8«Izao no lazain'ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray: 9Fantatro ny fahorianao sy ny fahantrànao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin'ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin'i Satàna*. 10Aza matahotra na inona na inona amin'izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly* efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.
11«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.
«Izay maharesy dia tsy hiharan-doza avy amin'ny fahafatesana faharoa.»
lundi 31 octobre 2016
dimanche 30 octobre 2016
Alahady 30 Oktobra 2016 - I Sam 2 : 35 - 36
35Avy eo Aho dia hifidy mpisorona iray mahatoky ho Ahy, mpisorona izay hiasa araka ny sitrapoko; ary homeko taranaka izy mba ho mpisorona mifandimby tsy an-kijanona, eo anatrehan'ny mpanjaka voahosotro. 36Ary izay sisa amin'ny fianakavianao dia handohalika eo anatrehan'ny mpisorona mba hahazo vola kely sy tapa-mofo, ka hanao aminy hoe: ‹Mba miangavy re, tompoko, omeo izay asa azoko anampiana ny mpisorona aho, mba sitrany ahay mofokely hohaniko›.»
samedi 29 octobre 2016
Sabotsy 29 Oktobra 2016 - Lio 16 : 9 - 13
9Ka hoy Aho aminareo mpianatro: ampiasao ny haren'izao tontolo izao hananan-kavana handray anareo any amin'ny fonenana mandrakizay, rehefa tonga ilay andro hamoizana ireny harena ireny. 10Izay mahatoky amin'ny zava-madinika, dia mahatoky koa amin'ny zava-dehibe; ary izay tsy marina amin'ny zava-madinika, dia tsy marina koa amin'ny zava-dehibe. 11Raha tsy azo itokiana amin'ny haren'izao tontolo izao ianareo, iza no hametraka aminareo ny tena harena; 12ary raha tsy azo itokiana amin'izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo ny fananana tena anareo?
13Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa: satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an'Andriamanitra no manompo ny harena.

vendredi 28 octobre 2016
Zoma 20 Oktobra 2016 - Lio 17 : 7 - 10
7–Aoka hatao hoe misy aminareo manana mpanompo, mpiasa tany na mpiandry biby fiompy. Raha mody avy any an-tsaha ve ilay mpanompo, dia hilazana hoe: «Avia faingana hisakafo»? 8Tsia, fa izao no hatao aminy: «Anamboary sakafo aho; ary misikîna hampihinana ahy mandritra ny isakafoanako. Aorian'izany vao hisakafo ianao.» 9Ary ankasitrahina ve ilay mpanompo, rehefa vitany izay nasaina hataony? Tsia! 10Torak'izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasain'Andriamanitra hatao, dia milazà hoe: «Mpanompo tsy mendrika sitraka izahay, fa izay nataonay dia adidinay rahateo!»
jeudi 27 octobre 2016
Alakamisy 27 Oktobra 2016 - II Tan 34 : 1 - 7
1Feno valo taona i Jôsià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema. 2Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Jôsià; ka narahiny ny toetran'i Davida razambeny, fa tsy mba nivily hiala tamin'izany izy.
3Tamin'ny taona fahavalo nanjakàny, fony i Jôsià mbola zatovolahy, no nanombohany nitady an'ilay Andriamanitr'i Davida razambeny; ary efatra taona taorian'izany kosa no nanombohany nanadio ny fanjakàn'i Joda sy ny tanànan'i Jerosalema mba tsy hisy toeram-panasinana* na tsatokazo fanajana an'i Aserà*, ary tsy hisy sarin-tsampy voasokitra na mivongana intsony. 4Noravana teo anatrehan'i Jôsià ny alitara*n'ireo andriamanitra Bahala*; nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra* teo amboniny; novakivakiny ny tsatokazo fanajana an'i Aserà mbamin'ireo sarin-tsampy voasokitra na mivongana; ary notorotoroiny ho lasan-ko vovoka izany rehetra izany ka nafafiny teny amin'ny fasan'ireo efa nanolotra sorona* tamin'ireny andriamani-tsiizy ireny. 5Nisy aza taolan'ny mpisorona* amin'ny sampy mihitsy no naroso hodorana teo amin'ny alitara fisoronany. Dia toy izany no nanadiovan*'i Jôsià ny fanjakàn'i Joda sy ny tanànan'i Jerosalema.
6Tany amin'ny tanàna manasita sy efraimita ary simehônita ka hatrany amin'ny tanàna naftalita mbamin'ny faritra manodidina azy avy 7dia noravan'i Jôsià koa ny alitara; nokapakapainy ny tsatokazo fanajana an'i Aserà ary ny sarin-tsampy voasokitra mba hotorotoroina ho lasan-ko vovoka. Nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra eran'ny tanin'i Israely manontolo; izay vao niverina ho any Jerosalema izy.

mercredi 26 octobre 2016
Alarobia 26 Oktobra 2016 - Sal 141 : 1 - 4
1 Salamo nataon'i Davida.
TOMPO ô, miantso Anao aho: faingàna ho eto amiko.
Mba henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.
2Ny fivavahako anie hisandratra eo anoloanao
toy ny eton'ny vovo-javamanitra*!
Ny fanandratako tanana anie
ho toy ny fanatitra hariva!
3TOMPO ô, asio mpiambina ny vavako;
arovy ny varavaran'ny molotro.
4Aza avela hirona amin'ny zava-dratsy ny foko.
Aoka aho tsy hiaraka amin'ny mpanao heloka
na hivarilavo amin'ny fanao tsy mety
na hihinana ny hanim-pin'ireo koa!

mardi 25 octobre 2016
Talata 25 Oktobra 2016 - Tit 2 : 6 - 10
6Anaro toy izany koa ny lehilahy tanora mba hahafehy tena. 7Amin'ny zavatra rehetra dia aoka ny tenanao ho ohatra amin'ny asa tsara; aoka ny fampianaranao ho madio sy maotina: 8teny tsy misy tomika sady tsy azo kianina ampiasaina, mba ho menatra ny mpanohitra anao, noho izy tsy hanan-kitenenan-dratsy antsika.
9Anaro koa ny mpanompo mba hanaiky ny tompony, ka hanao izay sitraky ny tompony amin'ny zavatra rehetra: tsy hamalivaly azy, 10tsy hangalatra ny zavany, fa haneho toetra mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin'ny zavatra rehetra ny fampianarana momba ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika.

Inscription à :
Articles (Atom)
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...