1Manomboka midera tena indray ve izahay amin'izany?
Sa kosa toy ny sasany izahay ka mila taratasy filazàn-tsoa momba anay ho anareo na avy aminareo? 2Ianareo mihitsy no taratasinay, taratasy voasoratra ato am-ponay ka fantatry ny olona rehetra sady vakîny. 3Miharihary fa taratasy soratanan'i Kristy* ianareo, ary nampitondraina anay; kanefa tsy taratasy voasoratra tamina ranomainty fa tamin'ny alalan'ny Fanahin'ilay Andriamanitra velona, tsy taratasy voasokitra eo amina takela-bato fa ao am-pon'olombelona.
4Milaza izany izahay satria Andriamanitra no itokianay tokoa amin'ny alalan'i Kristy. 5Izahay dia tsy mihambo hanana fahaleovana hahahevitra asa toy izany avy amin'ny tenanay; fa avy amin'Andriamanitra ny fahaleovana ananany. 6Eny, Andriamanitra no anananay fahaleovana ho mpanompon'ny Fanekempihavanana Vaovao, dia ilay Fanekempihavanana tsy miankina amin'ny lalàna* voasoratra fa amin'ny Fanahy Masina. Mahafaty manko ny lalàna voasoratra fa ny Fanahy Masina no mahavelona