17Dia nanoratra taratasy koa ity mpanjakan'i Asiria mba hihantsiana ny TOMPO Andriamanitr'i Israely sy hanarabiana Azy. Ka hoy izy hoe: «Tsy nahavonjy ny olony tsy hiharan'ny fahefàko ny andriamanitr'ireo firenena hafa teto an-tany; noho izany, ny Andriamanitr'i Hezekià dia tsy hahavonjy koa ny olony tsy hiharan'ny fahefàko.»
18Ankoatra izany, ireto irak'i Saneheriba ireto dia niantso tamin'ny feo mahery sady araka ny fiteny jodeanina teo anatrehan'ny mponin'i Jerosalema izay teny ambonin'ny manda; ny hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna no anton'izany. 19Ary ny fitenenany an'ilay Andriamanitr'i Jerosalema koa dia toy ny fitenenany an'ireny andriamanitry ny firenena any an-tany hafa ireny, izay sarivongana asan-tanan'olona ihany.
20Noho izany toe-javatra izany dia nivavaka i Hezekià mpanjaka sy i Isaià mpaminany* zanakalahin'i Amôtsa, ka niantso vonjy tamin'Andriamanitra. 21Ny TOMPO kosa naniraka anjely*, izay nandringana ny miaramila maherifo rehetra sy ny manamboninahitra ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asiria. Ka dia lasa nody tamin-kenatra i Saneheriba; ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia ireo zanany naterany ihany no namono nahafaty azy tao tamin'ny sabatra.
22Toy izany no namonjen'ny TOMPO an'i Hezekià sy ny mponin'i Jerosalema tsy ho azon'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria na ho azon'ny fahavalo hafa rehetra; ary nanomezany azy fiadanana tamin'ny sisin-tany manodidina. 23Olona maro no nitondra fanatitra ho an'ny TOMPO tao Jerosalema ary koa fanomezana ho an'i Hezekià mpanjakan'i Joda; ka nanomboka tamin'izay i Hezekià no nalaza teo imason'ny firenen-drehetra manodidina.
Hezekia dia Mpanjaka nanao izay mahitsy teo imason'Andriamanitra (2Tan. 29,2). Mpanjaka nivavaka izy, ary eto dia hita soritra fa niara-nivavaka tamin’i Isaia, mpaminany izy mba hamonjen'Andriamanitra ny firenena tsy horesin’ny fahavalony. Namaly ny vavak'izy ireo Andriamanitra. Izany ny herin’ny vavaka rehefa :
1- Resv lahatra nv mpitondra faniakana
Mba hiadanan'ny vahoaka sady hisian'ny fìlaminan'ny tanàna dia tsy maintsy ny mpitondra aloha no resy lahatra hivavaka amin’Andriamanitra. Koa na misy miaika aza ny Anaran'Andriamanitra dia tsy mihemotra amin'ny fivavahany izy. Mampirisika ny mpanompo mahatoky hifikitra amin’i Jesoa Kristy ny fanenjehana sy ny fanaratsiana Azy ankehitriny. Mahomby ihany koa ny fisian’ny fiaraha-mivavaky ny samy resy lahatra eo amin’ny fanoherana ny fahavalon'ny Fìlazantsara. Aoka ho resy lahatra isika fa tsy misy famonjena afatsy ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany. Izy no Mpamonjy izao tontolo izao
2- Miioro vavolontbelona nv fiangonana
Ny mpaminanv amin'ny andro ankehitriny dia ny fiangonana. Vonona mandrakariva hitondra ny hafatrv ny Tompo ny fiangonana tahaka an'Isaia mpaminany (2Mpan.l9, 2-7); maneho ny fandraisan'andraikitry ny fiangonana amin'ny loza manjo ny fireneny izany. Rehefa mijoro vavolombelon'ny Tompo ny fiangonana dia miasa eo amin’ny tanàna misv azy tokoa nv Tompo, mamonjv ny vahoaka rehetra. Hankasitranan'Andriamanitra ny vavaky ny mpitondra sv ny fiangonana ho an’nv fìrenena.
Fanontaniana :
Tonga ao ampiangonana ve ny mpitondra ?