Affichage des articles dont le libellé est Maneho ny maha izy azy ny Tompo. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Maneho ny maha izy azy ny Tompo. Afficher tous les articles

jeudi 25 février 2021

Alakamisy 25 Febroary 2021 - II Tan 17 : 1 - 13

 1I Jôsafata, zanakalahin’i Asà, no nanjaka nandimby azy; ary nitombo hery teo anoloan’ny fanjakàn’i Israely izy. 2Nametrahany miaramila tamin’ny tanànamimanda rehetra eran’i Joda ary koa toby miaramila tao amin’ny tanin’i Joda sy tamin’ireo tanàna efraimita efa azon’i Asà rainy. 3Niaraka tamin’i Jôsafata ny TOMPO, satria nanaraka ny toetran’i Davida razany fahiny izy fa tsy mba nitady ireo andriamanitra Bahala. 4Nitady ny Andriamanitry ny razany kosa izy, ka nizotra araka ny didiny fa tsy araka ny fanaon’ny Israelita tavaratra. 5Koa nohamafisin’ny TOMPO ny fahefàm-panjakana teo an-tanany; ary dia nitondra fanomezana ho an’i Jôsafata ny Jodeanina rehetra, hany ka nanan-karena sy voninahitra be izy. 6Nandroso tamin’ny sori-dalan’ny TOMPO tokoa ny fony, hany ka nofoanany tsy ho eo amin’ny fanjakàn’i Joda ny toeram-panasinana sy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.

7Tamin’ny taona fahatelo nanjakàn’i Jôsafata dia nisy manampahefana nirahiny mba hampianatra tany amin’ny tanànan’i Joda, dia i Beny-Haîla sy i Hôbadià, i Zakarià sy i Natanaela ary i Mikaià. 8Nisy koa levita niaraka tamin’ireo, dia i Semahià sy i Netanià, i Zebadià sy i Hasahela, i Semiramôta sy i Jônatàna ary i Adônià sy i Tôbià; ary tafaraka taminy koa i Elisamà sy i Jôrama mpisorona. 9Nampianatra eran’i Joda ireo; fa sady nitondra ny bokin’ny lalànan’ny TOMPO izy no nitety ny tanàna rehetra tany Joda, ka nampianatra ny olona.

Ny hery amam-pahefàn’i Jôsafata

10Nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda ny tahotra ny TOMPO, hany ka tsy nisy sahy niady tamin’i Jôsafata ireo. 11Nisy aza Filistinina sasany nitondra fanomezana sy volafotsy hetra ho an’i Jôsafata; ary nisy koa Arabo nitondra ondry aman’osy, dia ondrilahy 7 700 sy osilahy 7 700.

12Nandroso hery hatrany i Jôsafata ka nanao manda fiarovana sy tanàna fitahirizam-bokatra manerana an’i Joda. 13Nanana tahirim-bokatra betsaka tao amin’ny tanànan’i Joda izy, ary koa miaramila maherifo tao Jerosalema.

mardi 16 février 2021

Talata 16 Febroary 2021 - II Tan 34 : 29 - 33

 29Ary nandefa iraka i Jôsià hanainga tsy an-kanavaka ny loholon’i Joda sy i Jerosalema mba ho vory. 30Dia niaraka nankao an-tranon’ny TOMPO ireo mbamin’ny lehilahy rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, izany hoe ny mpisorona sy ny levita ary ny sarambabem-bahoaka rehetra na kely na lehibe. Novakin’i Jôsià teo anatrehan’ny besinimaro ny teny rehetra tao anatin’ny bokin’ny fanekempihavanana, dia ilay boky izay hita tao an-tranon’ny TOMPO. 31Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandrina ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io. 32Avy eo dia nasainy nanome toky ny olona rehetra izay tao Jerosalema mbamin’ny Benjaminita. Izany no nahatonga ny mponin’i Jerosalema hitondra tena araka ny fanekempihavanana nataon’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny razany. 33Taorian’izay dia nofoanan’i Jôsià avokoa ny fombam-tsampy maharikoriko tamin’ny tany manontolo izay an’ny Israelita sady notereny ny mponina rehetra teo amin’i Israely mba hanompo ny TOMPO Andriamaniny. Tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôsià dia tsy mba nialan’ny olona ilay TOMPO Andriamanitry ny razany.

lundi 15 février 2021

Alatsinainy 15 Febroary 2021 - Sal 119 : 161 - 168

 161Enjehin’andriana tsy amin’antony aho;

ny teninao ihany no atahoran’ny foko.

