dimanche 14 octobre 2018

Alahady 14 Oktobra 2018 - Lio 10 : 25 - 37

25Ary indro tamy ity mpahay lalàna anankiray ka nanao fanontaniana fandrika tamin'i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay?
26Fa hoy i Jesoa taminy:
–Inona no voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny lalàna? Ahoana no fandraisanao ny heviny raha vakînao?
27Dia novaliany hoe:
–«Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, amin'ny fanahinao manontolo, amin'ny herinao manontolo ary amin'ny sainao manontolo.» Ary koa: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.»
28Dia hoy i Jesoa taminy:
–Tsara ny valin-teninao. Ataovy izany, dia ho velona ianao!
29Te hanamarin-tena anefa ilay mpahay lalàna ka nanontany an'i Jesoa hoe:
–Fa iza moa no namako?
30Ka novalian'i Jesoa hoe:
–Nisy lehilahy nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, nasian'ny jiolahy ka nendahany fitafiana sy nodarofany kapoka; ary efa saika maty ralehilahy vao nilaozan'ireo jiolahy nandositra.

Ny olona handova ny fìainana mandrakizay

Jesoa Kristy manoro ny lalana marina ho an'izay olona maniry handova ny fiainana mandrakizay.

1- Mivelona amin'ny Sitrapon'Andriamanitra

Mpahay lalàna no miresaka amin'I Jesoa Kristy. Olona azo lazaina fa tena mahay. mahalala tsara ny ambaran'ny Soratra Masina ity olona ity, mahalala tsara ny didin'Andriamanitra niseho tokoa izany tamin'ny fanadinana nataon'i Jesoa taminy. Fahalalana ara-tsaina ihany anefa ny azy satria tsy hainy ny nampihatra izany didim-pitiavana izany tamin'nv fifandraisany tamin'ny mpiara- belona taminy. Mitarika azy noho izany i Jesoa Kristy fa tokony ivelomana isan'andro ny didin'Andriamanitra. Mila aseho eo amin'ny fifandraisana amin'ny mpiara- monina fa manana sy mahay mampihatra ny Tenin' Andriamanitra ny olona manaradia Azy sy maniry ny handova ny fiainana omeny.

2- Maneho amin'ny asa ny finoana

Mampieritreritra fatratra ny fanoharana nataon'i Jesoa Kristy eto. Nijerv fotsiny ny olona mila vonjy ireo olona manana andraikitra manokana tamin'ny fanompoana an'Andriamanitra tao amin'ny tempoly. Toa tsy manam- pitiavana, tsy manao asa tsara. Azo lazaina fa olona mahay nv Soratra Masina fa tsv nahay naneho izanv tamin'ny asan'ny finoana. Mampianatra araka izanv i Jesoa Kristy fa tsy ampy ny fahalalana ny Soratra Masina. Rariny sy hitsiny eo anatrehan'Andriainanitra ny miasa amin'ny finoana noho ny Teniny izay nianarana.

Fanontaniana:
Inona no vokatry ny fahalalana ny Tenin'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao ?

samedi 13 octobre 2018

Sabotsy 13 Oktobra 2018 - II Pet 3 : 11 - 18

11Koa raha ho levona toy izany àry izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin'Andriamanitra? 12Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian'ilay andron'Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy! 13Kanefa isika, araka ny fampanantenàn'Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay honenan'ny fahamarinana soritan'Andriamanitra.

14Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan'ny Tompo anareo. 15Hevero fa ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr'i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen'Andriamanitra azy. 16Toy izany koa no ataony ao amin'ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin'ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin'ny teny hafa raketin'ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.

17Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan'ny hevi-dison'ireo ratsy fanahy, ka hiala amin'izay iorenanareo. 18Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an'i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.

Miomana amin'ny fihavian'ny Tompo

1- Manokana ny fiainana ho an'ny Tompo

Ho avy ny Tompo. Fihavina indray izay voalaza fa fiafaran'izao fiainana sy zavatra rehetra hita inaso izao. Manoloana izany dia mampiomana antsika mpino kristiana ny Tompo mba ho vonona tsara amin'izany. Fiomanana tsara indrindra ny fanokanana ny fiainana ho an'Andriamanitra mba hanana fitondrantena masina sy mivelona amin'ny toe-panahy miavaka (and.ll). Ny fanantenana ilay fìainana vaovao ampanantenain' Andriamanitra dia manery antsika ho amin'ny toe-panahy masina, ka handà ny filana ratsy sy ny zavatra izao tontolo izao. Mitaona antsika araka izany ho avy ny Tompo, meteza ianao mba hanokana ny fiainana ho Azy.

