dimanche 26 mars 2023

Alahady 26 Martsa 2023 - Zef 2 : 1 - 3

 1Mandiniha ka mieritrereta,

ry vahoaka lany henatra,

2dieny ianareo tsy mbola tonga toy ny akofa2.2 dieny tsy mbola tonga: araka ny dkt tranainy grika; ny rijan-teny hebreo kosa manao hoe dieny tsy mbola mihatra ny fanamelohana.

izay miely indray andro monja,

dieny tsy mbola mahazo anareo

ny afom-pahatezeran’ny TOMPO,

ary dieny tsy mbola tonga aminareo

ny andro hirehetan’izany.

3Mitadiava ny TOMPO ianareo rehetra,

ry mpanetry tena eto amin’ny tany

sady mpanatanteraka ny fitsipiny.

Manaova ny marina,

manetre tena eo anatrehan’ny TOMPO.

Angamba ho voatsimbina ihany ianareo

amin’ny androm-pahatezerany.

samedi 25 mars 2023

Sabotsy 25 Martsa 2023 - Rom 13 : 1 - 10

 1Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin’Andriamanitra avokoa. 2Koa izay manohitra ny fahefana dia mandà ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay mandà dia mihantsy fanamelohana ho an’ny tenany. 3Fa ny mpitondra dia tsy natao hampitahorana izay manao ny tsara, fa izay manao ny ratsy. Satrinao ve ny tsy hatahotra ny manampahefana? Manaova ny tsara, fa dera no ho azonao avy amin’ny manampahefana. 4Satria mpanompon’Andriamanitra natao hahasoa anao izy. Raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora azy; fa afaka mampihatra famaizana tokoa ny manampahefana, satria mpanompon’Andriamanitra natao haneho ny fahatezeran’Andriamanitra izy amin’ny fanasaziana ny mpanao ratsy. 5Noho izany, dia ilaina ny manaiky, tsy dia noho ny fahatezeran’Andriamanitra fotsiny fa noho ny baikon’ny fieritreretana koa.

6Izany ihany koa no antony andoavanareo hetra; fa ny mpiasam-panjakana miandraikitra izany dia mpandraharahan’Andriamanitra mitozo amin’io asa io. 7Aloavy amin’ny olona rehetra izay tokony haloha aminy avy: ny hetra amin’izay tokony handoavan-ketra, ny fadintseranana amin’izay tokony handoavam-padintseranana. Atahory izay tokony hatahorana; hajao izay tokony hohajaina13.7 And 6-7: ampit Mt 22.21; Mk 12.17; Lk 20.25..

8Aoka tsy hananan’olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalàna. 9Satria ny hoe «aza maka vadin’olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra», mbamin’ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin’ilay teny manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao13.9 Jereo Eks 20.13-17; Deot 5.17-21; Lev 19.18..» 10Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalàna.

vendredi 24 mars 2023

Zoma 24 Martsa 2023 - Mat 9 : 9 - 13

 9Raha niala teo i Jesoa, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy:

–Avia hiaraka amiko.

Dia nitsangana i Matio ka nandeha niaraka taminy. 10Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio9.10 Ny rijan-teny grika fototra dia milaza fotsiny hoe ny tranony; kanefa tokony ho ny tranon’i Matio fa tsy ny tranon’i Jesoa no ambara amin’izany. i Jesoa, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany. 11Nahita izany ny Farisianina ka nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe:

–Nahoana ny Mpampianatrareo no dia miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota9.11 Ampit ny and 10.11 sy Lk 15.1-2.?

12Fa hoy i Jesoa raha nandre izany:

–Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary. 13Ndeha mba ianaro ny hevitr’ilay tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ny hamindranareo fo amin’ny namana no sitrako, hoy Andriamanitra, fa tsy ny hanateranareo sorona9.13 Hôs 6.6..» Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota.

jeudi 23 mars 2023

Alakamisy 23 Martsa 2013 - II Mpa 24 : 1 - 6

 1Tamin’ny andro nanjakan’i Jôiakima no nidiran’i Nebôkadnetsara mpanjakan’i Babilôna ny tanin’i Joda24.1 Jereo Jer 25; Dan 1.1-2., ka dia voatery nanoa azy telo taona i Jôiakima. Taorian’izany kosa izy dia nikomy taminy. 2Tamin’izay i Jôiakima dia nandefasan’ny TOMPO andian-dahalo babilônianina sy andian-dahalo sirianina ary andian-dahalo môabita sy hamônita hamely ny tanin’i Joda ka nandrava azy araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminany. 3Baikon’ny TOMPO mihitsy no nahatonga ireny loza ireny tamin’ny fanjakan’i Joda mba hanesorany azy tsy ho hitan’ny masony noho ny fahotana rehetra nataon’i Manase mpanjaka, 4ary koa noho ireo olona maro tsy manan-tsiny izay novonoiny ho faty; nanenika faty an’i Jerosalema izy ka izany no tsy netezan’ny TOMPO hamela heloka24.4 Momba ny ratsy nataon’i Manase: jereo 21.10-16..

5Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôiakima ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda. 6Ary rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôiakima, dia i Jôiakina zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

mercredi 22 mars 2023

Alarobia 22 Martsa 2023 - I Tim 1 : 12 - 22

 12Velom-pisaorana an’i Kristy Jesoa Tompontsika aho, fa nomeny hery hahatontosako ny fanompoako. Velom-pisaorana Azy aho fa nataony mahatoky ka notendreny hanompo Azy, 13na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran’Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko1.13 Jereo Asa 8.3; 9.4-5.. 14Naidin’ny Tompontsika be dia be tamiko ny fahasoavany, mbamin’ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa. 15Azo antoka izao teny izao ka mendrika hankatoavin’ny olona rehetra: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa mba hamonjy ny mpanota; ary izaho no faraidiny amin’ireny. 16Kanefa izao no anton’ny namindran’Andriamanitra fo tamiko: tiany hasehon’i Kristy Jesoa ao amiko mpanota faraidiny ny fahari-pony rehetra mba ho ohatra ho an’izay hino Azy ka handray ny fiaina-maharitra mandrakizay. 17Ho an’ilay Mpanjaka mandrakizay, dia Andriamanitra tokana, tsy mety maty sady tsy hita maso, ho Azy anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.

18Ry Timôty zanako, izany fepetra izany no atolotro anao, araka ireo hafatr’Andriamanitra voalaza fahiny tamin’ny fanendrena anao. Raiso ireo ho fitaovam-piadiana amin’ny ady tsara, 19tano ny finoana ary manàna fieritreretana tsara. Fa misy olona nitsipaka ny feon’ny fieritreretany, ka nandrendrika ny finoany; 20anisan’ireny ry i Himeneo sy i Aleksandra izay natolotro an’i Satàna1.20 natolotro an’i Satàna: ampit 1Kôr 5.5 sy nta. –Himeneo: jereo 2 Tim 2.17. –Aleksandra: jereo 2 Tim 4.14. mba ho faizina tsy hanevateva an’Andriamanitra intsony.

mardi 21 mars 2023

Talata 21 Martsa 2023 - Jer 33 : 1 - 9

 1Fa raha mbola voatana teo an-kianjan’ny trano fiambenana i Jeremià, dia nisy indray tenin’ny TOMPO fanindroany taminy nanao hoe:

2«Izao no lazain’ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO: 3Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao. 4-5Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia milaza ny amin’ireo trano eto an-tanàna sy ny lapan’ny mpanjakan’i Joda fa rava avokoa ireo. Ny amin’ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny hanoherana ny Babilônianina fa hahafeno faty eto an-tanàna izany noho ny olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana rehetra nataon’ny mponin’i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny tanànany.

6«Kanefa indro Aho hitsabo an’i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary hasehoko mitafotafo amin’ny mponina indray ny fiadanana sy ny filaminana. 7Haveriko amin’ny laoniny indray i Joda sy i Israely ka hareniko ho tahaka ny fahiny. 8Hodioviko ho afaka amin’ny heloka rehetra izay nataony tamiko izy; eny, havelako ny heloka rehetra izay nikomiany tamiko. 9Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran’i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason’ny firenen-kafa rehetra ambonin’ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin’i Jerosalema, ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy.»

lundi 20 mars 2023

Alatsinainy 20 Martsa 2023 - Mat 5 : 1 - 10

 1Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin’ny mpianany. 2Dia niteny i Jesoa ka nampianatra azy rehetra hoe:

3–Sambatra izay miaiky ao am-po ho mahantra,

fa azy ny Fanjakàn’ny lanitra!

4Sambatra izay mitomany,

fa izy no hampiononin’Andriamanitra!

5Sambatra izay malemy fanahy,

fa izy no handova ny tany

nampanantenain’Andriamanitra!

6Sambatra izay maniry mafy hanao ny marina

nosoritan’Andriamanitra,

fa izy no homen’Andriamanitra fahafaham-po!

7Sambatra izay mamindra fo,

fa izy no hamindran’Andriamanitra fo!

8Sambatra izay mahitsy fo,

fa izy no hahita an’Andriamanitra!

9Sambatra izay mpampihavana,

fa izy no hantsoin’Andriamanitra hoe zanany!

10Sambatra izay enjehina noho izy manao ny marina

nosoritan’Andriamanitra,

fa azy ny Fanjakàn’ny lanitra!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12