dimanche 29 août 2021

Alahady 29 Aogositra 2021 - Eks 36 : 1 - 7

 1I Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sy faharanitan-tsaina ilaina hanatanterahana ny asa, dia hanamboatra ny zavatra rehetra hampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina araka izay rehetra nodidian’ny TOMPO.

2Nampanantsoin’i Mosesy i Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sady vonona hanatanteraka ny asa. 3Natolotr’i Mosesy an-dry zareo ny fanomezana nentin’ny Israelita hanaovana ny Toeramasina. Isa-maraina dia mbola nisy nitondra fanomezana an-tsitrapo teo anatrehan’i Mosesy. 4Noho izany, ireo mpahay taozavatra rehetra izay nirotsaka tamin’ny fanamboarana ny Toeramasina dia nanapaka ny asany, 5mba hilaza amin’i Mosesy hoe: «Nitondra mihoatra noho izay ilaina amin’ny fanatontosana ny asa nodidian’ny TOMPO hatao ny vahoaka.» 6Niaraka tamin’izay dia nanome baiko manerana ny toby i Mosesy hoe: «Aoka tsy hisy intsony olona, na lahy na vavy, hanomana fanomezana hanaovana ny Toeramasina.» Dia nitsahatra tsy nitondra fanomezana intsony ny vahoaka, 7satria ampy hanaovana ny asa rehetra ny efa voaray ka nisy ambiny aza.

samedi 28 août 2021

Sabotsy 28 Aogositra 2021 - Heb 10 : 19 - 25

 19Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin’i Jesoa. 20Nanokafany lalana vaovao mitondra amin’ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin’ny efitra lamba, izany hoe eo amin’ny tenan’i Jesoa. 21Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon’Andriamanitra isika; 22koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy amin’ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin’ny fieritreretana vesaran’ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin’ny rano madio ny tenantsika. 23Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian’ny Tompo.

vendredi 27 août 2021

Zoma 27 Aogositra 2021 - Mat 12 : 31 - 37

 31Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan’Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan’ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an’Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka. 32Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin’izao fiainana izao na amin’ny fiainan-ko avy.

33–Ataovy hoe tsara ny voany ka tsara koa ny hazo, na ataovy hoe ratsy ny voany ka ratsy koa ny hazo: satria ny voany no ahafantarana ny hazo. 34Ry tarana-menarana, hataonareo ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? Izay mameno ny fon’ny olona manko no aloaky ny vavany. 35Ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy dia mamoaka zavatra ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony. 36Ary lazaiko aminareo fa ny olona, amin’ny andro fitsarana dia hampamoahina momba ny teny tsy misy antony rehetra nataony: 37satria ny teninao no hanomezan-drariny anao ary ny teninao no hanamelohana anao.

jeudi 26 août 2021

Alakamisy 26 Aogositra 2021 - Fil 1 : 1 - 11

 1Avy amiko Paoly ity taratasy ity.

Mamangy anareo vahoakan’Andriamanitra rehetra atỳ Filipy aho, dia ianareo efa tafaray amin’i Kristy Jesoa ary ao anatin’izany ireo mpitondra Fiangonana sy diakônina. Mamangy anareo koa i Timôty. Samy mpanompon’i Kristy Jesoa izahay. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Velom-pisaorana an’Andriamanitro ny aminareo aho, isaky ny mahatsiaro anareo. 4Ary isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho, dia manao izany amin-kafaliana, 5noho ianareo niray hina nanampy ahy hampandroso ny Vaovao Mahafaly hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny. 6Matoky aho fa Andriamanitra, Izay nanomboka asa tsara tao aminareo, dia hanohy izany hatrany ka hahatanteraka azy amin’ny andro hiavian’i Kristy Jesoa. 7Rariny tokoa ny iheverako anareo rehetra toy izany. Eny, entiko ato am-poko ianareo, satria mpiombona ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy ianareo rehetra, na amin’izao maha voafonja ahy izao na fony aho nampandresy lahatra sy nanamafy orina ny Vaovao Mahafaly. 8Andriamanitra no vavolombeloko fa marina izao lazaiko izao: manina anareo rehetra amin’ny fon’i Kristy Jesoa aho.

9Ary izao no tonombavaka ataoko ho anareo: hitombo bebe kokoa hatrany anie ny fitiavanareo ka hombàn’ny fahalalana marina sy ny tena fahatakaran-javatra 10mba hahaizanareo mifidy izay tsara; dia hadio sady tsy hanan-tsiny amin’ny andro hiavian’i Kristy ianareo, 11ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an’Andriamanitra.

mercredi 25 août 2021

Alarobia 25 Aogositra 2021 - Sal 133 : 1 - 3

 1 Hira fiakarana. Nataon’i Davida.

Endrey, tsara sady mahafinaritra tokoa

izany firîndran’ny mpiray tampo miara-monina!

2Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina

ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra.

Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe

ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.

3Toy ny ando avy any amin’ny tendrombohitra Hermôna

ka mirotsaka eo amin’ny tendrombohitra Tsiôna;

satria eo Tsiôna no fanomezan’ny TOMPO fitahiana,

dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.

mardi 24 août 2021

Talata 24 Aogositra 2021 - Mik 6 : 6 - 8

 6«Inona àry no hoentiko,

rehefa manatona aho hiankohoka

eo anatrehan’ny TOMPO,

Andriamanitra avo indrindra?

Moa zanak’omby iray taona

hatao sorona dorana manontolo ve

no hoentiko rehefa manatona Azy aho?

7Ho sitraky ny TOMPO ve ny ondrilahy an’arivony

na ny menaka mikoriana toy ny renirano?

Hatolotro Azy ve ny zazalahy voalohan-terako

ho fanalana ny heloka amam-pahotàko?»

8Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao

ny fitondrantena tsara

sy izay tadiavin’ny TOMPO aminao:

dia ny hanao ny rariny

sy handala ny fitiavana

ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amim-panetrentena.

lundi 23 août 2021

Alatsinainy 23 Aogositra 2021 - Lio 3 : 7 - 14

 7Toy izao àry no tenin’i Jôhany tamin’ny vahoaka nidodododo hataony batisa:

–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra? 8Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: «Manana an’i Abrahama ho razambenay izahay!» Satria lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra ny manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. 9Indro efa eo am-poto-kazo rahateo ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

10Ary hoy ny vahoaka nanontany an’i Jôhany hoe:

–Inona àry no tokony hataonay?

11Dia novaliany hoe:

–Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin’izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa.

12Mba nisy koa mpamory hetra tonga hatao batisa ka niteny tamin’i Jôhany hoe:

–Mpampianatra ô, inona no tokony hataonay?

13Dia novaliany hoe:

–Aza mitaky mihoatra noho izay voafetra halainareo.

14Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe:

–Mba inona kosa no tokony hataonay?

Dia hoy izy taminy:

–Aza maka zavatr’olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin’ny karamanareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12