jeudi 27 octobre 2016

Alakamisy 27 Oktobra 2016 - II Tan 34 : 1 - 7

1Feno valo taona i Jôsià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema. 2Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Jôsià; ka narahiny ny toetran'i Davida razambeny, fa tsy mba nivily hiala tamin'izany izy.
3Tamin'ny taona fahavalo nanjakàny, fony i Jôsià mbola zatovolahy, no nanombohany nitady an'ilay Andriamanitr'i Davida razambeny; ary efatra taona taorian'izany kosa no nanombohany nanadio ny fanjakàn'i Joda sy ny tanànan'i Jerosalema mba tsy hisy toeram-panasinana* na tsatokazo fanajana an'i Aserà*, ary tsy hisy sarin-tsampy voasokitra na mivongana intsony. 4Noravana teo anatrehan'i Jôsià ny alitara*n'ireo andriamanitra Bahala*; nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra* teo amboniny; novakivakiny ny tsatokazo fanajana an'i Aserà mbamin'ireo sarin-tsampy voasokitra na mivongana; ary notorotoroiny ho lasan-ko vovoka izany rehetra izany ka nafafiny teny amin'ny fasan'ireo efa nanolotra sorona* tamin'ireny andriamani-tsiizy ireny. 5Nisy aza taolan'ny mpisorona* amin'ny sampy mihitsy no naroso hodorana teo amin'ny alitara fisoronany. Dia toy izany no nanadiovan*'i Jôsià ny fanjakàn'i Joda sy ny tanànan'i Jerosalema.

6Tany amin'ny tanàna manasita sy efraimita ary simehônita ka hatrany amin'ny tanàna naftalita mbamin'ny faritra manodidina azy avy 7dia noravan'i Jôsià koa ny alitara; nokapakapainy ny tsatokazo fanajana an'i Aserà ary ny sarin-tsampy voasokitra mba hotorotoroina ho lasan-ko vovoka. Nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra eran'ny tanin'i Israely manontolo; izay vao niverina ho any Jerosalema izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12