lundi 7 août 2017

Alatsinainy 07 Aogositra 2017 - II Kor 12 : 7 - 10

7Fa mba tsy hampieboebo ahy noho ireo fanambarana tsy manan-tsahala voaraiko, dia navelan'Andriamanitra hisy zava-mampijaly ahy tao amin'ny tenako; toy ny irak'i Satàna* mamely ahy izany ka misakana ahy tsy hieboebo12.7 Fijaliana manokana nahazo an'i Paoly, tsy dia voatondro mazava hoe inona kanefa mety ho aretina mitaiza izany. Ampit Gal 4.13-15.. 8Intelo aho no niangavy ny Tompo mba hialan'izany aretina izany amiko; 9nefa hoy ny Tompo tamiko: «Ampy ho anao ny fahasoavako, satria ao amin'ny fahalemenao no isehoan'ny heriko tanteraka.» Koa vao mainka sitrako mihitsy ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hambomba ahy ny herin'i Kristy*. 10Ka dia ifaliako ny fahalemena, ny fanevatevana, ny fahaterena, ny fanenjehana ary ny tebiteby, izay manjo ahy noho ny amin'i Kristy; fa rehefa malemy iny indrindra aho no mahery.

dimanche 6 août 2017

Alahady 06 Aogositra 2017 - Est 9 : 1 - 15

1Ity tantara ity dia nitranga tamin'ny andron'ny amperôra Kserksesa1.1 Ny tenenina eto dia toa i Kserksesa 1° izay nifehy ny fanjakana persianina (taona 486-464 tal J.K.). Fantatra koa amin'ny anarana hoe Ahasoerôsa io amperôra io., izay nanjaka tamina faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia. 2-3Tamin'ny taona fahatelo nanjakany, fony izy nitoetra tamin'ny sezafiandrianana maha andriamanjaka azy tao Sosany renivohitra, dia nanaovany fanasana ireo rehetra andriambaventiny sy mpandraharahany; tonga teo anatrehany koa ny filohan'ny tafik'i Persia sy i Media1.2 I Sosany dia anankiray amin'ireo renivohitra telo (i Sosany, i Ekbatàna na Akmeta (jereo Hez 6.2), ary i Babilôna*) nisy lapa sy sezafiandrianana ho an'ny amperôran'ny fanjakana persianina. Teo atsinanan'i Babilôna i Sosany ary fonenan-dririnina ho an'ireo amperôra persianina. –ny tafik'i Persia sy i Media dia nisy vondro-miaramila avy amin'ireo firenena isan-tokony ao anatin'ny fanjakana persianina. ary ny governora sy ny mpitondra isam-paritany. 4Nasehon'ny amperôra azy ny harena amam-boninahitry ny fanjakana ary ny harevaka aman-drentin'ny fahalehibiazany; ka enim-bolana no naharetan'izany lanonambe izany. 5Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia nanaovan'ny amperôra fanasana teo amin'ny kianja ao anatin'ny zaridainan'ny lapa koa ireo olona rehetra izay tao Sosany renivohitra, na ny lehibe na ny kely; ka herinandro no naharetan'ny lanonana. 6Nisy lamba temitra fotsy na maitso na manga, ka tady rongony fotsy sy volomparasy no nihantonany tamina masom-bolafotsy na tamina andry vatokaranana; nisy farafara volamena sy volafotsy1.6 farafara volamena sy volafotsy: misakafo mandrimandry mihorirana eo ambony farafara ireo olona nasaina (jereo Ham 6.4). –Tsy azo antoka tsara ny hevitry ny voambolana hebreo maromaro eto amin'ity and ity. nalahatra teo ambony lampivato alabasitra sy vatokaranana fotsy ary hara sy vatokaranana mainty. 7Tsatokaty volamena karazany samy hafa no nampisotroana ny olona ary nitobaka ny divay satria nalala-tanana tokoa ny amperôra. 8Araka ny fepetra dia samy nisotro tsy nisy naneritery azy ny olona; fa ny nandidian'ny amperôra ireo mpanompo rehetra ao an-dapany manko dia ny hanaovan'ny olona tsirairay araka izay sitrapony avy. 9Tamin'izay i Vastỳ, vadin'ny amperôra, dia mba nanao fanasana ho an'ny vehivavy koa tao amin'ny lapan'i Kserksesa.

