mardi 20 août 2013

Talata 20 Aogositra 2013 - Fil 4 : 10 - 19

10Nahatsapa hafaliana lehibe tao amin'ny Tompo aho, satria nasehonareo indray ny fiahianareo ahy. Nitohy hatrany ny fiahianareo ahy, saingy tsy mbola nisy fotoana hanehoanareo izany. 11Tsy noho izaho sahirana no itenenako toy izao, fa efa nianatra ny hianina amin'izay ananako aho. 12Haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianarako ny hianina na aiza na aiza ary na amin'inona na amin'inona, na voky aho na noana, na manam-be aho na sahirana. 13Afaka miatrika izany rehetra izany aho, noho i Kristy* manome hery ahy. 14Kanefa soa izao nataonareo izao: niombom-pahoriana tamiko ianareo ka nanampy ahy. 15Fantatrareo koa, ry Filipianina, fa nony niala tany Masedônia aho, tamin'ny fotoana niandohan'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly*, dia ianareo no hany Fiangonana nanampy ahy ka nanana kaontin'ny miditra sy mivoaka nifanaovana tamiko. 16Fony aho mbola tany Tesalônika, dia efa indray mandeha amana indroa no nandefasanareo izay nilaiko. 17Tsy hoe mitady fanomezana aho no milaza izany, fa mitady ny vokatra hiavosa ao amin'ny kaontin'ny miditra ho anareo. 18Eny, manana ny zavatra rehetra ilaiko aho izao sady manana amby ampy; efa voaraiko tamin'i Epafrôdito ny fanomezana avy aminareo, ka heni-tsoa mitafotafo aho. Izany fanomezanareo izany dia toy ny zava-manitra mamerovero atao sorona ka raisin'Andriamanitra sady ankasitrahiny. 19Fa Andriamanitro kosa hanome mitafotafo izay rehetra ilainareo araka ny harena heni-boninahitra atolony ao amin'i Kristy Jesoa.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12