Affichage des articles dont le libellé est Mifalia amin'ny fitiavan'ny Tompo. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Mifalia amin'ny fitiavan'ny Tompo. Afficher tous les articles

lundi 31 décembre 2018

Alatsinainy 31 Desambra 2018 - Lio 1 : 39 - 56

39Niainga i Maria tamin'izany andro izany, ka nandeha faingana ho any amin'ny tanàna anankiray anatin'ny faritra be havoana any Joda, 40ary namantana tao an-tranon'i Zakarià ka niarahaba an'i Elizabeta. 41Vantany vao henon'i Elizabeta niarahaba azy i Maria, dia injao nibita-karavoana ilay zaza tao an-kibon'i Elizabeta; ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta 42ka nanandra-peo niantso mafy hoe:

–Nombàn'Andriamanitra fitahiana amin'ny samy vehivavy ianao, ary nombàny fitahiana koa Ilay haterakao! 43Zinona moa aho no mba vangian'ny renin'ny Tompoko? 44Fa indro vantany vao henoko niarahaba ahy ianao, dia nibitaky ny haravoana tokoa ny zaza tao an-kiboko. 45Ary sambatra ianao nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminao!

46Ary hoy i Maria:
–Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
47ary ny aiko miravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy,
48noho Izy nitsinjo ahy mpanompovaviny tsinontsinona!
Eny, hatramin'izao dia hambaran'ny taranaka rehetra
hoe sambatra aho,
49fa zava-dehibe no nataon'ilay Mahery tamiko.
Masina ny anarany!
50Ary hamindra fo hatramin'ny taranaka mifandimby ireo manaja Azy.
51Nanatanterahany asa lehibe ny sandriny mahery;
ka ny mpihevi-tena ho ambony nataony mihahaka.
52Ny mpanjakazaka naongany hiala tamin'ny
sezafiandrianany;
ny tsinontsinona kosa nasandrany.
53Ny noana novokisany zava-tsoa;
ny mpanankarena kosa nalefany nody maina.
54-55Niahy ny vahoaka Israely mpanompony Andriamanitra,
satria nahatsiaro ny teniny tamin'ny razantsika;
dia ny hamindra fo mandrakizay
amin'i Abrahama sy ny taranany.

56Nitoetra tokony ho telo volana tao amin-dry Elizabeta i Maria vao lasa nody.

Ny fifalian'ny mpino

1- Vokatry ny fahatsapana ny asan' Anelriamanitra

Azo tsoahina eo amin'nv and. 48 sy 49a izany hevitra izany. Tsy verv maina ny fanetren-tena nasehon'i Maria, fa notanterahin'ny Tompo taminy tokoa ny hoe « izay manetry tena no asandratra». Tsapany fa nanao zava-dehibe taminy ny Tompo. Izany no nitarika azy ho faly sy hankalaza ary hiravoravo. Mifarana ny taona. mba nahatsapa ny zava-dehibe nataon'ny Tompo teo amin'ny fiainanao ve ianao ? Ny olona tsy mahay manetry tena dia tsy ahatsapa izany ? Manetre tena, tahaka an'i Maria. ary diniho izay nataon'ny Tompo taminao. Amin'ny fotoana tahaka izao dia tsy izay nataon'ny Tompo no mampifaly ny maro fa ny volon'andro fety. lanao kosa mba ahoana ?

2- Mitarika hatahotra an'Andriamanitra

Manomboka eo amin'ny and.48 dia aseho ny toetran' Andriamanitra : Mahery sy Masina ary marina sy tsy miova ary tsy mivadika (and.54-55). Takatry ny mpino toa an'i Maria ny toetran'Andriamanitra rehefa nandray ny famonjena izy ka faly. Ny fifaliana noho ny famonjena dia mahatonga ny olona hahatakatra ny hery sy ny toetrany Andriamanitra, ka matahotra Azy. Fifaliana mitarika antsika hatahotra ny Tompo izany. Hifaly isika hiandry ny taombaovao. Misy ny tsy mahay mifaly, raha tsy mandray zava-mahamamo. Aza maneho fifaliana manalavitra an' Andriamanitra amin'ny tsy fahatsiarovan-tena. Ny olona mifaly amin'ny famonjena dia mahatakatra ny toetran'ny Tompo, ka tonga matahotra Azy. Andriamanitra no atahory, ary mlahaiza mifaly ao anatin'izany.

Fanontaniana:
Nahoana no asaina rnifaly isika. ary tokony hifaly, amin'ny fotoarla tahaka izao ?

dimanche 30 décembre 2018

Alahady 30 Desambra 2018 - Fil 4 : 1 - 9

1Toy izany àry, ry hava-malala, no aoka hitomoeranareo tsara miray amin'ny Tompo. Fa tiako tokoa ianareo, ry havako, sady manina anareo fatratra aho; ianareo no fifaliako sy toy ny satroboninahi-pandresena ho ahy.

2Ry i Eodia sy i Sintîka, miangavy mafy anareo aho mba hifanaraka, noho ianareo mpirahavavy ao amin'ny Tompo. 3Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan'ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin'i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.

4Mifalia mandrakariva noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Mbola antitranteriko indray: mifalia! Manehoa fandeferana amin'ny olona rehetra. 5Tsy ho ela, dia ho tonga ny Tompo! 6Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin'Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin'ny fo feno fankasitrahana. 7Ary ilay fiadanana avy amin'Andriamanitra sady mihoatra noho ny zavatra rehetra takatry ny fieritreretan'olombelona, dia hiaro ny fonareo sy ny sainareo, satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa ianareo.

8Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza. 9Ataovy izay efa nianaranareo sy noraisinareo tamiko ary izay renareo sy hitanareo nataoko. Dia homba anareo Andriamanitra loharanon'ny fiadanana.

Mifaly mandrakariva ny mpino

1- Noho ny fananana mpiara-manompo (and.1-3)

Fifaliana ho an'i Paoly ny fananana ireo namana mpiara- miasa mitoetra tsara amin'ny finoana sy ny fanompoana. Ny fandravonana ireo disadisa eo amin'ny samy mpiara-manompo no mampitoetra maharitra ny fifaliana eo anivon'ny Fiangonana. Amporisihana isika handravona ireny disadisa ireny.

2- Noho ny fahafahana mangataka amin'ny Tompo

Be ny zavatra mety hampanahy eo ampanaovana ny asan'ny Tompo. Ny mahafaly anefa dia ny fahafahana manandratra fangatahana mandrakariva eo amin'Ilay Andriamanitra mpaniraka (and.6-7). Izany rahateo no fanalahidin'ny fahombiazana eo amin'ny fijoroana vavolombelony.

3- Noho ny fananana mpanipianatra marina (and.8-10)

Be ny mpampianatra sandoka. Miseho ho marina, manan- kaja, mahitsy, madio, maha te ho tia, tsara laza, ary miseho ho manana hantsaram-panahy izy ireny kanefa mamily ny fon'ny maro hiala amin'ny finoana marina. Mifalia raha nomen'ny Tompo mpampianatra marina isika hitaiza antsika ara-panahy.

Fanontaniana :
Raha tompon' andraikitra ianao, ezaho tanisaina ny anaran 'ireo olona miara-miasa aminao

samedi 29 décembre 2018

Sabotsy 29 Desambra 2018- I Sam 2 : 1 - 3

1Ary i Hanà nanao tonom-bavaka toy izao:
Feno hafaliana ny foko noho ny amin'ny TOMPO;
mitraka koa ny lohako noho ny aminy.
ary ihomehezako ny fahavaloko.
Faly aho satria novonjen'ny TOMPO;
2tsy misy masina tahaka AZY,
ary tsy misy vatolampy
tahaka an'Andriamanitsika.
Eny, Izy irery ihany no TOMPO.
3Atsaharo ny teny an'avona
sy ny vava tsy ambina rehetra,
fa Andriamanitra mahalala
ny zava-drehetra ny TOMPO;
Izy no mitsara ny ataon'ny olona.