162Ny hafatrao no mahafaly ahy

tahaka ny mahazo remby sesehena.

163Hàlako ary maharikoriko ahy ny fitaka,

fa ny lalànanao no ankamamîko.

164Impito isan’andro no iderako Anao

noho ny fitsipikao ara-drariny.

165Fiadanam-be ny an’izay mankamamy ny lalànanao,

ary tsy misy zavatra mahasolafaka azy.

166Ny famonjenao, TOMPO ô, no antenaiko

ka ny didinao no tanterahiko.

167Ny baikonao dia tandremako,

satria ankamamîko aoka izany.

168Eny, voatandriko ny fepetra amam-baikonao;

eo anoloanao ny làlan-kalehako rehetra.

jeudi 4 février 2021

Alakamisy 04 Febroary 2021 - Jos 1 : 1 - 9

 1Taorian’ny nahafatesan’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO, dia nitenenan’ny TOMPO i Josoa zanakalahin’i Nona sady mpanampy an’i Mosesy nataony hoe:

2–Efa maty i Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna ankehitriny ianao sy ireto vahoaka rehetra ireto ka mità ity renirano Jôrdàna ity mba hiditra ao amin’ny tany izay omeko ny Israelita. 3Araka izay efa nampanantenaiko an’i Mosesy, dia omeko anareo ny toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo. 4Ny taninareo dia manomboka eo amin’ny taniefitra any atsimo ka mipaka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Libano any avaratra; ary manomboka eo amin’ny ony Eofrata any atsinanana, dia mamakivaky ny tanin’ny Hetita, ka mipaka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana. 5Ry Josoa, tsy misy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao rehetra, fa homba anao Aho tahaka izay efa nombako an’i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao na oviana na oviana. 6Aoka ho sahy sy hahery ianao, fa ianao no hitarika ireto vahoaka ireto handova ny tany izay nianianako tamin’ny razambeny fa homeko azy. 7Eny, aoka ho sahy sy hahery tokoa ianao mba himasoanao ny hanao araka ny lalàna manontolo izay nampitain’i Mosesy mpanompoko taminao. Aza misy anaovana tsirambina mihitsy izany na kely aza, dia hahomby ianao amin’izay rehetra ataonao. 8Aoka ianao hahavatra mamaky ity bokin’ny lalàna ity ary handinika azy andro aman’alina mba himasoanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra anatiny. Amin’izay dia ho tontosanao tsara ny fikasanao rehetra ary hahomby ianao. 9Moa tsy efa nandidy anao ve Aho mba ho sahy sy hahery? Koa aza matahotra na mivadi-po fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no homba anao amin’izay rehetra alehanao.

dimanche 31 janvier 2021

Alahady 31 janoary 2021 - II Mpa 5 : 15 - 27

 15Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy mbamin’ireo rehetra mpanaraka azy; ary niseho teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:

–Fantatro ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra eto ambonin’ny tany tontolo afa-tsy ato amin’i Israely ihany. Koa mba raiso ny fanomezana atolotro anao.

16Fa hoy ny navalin’i Elisà:

–Velona ny TOMPO izay tompoiko, ka manizingizina aminao aho fa tsy handray izany.

Nitambezo azy handray ihany i Nahamàna, saingy nanda hatrany kosa i Elisà, 17ka nilazany hoe:

–Satria nolavinao ny fanomezako, dia avelao aho mba hitondra tany kely zakan’ny boriky roa avy amin’ny taninao; fa izaho tsy mba hanolotra intsony sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana amin’ny andriamani-kafa afa-tsy amin’ny TOMPO ihany. 18Saingy mangata-pamelana mialoha amin’ny TOMPO aho momba izao zavatra izao: Raha miditra mba hivavaka ao amin’ny tempolin’i Rimôna andriamaniny ny tompoko mpanjakan’i Siria, dia tsy maintsy hiankohoka hitehi-tany miaraka aminy koa aho satria mitehina amin’ny tanako izy. Ny TOMPO anie hamela heloka ahy amin’izany fihetsiko izany!

19Ary hoy i Elisà taminy:

–Mandehana ombàm-piadanana.

Ary lasa nandeha i Nahamàna.