2- Mitombo amin'ny fahalalana an'i Jesoa Kristy

Eo amin'ny fotoana iandrasana ny fihavian'ny Tompo indray dia maro ny toe-javatra hiseho eo amin'ny fiainan' ny fiaraha-monina. Jesoa Kristy aza dia efa nampiomana fa hisy ihany koa ireo sokajin'olona hanao fampianarana hafa mifanohitra amin'izay nampianariny. Izany hoe hisy ny fampianaran-diso, ary amin'ireny fampianarana ireny dia familiana lalana ny finoana ananan'ny olona, fanesorana ny olona amin'ny fampianarana marina mitondra amin'ny famonjena ao amin'i Jesoa Kristy. Toro-marika iatrehana izany ny ahafahana mitombo amin'ny fahasoavana sy nv fahalalana an'i Jesoa Kristy mba ahafahana miorina tsara ao amin'ny famonjena efa notanterahiny teo amin'ny hazo fijaliana.

Fanontaniana:
Nahoana no misy kristiana variana manjehy ny andro lava ka tsy mahay miomana amin'ny fihavian'ny Tompo ?

vendredi 12 octobre 2018

Zoma 12 Oktobra 2018 - Efe 5 : 8 - 21

8Tao amin'ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin'ny fahazavana kosa ankehitriny, noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin'ny fahazavana, 9satria ny fahazavana dia mamokatra ny soa sy ny rariny ary ny hitsiny isan-karazany. 10Miezaha mamantatra izay ankasitrahin'ny Tompo. 11Aza miombona amin'ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon'ireo olona ao anatin'ny haizina, fa aleo aseho ny tena toetr'ireny asa ireny; 12(satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin'ny miafina aza). 13Fa rehefa asehon'ny fahazavana kosa ny tena toetry ny zavatra rehetra, dia hiharihary avokoa; 14eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe:
«Mifohaza ianao izay matory,
ary mitsangàna ho velona avy any amin'ny maty,
dia hampahazava anao iKristy.»
15Koa tandremo tsara ny fitondrantenanareo. Aza manao toy ny olona tsy misaina, fa aoka ho tahaka izay misaina. 16Hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao andro izao. 17Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.

18Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin'ny ratsy no vokatr'izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina. 19Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin'ny fo tokoa ho an'ny Tompo. 20Misaora an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny olona rehetra amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika.

21Aoka hifanoa ianareo noho ny fanajanareo an'i Kristy.

Ny fíainana ankasitrahan'Andriamanitra

1- Miaina amin'ny maha zanak'Andriamanitra

Fiainana roa mifanohitra tanteraka ny an'ny zanak' Andriamanitra sy ny an'ny zanaky ny maizina. Hita taratra eo amin'nv fiainan'ny fiaraha-monina izany. Manoloana izany indrindra no anambaran'i Paoly Apostoly amin'ny mpino kristiana fa mila mandray fanampahan-kevitra mazava izay rehetra manara-dia an'i Jesoa Kristy. Efa navotan'i Jesoa, nesoriny tao amin'ny haizina. Nandao tanteraka ny tontolon'ny aizina ka miaina amin'ny mazava. Miaina amin'ny fiainana vaovao. Hoy ny and.9 : «fa ny vokatry ny mazava dia ao amin 'ny fahatsarana rehelra.sy ny fahamarinana ary ny fahiltsiana».

