ka ny fisiako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao.
Eny, ny olona rehetra matanjaka aza
dia toa tsio-drivotra mandalo;
7eny tokoa fa ny olombelona
dia toa aloka miserana ihany!
Misahirana tsy misy antony izy,
manangon-karena nefa tsy mahalala
izay hanjary ho tompon'izany.
8Ary ankehitriny, Tompo ô,
inona no azoko andrasana?
Ianao ihany no antenaiko.
9Afaho amin'izay rehetra mpamadika ahy aho,
aza avela ho fanakòran'ireo adala.
10Koa mangina aho ary tsy miloa-bava,
satria Ianao no nahatonga izao39.10 Jereo Fit 3.25-29,37..
11Nefa aza kapohinao intsony aho,
fa mila ho faty noho ny famelezanao.
12Raha manitsy ny olona Ianao
ka manafay azy noho ny helony,
dia manimba izay maminy indrindra
toy ny zavatra lanin'ny kalalao.
Eny tokoa fa ny olona rehetra
dia toa tsio-drivotra mandalo.
13TOMPO ô, henoy ny vavaka ataoko
ary mandrenesa ny fitarainako;
aza odian-tsy hita ny ranomasoko
fa olona nasaina aho no eto aminao,
mpivahiny ihany toy ny razako rehetra
Ny fiainan’ny olona matoky an’Andriamanitra
1- Miorina amin’nv fanantenana an’Andriamanitra
Zava-poana ny fiainan’ny zanak'olembelona eto an-tany, araka ity Salamo 39 ity. Na ny fahavelomana. na ny fananan-karena na ny fitenenana dia tsy misy azo ianteherana ho famonjena na iray aza. I Jehovah Andriamanitra irery ihany no maha olona ny olombelona ary antom-pisiana sy anton'ny fahavelomana. Manana fahasahiana hanatona ny Tompo ny mpino fa tsy miraviravy tànana manoloana ny zava-poana eto an-tany. Manapaha hevitra hanatona ny Tompo amin'ny alalan’ny vavaka ; aza variana mitanisa sy mijery ny zava-poana sy ny ratsy eto an-tany fa mivavaha ao amin’ny Tompo.
2- Mankato an’Andrinmanitra
Miaina amin’ny fibebahana sy ny fanetren-tena ny mpanompon’Andriamanitra. Izy irery ihany no mamela heloka sy manafaka amin’ny fanenjehan’ny fahavalo (and 8). Manaiky ny fananarana ataon'Andriamanitra aminy ny rnpanompony (and 10-11). Fitaizana mifanaraka amin’ny Teniny no ataon’Andriamanitra (Oh 29, 15 ; Ileb 12, 8; 2 Kor 6. 9). Mety ho simba ny hatsaran-tarehin’ny olona (and 11), amin’ny fainaizan’ny Tompo. Mangataha amin’ny fitarainana sy finoana ny Tompo fa Izy ihany no manitsy nv vavaka ataontsika, na mety ho diso aza (and 12-13). Tsara ihany koa ny mangina eo anatrehan’ny Tompo fa fantany izay mahasoa antsika (Isaia 53:7; Matio 26:63 ; Ása 8, 32).
Fanontaniana :
Nahoana no marary ihany ny kristiana nefa efa mivavaka ?