aloha (and 3) izany kanefa toa mba mitombina kokoa.'> moa i Josoa ka nametraka azy hamitsaka teo andrefan'ny tanàna, teo anelanelan'i Betela sy i Hay. 13Ny tafika ankapobeny dia nitoby tao avaratry ny tanàna ary ny andiany sasany kosa tao andrefana, fa i Josoa nandany ny alina tao an-dohasaha. 14Raha nahita izany ny mpanjakan'i Hay, dia nampamoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanàna; ary nivoaka faingana hifanehatra amin'ny Israelita izy mbamin'ny miaramilany rehetra, ka niroso nankany amin'ny toerana efa nifamotoanany teo aloha, any amin'ny lohasahan'i Jôrdàna; nefa tsy fantatry ny mpanjaka fa misy miaramila namitsaka hamely azy tao ivohon'ny tanàna. 15Nody resy teo anatrehany kosa i Josoa sy ny Israelita rehetra ka nandositra tamin'ny lalana mankany an-taniefitra'>. 16Dia nifampiantso hanenjika azy ny lehilahy rehetra tao an-tanàna, ary nanenjika an-dry i Josoa ka voatarika ho lasa lavitry ny tanàna. 17Tsy nisy lehilahy tavela intsony tao Hay fa samy nivoaka hanenjika ny Israelita avokoa, ary namela ny tanàna hidanadana teo. 18Dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa:
–Ambano amin'ny lefona eny an-tananao i Hay satria hatolotro eo an-tananao izy.

Dia nanambanan'i Josoa ny tanàna ilay lefona teny an-tanany. 19Fa raha vao naninji-tanana i Josoa, dia niroatra avy tao amin'ny fiafenany faingana ireo Israelita namitsaka, ary nihazakazaka niditra ny tanàna ka naka azy sady nandoro azy avy hatrany.
20Nony nitodika ireo lehilahin'i Hay, dia nahita fa niakatra ho any an-danitra ny setroky ny tanànany. Tsy nisy toerana handosirany intsony na ho aiza na ho aiza, fa ny Israelita izay nandositra ho any an-taniefitra dia nifotitra hamely ny mpanenjika azy. 21I Josoa sy ny Israelita rehetra manko, rehefa nahita fa azon'ireo miaramila avy tao ivoho ny tanàna ary niakatra ny setroky ny fandoroana azy, dia nifotitra ka namely ny lehilahin'i Hay. 22Ny Israelita tafiditra tao an-tanàna moa nivoaka hamely azy koa, hany ka latsaka teo afovoan'ny Israelita roa tonta ireo lehilahin'i Hay; nasian'ny Israelita ry zareo ka tsy nisy afa-nandositra, ary tsy nisy niangana velona 23afa-tsy ny mpanjakan'i Hay izay natao sambo-belona ary natolotra an'i Josoa. 24Novonoin'ny Israelita teny an-kodahoda avokoa ireo lehilahin'i Hay nanenjika azy. Ary rehefa matin'ny sabatra avokoa ireo, dia niverina tao Hay ny Israelita rehetra namely an-tsabatra ny mponina sisa tao. 25Maty tamin'izany andro izany avokoa ny mponina rehetra tao Hay, dia lehilahy sy vehivavy miisa 12000. 26Tsy nampidinin'i Josoa ny tanany nanambana lefona ambara-paharingan'ny mponina rehetra tao Hay. 27Araka ny baiko nomen'ny TOMPO an'i Josoa dia ny biby fiompy sy ny fananana izay tao an-tanàna ihany no azon'ny Israelita baboina. 28Nodoran'i Josoa i Hay ary nataony antontan-trano rava sy haolo mandrakizay'>, ka dia toy izany mandraka androany. 29Ny mpanjakan'i Hay kosa nahantona tamin'ny hazo; ka teo ihany mandra-paharivan'ny andro. Nony nilentika ny masoandro, dia nasain'i Josoa naidina ny faty olona nofaizina dia tsy azo ajanona hihantona eo foana mandritra ny alina (jereo Deot 21.22-23).'>, ka natsipy teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna ary notsindrina antontan-bato miavoavo izay mbola ao mandraka androany.

