jeudi 14 avril 2016

Alakamisy 14 Aprily 2016 - Sal 103 : 1 - 9

1 Nataon'i Davida.

Aoka hisaotra ny TOMPO aho,
hisaotra eram-po ny anarany masina!
2Eny, aoka hisaotra ny TOMPO aho,
ka tsy hisy hohadinoiko ny soa nataony!

3Fa Izy no mamela ny heloko rehetra
ary manasitrana ny aretiko rehetra.
4Avotany tsy ho any an-davaka ny aiko;
rakofany fitiavana sy indrafo aho.
5Fenoiny fahasambarana ny fiainako,
ka tanora sy matanjaka toa voromahery aho.
6Omen'ny TOMPO rariny sy hitsiny
izay rehetra ampahorîna.
7Efa nampahafantatra ny fikasany tamin'i Mosesy Izy
ary ny asany mahery tamin'ny vahoaka israelita.
8Mpamindrafo sy mpiantra ny TOMPO,
tsy mora tezitra ary be fitiavana.
9Tsy mba mandevilevy lalandava Izy,
tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.

mercredi 13 avril 2016

Alarobia 13 Aprily 2016 - Jao 16 : 19 - 24

19Fantatr'i Jesoa fa te hanontany Azy ny mpianany, ka hoy Izy taminy:
–Mifanontany ve ianareo ny amin'ny teniko hoe: «Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo»? 20Lazaiko marina dia marina aminareo fa hitomany sy hisaona ianareo, ary izao tontolo izao* kosa hifaly; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. 21Ory ny vehivavy, rehefa hiteraka, satria tonga ny fotoam-panaintainany; saingy rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony izay fahoriany, noho izy faly fa hoe misy olona teraka eo amin'izao tontolo izao. 22Ianareo koa dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanaisotra ny hafalianareo.

23Amin'izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo noho ny anarako '> izany. 24Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona noho ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho feno ny hafalianareo.

mardi 12 avril 2016

Talata 12 Aprily 2016 - Apo 7 : 1 - 3

1Taorian'izany, dia hitako nisy anjely* efatra nijoro teo amin'ny vazan-tany efatra sady nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany mba tsy hisy rivotra hitsoka na amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo iray akory aza. 2Ary hitako nisy anjely iray hafa koa niakatra avy any atsinanana sady nitana ny tombokasen'ilay Andriamanitra velona. Dia niantso tamin'ny feo mahery an'ireo anjely efatra navela hanimba ny tany aman-dranomasina io anjely io 3nanao hoe: «Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo ianareo, mandra-panisinay tombokase eo an-kandrin'ireo mpanompon'Andriamanitsika.»

lundi 11 avril 2016

Alatsinainy 11 Aprily 2016 - Sal 34 : 4 - 6


GIMELA
                    4Mankalazà ny TOMPO miaraka amiko ianareo,
ary aoka hiara-manandratra ny voninahiny isika.
DALETA
                    5Nitady ny TOMPO aho, dia novaliany vavaka;
                      ka nafahany avokoa ny tahotro rehetra.
HE
                    6Mijere Azy ianareo, dia aoka ho mirana;

dimanche 10 avril 2016

Alahady 10 Aprily 2016 - I Jao 5 : 1 - 5

1Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay Andriamanitra niteraka, dia tia izay naterak'Andriamanitra koa. 2Ny ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra* isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fanatontosàntsika ireo didiny. 3Eny, ny fitiavana an'Andriamanitra dia ny fitandremantsika ireo didiny; sady tsy mavesatra ireo didiny ireo, 4satria izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao. Ary ny fitaovam-pandresena izay maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5Iza moa no maharesy izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no ilay Zanak'Andriamanitra?

samedi 9 avril 2016

Sabotsy 09 Aprily 2016 - Mat 14 : 28 - 31

28Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa:
–Tompo ô, raha Ianao tokoa, dia asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho.

29Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Avia!

Ary niala tao an-tsambokely i Petera ka nandeha teny ambony rano hankeny amin'i Jesoa. 30Kanjo nony hitan'i Petera fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary raha nanomboka nilentika izy, dia niantsoantso mafy hoe:
–Tompo ô, vonjeo aho!

31Avy hatrany i Jesoa dia nanatsotra tanana ka nandray an'i Petera ary nanao taminy hoe:
–Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?

vendredi 8 avril 2016

Zoma 08 Aprily 2016 - Eks 12 : 29 - 36

29Nony tamin'ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin'ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin'ny lahimatoan'ny Farao* izay nipetraka eo amin'ny sezafiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo tao an-tranomaizina mbamin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. 30Tamin'io alina io dia nifoha ny Farao sy ny tandapany ary ny Ejiptianina rehetra fa nisy fidradradradrana mafy nanerana an'i Ejipta, satria ny trano rehetra dia nisy maty avokoa.

31Koa tamin'io alina io ihany dia nampiantso an'i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka nanao taminy hoe:
–Mandehana, mialà eto amin'ny taniko ianareo sy ny Israelita. Mandehana manao fanompoam-pivavahana amin'ny TOMPO araka izay efa nangatahinareo. 32Ento avokoa ny biby fiompinareo araka ny teninareo, ka mandehana any. Ary mba tsofy rano koa aho.

33Nandodona ny Israelita ny Ejiptianina ka nandroaka azy hiala faingana teo amin'ny tany, satria nihevitra izy ireo fa ho faty avokoa. 34Noho izany, dia nentin'ny Israelita ny kobany efa voalona mbola tsy nisy leviora akory, ary nofonosiny lamba ny tavy mofo ka nataony an-tsoroka. 35Dia nanao araka izay nolazain'i Mosesy ny Israelita ka nangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana tamin'ny Ejiptianina. 36Nataon'ny TOMPO nahazo sitraka tamin'ny Ejiptianina ka nahazo izay rehetra nangatahiny; ary nofoanan'izy ireo mihitsy ny teo an-tanan'ny Ejiptianina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12