dimanche 25 septembre 2016

Alahady 25 Septambra 2016 - Efe 3 : 1 - 13

1Noho izany izaho Paoly, izay migadra noho ny amin'i Kristy* Jesoa hanasoavana anareo hafa firenena, dia mangataka amin'Andriamanitra ho anareo. 2Matoky aho fa efa renareo ny andraikitra tontosaiko aminareo, noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy. 3Fanambarana avy tamin'Andriamanitra no nahalalako ny tsiambaratelony. (Efa nisy voasoratro fohifohy ihany momba izany tetsy aloha, 4ka raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahalalàko ilay tsiambaratelo momba an'i Kristy.) 5Tsy mbola nampahafantarina ny olombelona izany tsiambaratelo izany tamin'ny andro lasa; fa ireo apôstôly* sy mpaminany* voatokana ho an'Andriamanitra kosa no nanambarana azy ankehitriny noho ny asan'ny Fanahy Masina. 6Izao àry izany tsiambaratelo izany: amin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly*, ny hafa firenena dia natao hitambatra amin'ny Jiosy ka hiara-mandova ny zava-tsoa natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany*, sy ho tena iray ihany ary hiombona anjara amin'ny fampanantenàn'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa.

7Tonga mpanompon'ny Vaovao Mahafaly aho noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy maimaimpoana, araka ny fiàsan'ny heriny. 8Kely noho izay bitika indrindra amin'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen'Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin'ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren'i Kristy tsy hita lany, 9ary ny hampahazava amin'ny olona rehetra ny fomba hanatanterahan'Andriamanitra ny tsiambaratelony. Hatrizay hatrizay dia voaafina tao amin'Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra, izany tsiambaratelo izany; 10fa ankehitriny kosa naseho tamin'ny alalan'ny Fiangonana izany, ka tonga fantatr'ireo fanapahana sy ny fahefana eny ana habakabaka ny fahendren'Andriamanitra, dia fahendrena mahefa zavatra tsy tambo isaina. 11Izany rahateo no fandaharana hatrizay hatrizay ka notanterahin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa Tompontsika. 12Ary isika efa tafaray amin'i Kristy dia manana ny fahasahiana manatona an'Andriamanitra amim-pahatokiana, noho ny finoana niainan'i Kristy. 13Koa izany no angatahako anareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriana manjo ahy hanasoavana anareo, fa misy vokany be voninahitra ho anareo izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12