mardi 31 mai 2016

Talata 31 May 2016 - I Sam 10 : 9 - 13

9Raha vao nihodina i Saoly ka dify an'i Samoela, dia novan'Andriamanitra fo, ary tanteraka taminy androtrizay ihany ireo zavatra rehetra voalazan'i Samoela. 10Koa rehefa tonga tany Gibehà i Saoly sy ny mpanompony, dia indreo andiana mpaminany nifanena taminy; dia nilatsahan'ny Fanahin'Andriamanitra i Saoly, ary niara-naminany tamin'izy ireo. 11Ary izay rehetra efa nahalala azy hatramin'izay, raha nahita azy tsindrian-daona miaraka amin'ny mpaminany, dia nifampanontany hoe: «Fa inona no nanjò ity zanakalahin'i Kisy? Lasa mpaminany koa angaha i Saoly?» 12Dia hoy koa ny iray tamin'izy ireo: «Fa mba iza no rain'ireto mpaminany hafa ireto'>?» Izany no nahatonga ilay ohabolana hoe: «Mba tonga anisan'ny mpaminany koa ve i Saoly?»

13Rehefa tony tsy naminany intsony i Saoly, dia nankeo amin'ny toeram-panasinana.

lundi 30 mai 2016

Alatsinainy 30 May 2016 - II Kor 3 : 1 - 6

1Manomboka midera tena indray ve izahay amin'izany?

Sa kosa toy ny sasany izahay ka mila taratasy filazàn-tsoa momba anay ho anareo na avy aminareo? 2Ianareo mihitsy no taratasinay, taratasy voasoratra ato am-ponay ka fantatry ny olona rehetra sady vakîny. 3Miharihary fa taratasy soratanan'i Kristy* ianareo, ary nampitondraina anay; kanefa tsy taratasy voasoratra tamina ranomainty fa tamin'ny alalan'ny Fanahin'ilay Andriamanitra velona, tsy taratasy voasokitra eo amina takela-bato fa ao am-pon'olombelona.

4Milaza izany izahay satria Andriamanitra no itokianay tokoa amin'ny alalan'i Kristy. 5Izahay dia tsy mihambo hanana fahaleovana hahahevitra asa toy izany avy amin'ny tenanay; fa avy amin'Andriamanitra ny fahaleovana ananany. 6Eny, Andriamanitra no anananay fahaleovana ho mpanompon'ny Fanekempihavanana Vaovao, dia ilay Fanekempihavanana tsy miankina amin'ny lalàna* voasoratra fa amin'ny Fanahy Masina. Mahafaty manko ny lalàna voasoratra fa ny Fanahy Masina no mahavelona

dimanche 29 mai 2016

Alahady 29 May 2016 - Mat 12 : 22 - 30

22Tamin'izay dia nisy lehilahy azon'ny demony nentina teo amin'i Jesoa. Jamba sy moana ralehilahy ka nositranin'i Jesoa ary dia niteny sy nahita. 23Talanjona ny vahoaka rehetra sady vaky vava hoe:
–Tsy ity ve ny Zanak'i Davida*?

24Nony nandre izany kosa ny Farisianina*, dia niteny hoe:
–Tsy misy androahan'ilay io ny demony, afa-tsy fahefana avy amin'i Belzeboba*, filohan'ny demony!

25Fantatr'i Jesoa anefa ny eritreritr'ireo Farisianina ka hoy Izy taminy:
–Ho rava izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na koa ankohonana miady an-trano. 26Raha i Satàna no mandroaka an'i Satàna, dia miady an-trano izy samy izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany? 27Ary raha fahefana avy amin'i Belzeboba no androahako ny demony, fahefana avy amin'iza kosa no androahan'ny mpomba anareo azy? Noho izany, ny mpomba anareo ihany no hanameloka anareo. 28Raha Izaho dia ny Fanahin'Andriamanitra mihitsy no androahako ny demony ary miharihary amin'izany fa efa tonga eo aminareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*.

29Hatao ahoana moa no fiditra an-tranon'ny olona matanjaka handroba ny fananany, raha tsy voafatotra aloha ilay olona matanjaka? Dia izay vao robaina ny ao an-tranony.

30Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia mampihahaka'>. 31Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan'Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan'ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an'Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka. 32Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak'olona* dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin'izao fiainana izao na amin'ny fiainan-ko avy.

samedi 28 mai 2016

Sabotsy 28 May 2016 - Nom 24 : 1 - 9

1Hitan'i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano* an'ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny. 2Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra izy, 3dia nanao izao tononkalo izao:

«Teny hentitr'i Balahama, zanakalahin'i Behôra,
teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery
4sady mandre ny tenin'Andriamanitra
no mahita izay asehon'ilay Tsitoha*,
rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy
ka tonga mahiratra fijery.