10Tamin'ny andro fahafiton'izany fanasambe izany, dia falifaly i Kserksesa azon'ny divay nosotroiny. Koa nampiantsoiny ny tandapa fito lahy izay nanompo azy manokana, dia ry i Mehomàna sy i Bizetà, i Harbônà sy i Bigtà, i Abagtà sy i Zetara ary i Karkasa; 11ka nasainy hoentin'ireto tandapa ireto eo anatrehany i Vastỳ mpanjakavavy, misatroka ny satroboninahitra maha mpanjakavavy azy. Tiany haseho amin'ny manampahefana sy ny olon-kafa teo manko ny hatsaran-tarehin'i Vastỳ, satria maha te hizaha ravehivavy. 12Nampitain'izy fito lahy tamin'ny mpanjakavavy ny tenin'ny amperôra fa tsy nety nandeha mihitsy izy. Dia nisafoaka mafy ny amperôra ka nirehitra izaitsizy ny fahatezerany. 13Ary nakany hevitra ireo olon-kendry lalim-pahaizana, satria ny raharahan'ny amperôra dia nalamina teo anatrehan'izay rehetra nahay lalàna sy fitsarana. 14Ny olon-kendry teo akaikin'ny amperôra indrindra dia ry i Karsenà sy i Setara, i Admatà sy i Tarsisy, i Meresa sy i Marsenà ary Memokàna, izay minisitra fito tamin'i Persia sy i Media1.14 I Persia sy i Media: jereo 1.3 sy nta.; nitokiany ry zareo ka nitana toerana voalohany teo amin'ny fanjakana. 15Dia hoy ny amperôra tamin'ireto olon-kendry:
–Tsy nankatoavin'i Vastỳ mpanjakavavy ny didiko nentin'ireo tandapako; ka, araka ny lalàna, dia inona no sazy tokony hampiharina aminy?

samedi 5 août 2017

Sabotsy 05 Aogositra 2017 - Lio 17 : 20 - 23

20Ireo Farisianina* indray kosa no nanontany an'i Jesoa hoe:
–Rahoviana no ho avy ny Fanjakàn'Andriamanitra*?

Dia novaliany hoe:
–Tsy talaky maso ny fiavian'ny Fanjakàn'Andriamanitra. 21Tsy holazaina hoe: «Intỳ eto izy», na hoe «Irỳ erỳ», satria indro efa eo afovoanareo17.21 eo afovoanareo na eo aminareo toy izay ny hoe ao anatinareo (satria Farisianina no itenenan'i Jesoa). ny Fanjakàn'Andriamanitra.
22Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpianany*:
–Ho avy ny fotoana hanirianareo hahita anankiray amin'ny andro hiavian'ny Zanak'olona*, kanefa tsy hahita ianareo. 23Hisy hilaza aminareo hoe: «Irỳ erỳ izy!» na hoe «Intỳ eto!», saingy aza mitotototo mankany.

vendredi 4 août 2017

Zoma 04 Aogositra 2017 - Eks 13 : 14 - 16

14Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: «Inona no anton'izao?», dia hovalianareo hoe: «Tamim-pahefana mahery no namoahan'ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay. 15Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao*, ka naringan'ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin'ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin'ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin'ny biby; fa ny lahimatoa eo amin'ny zanakay kosa dia havotanay.» 16Ireo sorona ireo dia ho solon'ny marika eo amin'ny sandrinareo sy ny handrinareo, ka hampahatsiaro anareo fa ny TOMPO no namoaka anareo hiala tany Ejipta tamim-pahefana mahery.