2- Mitondra tena araka an'Andriamanitra

Miavaka ny fíainan'ny olona tafaray amin'i Jesoa Kristy. Mitondra ny fiainana araka ny sitrapon'Andriamanitra ambany fitarihin'ny Fanahy Masina.Hoy ny and. 15: «koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala fa tahaka ny hendry. Ny adala dia olona tsy mahalala henatra. llazana ny olona mitondra ny fiainana lavitra an'Andriamanitra. Fa ny hendry kosa dia ny olona matahotra an'Andriamaniira, mitondra ny fiainana araka ny sitrapon'Andriamanitra. Araka ny olona hendry dia mahay manararaotra ny foloana omen' Andriamanitra azy mba hanaovana asa tsara mandrakariva noho ny fitarihin'ny Fanahy Masina sy ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Fomba ahoana no ahafahanao maneho eo amin'ny fiaraha-monina fa zanak'Andriamanitra ianao?

jeudi 11 octobre 2018

Alakamisy 11 Oktobra 2018 - Mik 6 : 6 - 8

6«Inona àry no hoentiko,
rehefa manatona aho hiankohoka
eo anatrehan'ny TOMPO,
Andriamanitra avo indrindra?
Moa zanak'omby iray taona
hatao sorona dorana manontolo ve
no hoentiko rehefa manatona Azy aho?
7Ho sitraky ny TOMPO ve ny ondrilahy an'arivony
na ny menaka mikoriana toy ny renirano?
Hatolotro Azy ve ny zazalahy voalohan-terako
ho fanalana ny heloka amam-pahotàko?»
8Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao
ny fitondrantena tsara
sy izay tadiavin'ny TOMPO aminao:
dia ny hanao ny rariny
sy handala ny fitiavana
ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amim-panetrentena.

Teo-panahy takian'Andriamanitra aminao

1 - Manolo-tena marina

Mitaona ny olona ho amin'ny fibebahana marina Andriamanitra. Toa te hanontany an'Andriamanitra ny amin'ny fihetsika sy ny tokony hataony ny olona. Mby ao antsaina ny hoe inona no fombam-pivavahana tokony hatao mba handraisana ny famindrapon'Andriamanitra ? Mazava tsara ny antso ataon'Andriamanitra. Tsy ny fombafombam-pivavahana no zava-dehibe fa ny fo mibebaka marina tokoa. Tsy ny fihetsika na ny fisehoana ivelany no takian'Andriamanitra fa ny fiainam-panahy manontolo vonona hanolontena marina ho Azy. Atolory marina ho an'Andriamanitra ny fiainana dia tsy ho voafatotry ny fombafombam-pivahanana intsony.

2 - Miaina araka an'Andriamanitra

Reheta manolo-tena marina ho an'Andriamanitra ny olona dia misv toe-panahy aterak'izany. Ny fifandraisana amin' Andriamanitra dia mitondra toe-panahy vaovao, fiainana vaovao. Mazava tsara ny voalaza eto : «hanao ny marina sy ny ho tìa famindrampo ary ny hanaraka an' Andriamanitrao amin'ny fanetrentena ». Marina Andriamanitra, mpanao ny tsara Izy ka mila olona miaina amin'ny fahamarinana, mandresy ny faharatsiana. Rariny sy hitsiny eo anatrehan'Andriamanitra raha ny olona te- hibebaka marina, hiala amin'ny fahotana no mandray toe- panany vaovao ka miaina araka ny toe-panahy ao Aminy.

Fanontaniana:
Ahoana no ahafantarana ny tena olom-baovao ?

mercredi 10 octobre 2018

Alarobia 10 Oktobra 2018 - Mat 12 : 14 - 21

14Fa lasa nivoaka ny sinagôga kosa ny Farisianina ary niara-nioko ny amin'izay hamonoana an'i Jesoa.

15Nony nahalala izany i Jesoa, dia niala teo amin'io toerana io; ary vahoaka maro no nanaraka Azy. Nositranin'i Jesoa avokoa ny marary rehetra, 16saingy noteneniny mafy hoe: «Aza manao izay hahafantarana Ahy.» 17Koa tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Isaià mpaminany hoe:
18«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko,
ilay Malalako Izay sitrako.
Ny Fanahiko hapetrako eo aminy,
ka hambaran'ny Mpanompoko
amin'ireo firenena ny rariny.
19Tsy hifanditra aman'olona Izy na hihorakoraka,
ary tsy handrenesana ny feony eny an-dalambe.
20Ny volotara folaka tsy hotapahiny,
ny lahin-jiro manetona tsy hovonoiny,
ambara-pahazoan'ny Mpanompoko
fandresena ho an'ny rariny.
21Ary Izy no hitokian'ireo firenena.»