5«Akory ny hatsàran'ny lainareo,
ry taranak'i Jakôba;
endrey ny hasoan'ny fonenanareo,
ry vahoaka Israelita!
6Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny,
mandrobona tahaka ny zaridaina amoron'ny ony,
velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera
nambolen'ny TOMPO teo amoron'ny sakeli-drano,
7mitobaka toy ny rano avy amin'ny fanovozana
ka manondraka tsara ny saha voafafy.
Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita
ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.
8Nentin'Andriamanitra niala tany Ejipta
izany vahoaka izany,
ka manan-kery tsy hay tohaina
tahaka ny an'ny omby dia.
Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy,
ka manapatapaka ny taolany
sy mandoadoaka azy amin'ny zana-tsipîka.
9Mamita-mandry toy ny liona
na tahakan'ny bibidia masiaka izy,
koa zovy no sahy hanaitra azy?

«Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely,
ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»

vendredi 27 mai 2016

Zoma 27 May 2016 - II Pet 1 : 16 - 21

16Tsy angano tsara lahatra no narahinay, raha nampahafantatra anareo ny hery nampombana ny fiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany izahay. 17Eny, nahazo haja amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray i Jesoa, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin'Andriamanitra be voninahitra indrindra nanao hoe: «Ity no Zanako* Malalako; Izy no sitrako.» 18Renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka tamin'i Jesoa tany an-tendrombohitra masina izahay.

19Ary mafy orina kokoa ho antsika ny tenin'ireo mpaminanin*'Andriamanitra; ka tsara raha ifantohanareo izany toy ny ifantohanareo amin'ny jiro mamiratra anaty toerana maizimaizina, mandra-pahazàvan'ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro ao am-ponareo. 20Izao anefa voalohany indrindra no tsara ho fantatrareo: ny fivoaboasana ny teny faminaniana rehetra raketin'ny Soratra Masina* dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany '>; 21satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona, fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona izay nentanin'ny Fanahy Masina.

jeudi 26 mai 2016

Alakamisy 26 May 2016 - Asa 7 : 51 - 60

51Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo. 52Iza moa no mpaminany tsy nenjehin'ny razanareo? Novonoiny hatramin'ireo mpanambara ny hahatongavan'ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina. 53Nandray ny lalànan*'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny anjely ianareo, kanefa tsy nitandrina azy'>.

54Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin'ny Fitsarana ambony*, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin'i Stefàna. 55Feno Fanahy Masina kosa i Stefàna ka nibanjina ny lanitra, nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy i Jesoa teo ankavanan'Andriamanitra, 56ary niteny hoe:
–Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak'olona* mijoro eo ankavanan'Andriamanitra.

57Dia nihoraka ireo tao amin'ny Fitsarana ambony sady vao mainka nanentsin-tadîny. Ary indray niantoraka teny amin'i Stefàna izy rehetra, 58ka nitarika azy tany ivelan'ny tanàna sy nitora-bato azy. Ary ny vavolombelona dia nametra-damba teo an-tongotr'izay tovolahy antsoina hoe Saoly izay.

59Raha nitora-bato azy ny olona, i Stefàna kosa niantso ny Tompo nanao hoe:
–Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko!

60Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe:
–Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!

mercredi 25 mai 2016

Alarobia 25 May 2016 - Lio 2 : 21 - 32

21Tonga ny fotoana hamorana ilay zaza nony afaka herinandro; ary natao hoe Jesoa ny anarany, araka ilay nolazain'ny anjely* talohan'ny nahatorontoronina Azy.

22Tonga ny fotoana tsy maintsy anatanterahana ny fombam-pivavahana fidiovana ho an'i Maria sy i Jesoa zazakely, araka ny lalànan*'i Mosesy. Dia nentin'i Maria sy i Jôsefa tany Jerosalema ny zazakely mba hatolotra ny Tompo, 23satria voasoratra ao amin'ny lalànan'ny Tompo hoe: «Hatokana ho an'ny Tompo ny lahimatoa rehetra.» 24Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin'ny lalànan'ny Tompo ihany koa i Maria sy i Jôsefa, izany hoe fanatitra «domohina roa na voromahailala roa».
25Tao Jerosalema tamin'izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an'Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn'ny Fanahy Masina izy 26ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia* avy amin'ny Tompo. 27Nentin'ny Fanahy Masina hankao an-kianjan'ny tempoly* i Simehôna, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin'i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian'ny lalàna ny amin'ny zaza; 28dia nitrotro Azy i Simehôna sady velom-pisaorana an'Andriamanitra nanao hoe:

29–Tompo ô, alefaso amim-piadanana amin'izay
ity mpanomponao, araka ny teninao!
30Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao
31izay nomaninao ho an'ny firenena rehetra:
32dia fahazavana hampahalala Anao amin'ny hafa firenena
ary hanome voninahitra an'i Israely* vahoakanao.
Milaza teny faminaniana i Simehôna

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12