1Noho ny baikon’ny TOMPO, dia nisy olon’Andriamanitra avy any Joda tonga tany Betela raha mbola nandoro sorona hanetona teo amin’ny alitara i Jerôbohama. 2Ary nanao antso avo nanohitra io alitara io, araka ny baikon’ny TOMPO, ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe:
–Ry alitara ô, ry alitara ô, izao no lazain’ny TOMPO: «Hisy zazalahy ho teraka ao amin’ny fianakavian’i Davida, ka ny anarany hatao hoe Jôsià13.2 Jereo 2 Mp 22–23, indrindra 23.15-16.. Eo aminao, ry alitara ô, no hovonoiny ho faty ka hataony sorona ireo mpisoron’ny toeram-panasinana ireo, izay nandoro sorona hanetona teo aminao; ary taolan’olona aza no hodorana eo aminao.
3Androtr’io ihany dia nanome famantarana ilay olon’Andriamanitra ka nanambara hoe:
–Izao no famantarana ho porofo fa ny TOMPO no niteny: «Indro hitresaka ny alitara ka hiely amin’ny tany ny lavenona eo amboniny.»
4Raha vao ren’i Jerôbohama mpanjaka ny tenin’ilay olon’Andriamanitra izay nanao antso avo nanohitra ny alitara tao Betela, dia naninjitra ilay tanany izay teo ambony alitara izy sady niteny hoe:
–Tano io olona io!
Kanjo maina tampoka teo iny tanana nahinjiny hanoherana an’ilay olon’Andriamanitra iny ka tsy azony noketrahina intsony. 5Tamin’izay koa dia nitresaka ny alitara ka niely tamin’ny tany ny lavenona teo amboniny, araka ny famantarana nambaran’ilay olon’Andriamanitra ihany noho ny tenin’ny TOMPO. 6Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay olon’Andriamanitra:
–Mba ifony amin’ny TOMPO Andriamanitrao re aho ka mivavaha ho ahy mba ho azoko ketrahina indray ny tanako.
Dia nifona tamin’ny TOMPO ilay olon’Andriamanitra, ka azon’ny mpanjaka noketrahina indray ny tanany, ary tafaverina toy ny teo aloha.