Ny olona nandray valim-bavaka

Naneho ny hafaliany noho ny valim-bavaka azony i Hana ka mifaly:

1- Amin'ny famonjen'nv Tompo

Ny famonjen'Andriamanitra tamin'ny nanomezany azy zazalahy no mahafeno fifaliana ny fon'i Hana (and. 1). Izany famonjen'Andriamanitra izany koa no tokony hampifaly antsika isan'andro satria efa nomen' Andriamanitra antsika i Jesoa zanany mba ho famonjena antsika.

2- Amin'nv fampaiityinan'ny Tonino ireo fahavalo

Naneso an'i Hana mandrakariva ny rafiny noho ny tsy fananany zanaka. Nalahelo noho izany izy ka nentiny teo amin'Andriamanitra ny alahelony (1.1-20). Nihaino vavaka azy nv Tompo. Mifalia mandrakariva na dia misy mpaneso aza fa ny Tompo no miasa hampitsahatra izany.

3- Amin'nv fahafantarana ny Tompo

Resy lahatra ny amin'ny maha tokana sy tsy manampaharoa an'Andriamanitra i Hana. Izany no maha  Andriamanitra masina Azy (and.2a). Azo itokiana sy ianteherana ihany koa Izy koa mifalia amin'ny fanompoana Azy sy ny fananana Azy ho Andriamanitra (and.2b).

Fanontaniana :
Iza no anaran'ìlay zaza naterak 'I Hana?



vendredi 28 décembre 2018

Zoma 28 Desambra 2018 - I Tes 5 : 12 - 19

12Mangataka aminareo izahay, ry havana, mba hanaja izay mikely aina eo anivonareo, dia izay voatendrin'ny Tompo hitarika sy hananatra anareo. 13Fankatoavana be dia be ombàm-pitiavana no asehoy azy ireo, noho ny asa tontosainy. Mihavàna tsara ianareo samy ianareo.
14Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin'ny olona rehetra. 15Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha mandrakariva hifanasoa ary hanasoa ny olona rehetra.
16Mifalia mandrakariva; 17mivavaha lalandava; 18misaora an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra, fa izany no sitrak'Andriamanitra hataonareo tafaray amin'i Kristy Jesoa.
19Aza vonoina ny asan'ny Fanahy Masina

Mpino mahay mivelona amin'ny finoany

1- Fifaliana hatrany

« Mifalia mandrakariva» (and. 16). Ny tiana hamhara amin'izany teny izany dia ny ahaizan'ny mpino mifaly amin'ny trangan-javatra rehetra eo amin'ny fiainany. Misy ary tsy maintsy lalovana ny fahasahiranana amam-pahoriana. Tsy ireny no mampifaly fa izay ataon'ny Tompo amintsika ao anatin'ireny olana sy fahasahiranana ireny. Hoy nv mpanompon'Andriamanitra iray : « Lanjao ny hazo fijaliana ; kanefa manàna fìfàliana ». Tsy hain'ny tsy mino iainana izany; kanefa tandremo ny mitsiky tsy ravo , fa manàna hatrany fìfaliana noho izay ataon'ny Tompo aminao.

2- Maharitra amin'ny fivavahana

Amin'ny fotoana tsy ivavahantsika. dia tsy manana faharetana isika. Mifameno amin'ny Mofonaina omaly izany. Ny olona maharitra mivavaka, dia olona manantena ny Tompo hiditra an-tsehatra amin'ny zava-manjo azy. Tsy olona miandry ny hotoloram-potsiny anefa, fa maharitra mivavaka. lo no handraisantsika hery. ahazoantsika miandry ny hahatongavan'ny fanantenana. na dia mbola eny amin'ny faravodilanitra aza

3- Mahay misaotra amin'ny zavatra rehetra

« Misaora amin'ny zavatra rehetra ». lo fahaiza-misaotra io no itarafana ny finoana ao amin'ny olona iray mahay misaotra tokoa isika, rehela mandrav ka mahazo zavatra tsara iray. Tsy ny zavatra raisina na omena ihany no itaomana antsika hisaotra eto, fa izay nataon'ny Tompo sy mbola hataony amintsika indrindra koa. Tsarovy izany tamin'ity taona ity. ka ataovy fanantenana ho anao amin'ny taona ho avy

Fanontaniana
Ahoana izany misaotra amin'ny zavatra rehetra izany ?

jeudi 27 décembre 2018

Alakamisy 27 Desambra 2018 - Rom 12 : 9 - 13

9Aoka ny fitiavana tsy hisy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara. 10Mifankatiava toy ny mpiray tampo; miezaha amin'ny fifanajana. 11Mazotoa fa aza malaina. Aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. 12Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana, mahareta amin'ny fivavahana, 13mandraisa anjara amin'ny fanampiana ireo sahirana amin'ny samy vahoakan'Andriamanitra; mazotoa mandray vahiny.

Mahaiza mifaly noho ny fanantenana

1- Ny olona manana fanantenana dia mitraka

« Mifalia amin'ny fanantenana » (and. 12). Ny fanantenana ao amin'ny mpino no mitarika azy hifaly. Ny fanantenana dia vokatry ny finoana sy fahatokiana ary faharesen-dahatra fa hanatanteraka ny teny fíkasana sy fanomezan-toky nambarany tamintsika nv Tompo. Tsy kobaka am-bava ny Tompo fa hotanterahinv izay nolazainy, koa mitrakà, aza manjoretra, na manjonitra fa mifalia ! Ny teny nolazain'ny Tompo no inoantsika. ary ny finoana no mitondra fanantenana. Koa mifalia fa izay teny nomen'ny Tompo anao tamin'izao krismasy izao dia ho tanterahiny tokoa. noho ny fitiavany anao.

2- Ny olona manana fanantenana dia miaritra

« Miareta amin'ny fahoriana » Nahoana àry no asina mifaly nefa asaina miaritra fahoriana ? Satria ny fanantenana dia mitarika antsika ahita lafiny miabo tsara, ary fiainana. Tsy maintsy mandalo fahoriana tahaka an'i Kristy ny Mpino : kanefa handalo izany fa fandresena toy ny nitsanganan'ny Tompo tamin'ny maty no ihavin'ny fanantenana. Koa mifalia na dia miaritra fahoriana aza fa lalana tsy maintsy lalovana vetivety izany.

3 - Ny olona manana fanantenana dia maharitra
 «Mahareta amin'ny fivavahana ». Ny dika sy hevitry ny « manantena » dia ny tenv hoe : « miandry ». Ny olona miandry dia tsv maintsy maharitra sy miaritra. Tsy miainana amin'ny fanantenana izay maimaika sy dodona tsy mahandry tantana. lo faharetana io dia asehoy amin'nv fivavahana. Mivavaha mandra-piposaky ny fanantenana fa tsy maintsy ho avy izany.

Fanontaniana:

Moa azonao hazavaina indray ve ny fifandraisan'ny fifaliana noho ny fanantenana sy ny fiaretana fahoriana?

mercredi 26 décembre 2018

Alarobia 26 Desambra 2018 - Mat 2 : 6 - 12

6«Ary ianao, ry Betlehema, tanin'i Joda,
tsy ianao tsy akory no kely indrindra amin'ireo tanàna malazan'i Jodea;
fa avy aminao no hipoiran'ilay filoha
izay ho mpiandry an'i Israely vahoakako.»

