jeudi 3 août 2017

Alakamisy 03 Aogositra 2017 - Heb 5 : 4 - 10

 4Ary tsy misy maka izany voninahitra maha mpisorombe izany ho an'ny tenany, afa-tsy izay voaantson'Andriamanitra tahaka an'i Aharôna*.
5Dia toy izany koa i Kristy*: tsy Izy no nanome voninahitra ny tenany ho tonga Mpisorombe, fa ilay Andriamanitra nilaza taminy hoe:
«Zanako* Ianao,
Ray niteraka Anao Aho manomboka anio!»
6Izany koa dia araka ny teny hafa nataon'Andriamanitra hoe:
«Ianao no Mpisorona mandrakizay,
araka ny fomban'i Melkitsedeka#5.6 and 5-6: Sal 2.7; Sal 110.4.
7I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin'Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan'ny fahafatesana; ary dia nohenoin'Andriamanitra izy, ka afaka tamin'ny tahotra ny ho faty#5.7 Jereo Mt 20.36-46; Mk 14.32-42; Lk 22.39-40. –Izy, ka... faty: dkt hafa Izy noho ny fahatahorany an'Andriamanitra.8Na dia Zanak'Andriamanitra aza Izy, dia nianatra nanoa tamin'ny fijaliana niaretany. 9Nony efa tonga amin'izay fanaperana Izy, dia zary loharanom-pamonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manoa Azy, 10ary dia nambaran'Andriamanitra ho Mpisorombe araka ny fomban'i Melkitsedeka.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12