dimanche 7 octobre 2018

Alahady 07 Oktobra 2018 - Sal 66 : 8 - 12

8Rey vahoaka, isaory ilay Andriamanitray,
ataovy maredona ny fiderana Azy,
9satria Izy no mahavelona aina anay;
tsy navelany ho solafa-mamindra izahay.

10Nozahanao toetra izahay, Andriamanitra ô,
nosedrainao toa volafotsy anaty memy,
11nampidirinao am-pandrika
sy novesaranao fitsapana.
12Olon-dratsy no navelanao hanosihosy anay;
izahay dia voatery namaky afo sy rano,
kanjo nafahanao ihany
sy nampahazoinao aina.

Tsy maintsy midera an'Andriamanitra ny olony

Mitaona ny olona hisaotra sy hanome voninahitra an'Andriamanitra ny mpanompony nahatsiaro famonjena.

1- Andriamanitra no manome fiainana

Taomina hisaotra an'Andriamanitra eto ny olona rehetra noho ny fanehoan'Andriamanitra asa mahagaga hatrany eo amin'ny fiainan'ny mpanompony. Manome fiainana, manolotra ny tena fiainana ho an'ny olony tokoa mantsy Andriamanitra :«izav mampitoetra ny fanahintsika amin' ny fìainana ka tsy mamela ny tongontsika hangozohozo». Maro ny toe-javatra nifamahofaho teo amin'ny fiainany. Niasa hatrany kosa anefa Andriamanitra nanafaka. namonjy azy ka nitondra azy, nampitoetra azy tamin'ny fìainana. Tsy navelan'Andriamanitra ho solafaka na ho diso lalana ny tongony. Lalana mitondra ho amin'ny fiainana no nitondrany azy.

2- Andriamanitra no mitaiza azy
Tsy hoe fanomezana ny tena fiainana totsiny no nataon'Andriamanitra fa tena fítaizana, fanabeazana azy. Nisy lalan-tsarotra nolalovany. Nahita fahoriana sy fijaliana izy, nihetraketraka ny fahavalo, nananontanona ny fahafatesana. Na dia teo aza izany rehetra izany nivoaka ho mpandresy izy noho ny fitondran' Andriamanitra ny fiainany. Fiainam-pitahiana, fiainam- pandresena no nisolo ilay fiainam-pahoriana. Miavaka ny fitaizan'Andriamanitra ny mpanompony. Matoky tanteraka an'Andriamanitra izy ka misaotra, mitaona ny olona hiombona aminy amin'ny fisaorana Azy.

Fanontaniana:
Nahoana no misy olona tsy mahay mankasitra ny fitondran'Andriamanitra ny fiainany ?

samedi 6 octobre 2018

Sabotsy 06 Oktobra 2018 - Mat 18 : 15 - 18

15–Raha diso taminao ny havana iray finoana, dia hatony; ary ianao sy izy mitokana iny no asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny havanao. 16Fa raha tsy mihaino anao izy, dia makà olona iray na roa hiaraka aminao mba «hitombenan'ny raharaha rehetra noho ny tenin'ny vavolombelona roa na telo», araka ny voalazan'ny Soratra Masina. 17Fa raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin'ny iray Fiangonana; ary raha tsy mihaino ny iray Fiangonana koa izy, dia ataovy toy ny hafa firenena sy toy ny mpamory hetra.
18Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra

Mpino mandrava ny fisarahana

1- Mahaiza mifampiresaka

Mampianatra ireo mpanaradia Azy ny Tompo fa rehefa misy toe-javatra manahirana eo amin'ny fifandraisana dia tsara, tena ilaina ny fifampiresahana. Izay olona mahatsapa fa nanao ny tsy rariny taminy ny rahalahiny dia manatona mba hiresaka amin'ilay noheverina fa nanao izany taminy. Ny fifampiresahana ihany no ahafahana mitandro ny fifankatiavana sy ny fihavanana.

