mercredi 7 septembre 2016

Alarobia 07 Septambra 2016 - Lio 8 : 43 - 48

43Ary nisy vehivavy marary mitsi-dra hatramin'ny 12 taona, efa nandany ny fananany tamin'ny dokotera nefa tsy nisy nahasitrana azy na iray aza. 44Nanatona an'i Jesoa avy ao ivoho ravehivavy ka vao nikasika ny somotraviavin-dambany*, dia nijanona avy hatrany ny ra mitsika tao aminy.

45Ary hoy i Jesoa:
–Iza moa no nikasika Ahy teo?

Samy nandà avokoa izy rehetra, fa i Petera no niteny hoe:
–Mampianatra ô, vahoaka be anie no mifanety sy mifanizina aminao!

46Fa hoy indray i Jesoa:
–Nisy nikasika Ahy teo satria tsapako fa nisy hery niala avy amiko.

47Ravehivavy kosa, nony nahita fa tsy afa-niafina, dia nangovitra no nankeo amin'i Jesoa; ary niankohoka teo anatrehany sady nanambara teo imason'ny olona rehetra izay anton'ny nikasihany Azy sy izay nahasitranany teo no ho eo ihany.

48Ary hoy i Jesoa taminy:
–Ny finoanao, anaka, no nahasitrana anao. Ndeha àry ka veloma finaritra!

mardi 6 septembre 2016

Talata 06 Septambra 2016 - I Kor 15 : 10 - 15

10Saingy ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy very maina tao amiko ny fahasoavana nomena ahy; fa niasa mihoatra noho ny apôstôly rehetra aho, kanefa tsy izaho, fa ilay fahasoavan'Andriamanitra niaraka tamiko. 11koa izany àry no torînay, na izaho na ry zareo; ary izany no efa ninoanareo.

12Raha i Kristy* no torînay fa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany aminareo fa tsy hitsangana velona ny maty? 13Fa raha tsy hitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona mihitsy; 14ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia tsy misy fotony izay torînay, ary tsy misy fotony izay inoanareo? 15Ary dia hita fa vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria lainga no nanambaranay fa Andriamanitra dia nanangana an'i Kristy ho velona: na dia Andriamanitra aza tsy ho nanangana an'i Kristy ho velona, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty.

lundi 5 septembre 2016

Alatsinainy 05 Septambra 2016 - Sal 81 : 1 - 5

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Hampiarahina amin'ny jejilava. Salamo nataon'i Asafa.

2Manaova hobim-pifaliana
ho an'Andriamanitra herintsika,
ankalazao ny Andriamanitr'i Jakôba.
3Ingao ny hira, velezo ny amponga,
tendreo ny lokanga tsara feo mbamin'ny valiha.
4Amin'ny tsinam-bolana sy volam-penomanana,
tsofy ny trômpetra ho an'ny andro fetintsika,
5satria lalàna ho an'ny Israelita izany,
didin'ny Andriamanitr'i Jakôba,

dimanche 4 septembre 2016

Alahady 04 Septambra 2016 - Asa 12 : 11 - 17

11Izay vao nahatsiaro tena i Petera ka nanao hoe:
–Fantatro marina izao fa naniraka ny anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy teo an-tanan'i Herôda sy tamin'ny ratsy rehetra notetehin'ny vahoaka jiosy.

12Nony nazava tsara tamin'i Petera ny toe-javatra, dia lasa izy nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jôhany antsoina hoe Marka. Vory maromaro tao ny olona ary nivavaka. 13Nandondom-baravarana i Petera ka nisy ankizivavy atao hoe Rôda nanatona hihaino. 14Vao nahafantatra ny feon'i Petera izy, dia nentin-kafaliana, ka tsy namoha ny varavarana fa lasa nihazakazaka nilaza tamin'ny olona tao an-trano hoe ao am-baravarana ao i Petera. 15Dia hoy ny olona tamin-drazazavavy:
–Lasa adala ity ianao!

Nanizingizina i Rôda fa marina izay voalazany. Ka hoy indray ny olona hoe:
–Ambiroany izany!

16Fa naharitra nandondòna ihany i Petera. Nony namoha azy ny tao an-trano ka nahita azy vao talanjona. 17Nanofahofa tanana hampangina azy ireo kosa i Petera, ka nitantara ny namoahan'ny Tompo azy tao am-ponja. Ary hoy koa izy hoe:
–Ambarao amin'i Jakôba sy amin'ny havana iray finoana izany!

Dia lasa i Petera nankany an-toeran-kafa.

samedi 3 septembre 2016

Sabotsy 03 Septambra 2016 - Eze 24 : 24 - 27

24Koa i Ezekiela dia ho famantaram-panairana ho anareo. Tahaka izay rehetra nataony no hataonareo koa; ary rehefa tonga ireo zavatra voalaza ireo, dia hoekenareo fa Izaho no Tompo ANDRIANANAHARY.›

25«Ianao kosa, ry ilay taranak'olombelona, mihainoa: Indray andro any, dia hoesoriko tsy ho eo aminy ny toera-masina izay fiarovany sy fahafinaretan'ny voninahiny ary fifalian'ny masony sy hamamiam-piainany; hoesoriko aminy koa ny zanany lahy sy vavy. 26Amin'izany andro izany dia hisy olona iray handositra ka ho avy hampandre anao ny vaovao. 27Androtr'iny ihany dia hisoka-bava hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony, ka hiresaka amin'io olona io. Ho famantaram-panairana ianao ho an'ny vahoakako, ka amin'izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»

vendredi 2 septembre 2016

Zoma 02 Septambra 2016 - Asa 1 : 21 - 22

21Ao ireo lehilahy mpiara-dia taminay nandritra ny andro rehetra nifaneraseran'i Jesoa Tompo taminay, 22hatramin'ny andro nanaovan'i Jôhany batisa an'i Jesoa ka hatramin'ny andro nanalana Azy taminay sy nampiakarana Azy any an-danitra. Koa amin'ireo no tokony hisy anankiray ho namanay mba ho vavolombelona hanambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo.

jeudi 1 septembre 2016

Alakamisy 01 Septambra 2016 - Jao 1 : 6 - 15

6Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra: i Jôhany no anarany. 7Tonga hijoro ho vavolombelona i Jôhany, dia vavolombelona hanambara ilay fahazavana; ka ny hafatra nampitain'i Jôhany no hampino ny olona rehetra. 8Tsy hoe i Jôhany no fahazavana, fa izy no ho vavolombelona hanambara ny fahazavana.

9Ilay Teny no tena fahazavana tonga amin'izao tontolo izao* sady manazava ny olombelona rehetra. 10Teo amin'izao tontolo izao ilay Teny; ary Izy no nahariana an'izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy. 11Tonga teo amin'ny taniny Izy, fa tsy noraisin'ny mpiray firenena aminy. 12Kanefa izay rehetra nandray Azy ary nino Azy, dia nomeny fahefana ho tonga zanak'Andriamanitra*: 13izy ireo dia nateraka tsy araka ny fomban'olombelona miankina amin'ny sitrapon-dehilahy, fa araka ny fomban'Andriamanitra.

14Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin'ny Ray ho an'ny Zanaka lahitokana. 15Vavolombelona manambara Azy i Jôhany ka niantso mafy hoe:
–Izy no Ilay voalazako hoe: «Ilay tamy aoriako dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12