Ny rariny sy ny hitsiny tamin'i Jesoa

1- Manohv hatrany ny asan'Andriamanitra

Fantatr'i Jesoa Kristy fa manomana tetika mba hisamborana, hamonoana Azy ny fariseo. Tsy nijanona tao amin'ny synagoga ízy fa niala tao. Tsy hoe nandositra ireto fahavalony Izy fa ny zava-dehibe taminy dia ny manohy hatrany ny iraka napetraky ny Rainy Taminy. Mbola maro ny asa tokony ho tanterahina, hita taratra tokoa izany fa rehefa nandeha Izy dia maro be ny olona mila fanafahana nanaraka Azy (and. 15). Te-haneho amintsika ny Tompo fa ny zava-dehibe Aminy ny fanatanterahana ny andraikitra napetraka Taminy. Rariny sy ny hitsiny Aminy dia ny manao ny asan'Andriamanitra toa izay handany andro hifanditra amin'ny fahavalon'ny filazantsara. Mampianatra antsika koa izany tohizo ny asan'Andriamanitra na dia misy aza ny fahavalo.

2- Manaiky ho tarihin'ny Fanahy Masina

Teo ampanohizana ny asa nanirahan'Andriamanitra Rainy Azy no nampahatsiahivan'i Jesoa Kristy ny amin'ilay Mpanompon'i Jehovah voalaza ao amin'ny Isaia.42, 1 - 4. Mpanompon'i Jehovah izay tsy mandeha amin'ny herin' ny tenany fa mandeha araka ny fitarihinan'ny Fanahy Masina. Ny Fanahin'Andriamanitra no mitarika azy hitory ny rariny, hitondra famonjena ho an'ireo sokajin' olona izay iharan'ny tsy rariny, iharam-pahoriana tsy mahita ny làlana hizorana. Ny rariny ho Azy dia ny fanahafana, fampandresana izay tsv misy mpihevitra.

Fanontaniana:
Tsaroanao ve ny antom-pisianao amin'ny maha fiangonana anao ao anatin'ny fiaraha-monina?

mardi 9 octobre 2018

Talata 09 Oktobra 2018 - Zak 8 : 14 - 17

14Izao manko no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao:
«Tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy,
dia nihevitra hahatonga loza aminareo
Izaho TOMPOn'izao rehetra izao
ka tsy nisalasala nanatanteraka izany.
15Fa ankehitriny kosa dia mihevitra ny hanisy soa
hanisy soa anareo Aho,
mponin'i Jerosalema sy i Joda;
koa aza matahotra intsony ianareo.
16Izao no tsy maintsy hataonareo:
samia milaza ny marina
amin'ny namany avy ianareo;
aoka ho didim-pitsarana ara-drariny
no havoaka eo amin'ny toeram-pitsaranareo
mba hahatonga fiadanana eo aminareo.
17Aza mieritreritra hanisy ratsy ny namana
ary aza mety hianiana lainga,
fa halako ny zavatra rehetra toy ireny.
Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.»

Andriamanitra manarina ny fiainan'ny olony

1- Andriamanitra mampanantena fitahiana

Miova tanteraka eto ny Tenin'Andriamanitra ambarany amin'ny olony. Hoy ny voalaza : «toy ny nisainako», nisy fotoana naminavina, nanomana loza namelezana ny vahoakany Andriamanitra. Tena nihatra tokoa izany. Tanterahin'Andriamanitra ny Teniny. Ankehitriny dia indro Izy manomana fanarenana ny fiainan'ny olona ka na dia teo aza ny fahatezerany fahiny mihevitra kosa ny hanasoa, hanalotra fítahiana ho an'ny olony Izy: «hisainako hanisy soa an 'i Jerosalema». Fanarenana miavaka no tanterahin'Andriamanitra araka izany. Ny anjaran'ny olona dia ny mino sy mandray izany fa izay tenenin'Andriamanitra dia tanterahiny noho ny fitiavany.

