lundi 31 août 2020

Alatsinainy 31 Aogositra 2020 - Asa 21 : 10 - 14

 10Efa nitoetra tao andro maro izahay no nidina avy tany Jodea ny mpaminany anankiray, atao hoe Hagabo. 11Rehefa tonga teo aminay i Hagabo, dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly, ka nifatorany tongotra aman-tanana sady hoy izy hoe:

–Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, dia hafatotry ny Jiosy toy izao rehefa mby any Jerosalema ary hatolony eo an-tanan’ny hafa firenena.

12Nony nandre izany teny izany izahay sy ny havana iray finoana tao Kesaria, dia niangavy an’i Paoly tsy hiakatra any Jerosalema. 13Kanefa dia novaliany hoe:

–Nahoana no mitomany ianareo, ka mitady hanakivy ahy. Izaho dia tsy vonon-kifatotra ihany, fa vonon-ko faty koa any Jerosalema mba ho voninahitr’i Jesoa Tompo.

14Tsy naharesy lahatra azy izahay fa niala maina ka nilaza hoe:

–Hatao anie izay sitraky ny Tompo!

dimanche 30 août 2020

Alahady 30 Aogositra 2020 - Mar 10 : 32 - 34

 32Teny an-dalana miakatra ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany; ka i Jesoa no lohalalana, ary gaga ny mpianatra; ny olon-kafa tafara-dia tamin-dry zareo kosa raiki-tahotra. Dia nalain’i Jesoa ho eo aminy indray ny 12 lahy, ka nilazany an’izay madiva hanjo Azy:

33–Indro miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona dia hatolotra an’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna, hohelohiny ho faty; ry zareo kosa hanolotra azy amin’ny hafa firenena 34ka hoesoiny, hororany sy hokapohiny ary dia hovonoiny ho faty. Kanefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona Izy.

samedi 29 août 2020

Sabotsy 29 Aogositra 2020 - Job 2 : 1 - 10

 1Indray andro raha tonga nanao tatitra tamin’ny TOMPO ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tafaraka taminy teo koa i Satàna. 2Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna:

–Avy taiza moa ianao?

Dia namaly ny Tompo izy hoe:

–Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody tany aho.

3Hoy indray ny Tompo taminy:

–Efa nahita an’i Jôba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany: lehilahy tsy misy hokianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka mifady ny ratsy. Ary na dia nandrisika Ahy hamely azy tsy amin’antony aza ianao, dia mbola mahatoky ihany izy.

4Fa mbola namaly ny Tompo i Satàna ka nanao hoe:

–Hoditra solon’ny hoditra. Izay ananan’ny olona dia homeny hiarovany ny ainy. 5Fa ahinjiro aminy ange ny tananao ka kasiho ny taolany sy ny nofony e, raha tsy an-kitsirano izao no haniratsirany Anao!

6Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna:

–Indro eo am-pelatananao izy, ny ainy tokana ihany tsimbinina.

7Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna ka namely aretin-koditra mahatsiravina an’i Jôba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany. 8Dia nitombina teo an-davenona i Jôba ary naka vakim-bilany tany hihaorany.

9Ary hoy ny vadiny taminy:

–Mbola mikiry amin’ny fahamarinanao foana ve ianao? Lavy Andriamanitra, dia matesa any ianao!

10Dia hoy i Jôba namaly azy:

–Miteniteny foana tahaka ny vehivavy adala ianao. Raha ekentsika fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra tsara, nahoana no tsy ekentsika ny zavatra ratsy ho avy aminy?

Tamin’izany fitsapana azy izany, dia tsy mba nanota tamin’ny molony i Jôba na dia kely aza.

vendredi 28 août 2020

Zoma 28 Aogositra 2020 - II Tim 4 : 9 - 18

 9Ataovy mihitsy izay hahatongavanao faingana atỳ amiko. 10Fa i Damasy efa nandao ahy, satria mankamamy an’izao fiainana ankehitriny izao izy ka lasa nankany Tesalônika. I Kresensa dia lasa any Galatia ary i Tito any Dalmatia. 11I Lioka no hany eto amiko. Alao i Marka ary ento miaraka aminao, fa afaka manampy ahy amin’ny raharaha izy. 12Nirahiko ho any Efeso i Tisiko. 13Rehefa mankatỳ ianao, dia ento ilay akanjobe tavelako tao amin’i Karpo tany Trôasy; ento koa ireo bokiko, indrindra ireo boky hoditra. 14Raha i Aleksandra mpanefy varahina, dia betsaka ny ratsy nafitsony ahy; ny Tompo no hamely azy araka izay vitany. 15Mitandrema koa ianao aminy, fa notoheriny mafy tokoa ny teninay.

