1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'ireo terak'i Kôra.
2Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana
sy manaova hobim-pifaliana ho an'Andriamanitra;
3fa ny TOMPO no avo indrindra ka mahatahotra,
Mpanjaka lehibe amin'ny tany tontolo Izy.
4Vahoaka maro no reseny hofehezinay,
firenen-tsamy hafa no ataony manaiky anay.
5Nofidiny ny zaratany holovanay
ka izany no ireharehanay,
satria izahay taranak'i Jakôba
dia vahoaka tiany tokoa.
6Arahina hoby Andriamanitra no miakatra ao Tsiôna*.
Ombàn'ny feon'anjomara no tonga ao Izy TOMPO.
7Ankalazao Andriamanitra, ankalazao amin-tsalamo!
Ankalazao ny Mpanjakantsika, ankalazao amin-tsalamo!
8Fa Mpanjakan'ny tany tontolo Andriamanitra,
koa ankalazao amin-kira faran'izay mirindra.
9Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-drehetra
sy mitoetra amin'ny sezafiandrianany manokana.
10Ireo mpanapaka ny firenen-kafa dia nikambana
ho mpomba an'ilay Andriamanitr'i Abrahama;
ka voasandratra ambony dia ambony Andriamanitra
noho Izy mifehy ireo andriambaventin'ny tany!