2- Miaina amin'nv Soratra Masina

Tarihin'i Jesoa hatrany ny mpanaradia Azy fa rehefa natao ny dingana amin'ny fifampiresahina ka tsy mety miaiky ny fahadisoany ilay iray dia ilaina ny fitondrana vavolombelona roa na telo hifanatrika amin'izany. lo fitondrana vavolombelona roa na telo io dia manaraka ny fampianaran'ny Soratra Masina (Deo 19,15). Tsy ny herin'ny tena na ny saina samy irery no hamerenana ny olona ho amin'ny fihavanana fa ny fiorenana amin'izay ambaran'ny Tenin'Andriama'nitra.

3- Miorena ao amin'ny fiangonana

Raha tsy mety ihaino ireo vavolombelona roa na telo ireo ilay diso dia entina eo amin'ny fiangonana izany. Ao amin' ny fiangonana no ahitana ny fiombonan'ny tena zanak'Andriamanitra. Ao anatin'izany fiombonana izany no lalana farany ahafahana mamerina ho amin'ny lalana marina. Rariny sy hitsiny tokoa raha ny fiangonana hatrany no mamaha ny olan'ny samy zanak'Andriamanitra satria ny fiangonana no nomena ny teny fampihavanana.

Fanontaniana:
Nahoana ny olana iainan'ny Fiangonana no misy mitondra eny amin'ny fiaraha-monin'izao tontolo izao ?

vendredi 5 octobre 2018

Zoma 05 Oktobra 2018 - III Jao 1 - 8

1Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Gaio, hava-malala izay tiako marina tokoa.

2Mangataka amin'Andriamanitra aho, rahavako, mba hambinina amin'ny zavatra rehetra ianao ary mba ho salama tsara, tahaka izay anambinana anao ara-panahy. 3Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin'ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an'izany. 4Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny andrenesako fa miaina ny hafatra marim-pototra ireo zanako.

5Asan'olona mahatoky, rahavako, no ataonao na inona na inona tontosainao amin'ny havana iray finoana, na dia vahiny mandalo aza izy. 6Ireo no nanambara teo anatrehan'ny Fiangonana izany fitiavanao izany. Dia ho soa no hataonao, raha manatitra sy mamatsy azy ireo amin'ny diany ianao, araka izay fomba mendrika an'Andriamanitra; 7fa ho voninahitr'i Kristy no niaingan'ireo sady tsy anekeny handray na inona na inona avy amin'ny tsy kristianina. 8Koa isika no tokony hanohana ny olona toy ireny mba ho mpiara-miasa aminy hampiely ny hafatra marim-pototra.

Ny olona mandeha amin'ny rariny sy ny hitsiny

I Jaona apostoly no manoratra ny taratasy ho an'I Gaio Ilay niavaka fa nandeha tamin'ny fahamarinana.

1- Tsaroan'ny olona mandrakariva

Miavaka amin'ny fandraisana ireo vahiny tonga any aminy i Gaio. Tena kristiana mahatoky izy. Ny fiainany an-davan'andro mihitsy no nanehoany ny maha- kristiana azy nanaovany asa tsara, asam-pitiavana. Mahatsapa izany izay rehetra nifanerasera ka nanambara izany tanv amin'i Jaona. Hitantsika eto amin'izao taratasy izao fa maneho ny fifaliana noho izany i Jaona ( and. 4). Tsarovy fa rehefa manao ny rariny sy ny hitsiny amin'ny fifandraisana amin'ny hafa eo amin'ny fiaraha-monina isika dia voaresaka mandrakariva ny asa tsara ataontsika. Tsaroan'ny olona mandrakariva izany manao ny rariny.

