24Ary hoy koa i Jesoa taminy:
–Diniho izao teny renareo izao: izay famarana amaranareo ihany no hamaran'Andriamanitra ho anareo koa, ary hasiany fanampiny aza ny anareo. 25Satria izay manana no homena; ary izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy.
26Hoy koa i Jesoa:
–Ny Fanjakàn'Andriamanitra* dia tahaka ny amin'ity olona namafy voa amin'ny tany; 27fa na matory izy ny alina, na mahatsiaro izy ny antoandro, dia mitsimoka sy mitombo ny voa amin'ny fomba tsy fantany akory. 28Fa mamokatra fotsiny amin'izao ny tany: tahony aloha, dia salohiny maitso, ary farany dia voany matoy eny amin'ny salohiny. 29Ary raha vao azo jinjaina, dia jinjain'ilay olona fa tonga ny fotoana fijinjana.
30Dia hoy koa i Jesoa hoe:
–Inona no hampitahantsika ny Fanjakàn'Andriamanitra* sa fanoharana* inona no hoentintsika manazava azy? 31Tahaka ny voan-tsinapy*, ka raha ilay afafy amin'ny tany iny, dia madinika indrindra izy amin'ny voa famafy rehetra etỳ ambonin'ny tany; 32saingy rehefa voafafy, dia mitombo, ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, sady misy rantsana vaventy ahafahan'ny voro-manidina manao akany honenana.
33Dia fanoharana* maro tahatahaka izany no nanambaràn'i Jesoa ny tenin'Andriamanitra tamin'ny olona, araka izay mety ho takatry ny sain'ny mpihaino. 34Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin'ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin'ireo mpianany ny zava-drehetra.