Raha mbola tsy lasa lavitra akory i Nahamàna, 20dia niteny anakampo i Gehazỳ mpanompon’i Elisà hoe: «Nalefan’ny tompoko tamin’izao fotsiny lahy i Nahamàna ilay Sirianina fa tsy nakany na inona na inona tamin’ny zavatra nentiny. Velona ny TOMPO, ka milokaloka aho fa tsy maintsy hotratrariko iny hahazoako zavatra.» 21Dia lasa i Gehazỳ nanenjika an’i Nahamàna; ary nony nahita azy mihazakazaka manatona kosa i Nahamàna, dia niala faingana tamin’ny kalesiny hitsena azy ka nanao hoe:

–Tsara ihany va ianao?

22Ary hoy ny navaliny:

–Tsara ihany aho; saingy nirahin’ny tompoko fotsiny aho hilaza aminao, fa misy zatovo roa lahy anisan’ny andia-mpaminany tonga ao aminy avy any amin’ny faritra havoan’i Efraîma. Koa miangavy anao izy mba hanome azy roa lahy volafotsy telopolo kilao ary akanjo fitondra mianjaika roa.

23Dia hoy i Nahamàna:

–Volafotsy enimpolo kilao re entina e!

Notereny handray izany i Gehazỳ, ary dia nataony tao anaty kitapo roa tsara fehy ny volafotsy enimpolo kilao sy ny akanjo roa; ka nasainy nentin’ny mpanompony roa lahy izay nanaraka an’i Gehazỳ ireo rehetra ireo. 24Rehefa tonga teo amin’ny toerana atao hoe Hôfela izy, dia nalain’i Gehazỳ ny kitapo sy ny akanjo ka napetrany tao an-tranony; ary nasainy niverina ireo mpanompon’i Nahamàna, ka lasa.

25Nony tafaverina teo anatrehan’ny tompony kosa i Gehazỳ, dia nanontanian’i Elisà hoe:

–Avy taiza ianao, ry Gehazỳ?

Ka hoy ny navaliny:

–Tsy avy taiza tsy avy taiza aho, tompoko.

26Fa hoy indray i Elisà:

–Moa ataonao tsy ho hitako am-panahy ve iny lehilahy izay niala tamin’ny kalesiny hitsena anao iny? Tsy fotoana fandraisam-bola na fitafiana, na tanin’ôliva na tanimboaloboka, na ondry aman’osy, na omby, na mpanompolahy na mpanompovavy izao; 27satria ny aretin-koditr’i Nahamàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao hatrany hatrany.

Rehefa niala teo anatrehan’i Elisà i Gehazỳ, dia indro fa niempaka fotsy toa oram-panala ny hodiny.

samedi 30 janvier 2021

Sabotsy 30 Janoary 2021 - I Kor 12 : 27 - 31

27Ianareo rehetra no tenan’i Kristy; ianareo tsirairay kosa dia anisan’io tenany io araka ny anjaranareo avy. 28Ary ao amin’ny Fiangonana dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny olona: voalohany, ireo apôstôly; faharoa, ireo mpilaza hafatra avy amin’Andriamanitra; fahatelo, ireo mpampianatra; manaraka izany, ireo mandray fanomezam-pahasoavana hanao asa mahagaga, hanasitrana marary, hanampy olona, hitondra olona ary hiteny fiteny samy hafa tsy fantatra. 29Izy rehetra tsy akory tsy hoe apôstôly avokoa na mpilaza hafatra avy amin’Andriamanitra, na mpampianatra. Izy rehetra tsy akory tsy hoe nandray fanomezam-pahasoavana hanao asa mahagaga avokoa, 30na hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra na hanazava izany. 31Kanefa ireo fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra no irio fatratra.

vendredi 29 janvier 2021

Zoma 29 Janoary 2021 - Mat 3 : 13 - 17

 13Tamin’izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an’i Jôhany teo amoron’i Jôrdàna mba hataony batisa. 14Nandà mafy i Jôhany ka nanao hoe:

–Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray ve no mankatỳ amiko?

15Fa novalian’i Jesoa hoe:

–Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr’Andriamanitra.

Izay vao nanaiky i Jôhany. 16Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin’i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny. 17Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:

–Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!

jeudi 28 janvier 2021

Alakamisy 28 Janoary 2021 - Sal 18 : 20 - 27

 20navoakany ho eo an-kalalahana aho

ary nafahany satria tena tiany.