7Tamin'izay dia nampiantsoin'i Herôda mangingina ireto olon-kendry ka nofotopotoriny tsara taminy ilay fotoana nisehoan'ny kintana; 8izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe:
–Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin'ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.

9-10Nony avy nandre ny tenin'ny mpanjaka ireo olon-kendry, dia niainga. Ary indro tazany indray ilay kintana hitany fony niposaka, hany ka faly dia faly aoka izany ry zareo. Nialoha lalana azy ireo hatrany ilay kintana ary tsy nijanona raha tsy efa teo ambonin'ny toerana nisy ny zaza. 11Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin'i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan'ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora. 12Ary notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin'i Herôda, ka dia lalan-kafa no nizorany hody any amin'ny tany fonenany.

Ary nony nahita ny kintana izy dia nifaly indrindra »

Ny Magy avy tany amin'ny toeran-davitra, avy tany atsinanana no tonga tany Jerosalema nitady ny mba ihaona amin'i Jesoa. Manam-pahaizana momba ny kintana sy fandinihana ny lanitra ny Magy. Izany fahalalany izany anefa dia tsy nitondra azy mivantana ho any amin'ny Tompo, fa tany Jerosalema, teo anatrehan i Heroda aloha.

Mahagaga ny finiavan'ny Magy. sy ny fizotry ny tantara, fa ny fahaizana amam-pahalalan'ny Magy izay fiasana nitarika azy hizotra hanatona an'i Jesoa dia nilaina. kanefa ny Tenin'Andriamanitra izay voasoratra ao amin'ny Mika 5. 1. no kihon-dalana namily ny dian'izy ireo ihaona marina tamin'i Jesoa tao Betlehema. Nolazaina ny Tenin' Andriamanitra : kanefa mbola hitany ihany ny kintana. ka nifaly indrindra izy ireo.

Tena nilaina ny fahaizana ombam-piniavana tao amin'ny Magy; kanefa tsy nampihaona azy ireo tamin'ny Tompo Jesoa, fa nahitany an'i Heroda romotry ny hatezerana aza. Tahaka antsika manatona fiangonana izany, izay mety ahitantsika toetran'olona samihafa mety mahakivv antsika, saingy rehefa atodiky ny Tenin'Andriamanitra isika, ka mihaona marina amin'ny Tompo dia mifalia tahaka ny Magy. Aza mihevitra ny toetran'ny hafa, tahaka ny Magy tsy sahirana tamin'ny hatezeran'i Heroda, fa nifaly. Ny fahalalana nomen'ny Tompo antsika, omban'ny fahazavan'ny Tenin'Andriamanitra sy ny Fanahy Masina, no toy ny kintan'ny Magy izay mitarika antsika mpino, hanatona sy hihaona marina amin'i Jesoa.

Fanontaniana :
Moa tena tafahaona tamin'i Tompo tokoa ve ny rehetra amin'ny Krismasy toy izany ? Inona no antony ?

mardi 25 décembre 2018

Talata 25 Desambra 2018 - Mik 5 : 1 - 5

1Dia hoy ny Tompo hoe:
«Ianao, ry Betlehema Efratà,
isan'ireo tanàna kely indrindra ao Joda ianao!
Kanefa avy aminao no hamoahako
ilay ho Mpanjaka an'i Israely.
Efa hatramin'ny fahagola no niandohany,
dia hatramin'ny andro taloha elabe.»
2–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany
amin'ny fahavalo
mandra-piavin'ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray;
ka izay sisa velona, amin'ireo rahalahiny
voasesi-tany,
dia hiverina ho any amin'ireo Israelita namany.
3Ary hitsangana hitondra ny vahoaka
izany mpanapaka nampanantenaina izany,
hombàn'ny hery sy heniky ny famirapiratana
avy amin'ny TOMPO Andriamaniny.
Dia handry feizay ny vahoakany,
satria ho lehibe hatrany am-paran'ny tany
izany mpanapaka izany:
4izy no hitondra fiadanana!
–Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina
ka hitsofoka hatraty an-dapantsika,
dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.
5Ary handresy amin'ny sabatra sy lefom-pohy
ireo mpitari-tafika ireo
ka hifehy an'i Asiria, tanin'i Nimrôda.
Izany mpanapaka izany mihitsy
no hanafaka antsika amin'ny Asirianina
izay hihoatra sisitany
ka ho tonga hanafika ny tanintsika.

Mifalia amin'ny fanantenana

Hafatra sy fifaliana Krismasy ho antsika izany. satria :

1- Azo antoka ny fiainan'ny mino

« Ary hitsangana sy hiandry ny ondriny amin 'ny herin 'i Jehovah » (and.3). Ny mesia, izay solofon'i Jese izany ambara ho Mpiandry ondry izany. Ny Mpiandry ondry dia sary entin'ny Soratra Masina milaza ny tompon'andraikitra eo amin'ny fiainam-bahoaka, na ny fiainana ara-pivavahana, na ny fìaraha-monina tsotra. Entina milaza ny mpitondra, tena raiamandreny mpiahy sy mpiaro ary mpikarakara sy mpamelona. Mifalia fa azo antoka ny fiainan'ny mpino, noho isika nomena « Mpiandry ondry » vonona hiaro, hitsimbina. hamelona ka hitondra antsika amin'ny fiainana. Tanteraka tao amin'i Jesoa Kristy izany, izay nomen'ny Tompo antsika, ka niara-nonina tamintsika ary tsarovana amin'ity anio ity.

2- Azo antoka ny fiadanana

Ny and.4 - 5 dia milaza ny hitondran'io « Mpiandry ondry » io fiadanana, ary Izy mihitsy no fiadanana (and.4). Ny fiadanana dia ilazana fandriampahalemana sy fahatoniana ary fahasalamana. Aseho eto tokoa fa hofaranany ny ady sy ny fampahorian'ny firenen-dehibe, satria horeseny ny Asiriana, izay lozabe sv nampahory. Aza adinoina, ary mifalia fa hanatanteraka izanv ho an'ny tanintsika koa i Jesoa izay nomena antsika. satria « Zazalahy nomena antsika » Izy hitondra fiadanana sy fahasalamana tsy ho an'ny isam-batan'olona ihany fa ho an'ny tanintsika koa.

Fanontaniana:
Moa fìadanana ara-panahy ihany ve no entin'i Kristy '?


lundi 24 décembre 2018

Alatsinainy 24 Desambra 2018 - Jao 1 : 14 - 18

14Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin'ny Ray ho an'ny Zanaka lahitokana.
15Vavolombelona manambara Azy i Jôhany ka niantso mafy hoe:

–Izy no Ilay voalazako hoe: «Ilay tamy aoriako dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.»
16Feno harem-pahasoavana ilay Teny ka nandraisantsika rehetra fahasoavana tovozin-tsy ritra: 17satria ny lalàna dia nomen'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy. 18Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin'ny Ray, no efa nanambara Azy.

Mifalia!

Mifalia amin'ny andro Krismasy toy izao satria ampahatsiahivin'ny Tompo amintsika fa:

1- Miara-monina amintsika Izy (and.14 a)

Ny fahatongavan'Andriamanitra ho olona miara-monina amintsika no loharanom-pifaliana ho an'ny mila vonjy. Tsarovana, amin'ny andro Krismasy toy izao izany ka rariny raha maneho ny hafaliany ny mpino. Fifaliana miaraka amin'Andriamanitra noho izany no hatao amin'ny andro toy izao satria eo amintsika Izy, miaraka amintsika.

