dimanche 15 juin 2014

Alahady 15 Jona 2014 - Mpi 15 : 9 - 20

9Ary niakatra ny Filistinina ka nitoby tany Joda, ary nitandahatra hamely ny tanàna Lehỳ. 10Dia nanontany azy ny vatan-dehilahy tao Joda hoe:
–Nahoana no niakatra hanafika anay ianareo?

Fa novalian'ireo hoe:
–Mba hamatotra an'i Samsôna ka hanao aminy araka izay nataony taminay.

11Dia nandeha nankany amin'ny tsefatsefak'ilay harambato tao Hetama ny vatan-dehilahy andiany telo tamin'ny fokon'i Joda ka niteny tamin'i Samsôna hoe:
–Moa tsy fantatrao ve fa ny Filistinina no manjaka amintsika? Koa inona izao nataonao taminay izao?

Dia novaliany hoe:
–Araka izay nataony tamiko no nataoko taminy.

12Fa hoy kosa ireo hoe:
–Tonga izahay mba hamatotra anao ary hanolotra anao amin'ny Filistinina.

Ka hoy i Samsôna taminy:
–Mianiàna amiko àry fa tsy hamono ahy ianareo.

13Dia namaly azy indray ireo hoe:
–Tsy manam-pikasana hamono anao izahay fa ny hamatotra anao fotsiny mba hatolotray ny Filistinina.
Dia nafatotr'ireo tamin'ny mahazaka roa vaovao i Samsôna ary nentiny niala tao an-dava-bato. 14Ary nony tonga tao Lehỳ izy, dia nitsena azy tamin'ny horakora-pandresena ny Filistinina. Tamin'izay kosa no nilatsaka tamin'i Samsôna ny Fanahin'ny TOMPO, ka nivaha mora foana toy ny tady rongony main'ny afo ireo tady mahazaka namatorana ny sandriny sy ny tanany. 15Nahita valanoranom-boriky iray vao novonoina i Samsôna; ary noraisiny izany ka namonoany ho faty arivo lahy tamin'ny Filistinina. 1

6Dia hoy i Samsôna hoe:
–Valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy, valanoranom-boriky no nampivangongoako ireo faty.
17Rehefa izany, dia natsipiny terỳ ilay valanoranom-boriky teny an-tanany; izany no niantsoana io toerana io hoe Ramata-Lehỳ na Havoanan'ny Valanorano.

 18Ary nahatsiaro nangetaheta mafy i Samsôna ka niantso vonjy tamin'ny TOMPO nanao hoe:
–Ianao no nanome ahy izao fandresena lehibe izao; koa ankehitriny ve dia havelanao ho fatin-ketaheta aho, ka ho latsaka eo an-tanan'ireo tsy mifora* ireo?

19Dia notresahin'Andriamanitra ny vatolampy holoka tao Lehỳ ka nampiboiboika rano; dia nisotro i Samsôna ka nody indray ny heriny. Izany loharano izany dia nantsoina hoe Haîna-Kôrà na loharanon'ilay niantso vonjy, ary mbola ao mandraka androany. 20I Samsôna no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona tamin'ny andron'ny Filistinina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12