2- Mifamatotra ny teny sy nv asany

Manana andraikitra amin'ny fitondrana ny fiangonana i Gaio. Izy no mitory sy mampianatra ny Tenin' Andriamanitra. Baikon'i Jesoa Kristy ny hitaomana ny mpanaradia Azy hiaina amin'ny fifankatiavana, ny fahamarinana. Tsy nataon'i Gaio ho notoriana na nampianarina fotsiny izanv fa tena niainany, nasehony tamin'ny asany tsara. Marobe ny Tenin'Andriamanitra voarainao na amin'nv alalan'ny toriteny na fampianarana. Aza avela handalo fotsiny izy ireny. Fitiavan' Andriamanitra ho anao ny manome fotoana handraisana ny Teniny. Tarihina ianao, aoka ny Tenin'Andriamanitra voarainao no hibaiko anao amin'ny fiainana sy ny asa.

Fanontaniana:
Fomba ahoana no entinao maneho amin'ny fiaraha-monina fa iainanao ny Tenin'Andriamanitra voarainao ?

jeudi 4 octobre 2018

Alakamisy 04 Oktobra 2018 - Oha 11 : 1 - 9

1Halan'ny TOMPO ireo mizana mandainga;
fa ny lanja marina no tiany.
2Setrin'ny fiavonavonana ny fahafaham-baràka;
fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena.
3Ny toetra vanona no mitarika ny olo-mahitsy;
fa ny haratsiana kosa mandringana ny mpamitaka.
4Tsy misy ilana ny harena amin'ny andro fitsarana;
fa ny fahamarinana no manafaka amin'ny fahafatesana.
5Ny fahamarinan'ny olom-banona manamora ny fiainany;
fa ny olon-dratsy kosa verin'ny faharatsiany.
6Ny fahamarinan'ny olo-mahitsy manafaka azy;
fa voafandriky ny filàn-dratsy kosa ny mpamitaka.
7Rehefa maty ny olon-dratsy, dia miara-maty aminy koa ny fanantenany,
indrindra fa izay nankininy tamin'ny harena.
8Ny olo-marina dia afahana amin'ny tebiteby;
fa ny olon-dratsy kosa no hiditra hisolo azy ao.
9Ny mpandà an'Andriamanitra dia manimba namana amin'ny teniny;
fa ny fahalalana kosa no hanafahana ny olo-marina.

Ny mampiavaka ny olon'Andriamanitra

Manome toro-marika ahafahana mitondra tsara ny fiainana eo amin'ny fiaraha-monina eto ny olon-kendry. Ambarany fa zava-dehibe mampirindra ny fiainan'ny fiaraha-monina ny fahamarinana sy ny rariny.

1- Mandehana amin'ny fahamendrehana

Aseho araka izany fa tsy ankasitrahan:'Andriamanitra ny lainga sy ny fitaka ary ny fiavonavonana. Ny tsy fahamarina, ny tsy rariny izay miseho eo amin'ny tontolon'ny varotra amin'ny fampiasana mizana mandainga izay ataon'ny olona tsy mijery afa-tsy ny tombotsoa ho an'ny tenany ka manambaka. manao tsinontsinona ny hafa. Toetra maneho ny faharatsiam-panahy manimba ny fiaraha-monina izany ka tokony ialana. Ho anao amin'ny maha-kristiana anao mandehana amin'ny rariny sy ny hitsiny. Toetra mampiavaka ny tena zanak'Andriamanitra ny fikajiana ny fifankatiavana.

2- Mandeha amin'ny fahamarinana

Marina Andriamanitra, tsy misy tsy fahamarinana eo Aminy. Takian'Andriamanitra mba handeha amin'ny fahamarinana, ny rariny ny mpanaradia Azy. Toetra manokana mampiavaka ny olona mifandray amin' Andriamanitra ny fahamarinana. Miharihary eto ny fiainana ny fahamarinana no maha lavorary ny fiainan'ny olon'Andriamanitra sy hisitrahany ny fiainam-pamonjena. Azo antoka ny fiainan'ny olona mandeha amin'ny fahamarinana koa miorena tsara fa na dia mety misy lalan- tsarotra izorana aza dia azo antoka ny famonjena.

