mercredi 4 décembre 2013

Alarobia 04 Desambra 2013 - Mat 24 : 1 - 14

1Dia niala teo an-kianjan'ny tempoly* i Jesoa ka lasa nandeha; fa nanatona Azy kosa ny mpianany* hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly*.  

2Ary niteny i Jesoa nanao tamin'ny mpianany hoe:
–Hitanareo moa ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana!

3Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Analanôliva i Jesoa; dia nanatona Azy manokana ireo mpianany* ka nanao hoe:
–Lazao aminay izay fotoana hahatongavan'izany ary izay hamantarana ny fiavianao sy ny fiafaran'izao tontolo izao.
 
4Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo. 5Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: «Izaho no ilay Mesia*»; ary maro ny olona ho voafitany. 6Handre ady sy filazana ady ianareo, koa fadio izay hatahotra; eny, tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no farany. 7Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny toerana samihafa. 8Izany rehetra izany no toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.
 
9Amin'izany andro izany, dia hatolotry ny olona ianareo hampijalîna sy hovonoina; ary ho halan'ny firenen-drehetra ianareo, satria miandany amiko. 10Amin'izany andro izany koa, dia maro ny olona ho voatarika amin'ny ratsy ka hifampiampanga sy hifankahala. 11Betsaka ireo mpisandoka ho mpaminany* no hijoro, ka hamitaka olona maro. 12Ary dia hihanaka tokoa ny ratsy ka hihamangatsiaka ny fitiavana an'Andriamanitra ao am-pon'ny maro; 13Kanefa izay maharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. 14Ary dia hatao antso avo eran'izao tontolo izao ity Vaovao Mahafaly* momba ny Fanjakàn'Andriamanitra* ity, mba ho vavolombelona amin'ny firenen-drehetra; izay vao ho tonga ny farany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12