21Soa no ataon’ny TOMPO amiko satria marina aho;

izany no avaliny ahy satria madio ny toetrako,

22fa voatandriko ny làlan’ny TOMPO

ary tsy ivadihako ilay Andriamanitro;

23ankatoaviko avokoa ny fitsipiny

ary tsy mba ialako ireo didiny.

24Koa tsy manan-tsiny aminy aho

fa nitandrin-tena tsy ho diso.

25Eny, soa tokoa no navalin’ny TOMPO ahy

satria marina aho sy hitany madio toetra.

26Tompo ô, mahatoky Ianao

amin’izay matoky Anao;

tsy manan-tsiny koa Ianao

amin’izay tsy manan-tsiny;

27Madio Ianao amin’izay madio,

miolakolaka kosa amin’izay mpiolikolika.

mercredi 27 janvier 2021

Alarobia 27 Janoary 2020 - Eks 33 : 12 - 23

 12Hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO:

–Jereo ange, TOMPO ô! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao. 13Koa raha mahazo fanambinana teo imasonao tokoa aho, dia mba ampahafantaro ahy izay fikasanao. Ho fantatro Ianao amin’izay; sady ho tena nahazo fanambinana teo imasonao aho. Tsarovy koa fa ity firenena ity dia vahoakanao.

14Dia namaly ny TOMPO hoe:

–Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminao, ka hanome anao fiadanana!

15Fa hoy indray i Mosesy taminy:

–Raha tsy Ianao mihitsy no handeha hiaraka aminay, dia aza mibaiko anay hiala eto. 16Raha toa manko tsy hiaraka aminay Ianao, ahoana no hahafantarana fa nahazo fanambinana teo imasonao ny tenako sy ny vahoakanao? Satria ny fiarahanao aminay ihany no mampiavaka anay amin’ireo vahoaka hafa rehetra eto ambonin’ny tany.

17Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.

18Hoy koa i Mosesy tamin’ny Tompo:

–Avelao àry aho mba hahita ny voninahitrao.

19Dia novalian’ny TOMPO hoe:

–Handalo eo anatrehanao Aho ka haneho aminao ny hatsaram-poko manontolo sady hanambara ny anarako hoe «Ny TOMPO». Fa hiantra izay tiako hiantrana Aho, ary hamindrafo amin’izay tiako hamindrana fo. 20Kanefa ianao tsy mahazo mijery Ahy miatrika, satria tsy misy olona hijery Ahy miatrika ka ho velona. 21Fa eto akaikiko eto, hoy Izaho TOMPO, dia misy toerana an-karambato hijanonanao. 22Rehefa mandalo mamirapiratry ny voninahitro Aho, dia hafeniko eo an-tsefatsefaky ny harambato ianao, ary hosaronako amin’ny tanako mandra-pandaloko. 23Avy eo vao hoesoriko ny tanako, ka ho azonao jerena avy ao ivohoko Aho, satria tsy azo jerena ny tavako.

mardi 26 janvier 2021

Talata 26 Janoary 2021 - Heb 12 : 1 - 6

 1Voahodidina vavolombelona marobe tokoa àry isika; noho izany, dia aoka hanaisotra ny zavatra rehetra manembantsembana ny hazakazaka ataontsika sy hanaisotra ny ota mora mangeja antsika, ary hiezaka amim-paharetana eo amin’izao fifaninanana hazakazaka naroso hataontsika izao. 2Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.

3Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo. 4Fa tsy mbola nihatra taman’aina tsy akory ny ady nataonareo hanoherana ny fahotana. 5Ary efa hadinonareo ve ny teny fampaherezana milaza aminareo toy ny amin-janaka hoe:

«Anaka, aza atao tsirambina ny famaizana ampiharin’ny Tompo;

ary aza ketraka rehefa anariny.

6Fa ny zanaka tiany no faizin’ny Tompo

ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny»?

lundi 25 janvier 2021

Alatsinainy 25 Janoary 2021 - Sal 111 : 1 - 9

 1 Haleloià!

ALEFA

Hoderaiko amin’ny foko manontolo ny TOMPO

BETA

eo amin’ireo olo-mahitsy

tafavory sy tafangona.

GIMELA

2Lehibe ny asa ataon’ny TOMPO

DALETA

ka tsapan’izay rehetra mankafỳ an’ireny.

HE

3Madera sady malaza ny zava-bitany;

VAO

maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

ZAINA

4Tiany hotsaroana ny zava-mahagaga nataony.

HETA

Miantra sy mamindrafo ny TOMPO.

