vendredi 28 juin 2013
Zoma 28 Jona 2013 - Rom 13 : 1 - 5
1Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin'Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin'Andriamanitra avokoa. 2Koa izay manohitra ny fahefana dia mandà ny fandaharan'Andriamanitra; ary izay mandà dia mihantsy fanamelohana ho an'ny tenany. 3Fa ny mpitondra dia tsy natao hampitahorana izay manao ny tsara, fa izay manao ny ratsy. Satrinao ve ny tsy hatahotra ny manampahefana? Manaova ny tsara, fa dera no ho azonao avy amin'ny manampahefana. 4Satria mpanompon'Andriamanitra natao hahasoa anao izy. Raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora azy; fa afaka mampihatra famaizana tokoa ny manampahefana, satria mpanompon'Andriamanitra natao haneho ny fahatezeran'Andriamanitra* izy amin'ny fanasaziana ny mpanao ratsy. 5Noho izany, dia ilaina ny manaiky, tsy dia noho ny fahatezeran'Andriamanitra fotsiny fa noho ny baikon'ny fieritreretana koa.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...