jeudi 21 avril 2016
Alakamisy 21 Aprily 2016 - Jao 8 : 1 - 11
1Fa i Jesoa kosa lasa nankeny amin'ny tendrombohitra Analanôliva. 2Ny ampitso maraina be, dia niverina tao an-kianjan'ny tempoly* Izy; ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra, ka nipetraka Izy nampianatra azy ireo. 3Nisy kosa vehivavy anankiray, azo nanitsakitsa-bady. Nentin'ny mpahay lalàna* sy ny Farisianina* ravehivavy, ka narosony teo anoloan'ny olona; 4dia hoy ry zareo tamin'i Jesoa;
–Mpampianatra ô, azo nanitsakitsa-bady ity vehivavy ity. 5Ary i Mosesy, ao amin'ny lalàna*, dia nandidy anay hitora-bato ny vehivavy toy izany; fa Ianao kosa mba ahoana?
6Nolazain'ireo izany hamandrihana Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratsoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tanany. 7Ry zareo amin'izany mbola manontany Azy ihany; ka nitraka Izy ary niteny tamin'ireo hoe:
–Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany!
8Dia niondrika indray i Jesoa, ka nanoratsoratra teo amin'ny tany. 9Fa ry zareo kosa, nony nandre izany, dia niala teo tsirairay nanomboka hatramin'ny zokinjokiny; ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo anoloan'ny olona. 10Dia nitraka i Jesoa, ka nilaza tamin-dravehivavy hoe:
–Aiza ry zareo teo, ramatoa? Tsy nisy nanameloka anao angaha?
11Dia novaliany hoe:
–Tsy nisy, Tompoko!
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1 Nataon'i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka , dia noroahiny ka lasa nandeha. ALEFA 2 Hisaotra ny TOMP...