15Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy mbamin’ireo rehetra mpanaraka azy; ary niseho teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:
–Fantatro ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra eto ambonin’ny tany tontolo afa-tsy ato amin’i Israely ihany. Koa mba raiso ny fanomezana atolotro anao.
16Fa hoy ny navalin’i Elisà:
–Velona ny TOMPO izay tompoiko, ka manizingizina aminao aho fa tsy handray izany.
Nitambezo azy handray ihany i Nahamàna, saingy nanda hatrany kosa i Elisà, 17ka nilazany hoe:
–Satria nolavinao ny fanomezako, dia avelao aho mba hitondra tany kely zakan’ny boriky roa avy amin’ny taninao; fa izaho tsy mba hanolotra intsony sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana amin’ny andriamani-kafa afa-tsy amin’ny TOMPO ihany. 18Saingy mangata-pamelana mialoha amin’ny TOMPO aho momba izao zavatra izao: Raha miditra mba hivavaka ao amin’ny tempolin’i Rimôna andriamaniny ny tompoko mpanjakan’i Siria, dia tsy maintsy hiankohoka hitehi-tany miaraka aminy koa aho satria mitehina amin’ny tanako izy. Ny TOMPO anie hamela heloka ahy amin’izany fihetsiko izany!
19Ary hoy i Elisà taminy:
–Mandehana ombàm-piadanana.
Ary lasa nandeha i Nahamàna.
Raha mbola tsy lasa lavitra akory i Nahamàna, 20dia niteny anakampo i Gehazỳ mpanompon’i Elisà hoe: «Nalefan’ny tompoko tamin’izao fotsiny lahy i Nahamàna ilay Sirianina fa tsy nakany na inona na inona tamin’ny zavatra nentiny. Velona ny TOMPO, ka milokaloka aho fa tsy maintsy hotratrariko iny hahazoako zavatra.» 21Dia lasa i Gehazỳ nanenjika an’i Nahamàna; ary nony nahita azy mihazakazaka manatona kosa i Nahamàna, dia niala faingana tamin’ny kalesiny hitsena azy ka nanao hoe:
–Tsara ihany va ianao?
22Ary hoy ny navaliny:
–Tsara ihany aho; saingy nirahin’ny tompoko fotsiny aho hilaza aminao, fa misy zatovo roa lahy anisan’ny andia-mpaminany tonga ao aminy avy any amin’ny faritra havoan’i Efraîma. Koa miangavy anao izy mba hanome azy roa lahy volafotsy telopolo kilao ary akanjo fitondra mianjaika roa.
23Dia hoy i Nahamàna:
–Volafotsy enimpolo kilao re entina e!
Notereny handray izany i Gehazỳ, ary dia nataony tao anaty kitapo roa tsara fehy ny volafotsy enimpolo kilao sy ny akanjo roa; ka nasainy nentin’ny mpanompony roa lahy izay nanaraka an’i Gehazỳ ireo rehetra ireo. 24Rehefa tonga teo amin’ny toerana atao hoe Hôfela izy, dia nalain’i Gehazỳ ny kitapo sy ny akanjo ka napetrany tao an-tranony; ary nasainy niverina ireo mpanompon’i Nahamàna, ka lasa.
25Nony tafaverina teo anatrehan’ny tompony kosa i Gehazỳ, dia nanontanian’i Elisà hoe:
–Avy taiza ianao, ry Gehazỳ?
Ka hoy ny navaliny:
–Tsy avy taiza tsy avy taiza aho, tompoko.
26Fa hoy indray i Elisà:
–Moa ataonao tsy ho hitako am-panahy ve iny lehilahy izay niala tamin’ny kalesiny hitsena anao iny? Tsy fotoana fandraisam-bola na fitafiana, na tanin’ôliva na tanimboaloboka, na ondry aman’osy, na omby, na mpanompolahy na mpanompovavy izao; 27satria ny aretin-koditr’i Nahamàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao hatrany hatrany.
Rehefa niala teo anatrehan’i Elisà i Gehazỳ, dia indro fa niempaka fotsy toa oram-panala ny hodiny.