lundi 20 octobre 2014

Alatsinainy 20 Oktobra 2014 - I Mpa 11 : 29 - 39

29Indray andro raha nivoaka an'i Jerosalema i Jerôbohama, dia tafahaona tamin'i Ahià mpaminany* avy any Silao teny an-dalana. Nitafy lamba vaovao i Ahià, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha. 30Dia noraisin'i Ahià ny lamba vaovao teny aminy ka notriatriariny ho tonga tapany 12;

31ary hoy izy tamin'i Jerôbohama:
–Raiso ho anao ny tapany folo, fa izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Indro efa hoendahako eo an-tanan'i Salômôna ny fanjakana ka homeko anao ny foko folo, 32fa ny foko iray ihany sisa no havelako ho azy noho ny amin'i Davida mpanompoko sy i Jerosalema tanàna nofidiko tamin'ny foko israelita rehetra. 33Hataoko izany satria efa nandao Ahy ireo ka niankohoka teo anatrehan'i Hastôreta* andriamani-bavin'ny Tsidônianina, sy teo anatrehan'i Kemôsy andriamanitry ny Môabita, ary teo anatrehan'i Milkôma andriamanitry ny Hamônita; fa tsy mba ny sori-dalako no nizorany hanaovana izay mahitsy eo imasoko ary hitandremana ny lalàna amam-pitsipiko tahaka ny nataon'i Davida rain'i Salômôna. 34Nefa tsy hoesoriko eo an-tanan'i Salômôna izany fanjakana manontolo izany fa efa nataoko ho filohan'ny vahoakako amin'ny andro rehetra iainany izy noho ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko sady nitandrina ny didy aman-dalànako. 35Saingy hoesoriko eo an-tanan-janany kosa ny fanjakana, ka homeko anao ny foko folo. 36Homeko foko iray ihany ny zanakalahiny mba hisy mandrakariva, ho an'i Davida mpanompoko, taranaka iray hanjaka eo anatrehako any Jerosalema izay tanàna nofidiko hampitoerako ny voninahitro.

37«Ianao kosa, ry Jerôbohama, no halaiko hanjaka amin'izay sehatra rehetra irinao ka ho mpanjaka amin'i Israely. 38Raha henoinao izay rehetra andidiako anao ka izoranao ny sori-dalako ary ataonao izay mahitsy eo imasoko sady tandremanao ny lalànako sy ny didiko tahaka ny nataon'i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ka hampiorina taranaka maharitra ho anao tahaka izay nataoko tamin'i Davida; ary dia homeko anao i Israely, 39mba hampietreko ny taranak'i Davida –nefa tsy ho mandrakizay akory izany.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12