1Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin’Andriamanitra avokoa. 2Koa izay manohitra ny fahefana dia mandà ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay mandà dia mihantsy fanamelohana ho an’ny tenany. 3Fa ny mpitondra dia tsy natao hampitahorana izay manao ny tsara, fa izay manao ny ratsy. Satrinao ve ny tsy hatahotra ny manampahefana? Manaova ny tsara, fa dera no ho azonao avy amin’ny manampahefana. 4Satria mpanompon’Andriamanitra natao hahasoa anao izy. Raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora azy; fa afaka mampihatra famaizana tokoa ny manampahefana, satria mpanompon’Andriamanitra natao haneho ny fahatezeran’Andriamanitra izy amin’ny fanasaziana ny mpanao ratsy. 5Noho izany, dia ilaina ny manaiky, tsy dia noho ny fahatezeran’Andriamanitra fotsiny fa noho ny baikon’ny fieritreretana koa.
6Izany ihany koa no antony andoavanareo hetra; fa ny mpiasam-panjakana miandraikitra izany dia mpandraharahan’Andriamanitra mitozo amin’io asa io. 7Aloavy amin’ny olona rehetra izay tokony haloha aminy avy: ny hetra amin’izay tokony handoavan-ketra, ny fadintseranana amin’izay tokony handoavam-padintseranana. Atahory izay tokony hatahorana; hajao izay tokony hohajaina13.7 And 6-7: ampit Mt 22.21; Mk 12.17; Lk 20.25..
8Aoka tsy hananan’olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalàna. 9Satria ny hoe «aza maka vadin’olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra», mbamin’ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin’ilay teny manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao13.9 Jereo Eks 20.13-17; Deot 5.17-21; Lev 19.18..» 10Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalàna.