1Indray andro raha tonga nanao tatitra tamin’ny TOMPO ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tafaraka taminy teo koa i Satàna. 2Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna:
–Avy taiza moa ianao?
Dia namaly ny Tompo izy hoe:
–Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody tany aho.
3Hoy indray ny Tompo taminy:
–Efa nahita an’i Jôba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany: lehilahy tsy misy hokianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka mifady ny ratsy. Ary na dia nandrisika Ahy hamely azy tsy amin’antony aza ianao, dia mbola mahatoky ihany izy.
4Fa mbola namaly ny Tompo i Satàna ka nanao hoe:
–Hoditra solon’ny hoditra. Izay ananan’ny olona dia homeny hiarovany ny ainy. 5Fa ahinjiro aminy ange ny tananao ka kasiho ny taolany sy ny nofony e, raha tsy an-kitsirano izao no haniratsirany Anao!
6Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna:
–Indro eo am-pelatananao izy, ny ainy tokana ihany tsimbinina.
7Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna ka namely aretin-koditra mahatsiravina an’i Jôba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany. 8Dia nitombina teo an-davenona i Jôba ary naka vakim-bilany tany hihaorany.
9Ary hoy ny vadiny taminy:
–Mbola mikiry amin’ny fahamarinanao foana ve ianao? Lavy Andriamanitra, dia matesa any ianao!
10Dia hoy i Jôba namaly azy:
–Miteniteny foana tahaka ny vehivavy adala ianao. Raha ekentsika fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra tsara, nahoana no tsy ekentsika ny zavatra ratsy ho avy aminy?
Tamin’izany fitsapana azy izany, dia tsy mba nanota tamin’ny molony i Jôba na dia kely aza.