2- Hitantsika ny voninahiny (and.14 b-15)

Ny fahalehibeazan'Andriamanitra no ambara amin'ny hoe ny voninahiny. Naseho ho hitantsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy izany ka ny teniny sy ny asany dia samy nampiseho izany fahalehibeazan'Andriamanitra izany avokoa
.
3- Henika ny fahasoavany isika (and.16-18)

Fanomezana maimaim-poana ateraky ny fitiavana ny fahasoavana. Ny famonjena antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy no fahasoavan' Andriamanitra omena izay mino. Tsv avy amin'ny asantsika izany fandrao hisy hirehareha fa vokatry ny fitiavan'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Endrika manao ahoana no tokony hanehoan'ny mpino ny fifaliany amin'ny andro Krismasy toy izao?

dimanche 23 décembre 2018

Alahady 23 Desambra 2018 - Deo 26 : 5 - 11

5Ary samy hiteny eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe:

«Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin'olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa. 6Ratsy fitondra anay ny Ejiptianina ka nampahory anay sy nampanao anay fanompoana mafy. 7Dia nitarainanay ilay TOMPO Andriamanitry ny razambenay, ka nohenoiny ny feonay ary hitany fa nahantra sy nijaly sady nampahorîna izahay. 8Fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ombàn'ny fampatahorana goavana sy famantarana ary zava-mahagaga no namoahan'ny TOMPO anay hiala tany Ejipta; 9ary nentiny hiditra teto amin'ity tany ity izahay ka nomeny anay ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. 10Koa ankehitriny, TOMPO ô, intỳ aho mitondra ny voaloham-bokatr'ilay tany izay efa nomenao ahy.»

Dia samy hametraka izany zavatra izany eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo sady hiankohoka hitsaoka ny TOMPO Andriamanitrareo. 11Avy eo noho ny soa rehetra izay nomen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hifaly ianareo miaraka amin'ny Levita sy ny vahiny eo aminareo.

Andriamanitra loharanom-pifaliana

Fanambara-pinoana lehibe amin'ny alalan'ny teny sy ny asa no ataon'ny vahoakan'Andriamanitra. Asongadina amin'izany fa Andriamanitra no loharanom-pifaliana satria:

1- Manafaka Izy (and.5-9)

Tsarovana eto ny nifidianan' Andriamanitra an'i Abrahama. ny fivahinianana tany Egypta ary ny fanomezana ny tany Kanana. Ny fanafahan'Andriamanitra indrindra no tiana avohitra eto satria izany no nahafanhan'ny zanak'Isiraely niaina sy nivelona finaritra teo amin'ny tany Kanana. Afaka mifaly toy izany koa isika noho ny fanafahan'Andriamanitra antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy ka tsy andevozin'ny fahotana samihafa intsony.

2- Manome ny soa Izy (and.10-11)

Hita taratra tamin'ny nanomezan'Andriamanitra azy ireo tany tondra-dronono sy tantely ny fanomezan' Andriamanitra ny soa ho an'ny vahoakany. Mifaly noho izany ny vahoaka ka mitondra ny voaloham-bokany ho an' Andriamanitra. Maro nv soa noraisintsika avy tamin' Andriamanitra ka voalohany indrindra amin'ireny ny namonjeny antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy. Mifalia ka manatera fisaorana ho Azy.

Fanontaniana:
Inona no manosika anao hanao fanatitra ho an'ny Tompo?

samedi 22 décembre 2018

Sabotsy 22 Desambra 2018 - Sal 68 : 1 - 10

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon'ny hoe «Aza ravana....» Salamo nataon'i Davida.

2Moa dia ny rariny tokoa ve
no lazainareo, ry manampahefana?
Moa araka ny hitsiny ve
no itsaranareo ny olona?
3Tsy izany, fa minia manao ny ratsy ianareo;
ny herisetra ataonareo no afafinareo amin'ity tany ity.
4Hatrany am-bohòka ny olon-dratsy no mivoana;
hatramin'ny vao teraka ny mpandainga no maniasia.
5Misy poizina tahaka ny menarana izy;
manentsin-tadîny tahaka ny bibilava marenina
6izay tsy mihaino ny mpanao safosiaka azy,
na dia ny mahasondriana indrindra aza.
7Andriamanitra ô, torotoroy ao am-bavany ny nifiny;
TOMPO ô, montsany ny vangin'ireo zary liona ireo.
8Hihanaka toa rano abosasaka anie izy,
hadisadisa toa ahitra voahosihosy;
9ho tahaka ny lelosy anie izy,
ka hiempo eny am-pandehanana;
ho tahaka ny zaza tsy tonga volana
ka tsy hahita masoandro na oviana na oviana!
10Tsy mbola tonga kirihitra akory
ny tsilo novolen'ny olon-dratsy,
dia hongotan'ny tafiotra sahady
na mbola maitso na efa maina.

Ny antom-pifalian'ny marina

1 - Ny fandresen'Andriamanitra ny fahavalony

Andriamanitra no miady ho an'ny mpanompony. Mitsangana handresy ny fahavalo Izy ka mandositra sy miely lavitra ireny (and. 1-2). Miorina amin'ny finoana an'i Jesoa Kristy ny fifalian'ny mpino noho Izy efa nandresy ny fahoriana sy ny fahafatesana ho antsika.

2 - Ny fisinjovin'Andriamanitra ny olona ory

Mitsinjo ny marina Andriamanitra ary koa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena (and.10). Akaikin'izay zohim-pahoriana hatrany Izy ka mampitoetra fifaliana ao am-pon'ireny (and.5-6). Ny fiderana sy ny fankalazana ny Anarany no entina maneho ny fifaliana eo anatrehan' Andriamanitra izay nitsinjo antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika (and.3-4).

3 - Nv fanatrehan'Andriamanitra ny olony

Manatrika ny olony hatranv Andriamanitra. Mihorohoro eo anatrehany ny voahary rehetra (and.8). Tsy manatrika fe-manatrika fotsiny ny vahoakany anefa Izy fa mitondra sy mitantana ny fiainany ary koa mandrotsa-pitahiana ho azy ireo (and.7,9). Tsarovy ny fanatrehan'Andriamanitra antsika amin'ny alalan'ny Fanahy Masina dia hifaly amin'ny fitiavany mandrakariva isika (Gal.5,22).

Fanontaniana:
Afaka ny hifaly ao anatin'ny andro mahaory ve ianao?

vendredi 21 décembre 2018

Zoma 21 Desambra 2018 - Fil 1 : 12 - 18

12Ry havana, tiako ny hahafantaranareo fa izay nihatra tamiko dia vao mainka nanjary fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly; 13ka ny ato an-dapa manontolo sy ny olon-kafa rehetra dia samy mahalala fa voafonja noho ny amin'i Kristy aho. 14Nony nahita ahy voafonja ny ankamaroan'ireo havana iray finoana, dia vao mainka nataon'ny Tompo feno fahatokiana ka mihasahisahy kokoa mitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin-tahotra.

15Eny, fialonana ahy sy fitia te hifanditra no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa hitsim-po kosa no manentana ny sasany. 16Ireto dia asesiky ny fitiavana, satria fantany fa voatendrin'Andriamanitra hampandresy lahatra ny Vaovao Mahafaly aho; 17irerỳ kosa asesiky ny fifampiandaniana, ka tsy manambara an'i Kristy amin-kitsim-po, fa mihevitra hanampy trotraka ny fijaliako amin'izao maha voafonja ahy izao.