lundi 18 avril 2016

Alatsinainy 18 Aprily 2016 - Deo 12 : 8 - 11

8Aza anaovanareo fomba toy izao ataontsika ankehitriny izao ny TOMPO, ka ny tsirairay no samy manao izay heveriny ho mety. 9Ianareo manko tsy mbola tonga any amin'ny toeram-pitsaharana, izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo. 10Fa rehefa tafita an'i Jôrdàna ianareo ka honina any amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia homeny fitsaharana ianareo ka tsy hisotasotan'ny fahavalo manodidina anareo fa handry feizay. 11Amin'izay, ilay toerana hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan'ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin'ny TOMPO.

dimanche 17 avril 2016

Alahady 17 Aprily 2016 - Rom 8 : 31 - 39

31Koa inona àry no mbola holazaintsika eo anoloan'izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32Izy Ilay tsy nandala ny tena Zanany*, ka nanolotra Azy ho famonjena antsika rehetra, moa ve Izy tsy hanome antsika maimaimpoana ny zavatra rehetra miaraka amin'ny Zanany koa? 33Iza no hiampanga ireo olom-boafidin'Andriamanitra? Tsy misy, satria Andriamanitra no efa nanaiky azy ireo ho marina! 34Iza no afa-manameloka? Tsy misy, satria i Kristy* Jesoa efa maty sady efa nitsangana velona rahateo koa, ary mitoetra eo ankavanan'Andriamanitra ka mivavaka ho antsika!

35Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana ve, sa fihafiana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fahantrana, sa loza, sa fahafatesana? 36Araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:

              «Noho ny aminao no anatrehanay fahafatesana
                tontolo andro;
                toy ny ondry hovonoina ny fihevitry ny olona anay!»

37Amin'izany rehetra izany anefa, dia tena mpandresy tanteraka isika, amin'ny alalan'Ilay efa tia antsika. 38Satria matoky aho fa tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika; eny, na ny fahafatesana, na fiainana, na anjely*, na ireo fanapahana na ireo hery eny ana habakabaka, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy, 39na zavaboaary inona, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.

samedi 16 avril 2016

Sabotsy 16 Aprily 2016 - Sal 34 : 7 - 10

ZAINA
            7Niantso vonjy aho fa olo-mahantra
              ka nohenoin'ny TOMPO sy novonjeny
              tamin'izay fahoriako rehetra.
HETA
            8Ny anjelin*'ny TOMPO miambina
              manodidina ny mpanaja an'Andriamanitra
              ka manafaka azy amin'ny loza.
TETA
           9Andramo sy jereo fa tsara ny TOMPO.
             Sambatra ny olona mialoka aminy!
JODA
           10Mankatoava ny TOMPO, ianareo vahoakany:
               fa tsy misy mahory ny mpankatò Azy.

vendredi 15 avril 2016

Zoma 15 Aprily 2016 - Est 8 : 1- 9

1Androtr'io ihany dia nomen'ny amperôra Kserksesa ho an'i Estera mpanjakavavy ireo fananan'i Hamàna fahavalon'ny Jiosy. I Môrdôkay koa, rehefa nampahafantarin'i Estera fa rainy izy, dia nasaina hankeo amin'ny amperôra. 2Ary nesorin'i Kserksesa ilay peratra tombokase, izay efa nalainy tamin'i Hamàna, ka nomeny an'i Môrdôkay'>. Ankoatra izany i Môrdôkay dia notendren'i Estera hitantana ireo fananan'i Hamàna.

3Dia niteny teo anatrehan'ny amperôra indray i Estera sady niankohoka teo an-tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hanafoana ny loza notetehin'i Hamàna taranak'i Agagajereo 3.8-19. –taranak'i Agaga: jereo 3.1 sy nta.'> hamelezana ny Jiosy. 4Ary notondroin'ny amperôra tamin'ny tehim-bolamena i Estera'>, ka nitsangana sy nijoro teo anatrehany 5ary nanao hoe:

–Ry andriamanjaka, raha sitrakao sy ataonao ho mety ary raha mba mahazo fitia eo anatrehanao sy tsara eo imasonao aho, dia aoka hisy soratra hanova ireo taratasy voahevitr'i Hamàna zanakalahin'i Hamedatà sady taranak'i Agaga. Nosoratan'i Hamàna manko ireny taratasy ireny hampandringana ny Jiosy any amin'ny faritany rehetra manerana ny fanjakanao. 6Ka hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ireo mpiray firenena amiko sy ny fandringanana ireo iray firazanana amiko?