Fanontaniana:
Nahoana no misy olona milaza fa manompo an'Andrianianitra kanefa manao tsinontsinona ny namany ?

mercredi 3 octobre 2018

Alarobia 03 Oktobra 2018 - Mat 23 : 23 - 26

23Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa voaloanareo ny ampahafolon'ny ana-madinika toy ny karaotimanitra sy ny solila ary ny kòmina; nefa navelanareo ny zavatra mavesa-danja kokoa ao amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny hitsimpo; ireto indrindra no tsy maintsy tontosaina, na tsy azo avela aza ireroa! 24Ry mpitari-dalana jamba, tantavaninareo ny moka amin'ny zava-pisotronareo, nefa ny rameva atelinareo.

25Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny vohon'ny kaopy sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno ireo vokatry ny halatrareo sy ny tsy fahalalanareo onona. 26Ianao, ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin'ny kaopy sy ny lovia, ary dia hanjary madio koa ny vohony.

Ny mpivavaka marina

Matio 23 dia maneho ny fampianarana nataon'i Jesoa Kristy miantso ny mpanaradia Azy mba tsy ho variana amin'ny fombafombam-pivavahana fotsiny.

1- Mifandray tsara amin'Andriamanitra sy ny hafa

Mananatra mafy ny mpanora-dalàna sy ny fariseo i Jesoa. Ireto sokajin'olona ireto dia fatra-panaraka antsipirihiny ny Lalàna. Miharihary teo imason'i Jesoa anefa fa fombafomba ivelany fotsiny ihany izany. Ny zava-dehibe indrindra tokony ho natao dia tsy nataony. Takian'i Jesoa mba hanana fitondrantena mendrika amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra izy ireo dia ny «finoana» Azy sy ny asany. Ary koa ny fifandraisana amin'ny mpiara-belona dia ny fandehanana araka ny rariny sy ny fanehoana ny famindrampo. Tsarovy ary fa ny tena mpivavaka marina dia tsara fifandraisana amin'Andriamanitra sy ny namany.

2- Mandresy ny fihatsaram-belatsihy

Mafy tokoa ny fananarana ataon'i Jesoa amin'ireto mpanoradalana sy fariseo ireto : « mpihatsaravelatsihy ». Manadio ny ivelan'ireo fitaovana toy ny kapoaka, lovia izy ireo kanefa ny ao anatiny mbola misy loto. Ambaran'i Jesoa fa fisehoana ivelany, endrika ivelany izany. Miseho ho marina sy mahitsy, mandeha amin'ny fahamasinana izy ireo kanefa ny fiainam-panahiny tsy mifanaraka amin' izany. Tsy nankasitrahan'i Jesoa Kristy izany "toe-tsaina" izany ka mananatra ny mpanaradia Azy Izy. Tokony handresy ny fihatsarambelatsihy ny tena mpianatry ny Tompo miroso amin'ny fivavahana marina.

Fanontaniana :
Inona no tanjon'ny fananarana ataon'i Jesoa Kristy eto ?

mardi 2 octobre 2018

Talata 02 Oktobra 2018 - Fil 1 : 27 - 30

27Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy. Ka amin'izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin'ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly. 28Aoka tsy ho azon'ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin'Andriamanitra. 29Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an'i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy: 30dia ny miatrika ady mitovy amin'izay hitanareo natrehiko fahiny sady renareo fa mbola atrehiko ankehitriny.