18Kanefa mampaninona moa izany? Amin'ny atao rehetra, na asesiky ny fihatsarambelatsihy na asesiky ny hevitra mahitsy, dia i Kristy no torîna, ka ifaliako izany; eny, hifaliako hatrany izany

Ny fífalian'ny mpitory ny Filazantsara

1- Ny fandrosoan'ny asa fitoriana (and.12-13)

Ny nifatoran'i Paoly no vao mainka nampiroborobo fatratra ny fielezan'ny Filazantsara. Faly izy na dia voafatotra aza satria: andaniny dia maro ny olona tonga nahafantatra an'i Kristy noho ny fifatorany. Ankilany dia tsy nihemotra tamin'ny asa fitoriana ireo mpiara-miasa taminy fa nandroso hatrany. Ny fandrosoan'ny asa toy izanv no fototrv ny fifaliain'ny mpitory Filazantsara na dia eo aza ireo zava-manahirana maro samihafa tsy maintsy hatrehina.

2- Ny fandraisan'anjaran'ny rehetra (and. 15-18)

Na dia tsy ary mitovy aza ny toe-panahy ho entina mitory an'i Kristv dia anisan'nv mahafaly ny mahita ny rehetra mandray anjara amin'izany asa goavana izany. Misy ireo izay mitory amin'ny fifaliana sy nv fitiavana. Tsara izany! Tsy takona afenina koa anefa ny fisian'ireo izay mifampialona sy mifanditra ary mifampiandany sy mifampihatsara ivelantsihy. Mbola eto an-tany ny Fiangonana koa tsy mahagaga raha ahitana fahalemena maro samihafa toy izany eo amin'nv fitoriana ny Filazantsara (2 Kor. 12,9).

Fanontaniana:
Nahoana no amin'ny fialonana sy fifandirana ary fiampiandaniana no itorian'ny sasany an'i Kristy?

jeudi 20 décembre 2018

Alakamisy 20 Desambra 2018 - Isa 65 : 17 - 25

17Fa indro Aho mahary habakabaka vaovao sy tany vaovao
ka tsy hotsarovana intsony
ny habakabaka sy tany taloha
na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18Fa mifalia sy miravoravoa hatrany ianareo
ny amin'ny zavatra izay hoarîko:
dia i Jerosalema heni-karavoana
ary ny vahoakany heni-kafaliana.
19Izaho koa hiravo amin'i Jerosalema
sy hifaly amin'ny vahoakako.
Fa tsy ho re ao Jerosalema intsony
na ny tomany na ny kiakiakam-pitarainana.
20Tsy hisy ao intsony ny zaza minono
izay ho faty anatin'ny andro vitsivitsy
na ny antitra tsy hahatapitra ny androny;
fa ho maty tanora izay maty zato taona,
ary heverina ho olona voaozona
izay tsy mahatratra zato taona.
21Hanao trano ny vahoakako,
ka hitoerany tokoa izany;
hamboly voaloboka izy
ka hihinana tokoa ny vokany.
22Tsy hanao trano hitoeran'ny hafa intsony izy
na hamboly zavatra hohanin'ny olon-kafa;
fa ho tahaka ny andro hiainan'ny hazo
ny andro hiainan'ny vahoakako,
ary ny olom-boafidiko hanaram-po
amin'ny vokatry ny asa vitany.
23Tsy hisasatra foana intsony izy
na hitera-jaza ho fatin'ny loza tampoka;
fa fianakaviana izay notahiko izy,
na ny tenany na ny zanany naterany.
24Mbola tsy miantso akory izy,
dia efa hamaly azy Aho;
ary mbola tsy tapi-miteny izy,
dia efa azoko ny tiany holazaina.
25Hiara-miraoka ahitra ny amboadia sy ny zanak'ondry;
ny liona hihinam-bilona toy ny omby,
ary ny menarana kosa dia vovoka no ho fihinany.
Tsy hisy fanaovan-dratsy intsony, hoy AHO,
na fanimbàn-javatra intsony,
manerana ny tendrombohitro masina!

Manao sesilany ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly manomboka ao amin'ny toko faha 56. Na dia niaina ny fiainam-paharatsiana aza ny vahoaka, Andriamanitra kosa nanomana fiainana tsara lavitra ho azy ireo.

Ny fiainam-baovao omanin'ny Tompo :

1- Fiainam-pifaliana (and.17-20)

Sarin'ny tany vaovao sy lanitra vaovao no ambara fa haorina ao amin'ny firenen'Andriamanitra. Ho foana tsy hisy intsony ny ranomaso, tomany ary alahelo fa hisolo fifaliana tsy manam-piafarana izany. Samy ahazo anjara fifaliana sy faharavoravoana na ny vahoaka na i Jerosalema. Tandindon'ny fiainan-danitra efa omanin'ny Tompo ho antsika mpino rehetra koa izany, araka nv voalazan'ny Apokalipsy  21 : 4. Miombom-pifaliana tanteraka amin'Andriamanitra ny mpino, satria ny fifaliany no zarainy amin'ny mpanara-dia azy. Ny fiainana amin'ny fifaliana no maha ela velona (and.20).

2- Fiainam-piadanana (and.21-25)

Tsy hitovy amin'ny fiainana tany Babylona intsony no ampanantenan'Andriamanitra taorian'ny niverenany indray tao Jerosalema. Ambara fa hisitraka tanteraka ny asan'ny tanany izy fa tsy olon-kafa intsony no hamantam-bonina (and. 21-23). Ankoatr'izany, dia ho akaiky azy ireo hatrany Andriamanitra (and.24), ary hampanjaka tanteraka ny fílaminana. Tsy hisy intsony ny ho mpanjakazaka an-tanin'olona fa hiara-monina am-pilaminana ny vahoaka (and.25 ampit Isa 1 1.6-9). Rehefa miverina mankato an' Andriamanitra ny vahoaka, dia miverina amin'ny vahoaka hatrany ny teny fikasany hatramin'ny voalohany.

Fanontaniana :
Ahoana no iainana ny fifaliana amin'izao noely izao?

mercredi 19 décembre 2018

Alarobia 19 Desambra 2018 - Zak 2 : 14 - 17

14Dia hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
«Mihobia sy mifalia, ry vahoakan'i Tsiôna,
fa indro avy honina ao afovoanareo Aho.
15Amin'izany andro izany,
firenena maro no hiraiki-po amiko
ka ho tonga vahoakako;
ary honina eo afovoanareo Aho.»

Amin'izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo. 16Dia ho fananan'ny TOMPO indray i Joda ao amin'ny tany masina; ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray Izy. 17Aoka ny voaary rehetra hangina eo anatrehan'ny TOMPO satria avy ao amin'ny fonena-masiny Izy no hipoitra tampoka.

Ny fanarenana ny fiainan'ny Israelita taorian'ny fahababoana no ambaran'ny bokin'i Zakaria. Andriamanitra mihitsy no ho avy handray an-tanana hanarina sy hiaro ny tanàna.

Ho avy amim-boninahitra ny Tompo!

1- Hitoetra eo anivon'ny vahoaka (and.14-15)

Ny teny hoe "honina ao afovoanao Aho " dia fanambarana manetriketrika ataon'Andriamanitra fa hiverina hitoetra ao amin'ny Azy Izy. Fifaliana sy faharavoravoana lehibe no handraisana izany, satria izany no banga teo amin'ny Joda tany am-pahababoana. Fanambarana Mesianika lehibe tanteraka tao amin'i Jesoa Kristy. Ilay Teny tonga nofo ka nonina na nitoetra an-day tamintsika izany (Jao1 l4a). Fampaherezana ho antsika mpino izany. ka mendrika ho deraina amin'izao ankatoky ny noely izao satria Andriamanitra mirotsaka an-tsehatra eo anivontsika Izy.

