mardi 7 septembre 2021

Talata 07 Septambra 2021 - Asa 2 : 37 - 39

 37Raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tao am-pony ka nanontany an’i Petera sy ny apôstôly namany hoe:

–Ry havana, inona no tokony hataonay?

38Dia hoy i Petera taminy:

–Ialao ny toe-dratsy, ary aoka ianareo samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy mba ho voavela heloka, dia handray ny Fanahy Masina fanomezan’Andriamanitra. 39Fa ny fanomezana nampanantenain’Andriamanitra dia ho anareo sy ny zanakareo, ary ho an’ireo rehetra any lavitra any, na iza na iza hantsoin’ny Tompo Andriamanitsika hanatona Azy.

lundi 6 septembre 2021

Alatsinainy 6 Septambra 2021 - Rom 4 : 9 - 12

 9Ho an’iza moa izany fahasambarana izany? Ho an’ny voafora ve sa ho an’ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ny finoana no nankatoavan’Andriamanitra an’i Abrahama ho marina.» 10Ary ahoana izany? Tamin’i Abrahama efa voafora sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora; 11fa ny famorana dia famantarana noraisin’i Abrahama tatỳ aoriana, ho toy ny tombokase manamarika fa neken’Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain’izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken’Andriamanitra ho marina; 12sady tonga rainay voafora ihany koa: dia izahay sady voafora no manara-dia an’i Abrahama razanay izay efa nino fony tsy mbola voafora.

dimanche 5 septembre 2021

Alahady 05 Septambra 2021 - Lio 3 : 15 - 18

 15Velom-panantenana tokoa ny vahoaka ary samy nieritreritra tao am-pony hoe: «I Jôhany va re sa tsia no Mesia?» 16Fa i Jôhany kosa niteny tamin’izy rehetra hoe:

–Ny ahy, rano no anaovako batisa anareo. Indro tamy kosa ilay Mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho; ny Azy, ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo. 17Eny an-tanany ny fikororohana hanadiovany tanteraka ny vary eo am-pamoloana: ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.

18Fananarana maro samihafa koa no nanambaràn’i Jôhany ny Vaovao Mahafaly tamin’ny olona.

samedi 4 septembre 2021

Sabotsy 04 Septambra 2021 - Lio 3 : 15 - 18

 15Velom-panantenana tokoa ny vahoaka ary samy nieritreritra tao am-pony hoe: «I Jôhany va re sa tsia no Mesia?» 16Fa i Jôhany kosa niteny tamin’izy rehetra hoe:

–Ny ahy, rano no anaovako batisa anareo. Indro tamy kosa ilay Mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho; ny Azy, ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo. 17Eny an-tanany ny fikororohana hanadiovany tanteraka ny vary eo am-pamoloana: ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.

18Fananarana maro samihafa koa no nanambaràn’i Jôhany ny Vaovao Mahafaly tamin’ny olona.

vendredi 3 septembre 2021

Zoma 03 Septambra 2021 - Deo 30 : 1 - 6

 1Ho tonga aminareo izany zavatra rehetra izany, dia ny fampanantenàm-pitahiana sy fanambaràn-doza izay nataoko teo anoloanareo. Ary any amin’ny firenena rehetra handroahan’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hotsarovanareo ao am-ponareo izany, 2ka hiverina amin’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo; eny, hanaiky Azy ianareo sy ny taranakareo, hanaiky Azy amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo araka ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio. 3Dia haverin’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fiainanareo taloha ianareo sady hamindrany fo, ka hangoniny indray avy any amin’ny firenena rehetra nampielezany anareo. 4Na misy voaroaka any am-paran’ny tany aza ianareo, dia avy any no hangalan’ny TOMPO Andriamanitrareo azy sy hanangonany azy 5mba hampidiriny ao amin’ny tany izay fananan’ny razambenareo ka ho fanananareo koa. Hanisy soa anareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hahamaro isa anareo, mihoatra noho ny nataony tamin’ny razambenareo; 6dia hodiovin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fon’ny taranakareo hitiavanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo, mba ho velona ianareo.

jeudi 2 septembre 2021

Alakamisy 02 Septambra 2021 - Mar 1 : 1 - 8

 1Manomboka eto ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra.

2Izao no voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny bokin’i Isaià mpaminany:

«Indro alefako hialoha Anao ny irako,

hoy Andriamanitra,

mba hanomana ny lalanao.»

3«Injany misy feon’olona miantso mafy

ao an-taniefitra hoe:

Amboary ny lalan’ny Tompo;

ahitsio ny hizorany!»

4Araka izany, dia niseho i Jôhany ka nanao batisa tany an-taniefitra sy nanao antso avo hoe:

–Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan’Andriamanitra ny helokareo.

5Nirohotra nankeo amin’i Jôhany avokoa ny olona avy any Jodea lafy valo sy avy any Jerosalema; ary niaiky heloka ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao amin’ny ony Jôrdàna.

6Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan’i Jôhany; valala sy tantely remby no fihinany. 7Ary hoy ny antso avo nataony:

–Tamy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehikapany akory aho. 8Ny ahy, rano no nanaovako batisa anareo; ny Azy kosa, ny Fanahy Masina no hanaovany batisa anareo.

mercredi 1 septembre 2021

Alarobia 01 Septambra 2021 - Kol 2 : 6 - 15

 6Noho ianareo efa nandray an’i Kristy Jesoa ho Tompo, dia manaova fitondrantena toy ny olona tafaray aminy. 7Aoka hahazo vahatra sy hiorina ao amin’i Kristy ianareo; aoka hihamafy hatrany ny finoanareo araka izay efa nampianarina anareo, ary aoka ho feno fisaorana an’Andriamanitra ianareo.

8Mitandrema fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny fahendren’olombelona sy ny famitahana foana: ny fampianarana ampitain’olombelona sy ny herin-javatr’izao tontolo izao no iorenan’izany fa tsy i Kristy; 9satria ao amin’i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra. 10Ka efa heni-tsoa tokoa ianareo satria tafaray amin’Ilay ambonin’ny fanapahana sy fahefana isan-tokony.

11Noho ny firaisana amin’i Kristy, dia voafora ianareo nefa tsy tamin’ny famorana nataon-tanan’olona fa tamin’ny famorana nataon’i Kristy, izany hoe famorana manaisotra ny herin’ny maha olona mpanota; 12fa tamin’ny nanaovana batisa anareo, dia niara-nilevina tamin’i Kristy ianareo ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin’ilay Andriamanitra nanangana Azy ho velona avy tany amin’ny maty. 13Maty ara-panahy ianareo fahiny noho ny fahadisoanareo ary noho ianareo tsy voafora tamin’ny maha olona mpanota; ankehitriny kosa, dia novelomin’Andriamanitra niaraka amin’i Kristy ianareo, rehefa navelany avokoa ny fahadisoantsika. 14Novonoiny ny sora-tanana namely antsika, dia ilay nirakitra ny didy niampanga antsika; ary mova tsy nofantsihany teo amin’ny hazofijaliana izany sora-tanana izany ka nofoanany tsy hanan-kery intsony. 15Koa ny hazofijaliana no nandravan’i Kristy ny herin’ny fanapahana sy fahefana; dia nataony babo ireo ka nanjohy ny matsom-pandreseny ary nasehony miharihary ho fizàhan’ny olona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12