TETA

5Omeny sakafo ireo matahotra Azy;

JODA

tsaroany lalandava ny fanekempihavanany.

KAFA

6Ny vahoakany nanehoany ny hery ampiasainy,

LAMEDA

fony nomeny azy ny tanin’ireo hafa firenena.

MEMA

7Mahatoky sy ara-drariny ny asa vitany;

NONA

azo antoka avokoa ny fandaharany:

SAMEKA

8mafy orina hatrany ka ho mandrakizay ireny,

HAINA

mahatoky sy mahitsy no nanaovany azy.

PE

9Nandefasany fanafahana ny vahoakany

TSADE

sy nandraiketany fanekempihavanana mandrakizay.

KÔFA

Andriamanitra masina sy mahatahotra Izy.


dimanche 24 janvier 2021

Alahady 24 Janoary 2021 - Asa 17 : 22 - 34

 22Dia nijoro teo afovoan’ny Areôpazy i Paoly ka nanao hoe:

–Ry Atenianina, hitako fa amin’ny lafin-javatra rehetra dia olona fatra-pivavaka ianareo. 23Raha nitsangantsangana eran’ny tanàna aho, ka nijerijery ireo toeram-pivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy soratra hoe: «Ho an’ilay Andriamanitra tsy fantatra.» Ka izany tsy fantatrareo izany, kanefa ivavahanareo, no ambarako aminareo. 24Ilay Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanan’olombelona. 25Tsy hoe orin-javatra Andriamanitra ka tompoin’olombelona, satria Izy ihany no manome ny aina sy ny fofon’aina mbamin’ny zavatra rehetra ho an’ny olombelona tsy an-kanavaka. 26Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany. 27Nataon’Andriamanitra izany mba hahazoan’ny olombelona mitady Azy, sao izy ireo mba mety maminavina Azy sy mifandray aminy; fa Andriamanitra dia tsy lavitra antsika tsirairay avy, 28satria

«Ao aminy no ivelomantsika sy ihetsiketsehantsika

ary isiantsika.»

Izany indrindra koa no nilazan’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe:

«Avy amin’Andriamanitra no ipoirantsika.»

29Koa satria avy amin’Andriamanitra no ipoirantsika, dia tsy tokony hoheverintsika fa Andriamanitra dia mitovy endrika amin’ny sampy volamena na volafotsy na vato, sary sokitra vokatry ny fahaizana amam-pisaintsainan’olombelona. 30Kanefa ninian’Andriamanitra tsy jerena intsony ireo andro tsy nahalalana Azy, fa antsoiny hiala amin’ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra, na aiza na aiza. 31Nisy manko andro anankiray natao hitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny lehilahy anankiray efa voatendriny; ary ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty no nataony porofon’izany ho an’ny olona rehetra!

32Vao nandre an’i Paoly niteny momba ny fitsanganan’ny maty ireo olona teo amin’ny Areôpazy, dia tao ny naneso azy ary tao kosa ny nilaza hoe:

–Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’io zavatra io.

33Dia toy izany no nandaozan’i Paoly azy ireo. 34Kanefa nisy olona sasantsasany nikambana taminy ary tonga mpino: anisan’ireny i Diônisy, mambran’ny antenimiera Areôpazy, sy vehivavy atao hoe Damarida ary ny sasany hafa koa izay niaraka tamin’ireo.

samedi 23 janvier 2021

Sabotsy 23 Janoary 2021 - Jer 18 : 5 - 11

 5Dia nanafatra ahy ny TOMPO hoe: 6«Moa tsy afaka manao aminareo toy izay ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry olon’i Israely, hoy ny fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO? Indro eo an-tanako ianareo, tahaka ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy. 7Indraindray dia milaza ny hanongotra sy hanjera ary handrava firenena iray na fanjakana iray Aho. 8Nefa raha miala amin’ny ratsy izay nahatonga ny fandrahonako izy, dia hiova hevitra amin’ny loza izay nokasaiko hamelezana azy Aho. 9Ary indraindray dia milaza ny hanorina sy hamboly firenena iray na fanjakana iray Aho. 10Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hiova hevitra Aho amin’ny soa izay nampanantenaiko hatao aminy.

