dimanche 30 septembre 2012

Alahady 30 Septambra 2012 - Rom 12 : 9 - 13

9 Aoka ny fitiavana tsy hisy fihatsarambelatsihy. Mankahala ny ratsy; mifikira amin'ny tsara. 10 Mifankatiava toy ny mpiray tampo; miezaha amin'ny fifanajana. 11 Mazotoa fa aza malaina. 12 Aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. 13 Mifalia amin'ny fanantenana, mandraisa anjara amin'ny fanampiana ireo sahirana amin'ny samy vahoakan'Andriamanitra; mazotoa mandray vahiny.

samedi 29 septembre 2012

Sabotsy 29 Septambra 2012 - Oha 11 : 8 - 10

8. Ny olo-marina dia afahana amin'ny tebiteby; fa ny olon-dratsy kosa no hiditra hisolo azy ao. 9. Ny mpanda an'Andriamanitra dia manimba namana amin'ny teniny; fa ny fahalalana kosa no hanafahana ny olo-marina. 10. Mifaly amin'ny fahombiazan'ny olo-marina ny tanana, ary velom-pihobiana amin'ny fahafatesan'ny olon-dratsy.

vendredi 28 septembre 2012

Zoma 28 Septambra 2012 - Apo 3 : 7 - 11

7 Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha. 8 Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nanda Ahy. 9 Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'i Satana: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10 Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

jeudi 27 septembre 2012

Alakamisy 27 Septambra 2012 - Gal 2 : 11 - 21


11 Kanefa nony tonga tany Antiokia i Petera, dia notoheriko ampahibemaso satria tsy mety ny nataony. 12 Fa talohan'ny nahatongavan'ireo olona vitsivitsy naman'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny mpino hafa firenena i Petera. Saingy nony tonga ireo, dia nihataka i Petera ka niala tamin'ny hafa firenena, noho izy natahotra ireo anisan'ny voafora. 13 Ary ireo Jiosy mpino sasany dia niara-nihatsaravelatsihy tamin'i Petera, ka i Barnaba avy aza no voataonan'ny fihatsarambelatsihin-dry zareo. 14 Kanefa nony hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny Vaovao Mahafaly marim-pototra izy ireo, dia hoy aho tamin'i Petera teo anatrehan'ny olona rehetra: Raha ianao Jiosy aza miaina araka ny fanaon'ny hafa firenena fa tsy araka ny fanaon'ny Jiosy, ahoana no anerenao ny hafa firenena hanaraka ny fanaon'ny Jiosy? 15 Ary hoy aho aminareo: Jiosy ara-pirazanana izahay, fa tsy mba mpanota avy amin'ny hafa firenena. 16 Saingy fantatray fa ny olombelona dia ankatoavin'Andriamanitra ho marina, tsy avy amin'ny fanatanterahana ny lalana fa noho ny finoana niainan'i Jesoa Kristy. Izany no nahatonga anay hino an'i Kristy Jesoa mba hankatoavan'Andriamanitra anay ho marina, noho ny finoana niainan'i Kristy fa tsy avy amin'ny fanatanterahana ny lalana. 17 Raha mitady hiray amin'i Kristy izahay mba hankatoavin'Andriamanitra ho marina, dia hita fa mpanota koa izahay, kanefa mpanompon'ny fahotana ve i Kristy? Sanatria! 18 Raha ny zavatra efa noravako manko no ajoroko indray, dia asehoko miharihary ny maha pandika lalana ahy. 19 Fa izaho, dia tamin'ny alalan'ny lalana no nahafatesako raha ny amin'ny lalana mba hahavelomako ho an'Andriamanitra. Niara-nohomboana tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana aho; 20 ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin'ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin'ny finoana niainan'ilay Zanak'Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy: 21 tsy ataoko very maina ny fahasoavan'Andriamanitra! Eny, raha ny lalana no mahatonga ho marina eo imason'Andriamanitra, dia maty tsy amin'antony i Kristy.