jeudi 3 août 2017

Alakamisy 03 Aogositra 2017 - Heb 5 : 4 - 10

 4Ary tsy misy maka izany voninahitra maha mpisorombe izany ho an'ny tenany, afa-tsy izay voaantson'Andriamanitra tahaka an'i Aharôna*.
5Dia toy izany koa i Kristy*: tsy Izy no nanome voninahitra ny tenany ho tonga Mpisorombe, fa ilay Andriamanitra nilaza taminy hoe:
«Zanako* Ianao,
Ray niteraka Anao Aho manomboka anio!»
6Izany koa dia araka ny teny hafa nataon'Andriamanitra hoe:
«Ianao no Mpisorona mandrakizay,
araka ny fomban'i Melkitsedeka#5.6 and 5-6: Sal 2.7; Sal 110.4.!»
7I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin'Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan'ny fahafatesana; ary dia nohenoin'Andriamanitra izy, ka afaka tamin'ny tahotra ny ho faty#5.7 Jereo Mt 20.36-46; Mk 14.32-42; Lk 22.39-40. –Izy, ka... faty: dkt hafa Izy noho ny fahatahorany an'Andriamanitra.. 8Na dia Zanak'Andriamanitra aza Izy, dia nianatra nanoa tamin'ny fijaliana niaretany. 9Nony efa tonga amin'izay fanaperana Izy, dia zary loharanom-pamonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manoa Azy, 10ary dia nambaran'Andriamanitra ho Mpisorombe araka ny fomban'i Melkitsedeka.

mercredi 2 août 2017

Alarobia 02 Aogositra 2017 - Sal 34 : 1 - 7

1 Nataon'i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka # 34.1 Jereo 1 Sam 21.11-16. –Abimeleka: anarana nentin'ny andriana filistinina maro (Gen 20.2; 21.22; 26.1)., dia noroahiny ka lasa nandeha.

ALEFA
2Hisaotra ny TOMPO lalandava aho
ary tsy hitsahatra hidera Azy ny vavako.

BETA
3Ny TOMPO no reharehako;
koa mifalia, ry mpandefitra,
rehefa mandre ny fideràko Azy.

GIMELA
4Mankalazà ny TOMPO miaraka amiko ianareo,
ary aoka hiara-manandratra ny voninahiny isika.

DALETA
5Nitady ny TOMPO aho, dia novaliany vavaka;
ka nafahany avokoa ny tahotro rehetra.

HE
6Mijere Azy ianareo, dia aoka ho mirana;

VAO
ny tavanareo tsy ho safo-kenatra intsony.

ZAINA
7Niantso vonjy aho fa olo-mahantra
ka nohenoin'ny TOMPO sy novonjeny
tamin'izay fahoriako rehetra.

mardi 1 août 2017

Talata 01 Aogositra 2017 - II Kor 1 : 8 -11

8Tianay, ry havako, ny hahalalanareo ny fahoriana nanjo anay tany amin'ny faritany Azia; nitambesatra loatra taminay izany ary tafahoatra ny zakanay, ka tsy nanantena intsony izay hoe mbola ho velona izahay#1.8 Ampit 1Kôr 15.32. –Ny faritany Azia dia faritany rômanina manana an'i Efeso ho renivohiny.. 9Tsapanay tao amin'ny tenanay fa voaheloka ho faty izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa hitokianay amin'Andriamanitra Izay manangana ho velona ny efa maty. 10Izy no nanafaka anay tamin'ny fahafatesana nananontanona anay#1.10 tamin'ny fahafatesana nananontanona anay: dkt hafa, araka ny stf sasany, tamin'ny fahafatesana mahatsiravina. , ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany, 11satria ianareo koa hanampy anay amin'ny fivavahana ataonareo ho anay. Dia ho maro ny olona hisaotra an'Andriamanitra ny aminay satria maro no nangataka mba hahazoanay izany fitahiana izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12