dimanche 6 août 2017

Alahady 06 Aogositra 2017 - Est 9 : 1 - 15

1Ity tantara ity dia nitranga tamin'ny andron'ny amperôra Kserksesa1.1 Ny tenenina eto dia toa i Kserksesa 1° izay nifehy ny fanjakana persianina (taona 486-464 tal J.K.). Fantatra koa amin'ny anarana hoe Ahasoerôsa io amperôra io., izay nanjaka tamina faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia. 2-3Tamin'ny taona fahatelo nanjakany, fony izy nitoetra tamin'ny sezafiandrianana maha andriamanjaka azy tao Sosany renivohitra, dia nanaovany fanasana ireo rehetra andriambaventiny sy mpandraharahany; tonga teo anatrehany koa ny filohan'ny tafik'i Persia sy i Media1.2 I Sosany dia anankiray amin'ireo renivohitra telo (i Sosany, i Ekbatàna na Akmeta (jereo Hez 6.2), ary i Babilôna*) nisy lapa sy sezafiandrianana ho an'ny amperôran'ny fanjakana persianina. Teo atsinanan'i Babilôna i Sosany ary fonenan-dririnina ho an'ireo amperôra persianina. –ny tafik'i Persia sy i Media dia nisy vondro-miaramila avy amin'ireo firenena isan-tokony ao anatin'ny fanjakana persianina. ary ny governora sy ny mpitondra isam-paritany. 4Nasehon'ny amperôra azy ny harena amam-boninahitry ny fanjakana ary ny harevaka aman-drentin'ny fahalehibiazany; ka enim-bolana no naharetan'izany lanonambe izany. 5Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia nanaovan'ny amperôra fanasana teo amin'ny kianja ao anatin'ny zaridainan'ny lapa koa ireo olona rehetra izay tao Sosany renivohitra, na ny lehibe na ny kely; ka herinandro no naharetan'ny lanonana. 6Nisy lamba temitra fotsy na maitso na manga, ka tady rongony fotsy sy volomparasy no nihantonany tamina masom-bolafotsy na tamina andry vatokaranana; nisy farafara volamena sy volafotsy1.6 farafara volamena sy volafotsy: misakafo mandrimandry mihorirana eo ambony farafara ireo olona nasaina (jereo Ham 6.4). –Tsy azo antoka tsara ny hevitry ny voambolana hebreo maromaro eto amin'ity and ity. nalahatra teo ambony lampivato alabasitra sy vatokaranana fotsy ary hara sy vatokaranana mainty. 7Tsatokaty volamena karazany samy hafa no nampisotroana ny olona ary nitobaka ny divay satria nalala-tanana tokoa ny amperôra. 8Araka ny fepetra dia samy nisotro tsy nisy naneritery azy ny olona; fa ny nandidian'ny amperôra ireo mpanompo rehetra ao an-dapany manko dia ny hanaovan'ny olona tsirairay araka izay sitrapony avy. 9Tamin'izay i Vastỳ, vadin'ny amperôra, dia mba nanao fanasana ho an'ny vehivavy koa tao amin'ny lapan'i Kserksesa.

10Tamin'ny andro fahafiton'izany fanasambe izany, dia falifaly i Kserksesa azon'ny divay nosotroiny. Koa nampiantsoiny ny tandapa fito lahy izay nanompo azy manokana, dia ry i Mehomàna sy i Bizetà, i Harbônà sy i Bigtà, i Abagtà sy i Zetara ary i Karkasa; 11ka nasainy hoentin'ireto tandapa ireto eo anatrehany i Vastỳ mpanjakavavy, misatroka ny satroboninahitra maha mpanjakavavy azy. Tiany haseho amin'ny manampahefana sy ny olon-kafa teo manko ny hatsaran-tarehin'i Vastỳ, satria maha te hizaha ravehivavy. 12Nampitain'izy fito lahy tamin'ny mpanjakavavy ny tenin'ny amperôra fa tsy nety nandeha mihitsy izy. Dia nisafoaka mafy ny amperôra ka nirehitra izaitsizy ny fahatezerany. 13Ary nakany hevitra ireo olon-kendry lalim-pahaizana, satria ny raharahan'ny amperôra dia nalamina teo anatrehan'izay rehetra nahay lalàna sy fitsarana. 14Ny olon-kendry teo akaikin'ny amperôra indrindra dia ry i Karsenà sy i Setara, i Admatà sy i Tarsisy, i Meresa sy i Marsenà ary Memokàna, izay minisitra fito tamin'i Persia sy i Media1.14 I Persia sy i Media: jereo 1.3 sy nta.; nitokiany ry zareo ka nitana toerana voalohany teo amin'ny fanjakana. 15Dia hoy ny amperôra tamin'ireto olon-kendry:
–Tsy nankatoavin'i Vastỳ mpanjakavavy ny didiko nentin'ireo tandapako; ka, araka ny lalàna, dia inona no sazy tokony hampiharina aminy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12