11«Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »

vendredi 22 janvier 2021

Zoma 22 Janoary 2021 - Eze 36 : 33 - 38

 33«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Rehefa voadioko ho afaka amin’ny helokareo rehetra ianareo, dia hamponeniko indray ao amin’ireo tanàna; ka haorina indray izay efa rava. 34Hasaina indray ny tany lavavolo ka tsy hahita tany nilaozana intsony ny mpandalo. 35Dia holazainy hoe: ‹Nanjary toy ny zaridainan’i Hedèna ity ilay tany efa lavavolo. Ireo tanàna efa tonga korontam-bato sady foana sy rava dia voamboatra sy misy mponina indray. 36Amin’izay dia hoeken’ireo firenena sisa tavela manodidina anareo, fa Izaho TOMPO no manorina indray ny tanàna rava sy mamboly indray ny tany lavavolo. Izaho TOMPO no miteny sady hahatanteraka izany.›

jeudi 21 janvier 2021

Alakamisy 21 Janoary 2021 - Isa 51 : 12 - 16

 12Izaho, eny, Izaho ihany

no mampahery anao, hoy ny TOMPO.

Ka inona no atahoranao ny olona mety maty,

dia ny zanak’olombelona izay mihelina toy ny ahitra?

13Hadinonao Izaho TOMPO, Ilay nahary anao,

Ilay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany.

Fa tsy mitsaha-mangovitra isan’andro ianao

eo anoloan’ny fahatezeran’ny mpampahory,

izay toy ny efa mikendry hanimba anao.

Kanefa aiza izao ny fahatezerany?

14Vetivety dia hoafahana ny gadra mitanondrika

ka tsy ho faty ho any am-pasana

ary tsy ho ory hanina intsony.

15Satria Izaho Tompo no Andriamanitrao,

Ilay mamolaka ny ranomasina

raha mirohondrohona ny onjany;

Ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarako.

16Hamelatra ny lanitra indray Aho

sady hanorina indray ny tany,

ka hilaza amin’i Tsiôna hoe: «Vahoakako ianao.

Ataoko eo am-bavanao ny teniko;

ary arovako eo ambany aloky ny tanako ianao.»

mercredi 20 janvier 2021

Alarobia 20 Janoary 2021 - Apo 1 : 1 - 8

 1Fanambaràna nataon’i Jesoa Kristy no aroso amin’ity boky ity. Izany fanambaràna izany dia nomen’Andriamanitra Azy mba hanehoan’i Jesoa Kristy amin’ireo mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. I Jesoa Kristy, tamin’ny alalan’ny anjely izay nirahiny, no nampahalala izany tamin’i Jôhany. 2Io Jôhany io no vavolombelona nampita ny teny avy amin’Andriamanitra sy ny hafatra nijoroan’i Jesoa Kristy ho vavolombelona, dia ny zavatra rehetra efa hitany. 3Sambatra izay mamaky sy ireo mihaino ny tenin’ity faminaniana ity, ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoanandro hahatanterahan’ireo zavatra ireo.

4Avy amiko Jôhany ireto taratasy ireto, ary mamangy ny Fiangonana fito ao amin’ny faritany Azia aho.

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary avy; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ny Fanahy Masina, ombàm-panomezana fito, Izay eo anoloan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra; 5ary ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, ilay Zanaka lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, ary ilay filohan’ny mpanjakan’ny tany!

Tia antsika i Jesoa Kristy ka efa namaha antsika tamin’ny fatoran’ny fahotantsika fony Izy nahafoy ny rany, 6ary efa nahatonga antsika ho fanjaka-mpisorona hanompo an’Andriamanitra Rainy. Ho an’i Jesoa Kristy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay! Amen.

7Indro i Jesoa Kristy, tamy eo amin’ny rahona, ka hahita maso Azy ny olona rehetra, na dia ireo nandefona Azy aza, ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, izany tokoa!

8«Izaho no Alfa sy Ômega», hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Tsitoha.


mardi 19 janvier 2021

Talata 19 Janoary 2020 - Jer 4 : 22 - 28

 22«Adala tokoa ny vahoakako

fa tsy mahalala Ahy», hoy ny Tompo.

Ankizy tsy misaina ireo,

tsy mahatakatra na inona na inona,

tsy kinga afa-tsy amin’ny fanaovan-dratsy

fa raha izay hanao ny tsara tsy hainy.

23Nojereko ny tany,

ka indro foana sady tsy nisy endrika,

ary ny lanitra tsy nisy fahazavana.

24Nojereko ny tendrombohitra

ka tsy nahajoro intsony;

ary ny havoana rehetra nihozongozona.