2- Hanandratra ny fireneny (and.16-17)

Haverina amin'ny laoniny ny fifidianan'ny Tompo ny firenena voafidiny. Hanana ny hasiny indray i Joda sy i Jerosalema. Ihataka ho azy ny fahavalo. Ho tazan'izao tontolo izao izany, ka ahazo fankatoavana iraisam- pirenena izy, satria hiseho tampoka amim-boninahitra ny Tompo avy amin'io fítoerana masina io. Lasa ivon- toeram-pahamasinan'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao i Joda noho izany. Voambara hatrany fa avy amin'ny jiosy ny famonjena ary avy ao anatiny ho hivoahan'izay ho mpanampaka ny Israely (Matio 2.6). Manana anjara amin'ny fanarenana ity firenena ity, araka izany, ny fankalazana ny fihavian'ny Mpamonjy.

Fanontaniana :
Inona no antenaintsika amin'ny fihavian'ny Tompo'?

mardi 18 décembre 2018

Talata 18 Desambra 2018 - Efe 1 : 3 - 6

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin'ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin'i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra. 4Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin'i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan'Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika, 5dia natokan'Andriamanitra isika mba ho Azy, mba ho tonga zanany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, fa izany no safidin'ny sitrapony. 6Hiderantsika an'Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin'ilay Zanany malalany.

Hita matetika eny amin'ny fiandohan'ny epistily ny fisaorana, izay mifantoka kokoa amin'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy, izay nifidy tamin'ny lasa. Koa, Misaora ao amin'i Kristy :

1- Izay nitahy antsika (and.3)

Fitahiana avy any an-danitra sy tanteraka no atolotr'Andriamanitra ny mpino, tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy, fa tsy mba fitahiana hita maso akory. Tena asan'Andriamanitra, Ilay Tompo sy Loharanon'ny Fitahiana rehetra mihitsy no ambara eto. Mampibanjina antsika ny fanjakan'Andriamanitra, izay ho lovantsika miaraka amin'ireo mpino rehetra izany.

2- Izay nifidy antsika (and.4)

Miharihary eto fa Tompon'ny fiantsoana hatramin'ny voalohany Andriamanitra. Efa hitantsika tamin'ny nifidianany an'i Jeremia mpaminany izany (Jer 1.5). Sady mifidy amin'ny alalany Izy no mifidy ho Azy, mba ho fiderana ny Voninahiny. Miantso antsika hanam-pahamasinana tahaka Azy Izy, ahatonga antsika hanana anjara famonjena ao Aminy.

3- Izay nanangana antsika ho zanany (and.5)

Fitiavan'Andriamanitra lehibe no nanekeny handray antsika ho lovany, ka niantsoany antsika hoe "'zanany".: Fananganana anaka mampitolagaga fa tsy hampita fotsiny ny hareny, na ny fananany fotsiny, fa tena ny maha-izy azy tanteraka mihitsy. Ny zanak'Andriamanitra rehetra, araka izany, dia manana adidy haneho sy hanambara izay rehetra nomen'ny Ray azy.

Fanontaniana :
Mahatsiaro mahazo tombontsoa amin'ny nifidianan'ny Tompo anao ve ianao ? Ifampizarao amin'ny hafa izany

dimanche 16 décembre 2018

Alahady 16 Desambra 2018 - Mat 5 : 1 - 12

1Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin'ny mpianany. 2Dia niteny i Jesoa ka nampianatra azy rehetra hoe:

3–Sambatra izay miaiky ao am-po ho mahantra,
fa azy ny Fanjakàn'ny lanitra!
4Sambatra izay mitomany,
fa izy no hampiononin'Andriamanitra!
5Sambatra izay malemy fanahy,
fa izy no handova ny tany
nampanantenain'Andriamanitra!
6Sambatra izay maniry mafy hanao ny marina
nosoritan'Andriamanitra,
fa izy no homen'Andriamanitra fahafaham-po!
7Sambatra izay mamindra fo,
fa izy no hamindran'Andriamanitra fo!
8Sambatra izay mahitsy fo,
fa izy no hahita an'Andriamanitra!
9Sambatra izay mpampihavana,
fa izy no hantsoin'Andriamanitra hoe zanany!
10Sambatra izay enjehina noho izy manao ny marina
nosoritan'Andriamanitra,
fa azy ny Fanjakàn'ny lanitra!

11Sambatra ianareo raha tevatevain'ny olona sy enjehiny ary ampangaina lainga amin'ny ratsy isan-karazany noho ny maha mpianatro anareo. 12Mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoa miandry anareo any an-danitra, satria toy izany no nanenjehany ireo mpaminanin'Andriamanitra talohanareo!

Hitanlsika tamin'iny herinandro iny fa ny fiainam-bavaka tao amin'i Jesoa no loharanon'ny fahasambarana. Hitantsika amin'ny antsipirihany kokoa izany eto.

1- Ny fahasambarana ho avy (and.1-10)

"Sambatra izay..." miisa valo no tanisaina eto raha ny DIEM no jerena. Hoy ny Malagasy hoe "ny Soa atao levenam-bola", koa ny fahasambarana ho azonao rahatrizay dia miankina tanteraka amin'ny ankehitrininao. Fantatry ny Tompo fa malahelo, ory, noana sy mangetaheta, ... ny olony, koa mampahery azy ireny ny Tompo tsy hitanondrika amin'izany toerana misy azy izany, fa hibanjina kosa ny mandrakizay izay efa nomanin Izy Tompo ho an'ny mpanaradia Azy (Jaol4.2). Miteraka finoana lalim-paka ao amin'ny mpino, araka izany, ireo zava-tsarotra rehetra lalovany.

2- Ny fahasambarana ankehitriny (and.11-12)

"Sambatra ianareo ... " kosa no hita eo amin'ny and. 11. Entina ilazana manokana ny mpianatry ny Tompo izany. Azo antoka mantsy fa raha ny Tompo aza tsy nisy lanjany tamin'ny fiaraha-monina, dia mba ho tsy nisy dikany taminy ihany koa ny mpianany. Ambaran'i Jesoa fa tombontsoa raisina ankehitriny ny fanenjehana ao amin'nv Marka 10:30. Noho ny fanjakan'ny lanitra izay efa ho avy, dia mampahery ny mpianatra i Jesoa hiditra amin'ny fanompoana mahatanty saoka kokoa. Mampahery antsika ny filazana fa tsy sambany teo amin'ny tantara akory ny fanenjehana mahazo anao (ampitahao I Petera5.9).

