dimanche 5 octobre 2014

Alahady 05 Oktobra 2014 - I Sam 1 : 9 - 20

 9Indray andro, tao Silao, rehefa tapi-nisakafo ny olona, dia nitsangana i Hanà fa i Helỳ mpisorona kosa nipetraka teo an-tokonam-baravaran'ny TOMPO. 10Nalahelo mafy i Hanà, ka sady nigogogogo nitomany no nanao tamin'ny Tompo izao vavaka 11sy voady izao: «Ry TOMPOn'izao rehetra izao ô, mba jereo tokoa ny alaheloko ka tsarovy fa aza hadinoina; raha mba omenao zanakalahy anankiray aho, dia hatolotro ho ANAO kosa izy amin'ny androny rehetra; ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.» 12Raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan'ny TOMPO i Hanà, dia nodinihin'i Helỳ ny vavany;

13nivavaka am-po izy, ka ny molony ihany no hita mihetsiketsika, fa tsy re akory izay feony. I Helỳ kosa efa nihevitra azy ho mamo, 14ka nanao taminy hoe:
–Mbola haharitra ve ny fahamamoanao? Ndeha ampisindao aloha izany!

15Dia novalian'i Hanà hoe:
–Tsia, tompoko, tsy mamo aho. Malahelo fotsiny aho fa tsy nisotro divay na zava-pisotro mahamamo hafa akory. Mamboraka ny ato am-poko eto anatrehan'ny TOMPO aho. 16Aza heverinao ho toy ny vehivavy ratsy fanahy aho; fa raha nivavaka ela aho, dia satria efa tsy tantiko intsony ny alahelom-poko sy ny fahoriam-panahiko.

17Dia hoy i Helỳ hoe:
–Mandehana amim-piadanana, ary homen'ilay Andriamanitr'i Israely anao anie izay nangatahinao taminy!

18Ary niteny indray i Hanà hoe:
–Ho tsara fo amiko hatrany anie ianao!
Dia lasa i Hanà ary nihinan-kanina, ka mirana endrika tsy toy ny teo aloha. 19Ny ampitso vao maraina, rehefa avy nivavaka tamin'ny TOMPO i Elkanà sy ny fianakaviany, dia nody tany Ramà.

Ary i Elkanà niray tamin'i Hanà vadiny, ary nohenoin'ny TOMPO ny vavaka nataon-dravehivavy. 20Dia bevohòka i Hanà, ka tera-dahy, sady loa-bava hoe:
–Ny anarany dia hataoko hoe Samoela, satria nangatahiko tamin'ny TOMPO izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12