jeudi 26 août 2021

Alakamisy 26 Aogositra 2021 - Fil 1 : 1 - 11

 1Avy amiko Paoly ity taratasy ity.

Mamangy anareo vahoakan’Andriamanitra rehetra atỳ Filipy aho, dia ianareo efa tafaray amin’i Kristy Jesoa ary ao anatin’izany ireo mpitondra Fiangonana sy diakônina. Mamangy anareo koa i Timôty. Samy mpanompon’i Kristy Jesoa izahay. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Velom-pisaorana an’Andriamanitro ny aminareo aho, isaky ny mahatsiaro anareo. 4Ary isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho, dia manao izany amin-kafaliana, 5noho ianareo niray hina nanampy ahy hampandroso ny Vaovao Mahafaly hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny. 6Matoky aho fa Andriamanitra, Izay nanomboka asa tsara tao aminareo, dia hanohy izany hatrany ka hahatanteraka azy amin’ny andro hiavian’i Kristy Jesoa. 7Rariny tokoa ny iheverako anareo rehetra toy izany. Eny, entiko ato am-poko ianareo, satria mpiombona ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy ianareo rehetra, na amin’izao maha voafonja ahy izao na fony aho nampandresy lahatra sy nanamafy orina ny Vaovao Mahafaly. 8Andriamanitra no vavolombeloko fa marina izao lazaiko izao: manina anareo rehetra amin’ny fon’i Kristy Jesoa aho.

9Ary izao no tonombavaka ataoko ho anareo: hitombo bebe kokoa hatrany anie ny fitiavanareo ka hombàn’ny fahalalana marina sy ny tena fahatakaran-javatra 10mba hahaizanareo mifidy izay tsara; dia hadio sady tsy hanan-tsiny amin’ny andro hiavian’i Kristy ianareo, 11ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an’Andriamanitra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12