16Fony aho nandaha-teny hiarovako tena tamin’ny voalohany, dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa ny olona. Tsy hotanan’Andriamanitra ho hadisoany anie izany! 17Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan’ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan’ny liona aho. 18Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra afitsoka ahy ny Tompo ka hampandroso ahy soa aman-tsara ao amin’ny Fanjakàny any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.

jeudi 27 août 2020

Alakamisy 27 Aogositra 2020 - Mat 25 : 14 - 23

 14Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ny lehilahy handeha any an-tany hafa, ka niantso ny mpanompony ary nametraka ny fananany taminy. 15Koa ny anankiray dia nomeny denàry 30 000, ny anankiray denàry 12 000 ary ny anankiray denàry 6 000, samy araka izay fahaizany avy. Dia lasa ralehilahy tompom-pananana nandeha any an-tany hafa. 16Avy hatrany ilay nandray denàry 30 000 dia nampiasa izany ka nahazo tombony denàry 30 000. 17Toy izany koa no nataon’ilay nandray ny denàry 12 000 ka nahazo tombony denàry 12 000. 18Fa ilay nandray denàry 6 000 kosa dia lasa nihady tany ka nandevina ny volan’ny tompony.

19Nony ela, dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nampamoaka azy telo lahy ny amin’ny petra-bolany. 20Dia nanatona ilay nandray denàry 30 000 ka nanolotra denàry 30 000 hafa koa sady nilaza hoe: «Denàry 30 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denàry 30 000 hafa tombony aho.» 21Dia hoy ny tompony taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin’ny zava-madinika ianao ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao!» 22Dia nanatona koa ilay nandray denàry 12 000 ary nilaza hoe: «Denàry 12 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denàry 12 000 hafa tombony aho.» 23Dia hoy ny tompony taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin’ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao!»

mardi 25 août 2020

Talata 25 Aogositra 2020 - Lio 16 : 9 - 13

 9Ka hoy Aho aminareo mpianatro: ampiasao ny haren’izao tontolo izao hananan-kavana handray anareo any amin’ny fonenana mandrakizay, rehefa tonga ilay andro hamoizana ireny harena ireny. 10Izay mahatoky amin’ny zava-madinika, dia mahatoky koa amin’ny zava-dehibe; ary izay tsy marina amin’ny zava-madinika, dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe. 11Raha tsy azo itokiana amin’ny haren’izao tontolo izao ianareo, iza no hametraka aminareo ny tena harena; 12ary raha tsy azo itokiana amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo ny fananana tena anareo?

13Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa: satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an’Andriamanitra no manompo ny harena.

lundi 24 août 2020

Alatsinainy 24 Aogositra 2020 - Asa 7 : 51 - 60

 51Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo. 52Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina. 53Nandray ny lalànan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny anjely ianareo, kanefa tsy nitandrina azy.

54Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin’ny Fitsarana ambony, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin’i Stefàna. 55Feno Fanahy Masina kosa i Stefàna ka nibanjina ny lanitra, nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa teo ankavanan’Andriamanitra, 56ary niteny hoe:

–Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak’olona mijoro eo ankavanan’Andriamanitra.

57Dia nihoraka ireo tao amin’ny Fitsarana ambony sady vao mainka nanentsin-tadîny. Ary indray niantoraka teny amin’i Stefàna izy rehetra, 58ka nitarika azy tany ivelan’ny tanàna sy nitora-bato azy. Ary ny vavolombelona dia nametra-damba teo an-tongotr’izay tovolahy antsoina hoe Saoly izay. 59Raha nitora-bato azy ny olona, i Stefàna kosa niantso ny Tompo nanao hoe:

–Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko!

60Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe:

–Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12