1Izay mipetraka ao amin’ny fialofan’ilay Avo Indrindra
dia mitoetra eo ambany fiarovan’Andriamanitra Tsitoha,
2ka tokony hiteny amin’ny TOMPO izy hoe:
«Ianao no manda fiarovana ho ahy;
Ianao no Andriamanitro ka itokiako.»
3–Ny Tompo mihitsy no hanafaka anao
amin’ny fandrika mivelatra sy areti-mandringana.
4Harovany amin’ny elany ianao;
eo ambany elany no hialofanao
tahaka ny zanak’akoho eo ambany ela-dreniny.
Ny fahamarinany no ampinga fiarovana,
5ka tsy misy zavatra atahoranao akory:
na ny loza mampihorohoro amin’ny alina,
na ny zana-tsipîka manidina amin’ny antoandro,
6na ny areti-mandringana misoko amin’ny haizina,
na ny voina mandripaka amin’ny mitataovovonana.
7Eny, na misy olona arivo aza maty eo akaikinao
ary na iray alina aza miampatra eo ankavananao,
dia tsy hisy loza hihatra aminao akory.
8Ahirato fotsiny ny masonao, dia ho hitanao
ny famalian’Andriamanitra ny olon-dratsy.