Fanontaniana :
Nahoana ny olona no mihazakazaka mitady fahasambarana eto an-tany?

samedi 15 décembre 2018

Sabotsy 15 Desambra 2018 - Isa 49 : 7 - 13

7Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin'i Israely,
dia miteny aminao, ry voaeson'ny olona
sy ankahalain'ny firenen-kafa,
ary andevozin'ireo mpanjakazaka;
ka izao no lazainy aminao:
«Raha vao mahita anao ny mpanjaka
dia hitsangana hiala amin'ny sezafiandrianany;
ary hiankohoka ny manampahefana,
raha vao mahatazana anao.
Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky,
dia Ilay Masin'i Israely efa nifidy anao.»
8Izao koa no lazain'ny TOMPO:
«Tamin'ny fotoana mety
dia namaly ny antsonao Aho,
ary tamin'ny androm-pamonjena
dia tonga namonjy anao Aho.
Nokolokoloiko ianao mba hataoko
ho antoky ny fanekempihavanako amin'ny olona.
Noho izany, dia hanarina ny tany Aho
sy hizara indray ny lova efa rava;
9ka ny mpifatotra izay ao anaty haizina
dia hitenenako hoe:
‹Mivoaha tao ianareo, misehoa.›
Eny an-dalana eny izy dia hahazo sakafo,
ka ho tahaka ny andiam-biby fiompy
mirao-bilona amin'ny havoana rehetra.
10Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo
ary tsy hampaninona azy akory
na ny rivo-mahamay na ny masoandro,
satria am-pitiavana no hitarihako azy
ary any amin'ny loharano miboiboika
no hitondrako azy hiala hetaheta.
11Ny tendrombohitra rehetra hasiako lalana;
ary ny arabe kosa hataoko tsara voatra.
12Indreny izy fa tonga avy any lavitra,
ny sasany avy any avaratra,
ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina,
ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta.»

13Mifalia, ry lanitra, miravoravoa, ry tany;
manaova horakora-pifaliana, ry tendrombohitra,
fa ny TOMPO efa nampahery ny vahoakany
ary naneho indrafo tamin'ny mahantrany.

"Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tanyl Ka velomy ny hoby, ..." and.I3a

Fanantenana vaovao ho an'ny vahoaka tany ampahababoana ny amin'ny "Mpanompon'i Jehovah" :

1- Hanandratra ny mpanompony (and.7)

Ambaran'Ilay Mpanompon'i Jehovah fa Andriamanitra mihitsy no handray an-tanana ny vahoakany. Noho izany, dia hitsimbadika ny fiheveran'izao tontolo izao azy. Ilay vahoaka nobaboina, noesoina, nohamavoin'ny olona ary halan'ny firenena toy ny andevo, no indro tafiana voninahitra eken'ny mpanampaka sy izay nampahory azy rehetra. Mampahatsiaro antsika ny amin'i Jesoa Tompo izay "tonga tany amin 'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy" (Jao 1.11), kanefa Izy no nirahina ho amin'izao tontolo izao koa, satria "ny vato ìzay nolavin 'ny mpanao trano no efa natao fehizoro " Matio 21,42b.

2- Hanarina ny vahoaka mahantranv (and.8-13)

Hamorain'Andriamanitra ny lalana rehetra hiverenana avy any am-pahababoana. lo Mpanompo io no toy ny Mesia, ka handray ny asan'ny Mpiandry tsara. Miezaka ny hanangona ny ondry mba tsy hisy ho very, na hijaly, na ho noana, na hangetaheta intsony (Sal 23). Ny sisa amin'ny mpino no hisitraka izany rehefa handray ny Azy Izy. Ambaran'i Jaona fa efa fanandramana sahady ny fiainan- danitra izany, araka ny Apo 7. 16-17. Toky lehibe ho antsika mahatsiaro ho voahílika sy voageja ankehitriny izany fa manana maso mitsinjo ny Azy Andriamanitra. ka tsy mamela azy hotamin'ny fahavalo.

Fanontaniana :
Ahoana no endrika tokony isehoan'ny fifalian'ny mpino

vendredi 14 décembre 2018

Zoma 14 Desambra 2018 - Lio 10 : 21 - 24

21Tamin'izay fotoana izay indrindra, dia henika ny hafaliana tao amin'ny Fanahy Masina i Jesoa ka nanao hoe:
–Ray ô, Tompon'ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin'ny madinika. Eny, Ray ô, izany tokoa no sitrakao!

22Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin'izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy!

23Dia nitodika tamin'ny mpianany i Jesoa ka niteny taminy manokana hoe:
–Sambatra ianareo mahita maso izao hitanareo izao! 24Eny, lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo nefa tsy nahita, ary hahare izay renareo nefa tsy nahare.

Niverina tamin'ny fifaliana ireo fitopolo lahy nanao ny tatitra tamin'i Jesoa, satria nahatsiaro ho nahita fahombiazana tamin'ny iraka nampanaovina azy.

Ravoravo ao amin'ny Fanahy Masina, ka

1- Midera an'Andriamanitra (and.21)

Taorian'ny nahazoana ny vokatra tsara nentin'ireo mpanao tafika masina fito-polo lahy ity faharavoravoan'i Jesoa ity. Fifalian'ny lanitra tokoa ny fahombiazan'ny fambaboana fon'olona ho ao aminy. Ankoatra izany, dia feno fiderana an'Andriamanitra i Jesoa Kristy amin'ny maha- :
- Andriamanitra Mpahary. Tompon'izao rehetra izao,
- Andriamanitra manana ny hiheverany manokana sy hitondrany ny olony (Isa 55.8)
- Andriamanitra mahatanteraka ny sitrapony Izy.
Ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra eo amintsika dia tena tokony hiderantsika Azy amin'ny fontsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra.

2- Sambatra (and. 22 -24)

Hita taratra teo amin'i Jesoa ny fahasambarana aloha, satria nomen'ny Ray Azy avokoa nv zavatra rehetra. Misy fifamatorana lalina sy lehibe eo amin'ny Ray sy ny Zanaka. Mitana ny tsiambaratelon'ny Ray sy ny lanitra i Jesoa Kristy. Izany fahasambarana lehibe ao amin'i Jesoa izany no zarainy ihany koa amin'ny mpanaradia Azy, "dia nilazany taminy manokana hoe : Sambatra "(and.23). Fahasambarana mihoatra noho izay efa nandray hosotra tamin'ny Tompo toy ny mpaminany sy mpanjaka izany, koa tsy tokony hatao ambanin-javatra akory.

Fanontaniana:
Ny midera an'Andriamanitra no maha sambatra sa ny sambatra no midera an'Andrianianitra?

mercredi 12 décembre 2018

Alarobia 12 Desambra 2018 - Joe 2 : 21 - 27

21Aza matahotra, ry tany fambolena,
miravoravo sy mifalia ianao
fa manao zava-dehibe ny TOMPO.
22Aza matahotra, ry biby any an-tsaha,
fa mihamaitso ny kijana any an-taniefitra,
mamoa ny hazo
ary vokatra ny aviavy
sy ny voaloboka.
23Ary ianareo, ry mponin'i Tsiôna,
miravoravoa sy mifalia
amin'ny TOMPO Andriamanitrareo,
fa ny oram-pararano sahaza
no omeny anareo;
alatsany aminareo toy ny fahiny koa
ny ranonorana mivatravatra,
dia ny oran-dohataona sy ny oran-dririnina.
24Koa feno varimbazaha ny famoloana;
ary mitosaka ny divay sy menaka
ka mihoatra ny vata fanantazana azy.
25«Onerako aminareo, hoy ny TOMPO,
ireo vokatra nohanin'ny fanday sy ny valala
mbamin'ny voangory sy ny kijeja;
ireny miaramila betsaka ireny
no nalefako hamely anareo.
26Hihinan-ko voky ianareo
ka hidera Ahy TOMPO Andriamanitrareo,
Izay nanao zava-mahagaga taminareo.
Ary ny vahoakako, na oviana na oviana,
dia tsy ho menatra intsony.
27Ary hiaiky ianareo
fa eo afovoanareo Israelita Aho,
ka ny TOMPO Andriamanitrareo
dia Izaho fa tsy hafa.
Ary ny vahoakako, na oviana na oviana,
dia tsy ho menatra intsony.»

