mercredi 1 septembre 2021

Alarobia 01 Septambra 2021 - Kol 2 : 6 - 15

 6Noho ianareo efa nandray an’i Kristy Jesoa ho Tompo, dia manaova fitondrantena toy ny olona tafaray aminy. 7Aoka hahazo vahatra sy hiorina ao amin’i Kristy ianareo; aoka hihamafy hatrany ny finoanareo araka izay efa nampianarina anareo, ary aoka ho feno fisaorana an’Andriamanitra ianareo.

8Mitandrema fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny fahendren’olombelona sy ny famitahana foana: ny fampianarana ampitain’olombelona sy ny herin-javatr’izao tontolo izao no iorenan’izany fa tsy i Kristy; 9satria ao amin’i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra. 10Ka efa heni-tsoa tokoa ianareo satria tafaray amin’Ilay ambonin’ny fanapahana sy fahefana isan-tokony.

11Noho ny firaisana amin’i Kristy, dia voafora ianareo nefa tsy tamin’ny famorana nataon-tanan’olona fa tamin’ny famorana nataon’i Kristy, izany hoe famorana manaisotra ny herin’ny maha olona mpanota; 12fa tamin’ny nanaovana batisa anareo, dia niara-nilevina tamin’i Kristy ianareo ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin’ilay Andriamanitra nanangana Azy ho velona avy tany amin’ny maty. 13Maty ara-panahy ianareo fahiny noho ny fahadisoanareo ary noho ianareo tsy voafora tamin’ny maha olona mpanota; ankehitriny kosa, dia novelomin’Andriamanitra niaraka amin’i Kristy ianareo, rehefa navelany avokoa ny fahadisoantsika. 14Novonoiny ny sora-tanana namely antsika, dia ilay nirakitra ny didy niampanga antsika; ary mova tsy nofantsihany teo amin’ny hazofijaliana izany sora-tanana izany ka nofoanany tsy hanan-kery intsony. 15Koa ny hazofijaliana no nandravan’i Kristy ny herin’ny fanapahana sy fahefana; dia nataony babo ireo ka nanjohy ny matsom-pandreseny ary nasehony miharihary ho fizàhan’ny olona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12