mercredi 18 juin 2014

Alarobia 18 Jona 2014 - Lio 8 : 26 - 37

26Dia nitody teny amin'ny faritanin'i Gergesà tandrifin'i Galilea ry i Jesoa sy ny mpianany. 27Vao niala tao an-tsambokely hankeo an-tanety i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray avy ao an-tanàna nitsena Azy. Azon'ny demony* ralehilahy ka hatry ny ela no manary lamba, sady tsy mahapetraka an-trano fa nonina teny amin'ny fasana. 28Vao nahatazana an'i Jesoa izy, dia nikiakiaka sady niankohoka teo anatrehany no niteny tamin'ny feo mahery hoe:
–Fa hataonao inona aho, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra avo indrindra? Mihanta aminao aho, aza dia ampijalîna re!

29I Jesoa manko efa nandidy ny fanahy maloto hiala tamin-dralehilahy. Efa imbetsaka io fanahy maloto io no namely azy; fatorana gadra tongotra aman-tanana izy no ambenana, kanefa manapaka fatorana ihany ary entin'ny demony miriorio any an-taniefitra. 30Dia hoy i Jesoa nanontany an-dralehilahy:
–Iza no anaranao?

Ka novaliany hoe:
–Tafika no anarako.

31Fa maro tokoa ny demony tafiditra tao amin'ilay olona. Dia niangavy tamin'i Jesoa ireo demony mba tsy hodidiany hivarina any anaty hantsana*. 32Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nandrasana teo amin'ny kisolosolon'ny havoana. Koa niangavy tamin'i Jesoa ny demony mba havelany hiditra amin'ireo kisoa ireo, ary nekeny ny fangatahany. 33Rehefa niala tamin-dralehilahy ny demony, dia niditra tamin'ny kisoa; ary nirifatra ny andian-kisoa ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy, dia maty tao. 34Vao nahita ny zava-niseho ireo mpiandry kisoa, dia nandositra ary nilaza ny vaovao tao an-tanàna sy teny ambanivohitra. 35Dia lasa ny olona hijery ny zava-niseho; ka nony tonga teo akaikin'i Jesoa, dia nihoron-koditra nahita an-dralehilahy nialan'ny demony, mipetraka tsara eo an-tongotr'i Jesoa, mitafy lamba sady ary saina. 36Ry zareo nanatri-maso kosa nitantara tamin'ireo vao tonga ny nahasitranan'ilay azon'ny demony. 37Raiki-tahotra mafy ny mponina rehetra, ka dia nangataka an'i Jesoa mba hiala teo amin'ny faritanin'i Gergesà. Dia niondrana an-tsambokely Izy ndeha hiverina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12