Ny fìainan'ny mpino

1- Mitondra tena araka ny filazantsara

Mitaona ny kristiana mba iaina mifanaraka amin'ny Filazantsara i Paoly Apostoly. Tiany ampahatantarina fa tsy teny toriana na ampianarina fotsiny ny filazantsara fa Teny tonga fiainana. Ny hafatry ny filazantsara no tokony hibaiko sy hitondrana ny fiainan'ny mpino isan'andro. Raha miaina marina amin'ny filazantsara ny mpino dia miavaka ny fiainan'ny fiaraha-monina satria manjaka ny fifankatiavana, ny fiombonana ho amin'ny asa fanompoana hampandrosoana ny fitoriana ny filazantsara hitaona sy hitarihina ny hafa ho amin'ny finoana an'i Jesoa Kristy. Tarihina araka izany isika mba hanana fitondrantena mifanaraka amn'ny Filazantsara.

2- Mandresy ny fahavalo

Rehefa miaina marina amin'ny Tenin'Andriamanitra ny kristiana dia tsy ahita lalana hanakorontanana ny fiainan'ny fiangonana na ny mpino ny fahavalo. Na dia mitsangana hanohitra tokoa mantsy izy ireny. Mikendry handrava, hampahory dia ho very maina ny ezaka ataony satria efa mafy orina ny finoana ny amin'ny famonjena nataon'i Jesoa Kristy, eny efa mafy orina ny fiombonam-piainan'ny mpino. Tsy ho resy manoloana ny fahavalo ny mpino fa ho mpandresy. Mitaona antsika mba tsy hatahotra manoloana ny fahavalon'ny filazantsara. Mijoro mandrakariva fa hampandresy anao i Jesoa Kristy, Ilay efa niharam-pahoriana kanefa nadresy ny fahavalo rehetra.

Fanontaniana :
Inona no tokony atao mba hanoherana ny fahavalon'ny Filazantsara ? Hazavao ny hevitrao ?

lundi 1 octobre 2018

Alatsinainy 01 Oktobra 2018 - Sal 119 : 139 - 144

139Mandoro ahy toy ny afo ny zotompoko,
fa hadinon'ny mpandrafy ahy ny teninao.
140Voasedra tanaty memy tokoa ny hafatrao,
ka dia tia azy ireny izaho mpanomponao.
141Kely sady mavomavo aho,
nefa tsy hadinoko ny fepetranao.
142Mahitsy mandrakizay ny fahitsianao
ary mahatoky ny lalànanao.
143Azon'ny fahoriana sy ny fahaterena aho,
nefa mbola miravo amin'ny didinao.
144Mahitsy mandrakizay ny baikonao;
ataovy mahira-tsaina aho mba ho velona.

Ny tokony ho fiainan'ny mpino

Salamo 119 dia maneho ny anjara toeran'ny Tenin'Andriamanitra eo amin'ny fìainan'ny mpino.

1- Manambara ny fahamarinan'Andriamanitra
Tsapan'ny mpanao Salamo fa miavaka ny Tenin' Andriamanitra : « voadidinao amin'ny fahamarinana sy fahatokiana indrindra ny teny vavolombelonao ». Izany toetran'ny Tenin'Andriamanitra izany no mahatonga ity mpanao Salamo ity hanambara na haneho ny finoana fa « marina lanao. Jehovah ». Rariny sy hitsiny tokoa eo amin'nv fiainan'ny mpino rehefa mahatsapa ny fahatanterahan'ny Tenin' Andriamanitra eo amin'ny fiainana ny maneho ny finoany.

2- Mivelona amin'nv Tenin'Andriamanitra
Manatanteraka araka izay voalazany ao amin'ny Teniny Andriamanitra. Manoloana izany dia manome toky fa tsy hiala amin'ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra izy. Na dia misy aza ireo sokajin'olona manao tsinontsinona ny Tenin Andriamanitra. Mazava ny lalana hizoran'ny olon'Andriamanitra. Tenin'Andriamanitra no fanilo manazava ny fiainany. Na toa inona na toa inona toe-javatra atrehiny eo amin'ny fiainana dia mitondra fiainana. fifaliana ho azy mandrakariva ny Tenin'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Niasa teo amin'ny fiainanao tamin'ny fanatanterahana ny Teny nambarany ny Tompo. Inona no nasetrinao izany ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12