2- Andriamanitra mitaona ny olona hifankatia

Tsy mandeha ila ny fanarenana ataon'Andriamanitra. Mitaona ny olona ho amin'ny fandraisana andraikitra Izy. Manaramaso ny fiainan'ny olona Izy, takiany amin'izany ny hiveloman'ny olona amin'ny Teniny dia ny hiaina amin' ny fifankatiavana izany: «samia miteny ny marina amin 'ny namany avy...» (and.16.17). Rehefa hampitoerina eo amin'ny fiaraha-monina misy ny mpino kristiana ny fahamarinana, ny fifankatiavana dia hiova ny fiainana, tanteraka ny fanarenana kasain' Andriamanitra atao. Rariny sy hitsiny eo anatrehan' Andriamanitra tokoa raha ny olona notiaviny no maneho fitiavana Azy amin'ny fankatoavana ny Teniny ka manao ny marina sy mitia ny mpiara-belona aminy.

Fanontaniana:
Tanisao ny dingana tsy maintsy arahina mba ahatanteraka ny fanasitranana ny firenena araka ny 2 Tant 7, 14

lundi 8 octobre 2018

Alatsinainy 08 Oktobra 2018 - Lio 12 : 41 - 48

41Tamin'izay dia niteny i Petera nanao hoe:
–Izahay ihany ve no ilazanao izany fanoharana izany sa ny olona rehetra koa?

42Ka hoy ny Tompo hoe:
–Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren'ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ireo ny anjara sakafony ara-potoana? 43Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahatratra azy manao raharaha toy izany. 44Lazaiko marina aminareo fa hotendren'ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy. 45Raha tàhiny kosa io mpanompo io manao anakampo hoe: «Mbola ho ela vao tafaverina ny tompoko», ka mihetraketraka amin'ny mpanompo hafa na lahy na vavy sady manaram-po mihinana sy misotro ary mimamo, 46dia ho tonga ilay tompony amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany; hosazîny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin'ny tsy mpino.

47Fa ny mpanompo mahalala tsara ny sitrapon'ny tompony, nefa tsy mivonon-kanao ary tsy manatontosa, dia hahazo kapoka be. 48Izay tsy mahalala kosa, nefa manao zavatra tokony hikapohana azy, dia hahazo kapoka kely. Izay nomena be no hitakiana be; ary izy nanankinana be no hadinina bebe kokoa.

Mitsara ny olona araka ny asa natao ny Tompo

1- Mpanompo mahatoky mandray valisoa

Namaly ny fanontaniana nataon'i Petera i Jesoa Kristy. Nambara fa rehefa nandre, nahalala ny sitrapon' Andriamanitra ny olona dia tokony hiaina sy hanatanteraka izany eo amin'ny fiainana, eo amin'ny fotoana iandrasana ny fihavian'ny Tompo indray. Izay Tenin'Andriamanitra nohenoina, izay andraikitra nifìdianana sy nanendrena dia tokony raisina sy atao am- pitiavana hatrany noho ny fankatoavana an'Andriamanitra. Ho faly tokoa ny Tompo mahita ny mpanompo nofidiany manatanteraka tsara ny andraikitra napetraka taminy ka hanolotra valisoa. Fiainam-pahasambarana no anjaran'izay mahatoky tamin'ny fiainana ny Tenin'Andriamanitra sy ny andraikitra nanendrena azy.

2- Mpanompo tsv mahatoky : very anjara

Ambaran'i Jesoa Kristy fa raha toa ka variana amin- javatra hafa ilay mpanompo nomena andraikitra. Manao antsirambina ny asany, mihevitra fa mbola ho ela vao hiverina ny Tompony ka manao zavatra mifanohitra amin'ny tokony hatao dia hisy famaizana ho an'izany mpanompo tsy mahatoky izany. Midika izany fa izay manadino ny toro-marika omen'Andriamanitra, tsy miaina, tsy mankatoa ny sitrapon'Andriamanitra fa nianao izay maha diavolana ny sainy. Miaina amin'ny toe-panahy feno faharatsiana dia ho very anjara ao amin'ny Tompo raha tonga Izy. Tampoka ny fìhaviana ka mitsara ny olona araka ny nataony.

Fanontaniana:
Nahoana no misy tokoa olomboafidin'Andriamanitra manao an-tsirambina ny asa nifidianana azy

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12