25Nojereko ka tsy nisy olona intsony

fa lasa mbamin’ny voronkely rehetra aza.

26Nojereko ity tany izay saha nahavokatra

ka tonga taniefitra sisa,

fa rava avokoa ny tanànany.

Noho ny nataon’ny TOMPO izany,

noho ny fahatezerany mirehitra.

27Izao no lazain’ny TOMPO:

«Ho lao ny tany manontolo

nefa tsy hofoanako avokoa.

28Noho izany, dia misaona ny tany

ary mihamaizina ny lanitra any ambony.

Satria Izaho no efa niteny;

ka tsy hanova ny fanapahan-kevitro Aho

na hihemotra amin’izany.»

lundi 18 janvier 2021

Alatsinainy 18 Janoary 2021 - I Jao 1 : 5 - 10

 5Izao no hafatra renay tamin’i Jesoa Kristy, ka mba ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy mba misy haizina akory ao aminy. 6Raha milaza ho manam-piombonana amin’Andriamanitra isika, nefa miaina ao amin’ny haizina, dia mandainga sady tsy manatanteraka ny hafatra marim-pototra. 7Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.

8Raha milaza ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny hafatra marim-pototra. 9Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny ratsy isan-karazany. 10Raha milaza ho tsy nanota isika, dia mampandainga an’Andriamanitra sady tsy ao anatintsika ny teniny.

dimanche 17 janvier 2021

Alahady 17 Janoary 2021 - Jao 5 : 30 - 38

 30–Raha Izaho dia tsy mahavita na inona na inona avy amin’ny tenako. Araka izay reko amin’ny Ray no itsarako; ka ara-drariny ny fitsaràko, satria tsy ny sitrapoko no tadiaviko hatao fa ny sitrapon’Ilay naniraka Ahy. 31Raha Izaho ihany no vavolombelona manambara ny tenako, dia tsy azo antoka ny fijoroako ho vavolombelona; 32fa misy hafa izay mijoro ho vavolombelona momba Ahy, ary fantatro fa azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona momba Ahy. 33Nandefa iraka tany amin’i Jôhany ianareo, ary nijoro ho vavolombelona nanambara ny marina i Jôhany. 34Tsy dia ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’olona anefa no ianteherako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no ilazako izany. 35I Jôhany dia toy ny jiro nirehitra sy nanazava, ka satrinareo nifaliana vetivety ny fahazavany. 36Raha Izaho dia manana fijoroana ho vavolombelona manoatra ny an’i Jôhany, satria ireo asa nomen’ny Raiko hotontosaiko sady ataoko tokoa no vavolombelona momba Ahy sady manambara fa nirahin’ny Ray Aho: 37ny Ray Izay naniraka Ahy mihitsy no vavolombelona nanambara Ahy. Tsy mba nandre ny feony na nahita ny endriny na oviana na oviana ianareo, 38sady tsy mba manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny.

samedi 16 janvier 2021

Sabotsy 16 Janoary 2021 - Sal 9 : 1 - 10

 1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe «Ny fahafatesan-janaka.» Salamo nataon’i Davida.

ALEFA

2Hidera Anao amin’ny foko manontolo aho, TOMPO ô,

ka hitantara ny zava-mahagaga rehetra nataonao.

3Ho faly sy ravo aminao aho, ry Avo Indrindra ô,

ary hankalaza ny anaranao amin’ny zava-maneno.

BETA

4Miverina ilalana ireo fahavaloko;

lavo izy ka ringana teo anoloanao.

5Eo ambonin’ilay sezafiandriananao

no ipetrahanao ho Mpitsara marina;

ka niaro ny zoko Ianao

ary nanome rariny ahy.

GIMELA

6Norahonanao ny hafa firenena

ary naringanao ny olon-dratsy;

nokosehinao ny fahatsiarovana azy

mba ho levona mandrakizay.

7Nifarana hatreo ny amin’ny fahavalonay,

satria rava tanteraka izy;

efa narodanao ireo tanànany,

ka tsy hotsarovana intsony.

HE

8Injay ny TOMPO Izay maharitra mandrakizay:

mametraka ny sezafiandrianana hitsarany Izy,

9ka hitsara izao tontolo izao araka ny rariny

sy hanapaka ny firenena araka ny hitsiny.

VAO

10Ny TOMPO no fialofana ho an’ny ampahorîna,

eny, fialofana amin’ny andro mahory.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12