7Dia hoy ny amperôra Kserksesa tamin'i Estera mpanjakavavy sy tamin'i Môrdôkay ilay Jiosy:

–Indro efa nahantona tamin'ny hazo i Hamàna satria naninji-tanana hamely ny Jiosy; sady ireo fananany koa, ry Estera, efa nomeko anao. 8Tsy azo foanana rehefa taratasy voasoratra tamin'ny anarako sy voatomboka tamin'ny peratro; kanefa manorata taratasy amin'ny anarako ianareo, araka izay sitrakareo mba hamonjena ny Jiosy, ka tombohy amin'ny peratro izany.

9Tamin'io andro io, andro faha-23 tamin'ny volana fahatelo na volana Sivàna, dia nantsoina ny mpitantsoratry ny amperôra. Araka izay rehetra nandidian'i Môrdôkay no nanoratany taratasy ho an'ny Jiosy sy ny solotenan'ny amperôra mbamin'ny governora sy mpitondra any amin'ny faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia. Taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony na araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny Jiosy no nataony.

jeudi 14 avril 2016

Alakamisy 14 Aprily 2016 - Sal 103 : 1 - 9

1 Nataon'i Davida.

Aoka hisaotra ny TOMPO aho,
hisaotra eram-po ny anarany masina!
2Eny, aoka hisaotra ny TOMPO aho,
ka tsy hisy hohadinoiko ny soa nataony!

3Fa Izy no mamela ny heloko rehetra
ary manasitrana ny aretiko rehetra.
4Avotany tsy ho any an-davaka ny aiko;
rakofany fitiavana sy indrafo aho.
5Fenoiny fahasambarana ny fiainako,
ka tanora sy matanjaka toa voromahery aho.
6Omen'ny TOMPO rariny sy hitsiny
izay rehetra ampahorîna.
7Efa nampahafantatra ny fikasany tamin'i Mosesy Izy
ary ny asany mahery tamin'ny vahoaka israelita.
8Mpamindrafo sy mpiantra ny TOMPO,
tsy mora tezitra ary be fitiavana.
9Tsy mba mandevilevy lalandava Izy,
tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.

mercredi 13 avril 2016

Alarobia 13 Aprily 2016 - Jao 16 : 19 - 24

19Fantatr'i Jesoa fa te hanontany Azy ny mpianany, ka hoy Izy taminy:
–Mifanontany ve ianareo ny amin'ny teniko hoe: «Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo»? 20Lazaiko marina dia marina aminareo fa hitomany sy hisaona ianareo, ary izao tontolo izao* kosa hifaly; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. 21Ory ny vehivavy, rehefa hiteraka, satria tonga ny fotoam-panaintainany; saingy rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony izay fahoriany, noho izy faly fa hoe misy olona teraka eo amin'izao tontolo izao. 22Ianareo koa dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanaisotra ny hafalianareo.

23Amin'izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo noho ny anarako '> izany. 24Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona noho ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho feno ny hafalianareo.

mardi 12 avril 2016

Talata 12 Aprily 2016 - Apo 7 : 1 - 3

1Taorian'izany, dia hitako nisy anjely* efatra nijoro teo amin'ny vazan-tany efatra sady nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany mba tsy hisy rivotra hitsoka na amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo iray akory aza. 2Ary hitako nisy anjely iray hafa koa niakatra avy any atsinanana sady nitana ny tombokasen'ilay Andriamanitra velona. Dia niantso tamin'ny feo mahery an'ireo anjely efatra navela hanimba ny tany aman-dranomasina io anjely io 3nanao hoe: «Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo ianareo, mandra-panisinay tombokase eo an-kandrin'ireo mpanompon'Andriamanitsika.»

lundi 11 avril 2016

Alatsinainy 11 Aprily 2016 - Sal 34 : 4 - 6


GIMELA
                    4Mankalazà ny TOMPO miaraka amiko ianareo,
ary aoka hiara-manandratra ny voninahiny isika.
DALETA
                    5Nitady ny TOMPO aho, dia novaliany vavaka;
                      ka nafahany avokoa ny tahotro rehetra.
HE
                    6Mijere Azy ianareo, dia aoka ho mirana;

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12