mercredi 26 septembre 2012

Alarobia 26 Septambra 2012 - Lio 13 : 10 - 17

10 Nampianatra tao amin'izay sinagoga izay i Jesoa indray sabata. 11 Nisy vehivavy anankiray teo, azon'ny fanahy ratsy mahafarofy nandritra ny 18 taona ka nanjoko tsy nahatraka mihitsy. 12 Niantso azy i Jesoa nony nahita azy, ka nanao taminy hoe: Ramatoa, afaka amin'ny rofinao ianao! 13 Dia nametrahan'i Jesoa tanana ravehivavy ary nitraka niaraka tamin'izay ka nanome voninahitra an'Andriamanitra. 14 Tezitra ny lehiben'ny sinagoga satria andro sabata no nanaovan'i Jesoa fanasitranana. Nandray fitenenana ny lehiben'ny sinagoga ary nilaza tamin'ny vahoaka hoe: Andro enina no tokony hiasana; ka mandritra ireo andro ireo ianareo no tongava hositranina, fa tsy amin'ny andro sabata! 15 Fa hoy ny navalin'ny Tompo azy: Mpihatsaravelatsihy raha ianareo! Amin'ny andro sabata, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona avy ianareo ka mitondra azy hisotro rano? 16 Koa ity vehivavy taranak'i Abrahama ity, 18 taona ngarangidina no voafatotr'i Satana, moa tsy tokony ho amin'ny andro sabata indrindra ve no hamahàna fatorana azy? 17 Nangaihay izay rehetra mpanohitra an'i Jesoa noho izany valin-teniny izany, fa ny vahoaka manontolo kosa niravoravo noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

mardi 25 septembre 2012

Talata 25 Septambra 2012 - Mat 15 : 1 - 9

1 Tamin'izay dia nisy Farisianina sy mpahay lalana avy tany Jerosalema, nanatona an'i Jesoa ary nanontany Azy hoe: 2 Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fomba amam-panao nampitain'ny razantsika? Tsy mba manasa tanana araka ny fomba ara-pivavahana manko ny mpianatrao raha hihinan-kanina! 3 Dia novalian'i Jesoa hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra mba hifikiranareo amin'ny fomba amam-panaonareo? 4 Fa hoy Andriamanitra hoe: Hajao ny rainao sy ny reninao, ary koa hoe: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia aoka hovonoin-ko faty. 5 Ianareo kosa manao hoe: Na iza na iza hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa nataoko fanatitra ho an'Andriamanitra ny zavatra tokony hanasoavako anao, 6 dia tsy mahazo manolotra mari-panajana ho an'ny rainy na ny reniny intsony. Koa ny fomba amam-panaonareo no nanafoananareo ny tenin'Andriamanitra. 7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina tokoa ny naminanian'i Isaia anareo hoe: 8 Ity vahoaka ity, hoy Andriamanitra, tendro-molotra no anajany Ahy fa ny fony kosa lavitra Ahy mihitsy; 9 ka poaka aty ny fivavahana ataony amiko, satria didin'olombelona no ambarany ho fampianarako.

lundi 24 septembre 2012

Alatsinainy 24 Septambra 2012 - II Tim 1 : 1 - 5

1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra mba hitory ny fiainana nampanantenaina izay ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2 Mamangy anao aho, ry Timoty zanako malala. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Tompontsika! 3 Velom-pisaorana an'Andriamanitra aho, dia Andriamanitra Izay tompoiko amin'ny fieritreretana mahitsy toy ny nataon'ireo razako. Velom-pisaorana Azy aho rehefa mahatsiaro anao tsy tapaka amin'ny fivavahana ataoko andro aman'alina. 4 Tsaroako ny ranomasonao, ka tsy andriko mihitsy ny hahitako anao mba ho safononoka ny hafaliako. 5 Tsahiviko ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, dia ilay finoana efa nananan'i Loisa renibenao sy i Eonika reninao talohanao. Azoko antoka fa anananao koa izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12