Nandalo ady sarotra ny firenen'Israely. Mampanantena anefa eto ny mpaminany Joela fa misy fetrany izany. Koa indro ambara eto ny loza mody fifaliana, satria :

1- Andriamanitra mampitsimbadika ny tantara

Niseho tamin'Israely avokoa ireo karazana loza mandrava rehetra ka niteraka tsy fisiana sy fahafoanana. Isan'izany ny andiam-balala, ny haintany, ny doro tanety ary ny fanafihana ara-miaramila. Na izany aza dia indro miseho misesy eto amin'ny and. 21-23, fa manomboka amin'ny tanv fambolena, ny biby any an-tsaha, ny hazo mamoa arv miafara amin'ny olona dia ny zanak'i Ziona, ny fanambarana ny fandresena miala amin'ny fahafatesana mankamin'ny fiainana ary miala amin'ny alahelo mody fifaliana. Jereo fa nitsimbadika tanteraka ny voalazan'ny 1 18-20. Afaka manao izany eo amin'nv fiainanao koa Izy.

2- Andriamanitra manatrika ny vahoakany

Na dia anjaran'ny vahoaka ao amin'ny firenena tsirairay aza ny tokony miady ahazoany fahafahana: dia indro Andriamanitra mihitsy no mirotsaka an-tsehatra miady sy miaro ho an'ny Israely noho ny fitiavany. Ambaran'ny and. 27a fa "dia ho fantatrareo fa ao afovoan'ny lsraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. fa tsy misy hafa". lo fanatrehan'Andriamanitra io no maha tondraka ny fitahiana sy ny fahavokarana. satria sadv manonitra ny lasa rehetra Izy no mihazona hatrany ny fanekeny. Miantso antsika rehetra hitodika Aminy ihany koa izany ankehitriny. Izany no lalana hiverenan'ny soa sy ny fitahiana ho antsika.

Fanontaniana:
Miha lonaka sa miha karankaina ny tanintsika? Nahoana?

mardi 11 décembre 2018

Talata 11 Desambra 2018 - Isa 12 : 1 - 6

1Amin'izany andro izany,
ry olona voaavotra,
dia hiteny ianao ka hanao hoe:
«Midera Anao aho, TOMPO ô;
fa na tezitra tamiko aza Ianao,
dia afaka ny fahatezeranao
ka nampionona ahy Ianao.
2Indro Andriamanitra namonjy ahy,
matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony.
Ny TOMPO no heriko sy fidèrako,
fa Izy no mpamonjy ahy.»
3Amim-pifaliana no hantsakanareo
eo amin'ny loharanom-pamonjena.
4Amin'izany andro izany
dia hiteny ianareo ka hanao hoe:
«Miderà ny TOMPO, antsoy ny anarany,
ambarao amin'ny vahoaka rehetra ny asany,
ampahatsiarovy azy
fa tsy hay takarina ny anarany.
5Ankalazao an-kira ny TOMPO
fa asa lehibe no nataony;
ary aoka hampahafantarina eran-tany izany!»
6Mifalia sy miravoravoa,
ry mponina ao Tsiôna,
fa lehibe Ilay eo anivonareo,
dia Ilay Masin'i Israely.

Ankalazaina amin'ny alalan'ny hira fiderana an' Andriamanitra ny fiverenanana avy any am-pahababoana. Indroa miverina eto ny teny hoe : « ary hiteny ianao » and la, 4a:

1- Izay nataon'nv Tompo tamiko (and 1 -3)

Ny voalohany amin'ny teny hoe «ary hiteny ianao» and. la, dia manambara ny fiderana nataon'ny Tompo tamiko. Andriamanitra irery ihany no anton'izany, satria Izy mamindra fo, mampahery, mamonjy ary manala ny tahotra rehetra. Fifaliana tsy manam-paharoa no sitrahan'izay manandrana amin'Ilay loharanom-pamonjena. Mampahatsiaro ny fanafahana hetahetan'ireo razany tany an'efitra I Isaia. Nambaran'i Jesoa mivantana fa « ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay » Jao 4 14b. Fijoroana ho vavolombelona lehibe hanambara ny famonjena azony no adidy sady tombontsoantsika mpino.

2- Hanambara ny asany lehibe (and 4 - 6)

Ny faharoa amin'ny teny hoe « ary hiteny ianao » and 4a, kosa raha ny teny fototra no jerena dia midika hoe "hiteny ianareo". Ny vahoaka voavonjy rehetra no hanambara ny asam-pamonjeny lehibe. Naverimberin'ny mpanao Salamo matetika ireto andininy ireto (Sal 118.21,14; 98.1). Ny hany iraka manokana, tainin'ny vahoaka af'aka dia ny hankalaza ny anaran'Andriamanitra sy hanambara Azy any amin'izao tontolo izao. Izy no hery ho an'ny vahoakany. Aoka ho fantatr'izao tontolo izao, fa Andriamanitra Lehibe, miasa ary miavaka indrindra noho ny fahamasinany Izy.

Fanontaniana:
Inona no vontoatin'ny hira tsy afaka am-bavan'ny maro rehefa mihira izy? Ary ny anao manokana?

lundi 10 décembre 2018

Alatsinainy 10 Desambra 2018 - Est 9 : 15 - 17

15Dia nivory indray ny Jiosy tao Sosany iny andro faha-14 tamin'ny volana Adara iny ka namono olona telon-jato lahy tao an-tanàna. Kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
16-17Ny Jiosy hafa, nonina tany amin'ny faritany isan-tokony manerana ny fanjakan'ny amperôra, dia nivory koa hiaro ny ainy, rehefa nigadona ny andro faha-13 tamin'ny volana Adara; afaka tamin'ny fahavalony izy ary 75000 no matiny kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory. Ary nitsahatra izy tamin'ny andro faha-14 ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.

Ny tranga eo amin'ny fiainan'ny mpino

1 -  Ao ny andro hiatrehana ady sarotra

"Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin'ny fanjakan'ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin'ny fahavalony izy". (And. 16a). Manam-pahavalo ny vahoakan' Andriamanitra, fahavalo tsy mitaza-potsiny fa mitady izay fomba rehetra handavoana sy handringanana. Tsy maintsy mijoro, ary tsy maintsy mandray andraikitra eo anatrehan' izany ny mpino. Voasoratra fa : "ny devoly fahavalo, dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany". Soa fa eo i Jesoa momba antsika mandrakariva.

2 -  Ao ny andro hifaliana sy hiravoravoana

Ao ny milaza fa ady ny fiainana. Misy tokoa ny fotoan- tsarotra diavintsika mazàna. Na izany aza dia misaotra ny Tompo isika fa hatrany hatrany, dia mahita ny adintsika Izy, mihaino Izy, mamaha olana Izy ary manome valimbavaka Izy. Izay ilaina amintsika dia fanomezam- boninahitra ny Tompo, ny fanehoana fifaliana sy firavoravoana.

3 - Ao ny andro hanomezana

" Dia nanao ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fanateran-javatra izy ireo" (And. 19d). Niatrika ady, hoy isika, ireto Jiosy ireto. Raha toa ka resy izy ireo dia sady voaroba ny fananany ary tandindomin- doza ny ainy. Teo anefa ny fiarovan'Andriamanitra ka fifaliana ho azy ireo ny nanome, nanolotra ho mariky nv fankasitrahana sy fisaorana. Voasoratra fa : " ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra". (II Kor. 9, 7)

Fanontaniana:
Inona no fíhetsika na marika hita maso sy azo tsapan- tanana ahafahana maneho ny fisaorana an'Andriamanitra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12